Seminera
Jaona 6:22-58


Jaona 6:22-58

“Izaho no mofon’aina”

Sary
Jesus Christ seated at a table. In one hand He is holding a piece of bread. With the other He is gesturing towards Himself. There is a plate of bread on the table in front of Him and a goblet.

Ny ampitson’ny fahagagana tamin’ny famokisana olona dimy arivo dia maro no nitady an’i Jesoa, “tsy noho [izy ireo] nahita famantarana, fa noho ny fihinan’ [izy ireo] ny mofo,” ary niverina ho noana indray izy ireo (Jaona 6:26). Hoy ny Mpamonjy nampianatra azy ireo hoe: “Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana” (Jaona 6:35). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo fomba ahafahanao manatona ny Mpamonjy mba hanomezany anao fahafaham-po amin’izay ilainao ara-panahy.

“Izaho no mofon’aina”

Sary
Bread

Raha azo atao dia mitadiava mofo iray. Hano izany mandritra ny fisaintsainanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Firy ny mofo afaka hohaninao araka ny eritreritrao?

  • Na firy na firy ny mofo hohaninao izao, inona no hitranga amin’ny farany?

Rehefa namahana ireo vahoaka mihoatra ny dimy arivo tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa monja ny Mpamonjy, dia namaly an’io fahagagana io ny olona sasany tamin’ny fitadiavana Azy hanome sakafo hafa ho azy ireo indray fa tsy ho an’ ny antony ara-panahy (jereo Jaona 6:5–14 ; Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 6:26. Nahitsin’i Jesoa ireo izay mitady Azy hahazoana mofo bebe kokoa fa tsy mitady Azy ho hahazoana ny fiainana mandrakizay. Nametra-panontaniana ny mombamomba Azy izy ireo sy ny fahafahany manome azy ireo fiainana mandrakizay (jereo Jaona 6:30, 41–42).

Vakio ny Jaona 6:32, 35 mba hahitana ny fomba nanitsian’ny Mpamonjy ny olona. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny soratra masinao ireo anaram-boninahitra iantsoana ny Mpamonjy hoe “ny tena mofo avy any an-danitra” sy ny hoe “ny mofon’aina.” Azonao ampidirina ao amin’ilay diarinao ary asiana lohateny hoe “Anaram-boninahitra sy Anjara asan’i Jesoa Kristy” ireo anarana ireo.” (Angamba efa nanomboka nanoratra izany ianao nandritra ny lesona momba ny Jaona 1:1–51.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny Mpamonjy no niantso ny tenany ho “tena mofo avy any an-danitra” na “mofon’aina”?

  • Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 35 ?

Ny Jaona 6:35 dia mampianatra fa raha manatona an’i Jesoa Kristy sy mino Azy isika dia afaka manome fahafaham-po amin’ny hanoanana sy ny hetahetantsika ara-panahy Izy.

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo antony sasany ilainao an’i Jesoa Kristy isan’andro? Amin’ny fomba ahoana no hisehoan’ny “mahanoana” anao ara-panahy ankehitriny?

  • Inona no ataonao ankehitriny hikatsahana ny fanampian’ny Mpamonjy hanomezana fahafaham-po izany hanoanana izany? Inona no mety tsara? Inona no tsy mety?

Rehefa manohy ny fianaranao ianao dia katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ireo fomba ahafahanao manatona ny Mpamonjy mba hanomezany fahafaham-po anao amin’ny hanoananao ara-panahy.Vakio ny Jaona 6:47–58 , ka tadiavo ny zavatra asain’ny Mpamonjy hataontsika sy izay ampanantenainy antsika ho setrin’izany. Diniho ny fomba anampian’ireo fanasana sy fampanantenana ireo anao hahatakatra bebe kokoa ny fomba handraisana ny fanomezan’ny Mpamonjy fahafaham-po anao amin’ny hanoananao sy ny hetahetanao ara-panahy. Azonao atao ihany koa ny mijery ny horonantsary “Je suis le pain de vie,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 3:20 ka hatramin’ny 5:08 ary manaraka ao amin’ny soratra masinao. Mamoròna tabilao toy izao manaraka izao hanampiana anao.

Sary
Bread

Ny fanasan’ny Mpamonjy

Ny fampanantenan’ny Mpamonjy

  • Inona no ampianarin’ny fanasany sy ny fampanantenany anao momba Azy?

Mandray ny nofo sy ny ran’ny Mpamonjy

Olona maro izay nandre ny toritenin’ny Mpamonjy no nanana fanontaniana momba ny dikan’ny hoe mihinana ny nofon’ny Mpamonjy sy misotro ny rany (jereo ny Jaona 6:52, 60).

Vakio ity teny manaraka avy amin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mba hahatakarana bebe kokoa ny dikan’ny tenin’ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahantsika manaiky ny fanasany.

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Ny fihinanana ny nofony sy ny fisotroana ny rany dia fomba iray tsy mahazatra entina milaza ny fomba tokony hampidirantsika tanteraka ny Mpamonjy ao amin’ny fiainantsika, ao anatin’ny maha-isika antsika mihitsy, mba ho iray isika. …

… Mandray ny nofony sy misotro ny rany isika rehefa mandray avy Aminy ny hery sy ny fitahian’ny Sorompanavotany.

Ny fotopampianaran’i Kristy dia milaza ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ny fahasoavana manavotra. Izany dia ny finoana an’i Kristy, ny fibebahana sy ny fanaovana batisa, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina, “ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ ny alalan’ ny afo sy ny Fanahy Masina” [ 2 Nefia 31:17 ]. …

Efa niresaka mikasika ny fandraisana ny fahasoavana manavotry ny Mpamonjy aho, izay manaisotra ny fahotantsika sy ny vokatr’ireo fahotana ireo ao amintsika. Ny fihinanana ara-tsariteny ny nofony sy ny fisotroana ara-tsariteny ny rany dia ny fiezahana hanana ao anaty ny zavatra tsara sy ny toetra ananan’i Kristy, ny fanaisorana ny maha-olona araka ny nofo ary ny fahatongavana ho Olomasina “amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo” ” [ Môzià 3:19 ]. …

… Ny fihinanana ny nofo sy ny fisotroana ny ran’i Kristy dia midika hoe mikatsaka ny fahamasinana.

(D. Todd Christofferson, “Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 36–38)

  • Ahoana no hanazavanao ny dikan’ny hoe mihinana ny nofo sy misotro ny ran’ny Zanak’ Andriamanitra?

  • Oviana ianao na ny hafa no nanaraka ny torohevitry ny Loholona Christofferson ary nahatsapa fa nanome fahafaham-po tamin’ny hanoanana ara-panahy ny Mpamonjy? Inona no nataonao tamin’ireo zavatra niainana ireo ka nahatsapanao fa nanasanao ny Mpamonjy hanome fahafaham-po izany hanoanana izany?

1. Vitao ao anaty diary fandalinanao ity manaraka ity:

Alaivo an-tsaina hoe teo ianao nandritra ny toritenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 6:22–58 . Manorata ao amin’ny diarinao toy ny hoe teo ianao. Ampidiro ao amin’izany ireto manaraka ireto:

  1. Ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy sy izay nianaranao avy Aminy

  2. Ny zavatra rehetra niainanao rehefa nanome ny zavatra nilainao ara-panahy i Jesoa Kristy (na ny zavatra niainan’ny hafa)

  3. Fihetsika izay nahazoanao fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina sy ny antony

Tsy voatery hatao: Te hianatra bebe kokoa?

Nahoana i Jesoa no nampifantoka ny olona tamin’ny filàn’izy ireo ara-panahy fa tsy tamin’ny filany ara-batana?

Fony izy mpikambana tao amin’ny Fitopololahy, ny Loholona Carlos H. Amado dia nampianatra hoe:

Sary
Former official portrait of Elder Carlos H. Amado of the First Quorum of the Seventy, 2008. Retouched version done in March 2009.

Amin’ny maha-Fiangonana antsika dia tokony hamahana ny noana isika, hitondra fanamaivanana ho an’ny ny marary, hampitafy ny mitanjaka ary hanome fialofana ho an’ny mahantra. Manamaivana ireo filàna fototra sy maika ananan’ireo mpikambana isika amin’ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina, ary amin’ny drafitry ny fifanampiana no anampiantsika azy ireo amin’ny fanomezana izay ilain’izy ireo mandritra ny fotoana maharitra. Rehefa misy ny loza voajanahary, dia manome fanampiana ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika izay tsy mpiray finoana amintsika isika amin’ny alàlan’ny asa fanampiana olona.

Tsy manao ambanin-javatra ireo zavatra ilaina ara-nofo ireo ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, amin’ny alàlan’ny didin’ny Tompo, dia mitana ny asa fanompoana lehibe sy avo indrindra, dia ny fitahiana ny olona rehetra amin’ny fampianarana azy ireo ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fanasana azy ireo handray ireo ôrdônansin’ny famonjena mba hahazoan’izy ireo “ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay” ( Mosesy 1:39).

(Carlos H. Amado, “Service, a Divine Quality,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 35–36)

Jaona 6:56 . Inona no tian’ny Mpamonjy holazaina rehefa nampianatra Izy fa hitoetra ato anatintsika?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Former official portrait of Elder Carlos H. Amado of the First Quorum of the Seventy, 2008. Retouched version done in March 2009.

Zavatra iray tsara ho fantatra ny hoe i Jesoa Kristy dia tonga teto an-tany mba ho faty ho antsika—izany dia zava-dehibe ao anatin’ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fototra iorenany. Saingy isika koa dia mila mankasitraka ilay hoe, ny Tompo dia maniry, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina mba hiaina ao anatintsika—tsy hoe hitarika antsika fotsiny fa koa mba hanome hery antsika.

(David A. Bednar, “Ny Sorompanavotana sy ilay Dia Eto An-tany,” Liahona, aprily 2012, 42)

Hamoaka printy