Seminera
Jaona 6:60–71


Jaona 6:60–71

“Hankany amin’iza moa izahay?”

Sary
Jesus talking to a large group of people.

Rehefa avy nampianatra i Jesoa fa Izy no Mofon’aina (jereo ny Jaona 6:35) dia maro no tsy nahatakatra izany ary nisafidy ny hitsahatra tsy hanaraka Azy. Rehefa nanontanian’i Jesoa ny Apôstôly Roambinifolo raha te handao ihany koa izy ireo dia namaly i Petera nanao hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanamafy sy hijanona ho marina amin’ny fanoloran-tenanao hanaraka an’i Jesoa Kristy, na dia mety tsy misafidy ny hanaraka Azy aza ny hafa.

Fihetsika asetry ny fampianaran’ny Mpamonjy

Mamoròna toe-javatra iray, tena misy na noforonina, ahitana mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nanapa-kevitra ny tsy hanaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy intsony. Mety hanampy ny mameno ny banga amin’ity rafi-tantara manaraka ity:

[Anaran’olona iray sy ny fifandraisany aminao] dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara intsony amin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa manontany azy ireo ny anton’ny tsy handraisany anjara intsony ianao dia hoy izy ireo hoe, “[Antony tsy handraisany anjara intsony amin’ny Fiangonana].” Rehefa mieritreritra ny valin-tenin’izy ireo ianao dia mahatsapa [farito ny zavatra tsapanao].

Ireo fahamarinana asongadina ato amin’ity lesona ity dia afaka manampy anao hijanona ho marina raha toa kosa ka mety miala amin’ny Fiangonanny Mpamonjy ireo olona izay tianao. Ireo fahamarinana ireo dia afaka manampy anao ihany koa raha toa ianao ka manandrana manapa-kevitra hoe hatraiza ny fanirianao handray anjara amin’ny Fiangonana. Sokafy ny fonao amin’ny fitaomam-panahy tian’ny Tompo hitahiana anao.

Makà fotoana kely hisaintsainana hoe inona amin’ireto teny nambara manaraka ireto, raha misy, no mahakasika anao:

  • Rehefa mahita ny hafa mamery finoany an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aho dia misy akony amin’ny finoako izany.

  • Na dia malahelo aza ny foko, dia mijanona ho maharitra ny finoako rehefa very finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany ireo hafa manodidina ahy.

  • Tsy rototra aho rehefa misy olona mandao ny Fiangonana raha toa izany no mahafaly azy ireo.

  • Nanapa-kevitra aho fa hijanona ho mpikamban’ny Fiangonana mahatoky.

  • Mbola eo am-panapahana hevitra aho raha te ho mpikamban’ny Fiangonana mahatoky.

Ao amin’ny Jaona 6:26–58 dia nampianatra i Jesoa fa Izy no Mofon’aina nidina avy tany an-danitra ary izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany no hanana ny fiainana mandrakizay.

Vakio ny Jaona 6:60–66 , ary tadiavo ny fomba namalian’ny olona sasany ny fampianaran’ny Tompo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no sahirana ny olona amin’ny fandraisana ireo fampianarana vaovao avy amin’i Jesoa ireo?

  • Inona avy ireo fampianaran’ny Mpamonjy amin’izao androntsika izao izay sarotra ho an’ny olona sasany ny manaiky izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no antony vitsivitsy isafidianan’ny olona sasany amin’izao androntsika izao hanalavitra ny tenany amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Tadidio fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tia ny olon-drehetra— ao anatin’izany ireo izay nisafidy ny hiala amin’ny Fiangonana. Afaka manohy mitia sy miezaka mahatakatra ireo izay niala isika. Tsy hoe akory satria nisafidy ny hiala ny olona iray dia olona ratsy na fadiranovana foana izy ireo noho ny fialany. Ary tsy midika ihany koa izany fa tsy hisafidy ny hiverina amin’ny Fiangonana izy ireo amin’ny hoavy. Afaka manome aingam-panahy anao ny Tompo amin’ny zavatra holazaina sy hatao ho an’ireo izay efa niala.

“Hianareo koa va mba te hiala?”

Vakio ny Jaona 6:67 , ary mariho ny fanontaniana napetrak’i Jesoa tamin’ny Apôstôliny.

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe inona no ifandraisan’ny fanontanian’ny Mpamonjy amintsika.

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Any amin’ny farany ny tsirairay amintsika dia tsy maintsy hamaly ilay fanontanian’ny Mpamonjy hoe: “Hianareo koa va mba te hiala?” [ Jaona 6:67 ]. Mila mikaroka ny valin-tenintsika manokana an’io fanontaniana io isika rehetra. Ho an’ny sasany dia mora ny valiny; ho an’ny hafa, dia sarotra izany.

(M. Russell Ballard, “Hankany amin’iza moa isika?,” Liahona, nôv. 2016, 92)

Vakio ny Jaona 6:68–69 , ka tadiavo ny valin-tenin’i Petera amin’ny fanontanian’ny Mpamonjy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka namaly tamin’io fomba namaliany azy io i Petera?

  • Inona no azontsika atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’i Petera?

Raha niresaka momba ny safidy nataon’ny Apôstôly Roambinifolo ny Filoha M. Russell Ballard dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Tamin’izay fotoana izay, raha toa ka nifantoka tamin’ny zavatra izay tsy azon’izy ireo nekena ny sasany, ireo Apôstôly kosa dia nisafidy ny hifantoka tamin’ny zavatra fantany sy ninoany, ka noho izany dia nijanona niaraka tamin’i Kristy izy ireo.

(M. Russell Ballard, “Hankany amin’iza moa isika?,” Liahona, nôv. 2016, 90)

  • Nanambara i Petera fa manana ny “tenin’ny fiainana mandrakizay” ny Mpamonjy ( Jaona 6:68). Inona avy ireo fampianaran’i Jesoa Kristy fantatrao fa marina?

  • Inona avy ireo fitahiana nomena anao noho Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Ny Filoha M. Russell Ballard dia niresaka tamin’ireo olona izay mety hieritreritra ny hiala amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Jereo ny horonantsary “Hankany amin’iza moa isika?,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 5:35 ka hatramin’ny 8:16. Rehefa mihaino ny Filoha Ballard ianao dia henoy tsara ireo fanontaniana apetrany.

  • Inona no eritreritra nanananao rehefa nihaino ny Filoha Ballard ianao?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao izay nanampy anao hino an’ i Jesoa Kristy sy hiditra na hijanona ao amin’ny Fiangonany?

  • Hanampy anao tamin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ireo zavatra niainana ireo rehefa misedra fitsapana ny finoanao?

Raha toa sahirana amin’ny finoanao ianao dia tadidio fa tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka mivavaka amin’ny Rainao any An-danitra foana ianao mba hahazo fanampiana. Azonao atao ihany koa ny miresaka amin’ny ray aman-dreninao, ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana na ny mpampianatra seminera momba ireo fanontaniana sy ireo ahiahy anananao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa na mihoatra amin’ ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no havalinao raha manontany anao ny Tompo hoe: “Ianareo koa va mba te-hiala?” ( Jaona 6:67).

  • Inona no azonao atao mba hahazoana sy hanamafisana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’ i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany?

  • Inona no tianao ho tadidiana rehefa misy olon-tianao mety manapa-kevitra ny hiala amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy?

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray malahelo satria nanapa-kevitra ny hiala amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ireo olona izay manan-danja aminy?

Tsy voatery hatao: Te hianatra bebe kokoa?

Jaona 6:67–69 . Inona no zavatra takatr’i Petera sy ny Roambinifololahy ka nanampy azy ireo hijanona ho mpanara-dia mahatoky an i Jesoa Kristy?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra hoe:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Tsy fantatro raha takatr’i Petera sy ireo rahalahiny bebe kokoa, tamin’io fotoana io, ny zavatra nampianarin’ny Tompo raha oharina amin’ireo mpianatra izay namela irery ny Tompo tamin’io fotoana io, kanefa fantatr’i Petera tamin’ny fijoroana ho vavolombelona azo antoky ny Fanahy fa i Jesoa no ilay Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona (jereo koa ny Matio 16:15–17), ary tsy afaka ny ho hita any amin’ny toeran-kafa ny famonjena. Noho izany dia nanolo-tena tanteraka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy izy na inona na inona miseho. Raha nanana fanontaniana izy, dia azo novaliana tany aoriana tany izany, kanefa tsy hanaiky hiova hevitra amin’ny fahatokiany tamin’ny Zanak’ Andriamanitra izy, ary izany dia ohatra tena mahafinaritra ho antsika.

(D. Todd Christofferson, “Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 39 fanamarihana 8)

Ahoana no fahatsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo izay miala?

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Hatrany alohan’ny nahariana izao tontolo izao no nitiavan’ny Ray any An-danitra iray be fitiavana sy ny Zanany Lahitokana ary niasany niaraka tamin’ireo izay fantany fa hivily lalana. Hitia azy ireo mandrakizay Andriamanitra.

(Henry B. Eyring, “Ho an’ireo Zafikeliko,” Liahona, nôv. 2013, 72)

Inona no azoko atao amin’ ireo izay tsy mavitrika loatra na miala amin’ny Fiangonana?

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Ny valinteniko dia hoe miangavy aho aza mitory amin’ izy ireo! Ny olona ao amin’ny fianakavianao na ny namanao dia efa mahalala ny fampianaran’ny Fiangonana. Tsy mila sermôna hafa intsony izy ireo! Ny ilain’ izy ireo — izay ilaintsika rehetra — dia ny fitiavana sy ny fahatakarana fa tsy ny fitsarana. Zarao ny zavatra tsara niainanao tamin’ny fiainana ny filazantsara. Ny zavatra mahery vaika indrindra azonao atao dia ny mizara ny zavatra niainanao ara-panahy amin’ny fianakavianao sy ny namanao. Ary koa, manehoa fahalianana marina amin’ny fiainany, ny fahombiazany ary ny olan’ izy ireo. Aoka ianao ho tsara fandray, malemy paika, be fitiavana ary tsara fanahy hatrany.

(M. Russell Ballard, “Questions and Answers” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, nôv. 14, 2017], 5, speeches.byu.edu)

Hamoaka printy