Matio 14:22–33
“Aza matahotra”
Nandeha teo ambony rano i Jesoa Kristy ary nanasa an’i Petera hanao toy izany koa. Rehefa nahita ny tafiodrivotra sy ny onja i Petera dia nanomboka nilentika ary niantso vonjy tamin’ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanaraka ny ohatr’i Petera amin’ny fitodihana amin’ny Mpamonjy mandritra ny toe-javatra mampatahotra na manahirana.
I Jesoa dia afaka mampitony antsika mandritra ny tafiodrivotry ny fiainana
Ity sary ity dia mampiseho ny fotoana mampihorohoro teo amin’ny fiainan’ny Apôstôly Petera. Milaza ny Matio 14:30 hoe: “Natahotra i [Petera], ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho.”
-
Inona avy ireo toe-javatra amin’izao andro ankehitriny izao ka mety mahatonga ny tanora hahatsapa toa an’i Petera?
-
Misy ve ny toe-javatra eo amin’ny fiainanao ka mahatonga anao mahatsapa tahotra na mahatsapa ho milentika?
Saintsaino fotoana fohy hoe aiza na amin’iza no hitodihanao hahazoana fanampiana sy fiadanana rehefa mahatsapa toy izany ianao.Rehefa avy namahana tamin’ny fomba mahagaga ny olona mihoatra ny dimy arivo i Jesoa Kristy dia nangataka ny mpianany Izy “mba hiondrana an-tsambokely sy hialoha Azy ho eny am-pitan’ny” Ranomasin’i Galilia ( Matio 14:22).
Vakio ny Matio 14:23–33 , ka tadiavo ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay afaka manampy anao hitodika Aminy rehefa mahatsapa tahotra ianao na mahatsapa ho milentika. Henoy ireo eritreritra sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina. Afaka manampy anao Izy hahafantatra ny fomba hampiharana ireo fahamarinana ireo amin’ny zavatra iainanao amin’ny fiainana. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ny soratra masinao ireo fahamarinana hitanao. (Fanamarihana: Ny “fiambenana fahefatra” dia teo anelanelan’ny tamin’ny 3:00 maraina sy 6:00 maraina)
Answer the following questions in your study journal:
1.
-
Inona avy ireo fahamarinana nianaranao avy amin’ity tantara ity?
-
Inona no zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay mety hanampy anao hitodika Aminy rehefa mahatsapa tahotra na tototry ny zava-manahirana?
Mifantoha amin’ny Mpamonjy
Ny ohatr’i Petera dia mampianatra antsika amin’izay zavatra tokony hifantohantsika. Tsarovy izay niseho tamin’i Petera rehefa nifantoka tamin’i Jesoa Kristy izy ary ny zava-nitranga taminy rehefa nanova ny fifantohany tamin’ny tafiotra manodidina azy (jereo ny andininy 28–31). Soraty amin’ny taratasy ny zavatra iray teo amin’ny fiainanao na ny hoavinao izay mety tsapanao fa mavesatra aminao. Apetraho eo ankavianao io taratasy io. Apetraho eo ankavananao indray izao ny sarin’i Jesoa Kristy na ny zavatra hafa izay mampatsiahy anao momba Azy. Ampifandimbiaso ifantohan’ny eritreritrao sy ny masonao ilay toe-javatra manahirana ary avy eo amin’ilay sarin’i Jesoa Kristy.
2.
-
Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fifantohana amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny heriny ary ny fitiavany anao mandritra ny toe-javatra sarotra?
-
Inona avy ireo fomba sasany afahana mifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny olana?
Hamaranana ity lesona ity dia soraty ireo fahatsapana azonao. Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny antony tokony hitodihantsika Aminy rehefa milentika isika? Inona no kasainao hatao mba hanatonana Azy?
Tsy voatery hatao: Te hianatra bebe kokoa?
Ahoana no mety ho fiovan’ny fiainantsika rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika?
Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia nampianatra hoe:
Inoako mafy tokoa fa raha toa ka hibanjina an’i Jesoa, tahaka ny nataon’i Petera isika amin’ny maha-olon-tokana sy fianakaviana, fiarahamonina, ary firenena antsika, dia ho afaka handresy ny “onja mitelin’ny tsy finoana” koa isika ka hijanona “tsy ho raiki-tahotra ao anatin’ny tafio-drivotra maherin’ny fanahiana.” Fa raha toa ka tsy mijery an’ilay tokony inoantsika anefa isika, izay tena mora ny manao izany ary halaim-panahy hanao izany tokoa izao tontolo izao, raha toa ka mijery ny fahefana sy fisafotofotoan’ireny singa mampatahotra sy manimba manodidina antsika ireny isika fa tsy ilay afaka manampy sy mamonjy antsika, dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hilentehantsika ao amin’ny ranomasin’ny fifanoherana sy alahelo ary fahakiviana.
(Howard W. Hunter, “The Beacon in the Harbor of Peace,” Ensign, Nov. 1992, 19)
Matio 14:27 . Ahoana no ahafahantsika “matoky” rehefa miatrika zava-tsarotra?
Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:
Tsy afaka “matoky” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6 ] isika raha tototry ny tahotra. Ireo zavatra roa ireo—fahatokiana sy tahotra—dia tsy afaka ny samy ho ao anatintsika. …
Ny hoe matokia dia ny matoky an’i [Jesoa Kristy] rehefa tsy mandeha araka ny drafitra nataontsika izay nokasaintsika. Izany dia midika hoe mandroso rehefa manova ny fiainantsika ireo toe-javatra mitranga tsy ampoizina, rehefa mandrava ireo nofintsika ny loza sy fitsapana. Kanefa ny Tompo dia mampahatsiahy antsika hoe: “Ao amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo.” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36 ].
(Ronald A. Rasband, “I Jesoa Kristy no vahaolana,” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, Feb. 8, 2019], 1–2)
Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny tahotra hahatonga antsika tsy hahazo ireo fitahiana izay atolotry ny Mpamonjy?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao teny manaraka izao:
Ity tantara ao amin’ny soratra masina ity dia mampahatsiahy antsika fa ny dingana voalohany amin’ny fanatonana an’i Kristy—na ny fanatonany antsika—dia mety hahatonga antsika ho heniky ny zavatra izay tena mitovy amin’ny horohoro lehibe. Tsy tokony ho izany, kanefa toy izany ihany indraindray. Iray amin’ireo zavatra mahatsikaiky indrindra ao amin’ny filazantsara ny hoe ny loharanom-panampiana sy fiarovana indrindra izay atolotra antsika no zavatra izay mety hitsoahantsika amin’ny maha-tsy mahataka-davitra antsika olombelona. Na inona na inona ny antony dia nahita naman’ny fiangonana izay nitsoaka ny batisa aho, nahita loholona nitsoaka ny antso ho misiônera, nahita olon-tiana nitsoaka ny fanambadiana, ary nahita mpivady vao nitsoaka satria natahotra ny hanana fianakaviana sy natahotra ny ho avy. Matetika loatra ny maro amintsika no mitsoaka ireo zavatra izay hitahy antsika sy hanavotra antsika ary hampatanjaka antsika ara-pihetseham-po. Matetika loatra isika no mahita ny fanoloran-tena ho amin’ny filazantsara sy ny didy ho zavatra atahorana ary avy eo afoy.
(Jeffrey R. Holland, “Come unto Me” [Fivoriam-bavaka tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 2 Martsa, 1997], 8, speeches.byu.edu)