Seminera
Asan’ny Apostoly 22–28


Asan’ny Apostoly 22–28

Topimaso ankapobeny

Amin’ny lesona mandritra ity herinandro ity, dia hianatra ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ireo Apôstôly isika sy ny fomba nahatanteraka izany teo amin’ny fiainan’i Paoly. Na dia nifatotra tamin’ny rojo vy sy nentina teo anatrehan’ireo mpitondra sy mpanjaka aza i Paoly, dia nizara tamim-pahatokiana ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nananany momba an’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany hatrany izy. Rehefa nisedra tafio-drivotra mahery, sy sambo vaky ary ireo zava-tsarotra hafa izy, dia nanome torohevitra sy fampitandremana notaomim-panahy mba hiarovana ireo izay niaraka taminy. Ity herinandro ity dia hahitana lesona izay afaka manampy anao hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ary koa hananana fotoana ahafahana manao tombana ireo tanjona izay napetrakao sy ny fianarana ary ny fivoarana manokana izay niainanao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manome torohevitra an’ireo mpampianatra ny amin’ireo hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Asan’ny Apostoly 22–23, 26–28

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hampitomboana ny fahatokisan’ireo mpianatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanatanteraka ny fampanantenany rehefa miezaka ny manompo Azy Ireo ny mpianatra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’izy ireo. Ohatra, afaka mandinika ireo fampanantenana ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo izy ireo (jereo ny Môrônia 4:3 ; 5:2) na ao amin’ny soratra masina hafa. Afaka mamaky izany ary mitady ireo fampanantenana avy amin’ny Tompo ireo mpianatra izay nahazo ny tsodranon’ny patriarika.

  • Horonan-tsary:Be of Good Cheer” (1:32)

  • Tabilao: Tabilao mampiseho ireo fampanantenan’ny Tompo sy ny fomba anatanterahany izany

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy nianatra ny fampanantenana izay nataon’ny Tompo tamin’ireo Apôstôly ny mpianatra, dia asaivo mampiasa ny fitaovam-pifandraisana chat izy ireo mba hanoratany ny zavatra izay hitany. Avy eo rehefa manohy ny fandalinany izy ireo, dia asao izy ireo hizara ao amin’ny fitaovam-pifandraisana chat ny fomba izay nanatanterahan’ny Tompo ny fampanantenana hitan’izy ireo .

Asan’ny Apostoly 22–26

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hikolokolo faniriana lehibe kokoa mba hanaraka ny ohatra izay nataon’i Paoly tamin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina sy ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara zavatra niainana iray ka nanohina sy nisy fiantraikany tamin’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona nataon’olon-kafa.

  • Tabilao: Tabilao mampiseho ny fihetsika nasetrin’ny vahoaka tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Amin’ny faran’ny lesona, dia hevero ny hampiditra ireo mpianatra ao anaty zana-bondrona mba hiresahana momba ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo sy ny heviny mikasika ny fomba fizarana izany amin’ny fomba tsotra sy voajanahary.

Asan’ny Apostoly 27–28

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny torohevitra omen’ireo mpaminany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba handalina ireo fampianarana sasany amin’ireo fampianarana vao haingana nataon’ireo mpaminany maoderna. Ohatra, azon’izy ireo atao ny mamaky na mijery ny lahateny tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao haingana, na mamaky lahatsoratra iray nataon’ny mpaminany na apôstôly ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery na, mamaky lohahevitra vitsivitsy ao amin’ny kiboky Jeunes, soyez forts . Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra izay tsapany mikasika ny famaliana ny torohevitra omen’ireo mpaminany.

  • Taratasy zaraina: “Ny dia nataon’i Paoly nankany Roma”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiseho ny dika mitovy amin’ilay taratasy zaraina amin’ireo mpianatra mba hodinihany eo am-panaovan’izy ireo ilay sahanasa ao amin’ny diary fandalinany. Avy eo, amin’ny alalan’ny fampiasana solaitra fotsy, dia manendre mpianatra samihafa mba hanao sary na hamintina ny zava-nitranga ao amin’ny iray amin’ireo efa-joro efatra. Rehefa avy eo dia asaivo manazava ny sary izay nataony na ny zavatra izay nosoratany ireo mpianatra.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny iray na roa amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianarany. Omeo fanamby izy ireo mba hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina na, raha azo atao, ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manontolo.

  • Horonan-tsary:He Lives” (17:03; jereo manomboka avy amin’ny marim-potoana faha 5:27 ka hatramin’ny 6:05)

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy hanaovana karatra fitadidiana

  • Tabilao: Tabilao fifehezana fotopampianarana haseho na taratasy zaraina

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy nanao fanazaran-tena mitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ireo mpianatra, dia milazà andian-teny manan-danja iray amin’ny iray kilasy ary angataho izy ireo hametraka ilay karatra marina eo anoloan’ny fakantsarin’izy ireo ao anatin’ny fe-potoana voafetra (ohatra, dimy segondra).

Tombano ny fianaranao 7

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombatombana ireo tanjona izay napetrany sy ny fianarany ary ny fivoaran’ny tena manokana izay niainan’izy ireo nandritra ny fianaran’izy ireo ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara ny ohatra avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny amin’ireo olonananjary niova fo amin’i Jesoa Kristy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Omeo topimaso momba ny sahanasa A sy sahanasa B ireo mpianatra, ary alefaso amin’ny mpianatra ny dika mitovin’ireo sahanasa roa ireo. Avy eo dia ampidiro ao anaty zana-bondrona ireo mpianatra ary avelao izy ireo hisafidy ny sahanasa izay hataony miaraka. Rehefa miverina ao amin’ny kilasy izy ireo, dia asaivo mizara ny zavatra izay noresahiny sy nianarany izy ireo.

Hamoaka printy