Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 16


Famerenana fifehezana fotopampianarana 16

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
Mother and young woman in New Zealand are sitting together reading scriptures. Also shots of woman along pondering.

Ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy ny zavatra izay nampianarina tao anatin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja sasany ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Mampiasa paikady isan-karazany mba hampandraisana anjara ny mpianatra. Ny fampiasana ireo paikady fampianarana isan-karazany dia afaka manampy ireo mpianatra hianatra amin’ny fomba mahomby kokoa. Amboary ny fitaovana enti-mampianatra ny lesona mba hisarika ireo mpianatra sy hanampy azy ireo hianatra tsara kokoa izany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny iray na roa amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianarany. Omeo fanamby izy ireo mba hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina na, raha azo atao, ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manontolo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray mirakitra andinin-tsoratra masina fifahezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny faritra na vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana hisian’ny seminera.

  • Inona no mety ho antony hanaovanao tsianjery ny sasany amin’ireto manaraka ireto: tononkira, fandaharam-potoana, na zava-misy momba ny mpilalao ara-panatanjahantena na mpanakanto?

  • Inona avy ohatra ireo zavatra hafa ataonao tsianjery? Nahoana izy ireny no ataonao tsianjery?

Hevero ny hizara ohatra manokana momba ny fanaovana tsianjery zavatra anankiray sy ny antony anaovana tsianjery izany.

  • Inona avy ireo antony izay tokony hanaovana tsianjery ny soratra masina?

Vakio izao teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao, na jereo ny horonan-tsary “He Lives,” azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 5:27 ka hatramin’ny 6:05. Mitadiava fitahiana telo farafahakeliny izay azon’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina atolotra antsika.

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Manoro hevitra anao aho mbahanao tsianjery ireo soratra masina izay manohina ny fonao ary mameno ny fanahinao amin’ny fahatakarana. Rehefa ampiasaina araka izay nahatonga ny Tompo hirakitra izany ny soratra masina, dia manana hery anaty izay tsy voampita rehefa ambara amin’ny teny hafa izany. Indraindray rehefa misy zava-dehibe ilaiko eo amin’ny fiainako, dia mamerina an-tsaina ireo andinin-tsoratra masina izay efa nanome hery ahy aho. Misy fampiononana, sy tari-dalana, ary hery lehibe mikoriana avy ao amin’ny soratra masina, indrindra fa ireo teny izay nolazain’ny Tompo.

(Richard G. Scott, “He Lives,” Ensign, Nov. 1999, 87–88)

  • Inona avy ireo fitahiana sasany izay azonao avy tamin’ny fitadidiana soratra masina na andian-teny manan-danja avy ao amin’ny soratra masina?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ny fitadidiana ny tenin’ny Tompo izay voarakitra ao amin’ny soratra masina nanampy anao mba hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Raha sendra mila fanampiana fanampiny ireo mpianatra amin’ny fahatakarana ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovana tsianjery soratra masina, dia azonao atao ny mizara ilay lahatsoratra hoe “Why Memorize Scriptures? (Nahoana no atao tsianjery ny soratra masina?)” (Jared R. Moon, New Era, Septambra. 2014, 17).

Karatra fitadidiana

Fomba iray ahafahana mitadidy ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ny fampiasana karatra fitadidiana. Mba hamoronana karatra fitadidiana, dia aforeto roa ny taratasy tsy misy soratra ary aforeto eo amin’ny fisasahany, avy eo aforeto indray eo amin’ny fisasahany mba hamoronana fizarana efatra. Velaro ny taratasy, ary tapaho ireo tsipika miforitra mba hahazoana karatra efatra.

Raha ilaina, dia soloy ireto andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja manaraka ireto amin’ny andian-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja avy ao amin’ny fifehezana fotopampianarana izay efa nohalalinin’ireo mpianatra.

Soraty eo amin’ny lafiny iray amin’ny karatra tsirairay avy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Soraty amin’ny lafiny iray hafa indray ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Toko sy andininy

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Efesiana 1:10

“[Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no] hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy ny Fiavian’i Kristy … raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Aoka ianao ho tia mamorona mba hanampy anao hitadidy. Misafidiana iray amin’ireto hevitra manaraka ireto na mitadiava hevitra ho anao manokana.

  • Mametraha andiam-panontaniana ho anao manokana: Tazony ireo karatra fitadidiana mba hahitanao hatrany ireo andinin-tsoratra masina na andian-teny manan-danja. Manandrama milaza fehezan-teny manan-danja na andinin-tsoratra masina izay mifanaraka amin’izany. Avereno im-betsaka ny andinin-tsoratra masina tsirairay sy ny andian-teny izay mifanaraka amin’izany.

  • Famerenan-dahatsoratra: Manorata andinin-tsoratra masina iray amin’ny namanao ao amin’ny kilasin’ny seminera ary jereo hoe iza no hamaly ilay hafatra miaraka amin’ny andian-teny manan-danja marina.

  • Sahanasa fampifanarahana: Miaraha miasa amin’ny mpiara-mianatra na olona iray avy amin’ny fianakaviana. Manasà olona iray hametraka ny karatr’izy ireo ka izay misy andinin-tsoratra masina no eo ambony ary olona iray hafa hametraka ny karatr’izy ireo ka izay misy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina no eo ambony. Ampifanaraho amin’ilay andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina mifanandrify azy ny andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fametrahana ilay karatra misy ny andian-teny manan-danja eo ambonin’ilay karatra izay misy ny andinin-tsoratra masina.

  • Ampiasao ny application: Mampiasà application fifehezana fotopampianarana hanampy anao hitadidy.

Hevero ny hizarana ireo mpianatra ho vondrona misy olona efatra. Asao ny vondrona tsirairay mba hampiasa karatra fitadidiana iray ary hizara ity andiany ity amin’ireo mpiray vondrona aminy. Mamakia andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina iray amin’ny iray kilasy. Ny mpianatra ao anatin’ny vondrona tsirairay izay manana karatra misy ny andinin-tsoratra masina mifanentana amin’izany dia tokony hanolotra haingana ilay karatra amin’ny mpampianatra. Omeo fanamby ny vondrona tsirairay mba hitondra ny karatra marina eny amin’ny mpampianatra ao anatin’ny fe-potoana voafaritra (ohatra, dimy segondra). Amporisiho ny mpianatra mba hanampy ireo mpikambana hafa ao amin’ny ekipany. Azo asaina koa ireo mpianatra mba hifanakalo karatra amin’ny olon-kafa ao amin’ny vondrona izay misy azy mba hanampiana azy ireo hianatra ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja rehetra ao amin’ny soratra masina.

Misafidiana anankiray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Nahoana ianao no maniry ny hitadidy io andalan-tsoratra masina na io andian-teny manan-danja io?

  • Ahoana no mety hanampian’izany mba hampiorom-paka bebe kokoa ny fahatakaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

Raha mbola misy fotoana, dia afaka manao karatra fitadidiana ho an’ny andinin-tsoratra masina hafa sy andian-teny manan-danja mifanaraka amin’izany ireo mpianatra.

Hamoaka printy