Seminera
Asan’ny Apostoly 4–5


Asan’ny Apostoly 4–5

Mankatò an’ Andriamanitra fa tsy ny olombelona

Sary
A priest questions Peter.

Nosamborina sy nogadraina i Petera sy i Jaona noho ny fanasitranany sy ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Nafahana izy ireo taty aoriana ary nomena fampitandremana tsy hiresaka na hampianatra amin’ny Anarany intsony. Mbola nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy nefa i Petera sy i Jaona, ary nosamborina sy nogadraina indray izy ireo. Nisy anjely iray nanafaka azy ireo tao am-ponja ary nilaza tamin’izy ireo mba hiverina sy hanohy ny fitoriana an’i Kristy, izay nataon’izy ireo. Nataon’ny mpitarika Jiosy izay nisamborana sy nandarohana azy ireo indray. Nandidy azy ireo ny mpitondra hitsahatra tsy hitory an’i Kristy, saingy namaly i Petera sy i Jaona fa Andriamanitra no tokony hankatoavin’izy ireo fa tsy ny olombelona. Faly i Petera sy i Jaona fa afaka niaritra fanenjehana ho an’i Jesoa Kristy izy ireo. Eo am-pandalinanao anio dia eritrereto ny fomba ahafahanao mampitombo ny fanirianao hankatò an’ Andriamanitra mihoatra ny olon-kafa rehetra.

Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Na dia tsy miresaka mivantana momba ny Mpamonjy aza ny zava-mitranga ao amin’ny soratra masina, dia mbola azonao atao ny mitarika ny mpianatrao any Aminy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahita ny fomba nanehoany ohatra ilay fitsipika ampianarina.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga vonona hizara toe-javatra mampananosarotra ny fankatoavana an’ Andriamanitra noho ny faneren’ny hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Mijoroa amin’ny marina

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fiomanany ho amin’ny fotoam-pianarana ary hiara-hanidinika ireo fanontaniana ireo avy eo. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ilay fanontaniana voalohany. Mety hanampy ny fijerena ireo valin-teny ireo any aoriana any mandritra ny lesona.

  • Inona avy ireo toe-javatra izay mety hampananosarotra ho anao na ho an’ny hafa ny fankatoavana an’ Andriamanitra noho ny faneriterena ataon’ny hafa?

  • Inona no mahasarotra an’ireo toe-javatra ireo?

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe:

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Eo am-piatrehantsika ny fiainantsika andavanandro dia saika tsy azo hialana ny fisedrana ny finoantsika. Misy fotoana mety voahodidinin’ireo hafa isika, kanefa mahatsiaro ho vitsivitsy an’isa na mety ho irery mihitsy aza, raha ny mahakasika izay zavatra azo ekena sy izay tsy azo ekena. Moa ve isika manana herimpo ara-pitondrantena ampy mba hijoroana mafy amin’ny finoantsika, na dia voatery hijoro irery aza isika noho ny fanaovana izany?

(Thomas S. Monson, “Sahia mijoro irery,” Liahona, nôv. 2011, 60)

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hanombananao ny fahavononana hankatò an’ Andriamanitra toy izay hanaiky ny faneriteren’ny hafa?

  • Inona avy ireo toe-javatra amin’ny hoavy izay mety tsy maintsy hisafidiananao ny fankatoavana an’ Andriamanitra mihoatra ny hafa?

Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia mitadiava fahamarinana sy ohatra izay afaka manampy anao haniry hankatò an’ Andriamanitra bebe kokoa mihoatra noho ny olon-kafa.

Nosamborina i Petera sy i Jaona noho ny fitoriana sy fanasitranana tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy

Niatrika toe-javatra tsy maintsy nisafidianana na hankatò an’ Andriamanitra na hanaiky ny faneriteren’ny hafa i Petera sy i Jaona. Rehefa avy nanasitrana lehilahy nalemy iray tao amin’ny tempoly sy nitory tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy i Petera sy i Jaona, dia nosamborina sy nogadraina ary nofotopotorin’ireo mpitarika Jiosy izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:1–11 ; 4:1–7).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:8–21 dia tadiavo ny zavatra nataon’i Petera sy i Jaona nanoloana izany toe-javatra izany. Hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay tsapanao fa manan-danja na mitaona anao hisafidy ny hankatò an’ Andriamanitra ambonin’ny zavatra hafa rehetra.

  • Teny na andian-teny inona no nanaitra anao tao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

Eritrereto hoe inona no sahanasa tena hanampy indrindra ny mpianatra mba hianatra ny fahamarinan’ny filazantsara ampianarina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:12–32 . Azo tendrena ny mpianatra hamaky tenin’olona samihafa ao amin’io tantaran’ny soratra masina io. Azo tendrena ho mpitantara, ilay anjely, ilay miaramila, i Petera na ilay mpisoronabe ny mpianatra.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:12–32 dia tohizo ny fandalinanao ity tantara ity. Azonao atao ny manisy marika izay fotopampianarana, fitsipika, na andian-teny tsapanao fa manan-danja aminao. Azonao atao ny manisy marika izay fotopampianarana, fitsipika, na andian-teny tsapanao fa manan-danja aminao.

  • Inona no hitanao?

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao avy amin’ity tantara ity?

Amporisiho ny mpianatra hamantatra fitsipika amin’ny alalan’ny teniny manokana ary hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

Iray amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity ny hoe raha misafidy ny hankatò an’ Andriamanitra mihoatra ny fahatahorana ny hafa isika, dia homba antsika Izy.

Eritrereto ireo toe-javatra tany am-piandohan’ny lesona izay mety hampananosarotra ny fankatoavana an’ Andriamanitra noho ny faneriterena ataon’ny hafa.

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika raisina avy amin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra mihoatra ny fahatahorana ny hafa?

  • Inona no fantatrao momba an’ Andriamanitra ka manome anao fahatokiana hanaraka Azy—na dia teren’ny hafa aza ianao tsy hanao izany?

Raha mila fanampiana amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia zarao ireo ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” araka ny soso-kevitra omena ny mpampianatra. Misy ohatra hafa ao amin’ny sahanasa fianarana fanampiny mitondra ny lohateny hoe “Tantara manentana ny fanahy.”

  • Oviana ianao na ny hafa no nahita fahendrena tamin’ny alalan’ny fankatoavana an’ Andriamanitra mihoatra ny fahatahorana ny hafa? (Azonao atao ihany koa ny mitady ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy.)

Ohatra iray amin’izao androntsika izao

Raha tsy izany, dia mizarà zavatra niainana manokana maneho io fitsipika io.

Ny Loholona Thierry K. Mutombo ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ohatra momba ny fianakaviana iray izay nisafidy ny hankatò an’ Andriamanitra mihoatra ny olombelona. Mba hihainoana ity tantara ity dia jereo ny “Dia ho afaka tokoa ianareo,” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 6:43 ka hatramin’ny 8:51.

  • Inona no nanaitra anao indrindra tamin’ny fomba nasetrin’ity fianakaviana ity an’ireo fanamby natrehany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena manan-danja tokoa ny finoan’ilay fianakaviana an’i Jesoa Kristy tao anatin’io toe-javatra io?

Nafahana i Petera sy i Jaona

Niady hhevitra momba izay tokony hatao amin’i Petera sy i Jaona ireo mpitarika Jiosy. Namporisika azy ireo hamela an’i Petera sy i Jaona handeha i Gamaliela mpitarika Jiosy izay nohajaina fatratra, satria fantany fa raha tena manao ny asan’ Andriamanitra tokoa i Petera sy i Jaona, dia tsy ho afaka hanakana izany ireo mpitarika Jiosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 5:29–39).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:40–42 , ary mariho ireo teny na andian-teny mamaritra ny zavatra tsapan’i Petera sy i Jaona rehefa avy nandalo ny zavatra niainany izy ireo.

  • Inona no nianaranao androany ka mitaona anao hankatò ny Ray any An-danitra mihoatra ny olombelona?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana raha hoe raisina ho hafahafa aho satria misafidy ny hankatò ny Ray any An-danitra?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Indraindray ianao dia mety hahatsiaro ho manirery sy hoe tsy fantatry ny olona ny mahazo anao—efa niaina izany aho—satria tsy manao ny ataon’ny hafa ianao. Tokony ho velom-pahankasitrahana ianao satria ny fiainana feno fahamarinana iainanao dia mamolavola anao ka tsy mety aminao izay zavatra tsy tokony hisy anao. Fotoana fisedrana sy fitomboana mandalo ihany izany. Rehefa mandeha ny fotoana dia hosoloina amin’ny namana tena izy sy fahasambarana lehibe kokoa izany.

(Richard G. Scott, “Le pouvoir de la justice,” Ensign, nov 1998, 68)

Ahoana no tokony hiarovako ny finoako?

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Aoka hatanjaka. Aoka ianareo hiaina amim-pahatokiana ny filazantsara na dia tsy miaina izany mihitsy aza ireo manodidina anareo. Arovy amim-pahalalam-pomba sy amim-pitiavana ny finoanareo, tena arovy izany.

(Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 9)

Ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy fa nankatò ny Ray any An-danitra mihoatra ny olombelona Izy?

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny fahatongavana tahaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana

Ianarantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:31–5:11 fa niaina ny lalàn’ny fanokanana ny Olomasina tamin’izany fotoana izany. Asao ny mpianatra handalina ny “ Manokana, Lalàn’ny fanokanana ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) mba hahatakarana tsaratsara kokoa ny atao hoe lalàn’ny fanokanana. Avy eo izy ireo dia afaka mampitaha ireo fanazavana ireo amin’ireo tranga notantaraina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:41–47 ; Asan’ny Apostoly 4:31–37 ; ary Asan’ny Apostoly 5:1–11 . Azon’izy ireo atao koa ny mamerina mijery ny Mosesy 7:18 sy ny 4 Nefia 1:1–18 . Asao ny mpianatra handinika ny fomba hanampian’ny fiainana ity lalàna ity antsika mba ho tonga kokoa tahaka ny Mpamonjy sy haneho ny fitiavany amin’ny hafa.

Ny fanaovana ny marina sy ny fitandremana ny fanekempihavanana nataontsika

Mety hahazo tombony avy amin’ny fandalinana ny tantaran’i Ananiasy sy i Safira ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:1–11 ny mpianatra, izay maneho ny lanjan’ny fahamarinan-toetra sy ny fitandremana ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra. Niaina ny lalàn’ny fanokanana ny mpikamban’ny Fiangonana nandritra izany fotoana izany (jereo ny sahanasa natao teo aloha).

Na dia tsy takatsika aza hoe nahoana no mafy dia mafy ny vokany tamin’ity tranga ity, dia fantatsika kosa ny maha-zava-doza ny fandikana ny fanekempihavanana natao tamin’ Andriamanitra (jereo ny Romana 6:16, 23 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:11–12). Azon’ny mpianatra atao koa ny mandalina ampahany na ny lahateny iray manontolo nataon’ny Loholona A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay mitondra ny lohateny hoe “Manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika” ( Liahona, nôv. 2019, 53–56). Hevero ny hametraka amin’izy ireo fanontaniana toy reto manaraka ireto: “Amin’ny fomba ahoana no manampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ny hoe marin-toetra sy ny mitandrina ireo fanekempihavanana?” ary ny hoe “Inona no fiovana hisy eo amin’ny fianakaviana sy eo amin’ny fiarahamonina rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika?”

Fahatahorana an’ Andriamanitra mihoatra ny olombelona

Ny mpianatra dia mety hahazo tombony avy amin’ny fampitahana ny ohatr’ireo Apôstôly fahiny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:8–12, 18–21 sy 5:17–32 amin’ny tantaran’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nanaiky ny fanirian’i Martin Harris ny hampiseho amin’ny hafa ny lahatsoratra sora-tanana 116 pejy amin’ny Bokin’i Môrmôna izy. Afaka mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–11 ireo mpianatra mba hamaky ny torohevitra sy ny fampitandreman’ny Tompo, ary koa ny famindram-pony ao amin’ny andininy 10 . Ity tantara ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra fa na dia manao fahadisoana aza izy ireo dia hanampy sy hanohana ary hamela azy ireo ny Tompo raha toa ka vonona ny hibebaka izy ireo.

Tantara manentana ny fanahy

Asao ny mpianatra hanao ny lisitr’ireo tantara afaka mitaona ny olona hankatò an’ Andriamanitra na inona na inona toe-javatra mitranga. Azon’izy ireo atao ny mampiditra ilay tantara avy amin’ity lesona ity, na ny zavatra niainan’izy ireo manokana, na tantara avy ao amin’ny soratra masina. Mety hanampy ireo loharanon-kevitra etsy ambany:

  • Ny Mpamonjy sy ilay vehivavy tratra nijangajanga (jereo ny Jaona 8:1–11)

  • I Joseph Smith tany am-ponja tany Richmond, Missouri (jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany,boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 366–68)

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hifampizarany ny lisitr’izy ireo na amin’ny iray kilasy. Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra avy amin’ny tenanao manokana izay hankahery azy ireo ihany koa.

Hamoaka printy