Seminera
Asan’ny Apostoly 2


Asan’ny Apostoly 2

“Feno ny Fanahy Masina”

Sary
A large crowd of people being baptized in a river at the day of Pentecost.

Talohan’ny nahafatesany, dia nilaza tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa fa rehefa lasa Izy dia haniraka “ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina” ny Ray (Jaona 14:26). Araka ny efa nampanantenaina dia tonga tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo tamin’ny fomba feno fahagagana ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Pentekosta. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mitahy anao sy manampy anao hianatra ny fomba hanasana ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainanao.

Fahafantarana ny Fanahy Masina. Mitadiava fahafahana manampy ireo mpianatra hamantatra ny fomba fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Azonao atao ny mampiasa ohatra avy amin’ny soratra masina ary manasa ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo manokana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra miaraka amin’ny olona iray akaikin’ny fony momba ireo fomba nahitany fa miaraka amin’izy ireo ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany. Asao ihany koa ireo mpianatra ho tonga vonona miaraka amin’ny fanontaniana izay mety hanitikitika azy ireo momba ny Fanahy Masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Manitatra ny fahaizantsika

Farito hoe manao ahoana ny fanekenao an’ity teny ambara manaraka ity amin’ny alalan’ny isa iray ka hatramin’ny fito, ary raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny valin-teninao: Matoky tena aho fa afaka mahafantatra rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako.

Sary
Diagram with words Strongly Disagree and Strongly Agree.

Fotoana tsara izany hanasana ireo mpianatra hametraka izay fanontaniana rehetra manitikitika azy momba ny Fanahy Masina, avy tamin’ny fiomanan’ny mpianatra na izay tonga tao an-tsainy.

  • Inona avy ireo fanontaniana izay manitikitika anao momba ny Fanahy Masina?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, ny lohateny hoe “Ireo fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ahy.” Miomàna hanampy zavatra ao anatin’ilay lisitra mandritra ny lesona.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity lohateny ity ary ampidiro eo ambanin’izany mandritra ny lesona ireo hevi-baovao voarainao.

Rehefa mandalina ianao anio, dia hahita ireo ohatra mikasika ny fomba fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny olona. Eritrereto ny zavatra izay azonao ianarana avy amin’ireo ohatra ireo mikasika ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina miasa eo amin’ny fiainanao. Ny fahamarinana iray izay manantitrantitra ireo ohatra ireo dia ny hoe amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia manampy antsika hanatona an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra.

Nirotsaka tamin’ny andron’ny Pentekosta ny Fanahy Masina

Talohan’ny nahafatesany dia nampianatra ireo mpianany i Jesoa fa ny Ray any An-danitra dia handefa ny Fanahy Masina ho azy ireo aorian’ny nandaozany ny tany. Nijoro ho vavolombelona Izy fa ny Fanahy Masina dia hanome fampiononana, hanome fitarihana, ary hijoro ho vavolombelona momba Azy (jereo ny Jaona 14:16, 26 ; 15:26).

Ireo hevitra enti-mampianatra voatanisa etsy ambany dia manolotra fomba iray hanampiana ireo mpianatra handalina sy hifanakalo hevitra momba ireo andininy avy amin’ny Asan’ny Apostoly 2 . Ny fomba azo anoloana izany dia ny fizarana ireo mpianatra ho anaty vondrona telo ary ny fanasana ireo vondrona ireo mba handalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Rehefa avy nandalina ireo andininy ireo, dia afaka mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ireo mpianatra:

  • Ao amin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao, ahoana no fomba nahitanao ny fanampian’ny Fanahy Masina olona?

  • Ahoana no anampian’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao mba hahatakatra ny fanirian’ny Ray any An-danitra ho antsika?

  • Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika amin’ny fomba mitovy amin’izany?

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara dia asao ireo izay manolo-tena avy amin’ny vondrona samihafa hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo sy hizara ny valin-teniny amin’ny iray kilasy.

Ny Pentekosta dia fety Jiosy izay ankalazaina 50 andro aorian’ny fetin’ny Paska. Nandeha namonjy io fety io izay nankalazana ny fiakaran’ny vokatra voalohany tany Jerosalema avokoa ireo Jiosy avy amin’ireo firenena manodidina (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Pentekosta ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:1–8 , ka tadiavo ny fomba nahatanterahan’ny fampanantenana izay nataon’ny Mpamonjy momba ny fandraisan’ny Apôstôly ny Fanahy Masina tamin’io andro io. (Mariho fa ny “lela mitarehin’afo” ao amin’ny andininy3 dia manondro ny fanehoana hita maso ny fanatrehan’ny Fanahy.)

Ao amin’ny andininy 4–8 , ireo Apôstôly dia niaina ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny, izay “fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina izay ahafahan’ny olona taomin’ny fanahy hiresaka na hahazo na handika fiteny izay tsy mahazatra azy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fiteny, Fanomezam-pahasoavana amin’ny ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ahoana no nitahian’ny Fanahy Masina ireo mpianatra sy ireo izay nihaino azy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no nampitomboan’ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny ny fahafahan’ireo Apôstôly manampy ny hafa hanatona an’i Kristy?

  • Ahoana ny fomba mety hiainantsika izany fanomezam-pahasoavana izany ankehitriny?

Hevero ny hanampy hevi-baovao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao hatramin’izao ao amin’ilay lisitra izay noforoninao tao amin’ny diary fandalinanao.

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Petera

Afaka mahita fomba iray hafa ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika isika, amin’ny alalan’ny fijerena ny fahasahiana nampianaran’i Petera sy nijoroany ho vavolombelona.

Tadidio fa ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2 dia nitranga tsy ela akory taorian’ny nanomboana an’i Jesoa tamin’ny hazofijaliana, vakio ny Asan’ny Apostoly 2:22–24, 32–33, 36 ary tadiavo ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’i Petera tao anatin’izany toe-javatra izany mba hahafahana mitory amin-kerim-po sy amim-pahasahiana momba an’i Jesoa Kristy. (Jereo ihany koa ny Asan’ny Apostoly 3:12–20 .)

  • Inona no zavatra hitanao?

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io tantara io momba ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao? (Jereo ihany koa ny Asan’ny Apostoly 1:8 ; 4:31 .)

Ampidiro ao anatin’ny lisitra ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritra tonga ao an-tsainao.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hieritreritra sy hizara ny zavatra niainany tamin’ny fotoana nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo hampianatra ny hafa momba an’i Jesoa Kristy na hijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana. Hevero ihany koa ny hizara ohatra avy aminao manokana.

Ny fiantraikan’ny fampianaran’i Petera tamin’ny hafa

Nisy fiantraikany tamin’ireo izay nandre ny fampianaran’i Petera momba an’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina. Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:37–38, 41 , ka tadiavo ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’ireo olona ireo. Ny teny hoe voatsindrona ao amin’ny andininy 37 dia midika hoe miteraka alahelo na fanenenana ary manambara fa naniry ny hiova ny olona.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Ahoana no nanampian’ny hoe “voatsindrona ny fony” an’ireo olona ireo mba hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? ( andininy 37).

Ampitahao amin’ny fampanantenana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ny mpanompony ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8 ny zava-nitranga tamin’ireo olona nampianarin’i Petera.

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fiovana izay mety hanentanan’ny Fanahy Masina antsika ny hanao azy ka hanampy antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hieritreritra ka hizara ny zavatra izay niainany rehefa nentanin’ny Fanahy Masina izy ireo hanisy fanovana teo amin’ny fiainany izay nampanakaiky azy ireo kokoa an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo tsy hizara ohatra izay mahakasika an’ny tena manokana loatra. Hevero ihany koa ny hizara ohatra avy aminao manokana.

Raha azo atao, dia mety hahasoa ny manasa olona niova fo ho ao an-dakilasy ary hangataka azy ireo haka minitra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany mikasika ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany. Aza adinoina ny maka ny fankatoavana avy amin’ny mpandrindra ny S&I eo an-toerana ary koa ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana alohan’ny hanaovana izany.

Hevero ny hampiditra ny zavatra takatrao momba ny Asan’ny Apostoly 2:37–38, 41 ao amin’ilay lisitra ao amin’ny diary fandalinanao.

Misaintsaina ny zavatra izay nohalalininao

Asao ny mpianatra hamerina hijery ilay lisitra noforoniny tao amin’ny diary fandalinany. Mety hanampy ireo mpianatra hifanakalo hevitra sy hampihatra ny zavatra izay nianarany ireto fanontaniana manaraka ireto. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay noresahina tato amin’ity lesona ity.

  • Inona no fitahiana avy amin’ny Fanahy Masina izay nanaitra anao indrindra?

  • Nahoana ny Fanahy Masina no ilaina amin’ny fanampiana antsika hanatona an’i Jesoa Kristy sy hitondra ny hafa ho Aminy?

  • Inona no dingana azonao raisina mba hahazoana feno kokoa ireo fitahian’ny Fanahy Masina?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina antsika mba hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny asan’ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny Jaona 15:26 ; 2 Nefia 31:18 ; 3 Nefia 28:11), ny mitarika antsika amin’ny fahamarinana (jereo ny Jaona 14:26 ; 16:13), ary ny hampiseho antsika ny zavatra rehetra izay tokony hataontsika (jereo ny 2 Nefia 32:5). Izany lalam-pifandraisan’ny tena manokana amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany no loharanon’ny tenivavolombelontsika ny amin’ny fahamarinana, sy ny fananantsika fahalalana, ary ny fitarihana antsika manokana avy amin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana. Fitaovana manan-danja eo amin’ny drafitry ny filazantsara mahatalanjona izany, izay mamela antsika zanany tsirairay handray fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana ny amin’ny fahamarinana.

(Dallin H. Oaks, “Deux lignes de communication,” Ensign na Liahona, nov. 2010, 83)

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Rehefa … mahatsapa ny Fanahy miasa ao aminy ny isam-batan’olona, na rehefa mahita ny porofon’ny fitiavana sy ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainany izy ireo dia mahazo hery sy hatanjahina ara-panahy izy ireo ary mitombo ny finoan’izy ireo Azy.

(M. Russell Ballard, “Now Is the Time,” Ensign, Nov. 2000, 75)

Toy ny ahoana ny fahatsapana ny Fanahy Masina, ary ahoana no ahafahanao manasa Azy?

Sahanasa fianarana fanampiny

Ovaovao ny fomba hanombohana ny lesona

Tao amin’ny lahateny nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2017, ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza tantara iray momba ny fotoana iray niarahany tamina fianakaviana vao herotrerony iray nandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Asehoy ny horonan-tsary hoe “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao” manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:15. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org io horonan-tsary io.

Rehefa avy nijery ilay horonan-tsary, dia asaivo mieritreritra ny fomba hamaliany ny fanontanian’ilay zazalahy ireo mpianatra.

Mitady fotoana ho an’ny Fanahy Masina

Eo anatrehan’ireo fahasahiranana maro amin’ny fiainana, dia mety ho sarotra ny hanokana fotoana hamelana ny Fanahy Masina mba hanome fitaomam-panahy antsika.

Ny fotopampianaran’i Kristy dia afaka manampy ahy handray ny Fanahy Masina sy hanatona an’i Kristy

Ireo mpianatra dia azo asaina hamaky ny Asan’ny Apostoly 2:38 , ka hitady ny valin-tenin’i Petera tamin’ny vahoaka izay nanontany hoe, “Inona no hatao[nay]?” ( Asan’ny Apostoly 2:37). Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo dingana izay nosoritan’i Petera ao amin’ny andininy 38 ?

  • Ahoana no fomba hampiharana ireo dingana ireo amin’ny olona izay efa vita batisa?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny valin’ilay fanontaniana faharoa dia azonao ampiasaina ity teny manaraka nataon’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Afaka ny hatao ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny famerimberenana ny [fampiharana] finoana [an’i Kristy], mibebaka, mandray ny fanasan’ny Tompo mba hanavao ireo fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana avy amin’izany, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva bebe kokoa. Rehefa manao izany isika, dia lasa mitovy kokoa amin’i Kristy sy afaka ny haharitra hatramin’ny farany, miaraka amin’ny vokatra rehetra aterak’izany” (“Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany,” Liahona, mey 2015, 56).

Hamoaka printy