Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 12


Famerenana fifehezana fotopampianarana 12

Tadiavo ary asio marika ny: 1 Korintiana 6:19–20 hatramin’ny Apokalypsy 20:12

Sary
Hands of young man holding red marking pencil, while reading and studying open scriptures on lap. (horiz)

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahita sy hanisy marika ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hitady sy hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 izay hita ao amin’ny tapany faharoan’ny Testamenta Vaovao.

Fanisiana marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ny fanisiana marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia hanampy ireo mpianatra hitadidy sy hahita ireo andalan-tsoratra masina ireo. Asao ireo mpianatra mba hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba miavaka amin’ireo marika hafa izay nataon’izy ireo tao anaty soratra masiny. Ireo mpianatra mampiasa ny application Bibliothèque de l’Évangile dia afaka mamorona ihany koa marika fanamariham-pejy ho an’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana ny seminera.

Ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Alaivo sary an-tsaina fa hitan’ny namanao mandalina sy nanisy marika ny soratra masinao ianao. Taorian’ny nahitany ireo pejy misy marika, dia nanontany anao ny namanao hoe nahoana no asianao marika ny soratra masinao.

  • Inona no havalinao ilay namanao?

Omeo fotoana hahafahany mizara ireo fomba samihafa fanasiana marika ny soratra masina sy ny antonyanisiany marika ny soratra masiny toy izany ny mpianatra. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy misy fomba marina na diso amin’ny fanisiana marika ny soratra masina.

Ny fanisiana marika na fanipihana soratra masina dia fomba mahomby entina manavaka ny andinin-tsoratra masina sasany amin’ny hafa, ary izany dia mamela anao hahita mora kokoa ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny hoavy. Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana ianao hitady sy hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 izay hita ao amin’ny tapany faharoan’ny Testamenta Vaovao. Mba hanampiana anao hanao izany, dia hevero ny handika ity tabilao manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao.

Asehoy ity tabilao manaraka ity na zarao amin’ny iray kilasy ny tahadikan’izany.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy … ny Fiavian’i Kristy, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izao [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Sary
Doctrinal Mastery

Asehoy amin’ireo mpianatra ireto sori-dalana telo manaraka ireto mba ho arahin’izy ireo. Asao ireo mpianatra hifanakalo toerana ao an-dakilasy ary hiasa miaraka amin’ny namany mba hitady, sy hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina avy ao amin’ilay tabilao, raha nisafidy ny hanao izany izy ireo. Asao ireo mpianatra hiovaova namana rehefa afaka minitra vitsivitsy.

Ho an’ilay fanontaniana voalohany, dia hevero ny hanome fanontaniana vitsivitsy ireo mpianatra mba hisafidianany, tahaka ny hoe “Inona no karazana hira fihainonao?” sy “Inona no fanatanjahan-tena ankafizinao?”

1. Mametraha fanontaniana mba hifankahalala bebe kokoa.

2. Mifanampia amin’ny fitadiavana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, raha azo atao. Azonao asiana marika ao amin’ny soratra masinao ireo andinin-tsoratra masina ireo.

3. Zarao ny antony heveranao ny maha-manan-danja ny fahamarinana ao amin’ilay andian-teny manan-danja amin’ny soratra masina.

Rehefa vitan’ireo mpianatra izany, dia amporisiho izy ireo hanomboka hitadidy ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Sahanasa fianarana fanampiny

Sahanasa iray hafa azo atao

Fomba anankiray ahafahana manampy ireo mpianatra handray anjara amin’ity lesona ity ny fanoratana eo amina tapa-taratasy kely ny fanontaniana izay mifandray kokoa amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay. Afaka miasa tsiroaroa ireo mpianatra rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo. Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ny fomba izay mety hikarohana ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo:

1 Korintiana 6:19–20 Tadiavo ny 1 Korintiana 6:19–20 . Hevero ny hanisy marika ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe “Ny tenanao dia tempolin’ny Fanahy Masina.” Ataovy azo antoka fa voamarika io andian-teny manan-danja io ao amin’ny soratra masinao.

  • Inona no tempoly tianao indrindra? Nahoana?

  • Nahoana araka ny hevitrao no hoe tempoly ny tenanao?

1 Korintiana 11:11 Tadiavo ny 1 Korintiana 11:11 . Hevero ny hanisy marika ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe: “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.” Ataovy azo antoka tsara fa voamarika io andian-teny manan-danja io ao amin’ny soratra masinao.

  • Taiza no efa nahitanao ohatra tsara amin’ny fanambadiana mateza?

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe amin’ny Ray any An-danitra ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray?

Hamoaka printy