Seminera
Asan’ny Apostoly 6–9


Asan’ny Apostoly 6–9

Topimaso ankapobeny

Nanao fahagagana lehibe tamin’ny herin’ Andriamanitra i Stefana, saingy nitora-bato azy ny Jiosy noho ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Nampianatra lehilahy Etiopiana iray mikasika an’i Jesoa i Filipo tamin’ny fomba izay nitarika azy hino sy atao batisa. Rehefa nandeha tany Damaskosy i Saoly mba hanohy ny fanenjehany ny Olomasina dia niseho tamin’i Saoly i Jesoa (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:3–5). Taorian’izay dia nanampy an’i Ananiasy hahita an’i Saoly araka ny fomba fijeriny azy i Jesoa.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny zavatra mety ilain’izy ireo omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Asan’ny Apostoly 6–7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mitahy ny hafa amin’ny alalan’ny fiezahana hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ho tonga tahaka Azy Ireo ary hijoro ho vavolombelona momba Azy Ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ny tanjon’izy ireo amin’ilay fandaharana ho an’ny Ankizy sy ny Zatovo ary handinika ny fomba hahatongavan’izy ireo ho tahaka ny Mpamonjy kokoa.

  • Horonan-tsary: The Martyrdom of Stephen” (5:42; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:25 ka hatramin’ny 5:34)

  • Sary: Sarin’i Stefana

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa manasa ireo mpianatra hilalao an-tsehatra ny filankevitry ny paroasy iray dia mety ho fahendrena ny manendry mpianatra iray na roa hiandraikitra ny filankevitra ary mangataka azy ireo hijery tsara raha toa ka mandray anjara avokoa ny tsirairay. Raha mahomby kokoa ny manana filankevitra mihoatra ny iray dia eritrereto ny fametrahana ny filankevitra tsirairay ao anatina breakout room (fivoriana mitokana ao anaty Zoom).

Asan’ny Apostoly 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ny soratra masina mba hanampiana ny hafa hino sy hanatona an’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ireo fitaovana na fahaiza-manao ara-panahy izay nanampy azy ireo hihamatanjaka kokoa ao amin’ny filazantsara. Hanana fotoana izy ireo hizarana ny heviny mandritra ny lesona.

  • Fitaovana: Maritoa sy fantsika, famaha visy sy visy, na fitaovana hafa

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy nandalina ny Isaia 53:39 ny mpianatra sy namaly ireo fanontaniana roa momba io andalan-tsoratra masina io, dia hevero ny hilalaovan’ny iray kilasy izany an-tsehatra. Mandraisa ny toeran’ilay tandapa ary angataho ny iray kilasy hanampy anao hahatakatra ireo andininy ireo. Amporisiho ny mpianatra maromaro hizara ny eritreriny.

Asan’ny Apostoly 8:1–3; 9:1–20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra ataon’ny Tompo mba hanampiana azy ireo hiova ho tsara kokoa sy hikatsaka ny hahafantatra ny zavatra tiany hataon’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana momba ny fomba hanasan’i Jesoa Kristy sy hanampiany antsika hiova.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ny mpianatra iray ho tonga miaraka amin’ny kanety any an-dakilasy. Hanombohana ny lesona, angataho ilay mpianatra hanakodia ilay kanety ho hitan’ny iray kilasy. Avy eo dia apetraho ireo fanontaniana roa voalohany amin’ny lesona.

Asan’ny Apostoly 9:10–31

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahita ny hery anaty hitan’ny Tompo ao amin’ny hafa na dia eo aza ny fahalemeny sy ny fahadisoany tany aloha.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana ity: “Ahoana no mety hiovan’ny fifandraisako amin’ny fianakaviana na ny namana raha toa tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo no fahitako azy ireo?”

  • Horonan-tsary:The Road to Damascus” (5:21; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:55 ka hatramin’ny 5:21)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Misy fanontaniana telo any ho any amin’ny faran’ny lesona, ny voalohany amin’ireo ny hoe “Inona no azonao atao mba hahita kokoa ny olona tahaka ny fahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo?” Asehoy ireo fanontaniana telo ireo ary asao ny mpianatra hisafidy iray amin’izany sy hisaintsaina ny valintenin’izy ireo. Avy eo dia mangataha mpianatra maromaro hizara ny fanontaniany sy ny valinteniny.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampy ireo mpianatra hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny sasantsasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana an’ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao fanazarana mitadidy ireo andian-teny fototra fifehezana fotopampianarana sy ireo andinin-tsoratra masina amin’ny fomba mety amin’izy ireo. Eritrereto ny hanomezana ilay tabilao ao anatin’ity lesona ity, na asao izy ireo hampiasa ny application Fifehezana Fotopampianarana raha misy.

  • Tabilao: Ny tabilaon’ny fifehezana fotopampianarana aseho eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy zaraina

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ny mpianatra hikaroka sary fa tsy hanao sary. Azo asaina hizara ny efijeriny izy ireo avy eo mba hampisehoana ny zavatra hitany. Afaka maminavina ireo andian-teny manan-danja sy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mifanaraka amin’ireo sary ireo ny iray kilasy.

Hamoaka printy