Seminera
Asan’ny Apostoly 8


Asan’ny Apostoly 8

Nampianatra lehilahy Etiopiana iray i Filipo

Philip (New Testament figure) teaching the gospel to an Ethiopian as they ride in a chariot. Another man is pictured driving the horses and chariot. A lake or river can be seen beside of the road they are riding on. Scriptural Reference: Acts 8:26-39

I Filipo dia misiônera nafana fo sy nahatoky izay nankany an’efitra noho ny didin’ny Tompo. Notarihin’ny Fanahy ho any amin’ny lehilahy Etiopiana anankiray izay namaky ny soratra masina tao anatin’ny kalesiny i Filipo. Rehefa nanontany an’ilay lehilahy i Filipo hoe azony ve ny zavatra izay novakiany, dia namaly izy hoe, “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” (Asan’ny Apostoly 8:31). Noho ny fahatakarany sy ny fitiavan’i Filipo ny soratra masina, dia afaka nampianatra ilay Etiopiana momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba izay nitarika azy hino sy hatao batisa izy. Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 8:26–40 ianao, dia saintsaino izay ahafahanao mampiasa ny soratra masina mba hanampiana ny hafa hino sy hanatona an’i Jesoa Kristy.

Fampiasana ny tenin’ireo mpaminany maoderina. Ireo mpaminany maoderina dia matetika mampiasa tantara ao amin’ny soratra masina mba hampianarana ireo fitsipika sy fotopampianarana izay azo ianarana ao amin’ireo tantara ireo. Asao ireo mpianatra mba hianatra ny tenin’ireo mpaminany maoderina mba hahitany sy hahatakarany ny fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny soratra masina ary mba hianarany ny fomba fampiharana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fitaovana na fahaiza-manao ara-panahy izay nanampy azy ireo hihamatanjaka kokoa ao amin’ny filazantsara. Hanana fotoana izy ireo hizarana ny heviny mandritra ny lesona.

Sahanasa fianarana azo atao

Mampiasa fitaovana mifanaraka

Mitondrà maritoa na ao am-pianarana na asehoy ireto sary ireto. Manasà mpianatra iray haneho ny fomba tsara fampiasana ilay fitaovana. Aorian’izany dia anontanio ireo mpianatra amin’ny zavatra izay mety hitranga raha manandrana mikapoka fantsika na manidy visy ka tsy mampiasa ireo fitaovana ireo izy.

Ny fampiasana ny fitaovana mifanaraka amin’ny zavatra atao dia afaka manampy anao hanangana sy hanamboatra zavatra misy fahasimbana amin’ny fomba haingana sy mora kokoa. Alaivo sary an-tsaina ny maha sarotra ny manangana na manamboatra fitaovana iray raha tsy misy fitaovana mifanaraka amin’izany. Hevero ny hampiasa ireto fitaovana manaraka ireto.

Hammer
Saw
Combination Wrench (english)
  • Amin’ny fotoana inona no ilana ireo fitaovana ireo?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa azy ireny amin’ny fomba mahomby?

Tahaka izany koa ny fitaovana sy fahaiza-manao sasany dia azo ampiasaina mba hanorenana sy hanamboarana ny faniriantsika hanaraka ny Mpamonjy sy hiaina ny filazantsarany.

Rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra, dia amporisiho izy ireo mba hitadidy ireo hevitra avy tamin’ny fanomanana ny lesona. Ataovy ny fomba ahazoanao antoka fa tsy mandany fotoana be loatra ny fizarana.

  • Inona avy ireo fitaovana ara-panahy na fahaiza-manao izay nanampy anao hitombo ao amin’ny Filazantsara?

  • Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo fitaovana ireo mba hanasana ny olona hafa hanatona ny Mpamonjy?

Ny iray amin’ireo fitaovana ireo dia ny fahafahantsika mahatakatra sy mampiasa ny soratra masina, indrindra fa noho izy ireo mampianatra sy mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Saintsaino vetivety ny fomba ahatsapanao fa mahazo aina amin’ny fampiasana ny soratra masina mba hanasana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy ianao. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hahafantaranao ny fomba tsaratsara kokoa amin’ny ampiasana ny soratra masina mba hanampiana sy hitaomana ny hafa ho eo amin’ny Mpamonjy.

Voantso hankany an’efitra i Filipo

Ny Asan’ny Apostoly 8 dia mirakitra ny zavatra sasantsasany izay niainan’i Filipo, iray amin’ireo lehilahy fito nantsoin’ireo Apôstôly mba hanao asa fanompoana (jereo ny Asan’ny Apostoly 6:3–6). Mba hialana amin’ny fanenjehana izay tsy nitsahatra nitombo tao Jerosalema, dia nandeha tany Samaria i Filipo mba hanohy ny fizarana ny filazantsara. Tamin’ny alalan’ny fisoronana no nanaovany fahagagana sy nanasitrany olona maro ary “nitory momba an’i Kristy tamin’ny olona tao izy” (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:5–8). Rehefa mandalina ity tantara manaraka ity ianao, dia tadiavo ireo fitaovana nampiasain’i Filipo mba hahombiazany tamin’ilay andraikitra tsy nampoizina izay noraisiny avy tamin’ny Tompo.

Raha toa ka sahirana amin’ny famakiana samirery ireo andian-tsoratra masina lava be ireo ny mpianatra sasany dia vakio mafy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy na mandeha tsiroadroa.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:26–39, ary jereo ireo tranga izay voasoritsoritra ao amin’ilay tantara. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao. (Mariho fa ny tandapa dia mpanompo mahatoky, ary Esaia no anarana Grika ilazana an’i Isaia mpaminany.)

Manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ireo teny na andian-teny izay nasian’izy ireo marika ary ny fomba nanampian’izy ireo hamantatra ny lesona amin’ilay tantara. Ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa.

Azonao atao ny manoratra (na maniraka ireo mpianatra mba hanoratra) ireo lesona izay hitan’izy ireo eo amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana no fomba izay nitarihan’ny Tompo an’i Filipo? Nahoana no zava-dehibe ny fanarahana ny bitsiky ny Tompo rehefa miezaka hanampy ny hafa mba hanatona Azy isika?

  • Ahoana no nahafahan’i Filipo nampiasa ny fahalalany ny soratra masina mba hampianarany ny momba an’i Jesoa Kristy tamin’ilay Etiopiana?

  • Inona no lesona nanaitra anao tamin’io tantara io?

Ao anatin’ireo fahamarinana maro ao amin’ity tantara ity dia mety nahita fitsipika iray toy izao manaraka izao ianao: Rehefa mahatakatra ny soratra masina sy mampianatra momba ny Mpamonjy avy amin’izany isika, dia afaka manampy ny hafa hanatona Azy.

Miainga amin’ny filan’ireo mpianatra, ireto sahanasa manaraka ireto dia azo hanoloana ny sahanasa fampianarana fanampiny momba ny fomba namalian’i Filipo ny bitsiky ny Fanahy.

Mampiasa soratra masina mba hampianarana ny momba an’i Jesoa Kristy

Rehefa nanontany ilay Etiopiana raha toa ka mikasika an’i Isaia mpaminany na “lehilahy hafa” ilay soratra masina izay novakiany, dia mariho fa ny fahalalan’i Filipo ny soratra masina no nahatonga an’i Filipo afaka nanomboka avy hatrany “tamin’izany soratra masina izany ka [nitory] taminy momba an’i Jesoa” ( Asan’ny Apostoly 8:34–35).

Ilay andalan-tsoratra masina izay novakin’ilay Etiopiana dia hita ao amin’ny Isaia 53 , faminaniana tsara momba ny Mpamonjy, sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampifandray na mampifanaraka ny Asan’ny Apostoly 8:32–33 amin’ny Isaia 53:7–8 .

Aoka ianao ho mailo fa ny mpianatra sasany dia mety tsy hahatsapa fa manana fahafahana hahatakatra ny soratra masina na hanazava izany amin’ny olon-kafa izy. Omeo antoka ireo mpianatra fa ny fahatakarany dia hitombo araka ny fotoana sy ny ezaka izay ataony. Ampahatsiahivo azy ireo fa ny fampianarana mandaitra indrindra indraindray dia ny fizarana fotsiny ny zavatra izay tsapany momba ny andinin-tsoratra masina iray, satria ny Fanahy Masina dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny teniny.

Alaivo Sary an-tsaina hoe eo amin’ny toeran’i Filipo ianao ary manana fahafahana hizara amin’ny namana iray ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Vakio ny Isaia 53:3–9 , ka diniho tsara ny zavatra izay eritreretinao sy tsapanao momba ny Mpamonjy rehefa mamaky ianao.

Omeo fotoana ampy ireo mpianatra mba hisaintsainana tsara ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hilalao an-tsehatra ny fizarana miaraka amin’ny namany, na azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra maniry hizara ny zavatra izay nosoratany amin’ny iray kilasy.

  • Inona no zavatra tianao ho fantatry ny namanao, ho tsapany, na ho takany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’io andalana io? Nahoana?

  • Ahoana no fomba hahafahanao mampiasa ny zavatra izay fantatrao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy mba hamporisihina ny namanao hanaraka Azy bebe kokoa?

Mahery amin’ny alalan’ny fiomanana

Noho ny ezaka izay nataon’i Filipo dia niova fo sy natao batisa ilay Etiopiana (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:36–38). Tahaka an’i Filipo, dia afaka mitarika sy mampahery ny hafa mba hanaraka sy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy ihany koa isika. Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fiomanantsika manokana dia afaka manampy antsika hitarika ny hafa hanatona an’ Andriamanitra bebe kokoa:

Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Rehefa mikatsaka ny hianatra sy hifampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amim-kitsimpo sy amim-pahazotoana ary amim-pahamatorana isika, miaraka amin’ny tanjona tena marina ary eo ambany fanentanan’ny Fanahy, dia afaka hanova fo sy hitaona faniriana hiaina araka ireo fahamarinan’ Andriamanitra ireo fampianarana ireo.

(Ulisses Soares, “Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, mey 2019, 8)

Asao ireo mpianatra mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina. Raha manana fotoana, dia manasà mpianatra izay maniry hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Inona avy ireo fanitsiana tokony hataonao amin’ny fandinihanao manokana ny soratra masina izay hanomana anao hanampy ny hafa hanatona an’i Kristy? Amin’ny fomba ahoana no mety hanamafisan’izany fiovana izany orina ny fahatokianao ny fampiasana ny soratra masina ?

  • Inona tamin’ny fandalinana ny soratra masina natao androany no nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nahoana araka ny hevitrao no misy fiantraikany lalina kokoa aminao izy io mihoatra ny hafa?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 8:27 . Inona no atao hoe tandapa?

Ny tandapa dia andian-dehilahy izay nalana voa mba tsy ho afaka hiteraka intsony, izay nanao asa fanompoana tany amin’ny fiaraha-monina taloha sy afovoany Atsinanana tany. Miaramila izy ireo, niambina ny tranon’ny mpanjaka, ary matetika no nitana toerana ambony sy azo itokisana tao amin’ny fitsarana. Ilay tandapa Etiopiana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26–39 dia tompon’ Andraikitra ambony tamin’ny fitahirizana ny harenan’ny fitsaram-panjakana Etiopiana. .

Ny mpianatra mahatoky dia afaka ny ho tonga mpampianatra entanim-panahy

Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

rehefa miresaka fianarana sy fampianarana ny filazantsara, dia indraindray isika tahaka ilay Etiopiana: mila ny fanampian’ny mpampianatra mahatoky sy entanim-panahy isika; ary indraindray isika dia tahaka an’i Filipo: mila mampianatra sy mankahery ny hafa ao amin’ny fiovampony isika.

(Ulisses Soares, “Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, mey 2019, 6)

Sahanasa fianarana fanampiny

Horonan-tsary—“Hallelujah”

Raha misy fotoana, rehefa avy mamaky ny Isaia 53:3–9 , ireo mpianatra dia mety maniry hampiseho ny horonan-tsary “#Hallelujah—An Easter Message about Jesus Christ” (1:59) ianao izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Io horonan-tsary io dia mampiseho olona mamaky ny ampahany amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Isaia ary mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy.

2:14

Namaly ny bitsiky ny Fanahy i Filipo

Avereno jerena ny Asan’ny Apostoly 8:26–35 , ary asao ireo mpianatra mba hitady ireo andian-teny izay maneho ny fomba nahafantaran’i Filipo ny zavatra izay tian’ny Tompo nataony sy ny fomba namaliany izany. Zarao ity fanambarana manaraka ity, asao ireo mpianatra mba handinika ny antony maha zava-dehibe ny famaliana ny bitsiky ny Fanahy.

Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitantara tantara iray momba ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy raha teo am-panaovana asa fanompoana iray:

15:43
Official Portrait (as of June 2016) of Elder Ronald A. Rasband of the Quorum of the Twelve Apostles.

Indray marainan’ny jolay mahamay dia nahatsapa ho notaomim-panahy hijery ireo olona natolotry ny Temple Square izaho sy ny mpiara-mitory tamiko. Nandondona ny varavaran’ny tranon’i Elwood Schaffer izahay. Nangataka anay mba hiverin-dalana tamim-panajana ramatoa Schaffer.

Raha nanomboka nanakatona ny varavarana izy dia nahatsapa aho fa tokony hanao zavatra izay tsy mbola nataoko mihitsy teo aloha ary tsy nataoko intsony hatrizay! Natsatoko teo amin’ilay varavarana ny tongotro dia nanontany aho hoe: “Misy olon-kafa mety ho liana amin’ny hafatray ve?” Liana i Marti, zanany vavy, izay 16 taona, ary efa nangataka fitarihana mafy izy ny omalin’io mihitsy. Nihaona taminay i Marti, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia nandray anjara tamin’ireo lesona ny reniny. Samy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy roa.

Vokatry ny batisan’i Marti dia olona 136 no vita batisa sy nanao ireo fanekempihavanan’ny filazantsara, ka anisan’izany ny maro amin’ny fianakaviany. Tena feno fankasitrahana aho fa nihaino ny Fanahy ka nanatsatoka ny tongotro teo amin’ilay varavarana tamin’io andro mahamain’ny jolay io.

(Ronald A. Rasband, “Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina,” Liahona, mey 2017, 94)

  • Ahoana no fomba namalian’ny Loholona Rasband ny bitsiky ny Fanahy? Inona no nitranga vokatr’izany?

  • Oviana ianao no namaly ny bitsiky ny Fanahy? Inona no nitranga?

  • Ahoana no fomba hahafahanao manome vahana bebe kokoa ny bitsiky ny Fanahy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana izany fiovana izany manampy anao hizara ny filazantsara amim-pahatokiana kokoa amin’ny hafa?

Saintsaino ireo olona izay tian’ny Tompo hifanena aminao, ka ho lasa namanao, na hizaranao ny filazantsara.

Hevitra hafa hanoloana ny lesona

Raha toa ka hahasoa ny mpianatra ny fianarana momba ny fanirian’i Simona hividy ny fisoronana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:5–24 , dia hevero ny hizara ireo hevitra izay hita eo ambanin’ny hoe “Ny fontsika dia tokony ho ‘mahitsy eo imason’ Andriamanitra’” ao amin’ny “Jolay 10–16. Asan’ny Apostoly 6–9: ‘Inona no tianao hataoko aminao?’” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023.