Seminera
Asan’ny Apostoly 8:1–3; 9:1–20


Asan’ny Apostoly 8:1–3; 9:1–20

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Sary
Saul on the road to Damascus having a vision.

Tamin’ny fotoana izay “nanenjehana mafy ny fiangonana” (Asan’ny Apostoly 8:1), dia niditra an-keriny tamin’ny trano maro i Saoly, nisambotra sy nanagadra ireo izay nino an’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:3). Rehefa nandeha tany Damaskosy i Saoly mba hanohy ny fanenjehana ireo Olomasina, dia nanambara ny tenany tamin’i Saoly i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:3–5). Tamin’ny fahatairana tanteraka, no nanontanian’i Saoly ny Tompo hoe, “Inona no tianao hataoko aminao?” (Asan’ny Apostoly 9:6). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hisaintsaina ny zavatra ataon’ny Tompo mba hanampiana anao hiova ho tsara kokoa sy hikatsaka ny mba hahafantatra ny zavatra izay tiany hataonao.

Mampiasa tantara ara-tsoratra masina maro. Indraindray dia mirakitra tantara maromaro momba ny zava-nitranga iray mitovy ny soratra masina. Mitadiava fotoana ahafahana manasa ireo mpianatra mba handalina ny tantara tsirairay sy hamantatra ireo fahamarinana fanampiny izay azo ianarana avy amin’ny fanaovana izany. Amporisiho ihany koa izy ireo mba hitady fotoana ahafahana manao izany amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana momba ny fomba hanasan’i Jesoa Kristy sy hanampiany antsika hiova.

Sahanasa fianarana azo atao

Fiovan-dalana

Sary
Back of young woman on soccer field, with soccer ball in hand, contemplating goal. (horiz)

Asao ireo mpianatra mba hanodina kanety na baolina eo amin’ny velarana fisaka iiray ary hijery ny fiovan-dalana hataony rehefa mifandona amin’ny zavatra anankiray.

  • Inona no mahatonga ilay kanety na ilay baolina hiova lalana?

  • Raha ampitahaina amin’ny olona iray ilay zavatra nahodina, inona no antony mety mahatonga ny olona iray hiova ho tsara kokoa sy hanova ny lalam-piainany? Inona avy ireo antony sasantsasany izay mety ahafahan’izy ireo manao izany?

Omeo fotoana ahafahany manao tombana ny fiainany manokana ireo mpianatra. Ny andiam-pehezanteny manaraka dia manome fomba iray ahafahana manao izany. Azon’ireo mpianatra atao ny mamaly ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Eritrereto ny zotran’ny lalam-piainanao manokana. Amin’ny fomba ahoana no ahatsapanao ny fitiavana sy ny fankasitrahan’ny Tompo? Mety misy fiovana izay asain’ny Tompo ataonao ve eo amin’ny zotran’ny lalam-piainanao? Mikatsaha fanambarana ho an’ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ity lesona ity ianao.

“Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?”

Nanampy lehilahy iray antsoina hoe Saoly mba hanova ny fiainany ny Tompo. Tany am-boalohany, i Saoly dia Fariseo izay “nanimba ny fiangonana” ( Asan’ny Apostoly 8:3). Nankasitraka ny fahafatesan’i Stefana mpianatr’i Jesoa izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 7:58 ; 8:1 ; 22:20) ary “nogadraina sy nokapohina tao amin’ny synagoga izay nino [ny Tompo]” ( Asan’ny Apostoly 22:19).

Zarao roa ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ka asio lohateny hoe “Ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Saoly hiova” ny lafiny iray. Ary ny ilany kosa dia asio lohateny hoe “Ny navalin’i Saoly ny Tompo.”Vakio ny andininy iray na maromaro amin’ny zavatra izay niainan’i Saoly teny an-dalana rehefa hankany Damaskosy, ary fenoy ny tabilao mifototra amin’ny zavatra izay hitanao.

Azo zaraina ho vondrona kely ireo mpianatra ary asaina mamaky tantara samihafa ny mpianatra tsirairay. Afaka miara-miasa izy ireo mba hanao lisitra ny zavatra hitany mifototra amin’ny tantara tsirairay momba ny zavatra izay niainan’i Saoly. Rehefa mizara ho vondrona kely ireo mpianatra, dia hevero ny hamantatra ireo zavatra izay ilaina sy ny fahafahan’ireo mpianatra. Apetraho anaty vondrona ireo mpianatra izay afaka manatsara ny traikefam-pianarana ho an’ny rehetra.

Raha mila fanampiana ireo mpianatra amin’ny fahatakarana ilay andian-teny hoe “mitsipaka ny fanindronana” ( Asan’ny Apostoly 9:5), dia ampiasao ny fanazavana hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona.

Asan’ny Apostoly 9:3–20 (Nanoratra momba ny fiovam-pon’i Saoly i Lioka)

Asan’ny Apostoly 22:6–16 (Nitantara momba ny fiovam-pony tamin’ny hafa i Saoly)

Asan’ny Apostoly 26:12–20 (Notantarain’i Saoly tamin’i Agripa Mpanjaka ny fiovam-pony)

Azonao atao ihany koa ny mijery ny horonan-tsary “The Road to Damascus” (5:21), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Back of young woman on soccer field, with soccer ball in hand, contemplating goal. (horiz)

Manasà mpianatra maromaro hizara izay zavatra hitany. Hevero ny hametraka fanontaniana fanampiny toy izao manaraka izao: Inona no zavatra fantatry ny Tompo momba an’i Saoly sy izay mety hahatongavany? Ahoana no fomba nampietren’ny Tompo an’i Saoly? Iza no nirahin’ny Tompo mba hanampy an’i Saoly? Nahoana?

Mifototra amin’ny zavatra izay nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, dia eritrereto hoe inona no fahamarinana na lesona izay nianaranao avy tamin’ity tantara ity.

Asao ireo mpianatra mba hizara ny sasany amin’ireo fahamarinana izay nianarany. Ny fahamarinana anankiray izay azo hifantohana bebe kokoa dia hoe i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hiova sy hanatratra ny mety hahatongavantsika izay hitany ao amintsika.

Maniry ny fiovantsika ny Tompo

Makà fotoana hieritreretana momba ny olona iray izay fantatrao fa niova ny fiainany noho ny fitaoman’i Jesoa Kristy.

Hevero ny hizara zavatra izay niainan’ny tena manokana momba ny fiovam-po ho amin’i Jesoa Kristy Tompo. Azo atao ihany koa ny mangataka ireo mpianatra mba hanao tatitra momba ny fiomanany amin’ny fotoam-pianarana.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no nisarihan’i Jesoa Kristy io olona io mba hiova?

Mba hahitana ohatra iray momba ny olona izay niova, dia jereo ilay horonan-tsary hoe “His Grace: Change Is Possible through Christ” (3:29), ary tadiavo ny fomba izay nanampian’ny Tompo ilay lehilahy iray antsoina hoe Kenny hanova ny zotran’ny lalam-piainany. Ity horonan-tsary ity dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Back of young woman on soccer field, with soccer ball in hand, contemplating goal. (horiz)

Ho an’i Saoly, izay fantatra koa amin’ny anarany latinina hoe Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:9), dia nanova tanteraka ny fiainany ny fanarahana ny fitarihan’ny Tompo. Tsy nanenjika ny Kristianina intsony i Paoly fa lasa mpianatra mahatoky an’i Jesoa Kristy. Nandeha nitety firenena maro i Paoly tamin’ny naha-misiônera azy ary nanoratra taratasy fampaherezana sy fampianarana ho an’ireo Olomasina. Ny efatra ambin’ny folo amin’ireo taratasy ireo dia hita ao amin’ny Testamenta Vaovao avokoa (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Paoly ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ny fanapahan-kevitra izay noraisin’i Paoly hanaraka an’i Jesoa Kristy dia tsy mitsahatra ny mitahy olona tsy tambo isaina ankehitriny.

Hevero ny haneho ny mombamomba ny fiainan’i Paoly ary asao ireo mpianatra mba hamerina hijery izany. Mety hanampy ihany koa indraindray ny fijerena ity sary torohay ity rehefa mandalina ny fiainan’i Paoly sy ny asa izay nosoratany ireo mpianatra.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Mahafantatra antsika ihany koa ny Tompo ary manasa antsika mba hanisy fiovana eo amin’ny fiainantsika. Mety ho fanitsiana lehibe ireo, nefa mety ho fiovana kely fotsiny ihany koa.

Makà pejy iray hafa vaovao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ary zarao roa mitovy tsara ka asio lohateny ny ilany iray hoe “Ahoana no fomba anasan’ny Tompo ahy hiova” ary ny ilany iray indray kosa hoe “Ny valinteniko amin’ny Tompo.” Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hanoratra ny valiny ao anaty diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ny hoe “Ahoana no fomba anasan’ny Tompo ahy hiova.”

  • Na dia tsy niseho taminao tao amin’ny fahitana aza ny Tompo, dia inona ny zavatra nataony, na inona ny zavatra izay ataony mba hanampy anao hitondra fiovana tsara eo amin’ny fiainanao?

  • Iza no nirahiny hanampy anao hiova ho tsara kokoa?

Eo ambanin’ny hoe “Ny valinteniko amin’ny Tompo,” dia manorata mikasika ny fomba tianao hamaliana ny ezaka izay ataon’ny Tompo mba hanampiana anao hiova ho amin’ny tsaratsara kokoa.

Mety hanampy ihany koa ny filazana amin’ireo mpianatra fa amin’ny lesona manaraka dia hanana fahafahana hisainana ireo ezaka nataony tamin’ny famaliana ny Tompo sy hanombanana ny fivoarana izay nisy manokana teo aminyizy ireo.

Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo mpianatra fa ny Tompo dia hanampy antsika hiova sy hanatratra ny hery anaty izay ananantsika hitany ao amintsika raha toa ka mamaly amim-panetrentena ny fanasany isika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 9:5 . Inona no dikan’ny hoe “manipaka ny fanindronana”?

Ny lefona maranitra na tehina dia matetika enti-manesy ny biby mba handroso. Ny biby izay mihetsika amin’ny alalan’ny daka fa tsy mandroso dia mety hiteraka fanaintainana bebe kokoa ho an’ny tenany. Tamin’ny alalan’ny fampiasana io fanoharana io, no nanampian’ny Tompo an’i Saoly mba hahita fa ny ady Aminy dia hitondra fanaintainana ho an’ny tenany ihany.

Inona no fiovana mety hangatahin’ny Tompo mba hataoko?

Rahavavy Becky Craven, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, dia nampianatra hoe:

Sary
Sister Rebecca L. Craven, second counselor, Young Women general presidency. Official Portrait as of October 2018.

Mety ho fiovan’ny fisainana izany, fiovan’ny fahazarana na fanovana ny lalana izay hizorantsika. Ho valin’ny fanefany ilay sarany tsy hay sandaina ho antsika tsirairay avy, dia mangataka antsika hiova fo ny Tompo. Tsy ho tombontsoa ho Azy ilay fiovana angatahiny fa ho antsika.

(Becky Craven, “Tazony ny fiovana,” Liahona, nôv. 2020, 58)

Inona ny zavatra tokony ho takatro momba ny safidiko sy ny lalam-piainako?

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Tsy miraharaha loatra ny toerana izay nisy, na misy anao Andriamanitra, fa ny toerana izay tianao haleha amin’ny alalan’ny fanampiany.

(Jeffrey R. Holland, “The Best is Yet to Be,” Ensign, Janoary. 2010, 27)

Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tian’i Satana isika hieritreritra hoe rehefa nanota dia efa nihoatra an’ilay “fotoana tsy ahafahana miverina intsony” —ary efa tara loatra raha hanova ny lalantsika. …

Tonga mba hamonjy antsika i Kristy. Raha nanaraka lalan-diso isika, dia manome toky antsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa … [ny] fiverenana azo antoka dia azo atao raha manaraka ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika isika. …

Ny fanomezam-pahasoavan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome antsika ny fitahian’ny fibebahana sy famelan-keloka amin’ny fotoana rehetra ary any amin’ny toerana rehetra. Noho izany fanomezana izany, dia omena antsika rehetra ny fahafahana hiverina hieren-doza avy any amin’ilay lalana mahatsiravin’ny fahotana.

(Dieter F. Uchtdorf, “Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, mey 2007, 99, 101)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fanavaozana sy ny fanasan’ny Tompo mba hiova

Mba hanampiana ireo mpianatra hahafantatra fa ilaina ny manisy fiovana eo amin’ny fiainantsika, miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo, dia hevero ny hampiasa fanoharana. Hevitra anankiray tsara ihany koa ny famakiana ny lahateny izay nataon’ny Filoha Nelson hoe “Fiarahabana Tonga soa,” izay ampitahany ny fanavaozana ny manodidina ny Tempolin’i Salt Lake amin’ny fanasan’ny Mpamonjy antsika mba “hiova hatrany, hitombo, ary ho lasa madio kokoa” (jereo ny Liahona, Mey 2021, 6–7). Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy ireo mpianatra hieritreritra ny fomba nitondrany na hitondrany fiovana:

Ahoana no efa nitahian’ny Tompo anao rehefa nanao dingana kely ianao mba hanarahana Azy?

Inona no zavatra izay nolazain’ny Filoha Nelson ka manampy anao hahita ny fomba tsara hitondrana fiovana eo amin’ny fiainanao?

Ohatra amin’ny fiovana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Ireto manaraka ireto dia ohatra fanampiny momba ireo olona izay niova tamin’ny fanekena ny fanasana hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Nisy tovolahy iray natao batisa, tamin’ny alalan’ny fahitana maso ny fiovana tao aminy dia nanaiky ny fanasana hanaraka an’i Jesoa Kristy ihany koa ny fianakaviany (jereo ny Sam Lofgran sy ny Annelise Gardiner, “His Example for Change [Ny ohatra nomeny ho amin’ny fiovana],” New Era, Aogositra. 2020).

Nahatsapa fahabangana tao anatiny i Juan Mendoza ka niezaka izy nameno ny banga tamin’ny alalan’ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy. Izany dia nanampy an’i Juan hahafantatra ny Tompo sy hahatsapa faniriana hanompo Azy hatrany. Asehoy ny horonan-tsary “Acting on Inspiration: Juan Mendoza” (3:52), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mbola nahatsapa ny fitaoman’ny Tompo i Dominic hanampy azy hiova eo amin’ny fiainany. Tandremo fa ity ohatra ity dia ahitana lohahevitra saro-pady momba ny famonoan-tena. Asehoy ny horonan-tsary “Finding Christ during Difficult Times” (4:35), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy