Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 13


Famerenana fifehezana fotopampianarana 13

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
A young woman sitting at a table in her home. Books and papers are spread out in front of her. She is holding a pen.

Ny fitadidiana ny misy ireo andinin-tsoratra masina sy ny zavatra ampianariny dia afaka manampy anao rehefa mizara ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ny hafa ianao. Ny fandalinanao androany dia manampy anao hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny sasantsasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana an’ny Testamenta Vaovao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao fanazarana mitadidy ireo andian-teny fototra fifehezana fotopampianarana sy ireo andinin-tsoratra masina amin’ny fomba mety amin’izy ireo. Eritrereto ny hanomezana ilay tabilao ao anatin’ity lesona ity, na asao ny mpianatra hampiasa ny application Fifehezana Fotopampianarana raha misy.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana fandaminana ny hafainganam-pandehan’ny fampianarana izay nomen’ny tale na ny mpiandraikitra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny seminera.

Ataovy tsianjery amin’ny alalan’ny fampiasana sary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamerina hijery ireto andinin-tsoratra masina fifehezina fotopampianarana manaraka ireto ary hisaintsaina ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao anatin’izany manampy anao amin’ny toe-javatra maro. Raha mbola tsy nanamarika ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masinao ianao dia eritrereto ny hanao izany.

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Ny fampiasana fahatsapana sy fahaiza-manao maro dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy. Ity asa atao manaraka ity dia mangataka ny mpianatra hanao sary tandindona tsotra mba hanampiana azy ireo hitadidy ny fampianarana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo. Omeo karatra kely efatra na taratasy kely ny mpianatra tsirairay hampiasaina amin’ity asa atao ity. Fantaro tsara ireo izay mety mahatsapa fa tsy manana fahaiza-manao ara-javakanto na famoronana. Asao ny mpianatra hiasa tsiroadroa na amin’ny vondrona kely.

Asehoy an-tsary ilay andian-teny manan-danja

Ny sary sy ny fitaovana misarika ny maso hafa dia afaka manampy antsika hitadidy fampahalalana manan-danja. Eritrereto ny fomba mety hanampian’ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso anao hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja.

Ho an’ity asa atao manaraka ity dia misafidiana famantarana na tandindona izay mahazatra ny mpianatra.

  • Maneho inona ireto tandindona manaraka ireto?

Sary
Black temple icon.
Sary
Illustration of a stop sign.
Sary
Handicap icon

Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana aseho amin’ny fampiasana tandindona na sary. Jereo ireo sary, ary jereo raha afaka mamantatra andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao aminy ianao.

Asehoy ny sary manaraka. Ny valiny marina ho an’ny sary voalohany dia ny “ 1 Korintiana 6:19–20 : -Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.-” Ny valiny marina ho an’ny faharoa dia ny “ 1 Korintiana 15:40–42 : Misy ambaratongam-boninahitra telo amin’ ny fitsanganana amin’ ny maty.”

Sary
A person with an equal sign and a temple
Sary
Spot images representing the kingdom of the plan of salvation. Sun, Moon, Stars

Rehefa manao izao asa atao manaraka izao ny mpianatra dia asaivo apetrany eo amin’ny karatra samy hafa ny sarin’izy ireo tsirairay. Jereo ny hanasongadinana ny famoronan’ny mpianatra tamin’ny sary nataony. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fangatahana mpianatra vitsivitsy hampiseho ny iray amin’ireo karany amin’ny iray kilasy. Fotoana mety tsara io hampandraisana anjara ireo mpianatra izay tsy mandray anjara firy ao an-dakilasy. Raha tsy izany, dia asao ny mpianatra hanao ny sarin’ny ohatr’izy ireo eny amin’ny solaitrabe na hanantona ny ohatr’izy ireo ao an-dakilasy aorian’ny fotoam-pianarana.

Soraty amin’ny karatra kely efatra samihafa na amin’ny taratasy kely ny tsirairay amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana voatanisa teo aloha. Manaova sary fanoharana eo amin’ny faritra ilany amin’ilay karatra tsirairay hanampiana anao hitadidy ireo andian-teny manan-danja. Azonao atao ny manao sary manokana na mampiasa fitaovana jeren’ny maso toy ny clip art, emojis, na sary. Tsy mitaky anao ho mpanakanto mahay ity sahanasa ity. Ny sary fanoharana ataonao dia tokony ho tsy hay hadinoina kanefa maneho fanajana ary tsy manao tsinontsinona ny lohahevitra masina.

Rehefa vitanao izany dia ampiasao ny sary fanoharana nataonao mba hamerenana ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Raha azo atao dia zarao amin’ny namana na olona ao amin’ny fianakavianao ny sary fanoharana nataonao. Miezaha mitadidy ilay andian-teny manan-danja araka izay azo atao.

.

Mampihatra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainana

Ataovy ho taratasy zaraina ireto ohatra manaraka ireto na asehoy ho ohatra ho hitan’ny iray kilasy izany. Ny valiny marina dia (1) 1 Korontiana 15:20–22 ; (2) 1 Korontiana 6:19–20 ; (3) 1 Korontiana 11:11 ; (4) 1 Korontiana 15:40–42 .

Na mamorona toe-javatra hafa izay azo ampiharina kokoa amin’ny fiainana na toe-javatra iainan’ny mpianatra.

Mba hamerenana ireo andalan-tsoratra masina izay vao avy nataonao tsianjery teo dia valio ity andiam-panontaniana manaraka ity, ka fantaro izay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manampy indrindra amin’ny tsirairay amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  1. Hoy ny zatovovavy iray hoe: “Reko tany ho any fa noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty ny olon-drehetra. Marina ve izany?”

  2. Manontany tena ny namana iray hoe nahoana ary isika no mila mikarakara ny vatantsika raha mbola hitsangana amin’ny maty ihany.

  3. Mihevitra ny namana iray fa tsy mendrika hanaovana ezaka ny fanambadiana.

  4. Vao nodimandry ny dadaben’ny tovolahy iray, ary manana fanontaniana momba ny fiainana any ankoatra ilay tovolahy.

Hamoaka printy