Seminera
Asan’ny Apostoly 10–15


Asan’ny Apostoly 10–15

Topimaso ankapobeny

Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia nandidy ny Apôstôliny i Jesoa Kristy mba hampianatra sy hanao batisa ny olona avy amin’ny firenena rehetra (jereo ny Matio 28:19). Nanomboka tanteraka io didy io rehefa nahazo fanambarana ny Jentilisa marin-toetra anankiray nantsoina hoe Kornelio sy ny Apôstôly Petera ka notarihan’ Andriamanitra mba hihaona izy ireo. Nanao batisa an’i Kornelio i Petera, ary avy teo dia niely teo amin’ny Jentilisa ny filazantsara. Saingy mbola nisy ihany anefa ireo nanohitra ny asan’ireo Apôstôly, ka izany no nitranga rehefa maty maritiora ny Apôstôly Jakoba ary nogadraina i Petera. Taorian’ny vavaka maro izay nataon’ireo olo-marina, dia nafahan’ny anjely iray avy tao an-tranomaizina i Petera. Naniry ny hanampy tamin’ny fanatanterahana ilay andraikitra mba hampianatra ny firenena rehetra ny Apôstôly Paoly sy Barnabasy, ka dia nandeha nanao asa fitoriana izy ireo. Niatrika fanoherana be dia be koa izy ireo, nefa nahita fahombiazana lehibe ihany koa. Maro tamin’ireo Jentilisa nampianarin’izy ireo no nanaiky ny filazantsaran’i Kristy. Nipoitra ny fanontaniana mikasika ny antony ilana ny famorana ny Jentilisa izay niova fo sy ny fanarahana ny lalàn’i Mosesy. Nentina teny amin’i Petera sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ilay fanontaniana, ary izy ireo dia niara-nidinika sy nandray fanambarana momba izany.  

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manolotra hevitra ho an’ireo mpampianatra mikasika izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Asan’ny Apostoly 10, Fizarana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hijery kokoa ny hafa tahaka ny fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra handinika ny fomba fijeriny sy ny fitondrany ny olona manodidina azy ireo ary ny antony mahatonga azy ireo hanao izany. Angataho izy ireo ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara hevi-baovao vitsivitsy avy tamin’ireo zavatra nodinihiny.

  • Sary: Sarina rahona

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Fitaovana toy ny taratasy sy pensilihazo miloko ho an’ny mpianatra mba hamoronany sary

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa asaina maneho an-tsary ny fahitan’i Petera ireo mpianatra, dia asao izy ireo hanitsy ny fomba fijerin’izy ireo an’ireo mpandray anjara ka rehefa mizara sy manazava ny olona anankiray, dia hameno ny efijery manontolo ny sarin’ilay olona. Izany dia hanamora kokoa ny fahitan’ireo mpianatra ny sarin’ny tsirairay avy.

Asan’ny Apostoly 10, Fizarana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fomba hanambaran’ny Ray any An-danitra ny sitrapony amin’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamantatra ireo zavatra ilaina na ireo olana eo amin’ny fiainany ka tian’izy ireo handraisana fanambarana.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mamerina mijery ireo zava-nitranga ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:1–28, 44–48 ny mpianatra, dia asehoy ny lahatsoratr’ireo andininy ireo ary avelao ny mpianatra hanasongadina na hanisy marika ny andininy izay tian’izy ireo ka hataon’ny iray kilasy izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny “fonctionnalité permettant d’annoter”.

Asan’ny Apostoly 11, 15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny fomba hitarihan’ny Mpamonjy ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana omeny ny mpaminaniny sy ireo apôstôliny.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanambarana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org, ka ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny zavatra izay takatr’izy ireo mikasika ny fomba hanambaran’ny Tompo ny sitrapony amin’ireo mpaminaniny.

Asan’ny Apostooly 12:1–19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fananana fahatokiana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy ny valim-bavaka omeny.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara zavatra iray niainany tamin’ny fahazoana valim-bavaka araka izay nantenain’izy ireo na ny hafa ary zavatra hafa niainany izay toa tsy namaliana ny vavaka nataony na namaliana izany fa tsy araka ny nantenainy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Manasà mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana ao an-toerana izay fantatr’ireo mpianatra mba handray anjara sy hizara ny zavatra niainany tamin’ny fahazoana valim-bavaka izay araka ny nanantenana azy ary valim-bavaka tsy araka ny nanantenana azy. Raha tsy izany dia manasà mpianatra iray hitaona olona iray ao amin’ny fianakaviany mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra niainany momba ny vavaka. Makà antoka fa nahazo fankatoavana araka ny tokony ho izy avy tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana eo an-toerana sy ny mpandrindra ny Seminera sy Institiota eo an-toerana ianao mialoha ny hanasana ireo mpitsidika izay hiresaka ao amin’ny kilasinao ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hanatevina ny fahatakarany ary hanazava ireo fahamarinana mikasika ny iray na ny maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hohalalinina amin’ity lesona ity ary asao izy ireo ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hifanakalo hevitra momba izany. Afaka mampiasa ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) na ny application Maîtrise de la doctrine ireo mpianatra mba hanampy azy ireo amin’ny famerenana.

Fanamarihana: Mety ilaina ny ampianarana lesona momba ny fifehezana fotopampianarana ho solon’ity lesona famerenana ity. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

  • Votoatin-kevitra haseho: Sahanasa fampifandraisana

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Azo zaraina anaty zana-bondrona ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana any amin’ny faran’ny lesona.

Hamoaka printy