Seminera
Asan’ny Apostoly 11, 15


Asan’ny Apostoly 11, 15

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana ny Mpamonjy

Sary
Peter and James speak to the apostles, elders and other members at Jerusalem on the matter of circumcision. Outtakes: include some of the people shooting the film, different shots of the group of people listening.

Nilaza tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa fa hotorina amin’ny firenena rehetra ny filazantsara. Mitaky fanovana sarotra tamin’ny fomban-drazana Jiosy efa hatry ny ela anefa ny fanaovana izany. Noho ny fiakaran’i Jesoa tany an-danitra dia nila natao tamin’ny alalan’ny fanambarana ireo fiovana ireo. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hampitombo ny fahatakaranao ny fomba itarihan’ny Mpamonjy ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny mpaminaniny sy ireo Apôstôliny.

Manapa-kevitra ny amin’izay ho ampianarina. Amin’ny ankapobeny dia hisy fitaovana bebe kokoa foana ao anatin’ny andian-tsoratra masina izay azo ifanakalozana hevitra tsara mandritra ny fotoam-pianarana. Halalino amim-bavaka ny soratra masina sy ny fandaharam-pianarana mba hahafantarana izay fahamarinana ara-potopampianarana sy fitsipika tena manan-danja ho an’ny mpianatrao ny mahita sy mahatakatra ary mampihatra azy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanambarana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org, ary ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny zavatra takatr’izy ireo mikasika ny fomba hanambaran’ny Tompo ny sitrapony amin’ireo mpaminaniny.

Fanontanian’ny namana iray

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray tsy mitovy finoana aminao izay mahafantatra momba ny finoanao ireo mpaminany sy apôstôly maoderina. Na dia mino ny mpaminany sy ny apôstôly ao amin’ny Baiboly aza ilay namanao, dia sarotra aminy ny manaiky fa miasa amin’ny alalan’izy ireo Andriamanitra ankehitriny. Manontany anao izy hoe: “Ahoana no fomba iresahan’i Jesoa amin’ny mpaminany sy ny Apôstôly?”

  • Manao ahoana ny fahatokisanao ny fahaizanao mamaly io fanontaniana io?

  • Inona no ho lazainao amin’ilay namanao?

Na dia misy fomba maro hamaliana aza, ny Asan’ny Apostoly11 sy 15 dia maneho fomba roa itarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana.

Fanambarana amin’ny mpaminany

Taorian’ny fahitan’i Petera sy ny zavatra niainany niaraka tamin’i Kornelio (jereo ny Asan’ny Apostoly10), dia nandeha tany Jerosalema izy ary nampianatra ireo fahamarinana vao nambara ireo tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana.

Mety hanampy ny fiarahan’ny mpianatra miasa tsiroadroa hamerenana fohifohy ny fahitana sy ny zavatra niainan’i Petera niaraka tamin’i Kornelio ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 . Safidy iray hafa ny manasa mpianatra iray hamintina ny tantara ho an’ny iray kilasy.

Rehefa tonga tany Jerosalema i Petera dia nitantara indray ny fahitany sy ny zavatra niainany niaraka tamin’i Kornelio (jereo ny Asan’ny Apostoly 11:1–18).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 11:4–18 , ka tadiavo ny fomba fahitanao an’ Andriamanitra mitarika ny Fiangonana.

  • Inona no ianaranao avy amin’ity tantara ity mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ny Fiangonany?

Asao ny mpianatra hijery ny zavatra nianarany tamin’ny famakiana ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tonga mivantana tamin’ny mpaminany, tamin’ilay Apôstôly zokiny indrindra, tamin’ny alalan’ny fahitana ny fanambarana.

Azonao atao ny manoratra na mampiseho ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe:

Ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Petera fa Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny mpaminaniny, dia ny Apôstôly zokiny indrindra, i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana ity fahamarinana ity manampy anao hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny?

  • Nahoana ianao no mino fa tarihin’ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanambarana ny Fiangonana ankehitriny?

Fanambarana amin’ny alalan’ireo filankevitra

Aseho ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15 ny ohatra iray hafa amin’ny fomba anomezan’ny Mpamonjy fanambarana ny mpaminaniny sy ny apôstôliny.

Nampianatra sy nanao batisa Jentilisa maro i Paoly sy i Barnabasy misiônera. Tonga tany Antiokia ireo Kristiana Jiosy sasany ary nampianatra fa mila mitandrina ny lalàn’i Mosesy amin’ny alalan’ny famorana ankoatra ny fiainana ny filazantsara nampianarin’i Jesoa Kristy sy ny Apôstôliny ny lehilahy Jentilisa niova fo (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:1,5 ; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Famorana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:2 hahitana ny fomba nitadiavan’i Paoly sy Barnabasy ny famahana ilay olana.

  • Araka ny hevitrao, nahoana i Paoly sy i Barnabasy no nitady fitarihana tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Jerosalema?

Fahamarinana iray aseho ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15 ny hoe amin’ny alalan’ny fifampizarana torohevitra sy ny fikatsahana fanambarana avy amin’ Andriamanitra no ahazoan’ireo mpitarika ny Fiangonana fitaomam-panahy mikasika ireo olana sarotra. Rehefa nifanome torohevitra i Petera sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia nahazo fitarihana avy tamin’ Andriamanitra izy ireo. Nandefa taratasy izy ireo nampahafantatra ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny fanapahan-kevitra nentanim-panahy azon’izy ireo mba tsy hitaky ny famorana ireo Jentilisa niova fo, ary nampidirin’izy ireo tamin’izany ny fanasana hankatò ireo didy hafa.

Ny filankevitra dia vondron’olona mivondrona mba hifanakalo hevitra momba ny raharaha manan-danja sy ny fomba hamahana azy ireny. Mba hahatakarana bebe kokoa momba ny fomba fiasan’ny filankevitra ao amin’ny Fiangonana dia vakio ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany ity manaraka ity:

Ny mpitarika [ny filankevitra] dia mamporisika ny mpikambana mba hiteny malalaka sy amin-kitsimpo. Ny toerana namolavola, ny taona, ny traikefa ary ny fomba fijery samihafa ananan’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia manatsara ilay filankevitra. Mizara soso-kevitra ary mifampihaino amim-panajana ireo mpikambana. Rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo izy ireo dia afaka manjaka ny fanahin’ny fitaomana sy ny firaisan-kina.

(Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 4.4.3, ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no hamintinanao ny atao hoe filankevitra ao amin’ny Fiangonana?

Omano ho taratasy zaraina ho an’ny mpianatra ity fampahalalana manaraka ity na asehoy eny amin’ny solaitrabe izany.

Ny filankevitra tao Jerosalema

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:6–15, 22–28 , ary tadiavo ny porofon’ireo fizarana samihafa ao amin’ny filankevitra. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Soraty eo amin’ny tsanganana ankavanana ny teny na andian-teny avy amin’ireo andininy izay mifanaraka amin’ireo andian-teny ao amin’ny tsanganana ankavia.

Miasa eo ambanin’ny fanalahidin’ny fisoronana

Mifantoka amin’ny mahasoa ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Mamela ny fanehoan-kevitry ny mpikambana ao amin’ny filankevitra

Mitarika ho amin’ny firaisan-kina

Ireo mpitarika maoderina koa dia mampiasa filankevitra mba hanasana ny fitarihan’ny Tompo ny raharahan’ny Fiangonana. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara izao manaraka izao:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Rehefa nivory amin’ny maha Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izahay, dia lasa efitranon’ny fanambarana ny efitrano fivorianay. Tena tsapa fa eo ny Fanahy. Rehefa sahirana mafy tamin’ireo toe-javatra sarotra tokony ho vahana izahay, dia misy zavatra mampientanentana mitranga rehefa milaza amin-kalalahana ny eritreriny sy ny heviny ny Apôstôly tsirairay. Na dia mety ho tsy mitovy aza ny fomba fijerinay any am-boalohany, dia tsy miova mihitsy ny fifankatiavana tsapanay. Manampy anay hamantatra ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny Fiangonany ny firaisanay hina.

Mandritra ny fivorianay dia tsy misy mihitsy izany hoe ny hevitry ny antsasa-manila no ampanjakaina! Mifampihaino amim-bavaka izahay ary mifampiresaka mandra-piray saina anay. Ary rehefa samy manaiky tanteraka izahay, dia mampientanentana ery ny fitaomana mampiray avy amin’ny Fanahy Masina! Miaina ny zavatra fantatry ny Mpaminany Joseph Smith isika rehefa nampianatra izy hoe: “Amin’ny alalan’ny fahatsapana fiombonana no ahazoantsika hery avy amin’ Andriamanitra” [Fampianaran’ny filoham-piangonana: Joseph Smith (2007), 393–94]. Tsy misy mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izay handray fanapahan-kevitra ho an’ny Fiangonan’ny Tompo kanefa miankina amin’ny fahaizany mitsara manokana!

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95)

Mety ho fotoana tsara izany hamelana ireo mpianatra hametraka fanontaniana mety hananany mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ny Fiangonany. Jereo ny “ Fanambarana ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) sy ny fitaovana ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona mba hahazoana hevi-baovao mahasoa.

  • Ahoana no ho fihetsikao manoloana ilay toe-javatra niseho tany am-piandohan’ny lesona izay nahitana ny namana iray nanontany ny fomba niresahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpaminany sy ny apôstôly?

  • Ahoana no fomba fiantraikan’ny fahalalana ireo fahamarinana hita ao amin’ireo soratra masina ireo eo amin’ny fahatsapanao momba ny mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana?

  • Amin’ny fomba ahoana no misy fiantraikany amin’ny fomba fijerinao ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny mpaminany sy ny apôstôly ankehitriny ny fahalalana fa mitarika ny Fiangonany amin’ireo fomba ireo i Jesoa Kristy?

  • Inona ireo filankevitra mety handraisanao anjara amin’ny fiainanao?

  • Inona no azonao atao mba hanampiana ny filankevitra iray handray fanambarana?

Araka izay fitarihana voarainao dia mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nampianarina ato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fanambarana ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana

Tao amin’ny lahateniny “Ny fotopampianaran’i Kristy,” ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampiasa ny tantara voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11 sy 15 mba hampianarana momba ny fanambarana ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana. Diniho ny fandalinana ny lahateny iray manontolo na ny fijerena ity horonan-tsary manaraka ity manomboka amin’ny mari-potoana 6:10 ka hatramin’ny 11:34.

Inona avy ireo ohatra sasantsasany ahitana ny fanambarana mitohy?

Ny Loholona QuentinL. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fanambarana voaray ho an’ny Fiangonana. Jereo ny “Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika” manomboka amin’ny mari-potoana 4:55 ka hatramin’ny 6:42, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nampianatra ihany koa ny Loholona Cook fa ny mpaminany sy ny apôstôly dia mahazo fitaomana avy amin’ny Fanahy sy fanambarana mivantana avy amin’ny Mpamonjy. Jereo ny “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra” manomboka amin’ny mari-potoana 13:37 ka hatramin’ny 14:15.

Ahoana no mety ho fomba fiasan’ny filankevitra ao anatin’ny fianakaviana?

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny filankevitry ny mpianakavy tao amin’ny lahateniny “Ireo filankevitry ny mpianakavy” ( Liahona, mey 2016, 63–65).

Sahanasa fianarana fanampiny

Zatovo mandray anjara amin’ny filankevitra

Tanora maro no nanana na hanana fahafahana handray anjara amina filankevitra ao anatin’ny antson’izy ireo ao amin’ny kilasy iray na fiadidian’ny kôlejy iray. Asao ny mpianatra hiresaka momba ny zavatra niainany tamin’ny fandraisany anjara tamin’ireo filankevitra ireo sy ny fomba ahafahan’ny zavatra nianarany tato amin’ity lesona ity manampy azy ireo rehefa mifanome torohevitra amin’ny hafa momba ilay antso izy ireo.

Amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny torohevitra?

Asao ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ahitana ireo fanapahan-kevitra manan-danja raisin’izy ireo amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy. Mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao amin’ny mpianatra: Ahoana no ahafahan’ny fifanomezana torohevitra amin’ny hafa manampy anao hahita fitarihana nentanim-panahy momba ny fandraisana ireo fanapahan-kevitra ireo? Iza avy ireo olona mety angalanao torohevitra momba ireo fanapahan-kevitra ireo? Ny loharano sasany dia ahitana ireo ray aman-dreny sy ireo olona ao amin’ny fianakaviana (jereo ny M. Russell Ballard, “Ireo filankevitry ny mpianakavy,” Liahona, mey 2016, 63–65), ireo mpitarika ny Fiangonana ary ny Tompo (jereo ny Almà 37:37).

Zarao ity teny manaraka nataon’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Maro aminareo ry zatovo sarobidy no mety tsy mahita mazava hoe iza ianareo ary afaka ny ho tonga inona. Kanefa mbola eo an-tokonan’ireo fanapahan-kevitra manan-danja izay horaisinareo eo amin’ny fiainanareo ianareo. Aoka ianareo sady hiresaka amin’ny ray aman-dreninareo no hiresaka amin’ny evekanareo mikasika ireo safidy manan-danja eo anoloanareo. Avelao ny eveka ho namanareo sy mpanolotsaina anareo” (“Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo,” Liahona, mey 2021, 60). Asao ny mpianatra hanoratra mikasika ny fomba mety hampiasan’izy ireo ny fitsipiky ny fifanomezana torohevitra mba hanasana ny fitarihan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Ahoana no fomba hanasan’ny soratra masina ny fanambarana amin’ireo filankevitra mitarika ao amin’ny Fiangonana

Azo anontaniana momba ny fomba hafa ahafahana mandray fanambarana ny mpianatra. Manasà mpianatra hamaky ny Asan’ny Apostoly 15:13–18 . Inona avy ireo loharanom-pahefana noresahin’i Jakoba?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Ny resaka atao ao anatin’ ny filankevitra matetika dia ahitana ny fampiasana ireo soratra masina nankatoavin’ ny Fiangonana, ireo fampianaran’ ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana, ary ny zavatra natao teo aloha. Saingy amin’ny farany toy ny ao amin’ny Testamenta Vaovao ihany dia tsy hoe fifanarahana tsotra fotsiny eo amin’ ireo mpikambana ao amin’ ny filankevitra akory no tanjona fa fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Fomba fiasa sady ahitana ny fampiasana ny saina sy ny finoana izany mba hahazoana mahafantatra ny saina sy ny sitrapon’ny Tompo” (Ny Fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 88). Afaka mamaky ny Asan’ny Apostoly 15:28 ny mpianatra ary mitady ny fomba hilazana ny hevitra ironana sy ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra ao amin’io andininy io.

Hamoaka printy