Seminera
Asan’ny Apostoly 10, Fizarana 2


Asan’ny Apostoly 10, Fizarana 2

Fitsipiky ny fandraisana fanambarana

A young woman with a book in her lap and holding a candle looking over her shoulder at a bright light.

Ny Ray any An-danitra be fitiavana dia nitahy an’i Kornelio sy i Petera tamin’ny fanambarana mba hanampiana azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny sitrapony. Rehefa nanao asa araka ny fanambarana azony izy ireo dia nahazo fitahiana tamin’ny fahazavana sy fahalalana fanampiny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny fomba hanambaran’ny Ray any An-danitra ny sitrapony aminao.

Manasa ny mpianatra hametraka fanontaniana. Ny fanasana ireo mpianatra hametraka fanontaniana mandritra ny lesona dia afaka manampy anao hampifanaraka ny lesona amin’ny filan’ny mpianatra sy manao ilay lohahevitra hifanaraka kokoa amin’ny fiainan’ny mpianatra.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamantatra ireo zavatra ilaina na olana eo amin’ny fiainany ka tiany handraisana fanambarana.

Sahanasa fianarana azo atao

Mandefa hafatra manan-danja

Asao ny olona iray hanolo-tena handroso eny aloha. Omeo io mpianatra io ny andraikitra hitondra ilay hafatra hoe “Tia anao ny Ray any An-danitra” amin’ireo mpianatra hafa nefa tsy am-pitenenana. Afaka manoratra, manao fihetsika, na mampiasa fomba fifandraisana hafa ankoatra ny fitenenana ny mpianatra.

Alaivo sary an-tsaina hoe tsy maintsy mampita hafatra manan-danja amin’ny olona tsy eo akaikinao ianao.

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao mampita ilay hafatra amin’izy ireo?

  • Inona avy ireo fomba mety ahafahan’ny Ray any An-danitra mampita hafatra manan-danja aminao?

Manana hafatra manan-danja maro hozaraina amin’ireo zanany ny Ray any An-danitra. Natao ho an’ny rehetra ny hafatra sasany, fa ny hafa kosa natao ho anao manokana. Mifandray amin’ny olona tsirairay ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia tadiavo ireo fomba mety hanambaran’ Andriamanitra ireo hafany manan-danja mba hahafahanao mamantatra ilay fanambarana rehefa tonga izany.

Manambara ny sitrapony tamin’i Petera sy i Kornelio ny Ray any An-danitra

Avereno jerena ny tantaran’i Kornelio sy Petera izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:1–28, 44–48 (jereo ihany koa ny lesona izay hita ao amin’ny “Asan’ny Apôstôly 10, Fizarana 1”). Rehefa mamerina mijery ianao dia tadiavo ny fomba nahatakaran’izy ireo ny zavatra nambaran’ny Ray any An-danitra tamin’izy ireo.

Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny Asan’ny Apostoly 10 miaraka amin’ny iray kilasy, mamaky ilay tantara ary miato tsindraindray mba hizarana ny zavatra ianarany. Raha tsy izany dia afaka miasa tsiroadroa ny mpianatra, ka mifantoka amin’ny zavatra niainan’i Kornelio ny mpianatra iray ( andininy 1–8, 44–48) ary ny iray hafa mifantoka amin’ny zavatra niainan’i Petera ( andininy 9–28, 44–48). Rehefa manao famerenana izy ireo dia afaka mifampizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Inona no nianaranao momba ny fanambarana avy amin’ity tantara ity?

Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra mba hiomanana amin’ny fametrahana fanontaniana nentanim-panahy.Asao ny mpianatra maromaro hanoratra ireo fahamarinana eny amin’ny solaitrabe. Ny fahamarinana vitsivitsy momba ny fanambarana mety ho hitan’ny mpianatra dia ahitana ny hoe Manambara ny fahamarinany andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ny Ray any An-danitra sy ny hoe Afaka mitahy antsika amin’ny fanambarana fanampiny ny Ray any An-danitra rehefa manaraka ny fanambarana izay azontsika isika. Afaka manoratra ireo fahamarinana ireo ao anaty diary fandalinany na ny soratra masiny ihany koa ireo mpianatra.Mizarà traikefa manokana ary asao ny mpianatra hizara traikefa maneho ireo fahamarinana izay hita ireo.

  • Inona no azonao ianarana momba ny Ray any An-danitra avy amin’ireo fahamarinana mikasika ny fanambarana izay hitanao ireo?

  • Inona avy ireo fitahiana sy fahamarinana mety ho tsy azon’i Petera sy i Kornelio raha tsy nanaraka araka izay voarainy izy ireo?

Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra

Ampifanaraho amin’ny zavatra efa azon’ny mpianatra momba io fahamarinana io ity fifanakalozan-kevitra manaraka ity. Raha toa ka efa mahazo tsara io fahamarinana io ny mpianatra sasany dia asao izy ireo hampianatra ny mpianatra hafa momba izany.

Hahazo tombony ny mpianatra amin’ny famakiana ny 2 Nefia 28:30 sy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba nahazoan’i Petera sy i Kornelio fanambarana andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra.

Ny fahamarinana momba ny fanambarana aseho ato amin’ity tantara ity dia ny hoe Manambara ny fahamarinany andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ny Ray any An-danitra (jereo ny 2 Nefia 28:30).

Mariho fa na i Kornelio na i Petera dia tsy nahazo avy hatrany ny fampahalalana rehetra nomen’ Andriamanitra azy ireo. Nilaza tamin’i Kornelio ny anjely mba hitady an’i Petera, ary “izy hilaza aminao izay tokony hataonao” ( Asan’ny Apostoly 10:5–6). Taorian’ny nahazoan’i Petera fahitana, dia “mbola nieritreritra tao am-pony i Petera ny amin’izay anton’ny fahitana efa hitany” ( Asan’ny Apostoly 10:17). Tsy azony tanteraka ny hevitr’ilay fahitana raha tsy nihaona tamin’i Kornelio izy.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ny mety ho hevitr’izany ho antsika. Jereo ny horonan-tsary “Patterns of Light: Spirit of Revelation [Lamin’ny Fahazavana: Fanahin’ny Fanambarana]” (3:04), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity teny manaraka ity.

3:4
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely mipariaka avy amin’ny masoandro miposaka dia tahaka ny mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” ( 2 Nefia 28:30). Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraka ny faniriantsika sy ny fahamendrehantsika ary ny fiomanantsika. … Io lamin’ny fanambarana io no toa mateti-pitranga kokoa.

(David A. Bednar, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 88)

  • Inona no mety ho fitahiana amin’ny fanomezan’ny Ray any An-danitra antsika fanambarana tsikelikely fa tsy indray mandeha?

  • Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy afaka anampian’ity lamina ity antsika mba hampitombo?

Manao zavatra araka ny fanambarana

Koa satria nanao zavatra araka ny fanambarana izay voarain’izy ireo voalohany i Kornelio sy i Petera, dia nomena fahatakarana feno kokoa izy ireo. Izany dia maneho ny fahamarinana iray hafa hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 : Hitahy antsika amin’ny fanambarana fanampiny ny Ray any An-danitra rehefa manaraka ny fanambarana izay azontsika isika.

Ny Loholona Ronald A. Rasband avy ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny maha zava-dehibe ny fanaovana asa araka ny fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra. Jereo ilay horonan-tsary “Let the Holy Spirit Guide [Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina],” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 14:41 ka hatramin’ny 15:19, na vakio ity teny manaraka ity.

15:43
Official Portrait (as of June 2016) of Elder Ronald A. Rasband of the Quorum of the Twelve Apostles.

Raha toa ka henointsika tsara ireo bitsika izay tonga amintsika dia hitombo ny fanahin’ny fanambarana ao amintsika ary handray hevitra bebe kokoa hatrany sy fitarihana entanin’ny Fanahy isika. Hoy ny Tompo, hoe:“Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12 ].

Enga anie isika handray amim-pahamatorana ilay antson’ny Tompo hoe “matokia fa hitari-dalana anareo Aho” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18 ]. Mitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy. Enga anie isika hiaina eo akaikin’ny Fanahy, hanao asa haingana araka ireo bitsika voalohany azontsika, noho ny fahafantarantsika fa avy amin’ Andriamanitra izy ireny.

(Ronald A. Rasband, “Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina,” Liahona, meey 2017, 96)

  • Ahoana no ahafahantsika manomana ny tenantsika handray fanambarana?

Fanambarana ho an’ny fiainanao

  • Inona no nianaranao momba ny fanambarana ka afaka manampy anao amin’ny toe-javatra iainanao manokana?

  • Inona no fanambarana nomen’ny Ray any An-danitra anao ka tokony hataonao, ary ahoana no ahafahanao mampihatra izany?

  • Inona no nianaranao ka afaka manampy anao hahita ny fitiavan’ny Rainao any An-danitra anao?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no hamantarako ny fanambarana amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina?

Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Mahatsapa ny Fanahy Masina” (3:17), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba handrenesana ireo fomba samihafa ahatsapan’ny olona sy ahalalany ny Fanahy Masina.

Inona no tokony hataoko raha toa ka tsy mahazo fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra aho, na dia mikatsaka izany aza?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manazava fa:

2:3
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ao anatin’ireo fisalasalana sy fanamby maro izay atrehantsika eo amin’ny fiainantsika dia mitaky antsika hanao ny tsara indrindra vitantsika Andriamanitra (jereo 2 Nefia 2:26) sy hatoky Azy. Mety tsy mahita anjely isika na mandre feo avy any an-danitra, na mandray fahatsapana ara-panahy goavana. Matetika isika dia mety mandroso ao anatin’ny fanantenana sy fanaovana vavaka—saingy tsy manana antoka zato isan-jato—fa manao zavatra araka ny sitrapon’ Andriamanitra isika. Saingy rehefa manaja ny fanekempihavanantsika sy mitandrina ny didy isika, rehefa miezaka tsy tapaka bebe kokoa hanao ny soa sy ho tonga tsaratsara kokoa dia afaka mandeha amim-pahatokiana isika fa Andriamanitra dia hitarika ny diantsika.

(David A. Bednar, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 90)

Inona avy ireo fahazarana na fihetsika mety hanakana ahy tsy hahazo fanambarana?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

2:3
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ao amin’ny soratra masina, ny hery misariky ny Fanahy Masina dia faritana matetika ho toy ny “feo tony sy malefaka” ( 1 Mpanjaka 19:12 ; 1 Nefia 17:45 ; jereo ihany koa ny 3 Nefia 11:3) sy ilay “feo tony tanteraka miova tsy ny bitsika iray” ( Helamàna 5:30). Satria mibitsika amintsika amin’ny feo malefaka ny Fanahy dia mora ny mahatakatra ny antony tokony hisorohana ny zavatra tsy mendrika amin’ny haino aman-jery sy ny zavatra mamoa fady ary ny zavatra fihinana sy ny fitondran-tena manimba sy mampiakin-doha. Ireo fitaovan’ny fahavalo ireo dia afaka mampihena ny hery ary mety miafara amin’ny famotehana ny fahafahantsika hahafantatra sy hamaly ireo hafatra malefaka avy amin’ Andriamanitra izay omena amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy.

(David A. Bednar, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 88)

Inona no azoko atao mba hampitomboana ny fahaizako mandray fanambarana?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara fa:

Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Fomba iray manan-danja hahatongavana ho mendrika ny hahazo fanambarana ny mandroso miaraka amin’ny fanompoantsika sy ny asantsika. Tamin’ny fandalinako ny soratra masina dia nahatsikaritra aho fa ny ankabetsahan’ny fanambarana ho an’ny zanak’ Andriamanitra dia tonga rehefa eny am-pihetsehana izy ireo, fa tsy rehefa mitoetra any an-tranon’izy ireo ka miandry ny Tompo hilaza azy ireo ny dingana voalohany tokony hatao. …

Hahazo bitsika avy amin’ny Fanahy isika rehefa nanao izay rehetra vitantsika, rehefa miasa any ivelany any miaritra ny masoandro fa tsy maka alokaloka fotsiny dia mivavaka mba hahazo torolalana amin’izay dingana voalohany tokony horaisina. Tonga ny fanambarana rehefa mandroso ny zanak’ Andriamanitra.

Noho izany dia manao izay rehetra azontsika atao isika. Dia miandry ny Tompo isika avy eo mba hanome ny fanambarany. Manana ny fotoany manokana Izy.

(Dallin H. Oaks, ”In His Own Time, In His Own Way,” Ensign, Aog. 2013, 22, 24)

Mba hahazoana soso-kevitra bebe kokoa amin’ny fomba hampitomboana ny fahafahanao mahatsapa ny Fanahy sy mandray fanambarana, dia vakio ny “Feeling the Spirit” (Paul VanDenBerghe, New Era, Ôkt. 2011, 26–29 ).

Sahanasa fianarana fanampiny

Ohatra avy amin’ny hafa mandray fanambarana

Asao ireo mpianatra mba hitady ireo ohatra avy ao amin’ny soratra masina momba ny olona hafa izay nahazo ihany koa fanambarana (jereo ohatra ny, 1 Nefia 4:6–18 ; Enôsa 1:1–18 ; Almà 5:43–47). Asaivo mitanisa ohatra eny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra. Afaka misafidy ohatra iray izy ireo avy eo, ka hitady izany ao amin’ny soratra masina ary handalina izany, ary hitady hevi-baovao momba ny fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra.

  • Ampitahao amin’ny zavatra niainan’i Kornelio sy i Petera ilay tantara nosafidinao. Inona no fitoviana hitanao? Inona no fahasamihafana?