Seminera
Asan’ny Apostoly 10, Fizarana 1


Asan’ny Apostoly 10, Fizarana 1

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”

Sary
Cornelius greets Peter outside of his home. Outtakes include Cornelius kneeling, Peter raising Cornelius from the ground, surrounding landscape, and others involved in the filming.

Rehefa niseho tamin’ny mpianany Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nandidy azy ireo Izy mba hampiely ny filazantsara manerana izao tontolo izao (jereo ny Matio 28:19–20). Talohan’izany dia nozaraina tamin’ireo Jiosy fotsiny ihany ny Filazantsara, ary i Petera sy ireo mpianatra hafa dia nanohy hatrany sy nifantoka tamin’ny ezaka fitoriana izay nataony tamin’izy ireo. I Kornelio, ilay Jentilisa tia an’ Andriamanitra sy nikatsaka ny fitarihany, dia notarihin’ny iraka anankiray avy any an-danitra mba hitady an’i Apôstôly Petera. Nandritra izany fotoana izany, dia nahazo fahitana izay nanampy azy mba hahatakatra bebe kokoa ny zavatra izay tsapan’ny Ray any An-danitra momba ny zanany rehetra i Petera. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hijery ny hafa tahaka ny fahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo bebe kokoa.

Ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa. Ampio ireo mpianatra mba hahita ny fifandraisana izay misy amin’ny fiainana ny Filazantsara sy ny fahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. “Ny fahatongavana ho lasa zavatra iray dia dingan’ny fiovana eo amin’ny toetra sy ny maha izy azy ny mpianatra. Tonga amin’ny alalan’ny herim-panavotana sy ny hery mampatanjaka an’i Jesoa Kristy izany” (Kim B. Clark, “Deep Learning and Joy in the Lord [Fianarana lalina sy fifaliana ao amin’ny Tompo]” [lahateny natao nandritra ny fampitana ny fampiofanana isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara], jona 13, 2017, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba handinika ny fomba fijeriny sy ny fitondrany ny olona manodidina azy ary ny antony mahatonga azy ireo hanao izany. Angataho izy ireo mba ho tonga vonona hizara hevi-baovao vitsivitsy avy tamin’ireo zavatra izay hitan’izy ireo.

Inona ny zavatra izay hitanareo?

Sary
Clouds in a sunny sky

Jereo ny rahona (na eny ivelany na ao amin’ity sary ity) ary hazavao ny zavatra izay hitanareo.

  • Nahoana no mety hisy olona anankiroa izay mijery rahona anankiray mitovy nefa mahita zavatra samy hafa?

  • Nahoana no mety hisy olona anankiroa izay mijery olona iray nefa tsy mitovy ny fahitan’izy ireo an’io olona io?

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika tsirairay?

Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay hitany sy ny hevi-baovao izay ananany rehefa avy nahavita ny sahanasa amin’ny fiomanan’ny mpianatra izy ireo.

Rehefa mandalina ianao, dia tadidio fa ny fomba fijerinao ny hafa dia mety tsy hitovy amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo. Avelao ny Fanahy Masina hitarika anao amin’ny zavatra izay mety ilainao hatao mba hampifanarahanao tanteraka ny fomba fijerinao amin’ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Nampianatra an’i Kornelio, ilay jentilisa i Petera

Hatramin’io fotoana tao anatin’ny andron’ny Testamenta Vaovao io, dia tamin’ny Jiosy ihany no nitoriana ny filazantsara, niaraka tamin’ny olona vitsivitsy manokana, araka izay nandidian’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 10:5–6). Nisy mpikambana vitsivitsy tao amin’ny Fiangonan’i Kristy izay Jentilisa (tsy Jiosy) tamin’ny fotoana nahaterahany, saingy efa niova fo ho amin’ny Jodaisma talohan’ny nanarahana an’i Kristy. Kanefa, nilaza tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy fa aorian’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina eo amin’izy ireo dia hitory ny filazantsara “hatramin’ny faran’ny tany izy ireo” ( Asan’ny Apostoly 1:8). Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 isika dia mamaky mikasika ny fiovana lehibe teo amin’ny fomba fiasan’ny Fiangonana izay hanamora izany.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:1–8 mba hianarana momba an’i Kornelio. Tadiavo ireo famantarana izay maneho ny fahitan’ny Ray any An-danitra azy.

  • Inona ny zavatra izay nianaranao momba an’i Kornelio avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona ny zavatra mba hitanao fa maneho ny zavatra izay tsapan’ny Ray any An-danitra momba an’i Kornelio?

Rehefa nandeha nitady an’i Apôstôly Petera ny olon’i Kornelio, dia nampianatra an’i Petera mikasika ny fomba fijeriny ny olon-drehetra ny Tompo.Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:9–16 ary ataovy sary izay heverinao fa mety ho endriky ny fahitan’i Petera.

Azon’ireo mpianatra atao ny samy manao sary tsirairay, na misy mpianatra anankiray manao ilay sarin’ny fahitana eny amin’ny solaitrabe. Ataovy fohy ny fotoana fanaovana sary mba hananan’ireo mpianatra fotoana ampy ho an’ny lesona sisa.

Asao ireo mpianatra mba hizara ny sary izay nataony. Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny momba ny mety ho hevitr’ilay fahitana.

  • Nahoana i Petera no niahiahy momba ny zavatra izay nasaina nataony tao amin’ilay fahitana?

Nitombo tahaka ny jiosy rehetra i Petera, nanaraka ny didy sy ny fomba fanao tao amin’ny lalàn’i Môsesy. Ity lalàna ity dia nahitana fepetra hentitra momba ireo zavatra izay azo hoanina sy tsy azo hoanina (jereo ny Levitikosy 11). Nantsoina ho “madio” ireo biby izay navela hohanin’ny Jiosy, ary ireo biby izay noraran’ Andriamanitra tsy azon’ireo jiosy hohanina kosa dia nantsoina ho “maloto.”

Tsy takatr’i Petera ny hevitry ny fahitana rehetra izay azony tamin’ny voalohany. Raha mbola nisaintsaina izany izy, dia tonga ireo lehilahy nirahin’i Kornelio. Nilaza tamin’i Petera ny Fanahy mba handeha hiaraka amin’ireo lehilahy ireo ho any an-tranon’i Kornelio (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:17–20).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:25–29, 34–35 , ka tadiavo ireo zavatra nianaran’i Petera momba ny hevitr’‘ilay fahitana izay voarainy. Na azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Peter’s Revelation to Take the Gospel to the Gentiles” (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 3:29 ka hatramin’ny 5:29.

Sary
Clouds in a sunny sky

Jereo ny andininy 34 mikasika ny fahamarinana izay nianaran’i Petera momba ny fahitan’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra. Asio marika ny fahamarinana izay hitanao.

Nianatra i Petera fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Raha toa ka ahazoan’ireo mpianatra tombontsoa ny famakiana soratra masina hafa izay manantitrantitra an’io fahamarinana io, dia vakio miaraka amin’izy ireo ny 2 Nefia 26:13, 28, 33 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:34–35 .

Hevero ny hizara ny fanambarana avy ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” raha ilaina izany mandritran’ity fifanakalozan-kevitra ity.

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hevitry ny hoe “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”

  • Ahoana araka ny hevitrao no nanova ny fon’i Petera sy ny fomba fijeriny ny fanambaran’ny Ray any An-danitra? Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fanambarana io hanova ny fon’ny olona ankehitriny?

Asao izay mazoto mba hizara ny zavatra nosoratany.

Rehefa azon’i Petera fa tian’ Andriamanitra hampianarina ny olona rehetra ny filazantsara, dia nitory ny hafatr’i Jesoa Kristy tamin’i Kornelio sy ny fianakaviany ary ny namany izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:36–43).

Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Peter’s Revelation to Take the Gospel to the Gentiles,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 5:30 ka hatramin’ny 7:44.

Sary
Clouds in a sunny sky
  • Ahoana araka ny eritreritrao no mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra ny olona rehetra ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana azy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fijerinao sy ny fitondranao ny hafa ny fahatsiarovana ny fomba izay nanomezan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy lanja ny olona rehetra?

  • Inona no zavatra azonao atao hitadiavana ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahitana ny hafa tahaka ny fahitany Azy?

Rehefa nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy i Petera, dia tonga tamin’i Kornelio sy ny ankohonany ny Fanahy Masina. Taorian’izany dia nasain’i Petera izy ireo mba hatao batisa (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:44–48). Nanova ny fomba fanaon’ny Fiangonana ny fanambaran’ Andriamanitra tamin’i Petera, ary nanomboka notorina tamin’ny olona rehetra ny filazantsara.

Azon’ireo mpianatra vitaina ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ity sahanasa manaraka ity. Hevero ihany koa ny hanasa ireo mpianatra mba hizara ny lesona izay nianarany amin’ny fianakaviany.

Saintsaino ny mety ho fiovan’izao tontolo izao na ny firenenao, na ny manodidina anao, na ny sekoly misy anao, na ny fianakavianao raha toa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ka nifampijery tamin’ny fomba fijereny antsika.

Misafidiana iray amin’ireo tontolo ireo. Hazavao ny fiovana mety ho hitanao raha toa ny olona ao amin’io tontolo io ka nijery ny hafa araka ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Iza avy ireo olona eken’i Jesoa Kristy ho ao amin’ny Fiangonany sy ny fanjakany?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Manana anjara araka an’ Andriamanitra isika tsirairay avy, satria samy zanak’ Andriamanitra avokoa ny tsirairay. Mitovy daholo ny tsirairay eo imasony. Tena lalina ny fiantraikan’io fahamarinana io. Ry rahalahy sy ranabavy, henoy tsara ny zavatra holazaiko izao. Tsy manavakavaka firazanana Andriamanitra. Mazava ny fotopampianarany momba io lohahevitra io. Nanasa ny rehetra hanatona Azy Izy, “na mainty na fotsy, na andevo na olon’ Afaka, na lehilahy na vehivavy” [ 2 Nefia 26:33 ].

Manome toky anareo aho fa ny toeranareo eo imason’ Andriamanitra dia tsy voafaritry ny lokon’ny fihodiranareo. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanoloran-tenanareo amin’ Andriamanitra sy ny didiny, fa tsy ny lokon’ny fihodiranareo.

(Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94)

Asan’ny Apostoly 10:45 . Inona ny dikan’ny hoe “fanomezana ny Fanahy Masina”?

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:45 , ilay andian-teny hoe “ny fanomezana ny Fanahy Masina” dia entina ilazana ny herin’ny Fanahy Masina izay tonga teo amin’ireo Jentilisa ireo. Izy io dia tsy mitovy amin’ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay azontsika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana aorian’ny batisa (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:14–17 ; jereo ihany koa ny Enseignements des Présidents de l‘Église: Joseph Smith [2007], 97).

Ahoana no nahatonga ilay fahitan’i Petera nanova ny fomba fanaon’ny Fiangonana?

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Tamin’ ny alalan’ izay zava-nitranga izay sy tamin’ ny alalan’ ny fanambarana nomena an’ i Petera dia novain’ ny Tompo ny fomba fanao iray tao amin’ ny Fiangonana ary nanambara fampahalalana ara-potopampianarana feno kokoa tamin’ ny mpianany Izy. Ary noho izany ny fitoriana ny filazantsara dia nivelatra mba hampidirana ny olona rehetra.

(D. Todd Christofferson, “Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 88)

Inona no mampitovy ny fahitan’i Petera amin’ny fanambarana mba hanitarana ny fisoronana amin’ireo lehilahy mendrika rehetra ao amin’ny Fiangonana?

Mety hanampy ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto raha maniry ny hahatakatra bebe kokoa momba ny fanambarana natao tamin’ny taona 1978 izay nanomezan’ny Ray any An-danitra ny fanendrena ao amin’ny fisoronana ho an’ireo lehilahy mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra:

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny Mpamonjy dia nandehandeha nanao soa

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamaky ny Asan’ny Apostoly 10:38 sy hisaintsaina ny fomba “nanasoavan’ny” Mpamonjy tamin’ny fijereny sy ny fitondrany ny hafa. Avy eo dia azo asaina hisaintsaina ny zavatra izay azony atao ireo mpianatra mba hakana tahaka ny asa soa izay nataon’ny Mpamonjy.

Mampianatra ny hafa momba ny Mpamonjy

Rehefa nampianatra an’i Kornelio sy ireo izay niaraka taminy i Petera, dia niresaka momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany aloha izy ary avy eo dia nanasa ireo izay nampianariny mba hanaraka ireo fampianarana ireo amin’ny alalan’ny fanekena ny ôrdônansy (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:35–48). Ny misiônera hafa dia namerina ity lamina ity (jereo ny Môzià 18:1–10 ; Almà 18:24–39). Azo asaina hamaky ny fampianarana izay nataon’i Petera tamin’i Kornelio ireo mpianatra sy hanomana ny drafitr’izy ireo manokana amin’ireo zavatra izay azon’izy ireo zaraina amin’ny namany izay liana amin’ny fahafantarana bebe kokoa ny Filazantsara. Azon’izy ireo dinihina ihany koa ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Dallin H . Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Rehefa miresaka amin’ny hafa isika dia mila mahatsiaro fa tsara kokoa ny fanasana mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany noho ny fanasana mba hianatra bebe kokoa momba ny Fiangonantsika. Tiantsika ny olona hiova fo ao amin’ny filazantsara. Izay no anjara asa lehiben’ny Bokin’i Môrmôna. Tonga aorian’ny fiovam-po ao amin’i Jesoa Kristy ireo zavatra tsapa mikasika ny Fiangonantsika fa tsy mialoha izany. Maro anefa ny olona izay miahiahy amin’ireo fiangonana saingy manana fitiavana ny Mpamonjy. Izay tokony ho lohalaharana no ataovy aloha.

(Dallin H. Oaks, “Mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny,” Liahona, nôv. 2016, 59)

Ohatra maoderina iray

Hevero ny hampiasa ny horonan-tsary “Jesus is Real: Calyann’s Experience with the Book of Mormon” (12:02) ho ohatra amin’ny fomba izay nahitan’ilay vehivavy anankiray fa tsy mizaha tavan’olona tokoa Andriamanitra. Ireo mpianatra dia afaka mitady tantara na fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampiseho fa ny Ray any An-danitra dia manasa ny zanany rehetra hanatona Azy (jereo ny 2 Nefia 9:21–22 ; 2 Nefia 26:28 ; Môzià 27:23–25 ; Môzià 28:1–3).

Hamoaka printy