Seminera
Tombano ny fianaranao 6


Tombano ny fianaranao 6

Matio 26–28; Marka 14–16; Lioka 22–24; Jaona 13–21

Sary
Young men and young women attend an early morning seminary class in Argentina.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaranao manokana nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

Mampiasa fomba fampianarana isan-karazany. Matetika dia mazoto kokoa ireo mpianatra rehefa mampiasa fomba fampianarana isan-karazany ny mpampianatra. Aoka ianao ho vonona ny hanandrana fomba fiasa vaovao ary miomàna hanisy fanamboarana mandritra ny lesona raha toa ka tsy liana ireo mpianatra na raha toa ka toa tsy manampy ireo mpianatra hahatratra ny vokatra izay kendrena ny sahanasa anankiray.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra izay nohalalinin’izy ireo tamin’ny fandalinana ny tapany voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy. Amporisiho ireo mpianatra ho tonga vonona hizara ny zavatra iray izay nianarany na tsapany avy tamin’ireoFilazantsara efatra (Matio, Marka, Lioka, ary Jaona) izay manan-danja amin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombantombana ny tanjona napetrak’izy ireo, ny fahafahany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao, na ny fomba niovan’ny toe-tsainy, ny faniriany, ary ny fahafahany miaina ny filazantsara. Ny fandalin’ny iray kilasy ny Matio 26–28; Marka 14–16; Lioka 22–24; Jaona 13–21 dia mety nanasongadina fahamarinana hafa amin’izay hita ato amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Tiavo amin’ny fonao rehetra Andriamanitra

Raha nanana fahafahana nisaintsaina ny fitiavany an’ Andriamanitra ireo mpianatra rehefa avy nandalina ny Matio 22 sy ny Jaona 14:15 , ity fampiharana ity dia afaka manampy ny mpianatra hanombatombana ny nampitombo sy nampalalina ny fitiavan’izy ireo an’ Andriamanitra.

Manaova sarina fo eo amin’ny solaitrabe. Manasà mpianatra iray izay maniry ny hanao izany hizara zavatra iray nianarany na tsapany momba an’i Jesoa Kristy ka nampitombo ny fitiavany Azy. Amporisiho ny mpianatra voalohany mba hisafidy mpianatra faharoa hafa hizara zavatra hafa izay tiany momba ny Mpamonjy. Tohizo hatrany ity sahanasa ity ka ny mpianatra no misafidy mpianatra fanampiny mandra-pahazoan’ny mpianatra rehetra fahafahana hizara zavatra. Ataovy lisitra ao anatin’ny fo na manodidina izany eny amin’ny solaitrabe ny valin-teny izay aroson’ireo mpianatra mikasika ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Mety mila fotoana kely hieritreretana ny valin-tenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra. Asao ireo mpianatra hanoratra ny valin-tenin’izy ireo, ary avy eo dia angataho ireo izay manolo-tena hizara ny azy.

  • Nanosika anao hiezaka hitia kokoa ny Ray ny An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny fianarana misimisy kokoa momba ny fitiavan’ Izy Ireo anao?

  • Nanampy anao hampitombo ny fitiavanao ny olona hafa tamin’ny fomba ahoana ny fahatakaranao ny fitiavan’ Izy Ireo anao?

Tsarovy fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy no anehoantsika ny fitiavana Azy (jereo ny Jaona 14:15). I Jesoa Kristy dia nanome ohatra tonga lafatra amin’ny fanehoana fitiavana ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny didy rehetra (jereo ny Jaona 14:31).

Rehefa avy nandalina ny Jaona 14:15 ianao, dia mety ho nanoratra tao anatin’ny diarinao mikasika ny fanirianao mba hitandrina ny didy sy ny antony manosika anao, na ny antony anaovanao izany. Raha izany no nataonao, dia avereno jerena ny zavatra izay nosoratanao.

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto. Mety tsy azo atao ny manasa ireo mpianatra hizara valiny amin’ny antsipiriany. Saingy, azo atao ny manasa ny mpianatra hizara hevitra amin’ny ankapobeny izay mifandray amin’ireo fanontaniana.

  • Inona no zavatra tsapanao momba ny fanirianao sy ny antony manosika anao amin’izao fotoana hitandrina ireo didy mba hanehoana ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ampitahao ny fanirianao sy ny antony manosika anao ankehitriny amin’izay tany am-piandohan’ny taom-pianarana.

  • Inona no fiovana tsikaritrao teo amin’ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nandalina ny Testamenta Vaovao ianao? Raha nahatsikaritra fiovana ianao, inona araka ny eritreritrao no nahatonga ireo fiovana ireo?

  • Moa ve mbola misy fiovana fanampiny tsapanao fa mila atao mba hanehoana na hampitomboana ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: Hanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy izany?

Ny tanjon’ity sahanasa ity dia ny mba hanome an’ireo mpianatra fahafahana hanombantombanana ny fahatakarany sy ny filany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Manehoa sary tahaka ity manaraka ity eo am-pisaintsainan’ny mpianatra ny valin-teny harosony. Ny fampiasana sary ao an-dakilasy dia hanampy ireo mpianatra hampifantoka ny eritreriny.

Eritrereto ny zavatra izay nianaranao avy amin’ny Testamenta Vaovao momba ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy. Saintsaino vetivety ny lanjan’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony ho anao manokana. Diniho hoe mety ho nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy azy ireo.

Sary
Illustration of Jesus praying in the Garden of Gethsemane as he performs the Atonement.

Rehefa avy naka fotoana hisaintsainana ianao dia soraty izao ny eritreritrao sasany amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto. Asio antsipirian-javatra manan-danja ny valin-teninao, ary ampidiro ireo andinin-tsoratra masina izay nisy fiantraikany taminao momba ny sorona nataon’ny Jesoa Kristy.

  • Mety ho ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy nijaly ho anao tao Getsemane ary tsy maty ho anao teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary ny Mpamonjy?

  • Mety ho ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra mety hitranga amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra raha tsy nisy ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy?

Rehefa nahazo fotoana ampy, dia asao ireo mpianatra mazoto hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana etsy ambony. Azonao atao ny mizara ity teny nindramina manaraka ity mba hanampiana kokoa ny mpianatra hahatsapa sy hahatakatra ny filan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Azo soratana eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny Noho ny Aminy dia …, ary azo asaina mameno ilay andian-teny amin’ny valiny manan-danja ho azy ireo ny mpianatra. Ity teny manaraka izay nataon’ny Filoha Ballard ity dia azo zaraina mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny filan’izy ireo ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Soa ihany fa, nanatanteraka tamin-kerim-po io sorona io tao Jerosalema fahiny i Jesoa Kristy. … Nanaiky an-tsitrapo ny hijaly i Jesoa mba hahafahantsika rehetra ho voadio—amin’ny alalan’ny finoana Azy, fibebahana amin’ny fahotantsika, fanaovana batisa amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana araka ny tokony ho izy, fahazoana ny fanomezana manadion’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fanamafisana ho mpikambana, ary ny fanekena ireo ôrdônansy rehetra hafa ilaina. Raha tsy nisy ny Sorompanavotan’ny Tompo, dia tsy ho nisy azontsika ireo fitahiana ireo, ary tsy afaka ny ho lasa mendrika sy vonona ny hitoetra indray eo anatrehan’ Andriamanitra isika.

(M. Russell Ballard, “L’Expiation et la valeur d’une seule âme,” Ensign na Liahona, mai 2004, 85)

Mizara ny vaovao mahafalin’i Jesoa Kristy

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hamerina sy hamintina ny zavatra izay niainany tamin’ny fandalinana ireo Filazantsara efatra.

Rehefa avy nandinika ny maha-zava-dehibe ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy dia vakio ity teny manaraka izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly.” Ny vaovao mahafaly dia i Jesoa Kristy Tompo sy ny hafatry ny famonjena omeny. Ho an’i Jesoa dia tafiditra ao amin’ny filazantsarany ny asa nanirahana Azy sy ny fanompoana nataony tety an-tany.

(Russell M. Nelson, “Les missionnaires d’âge mûr et l’Évangile,” Ensign na Liahona, nov. 2004, 81)

Mety misy ohatrana zavatra navoaka mitovitovy ao amin’ny application Vivre l’Evangile izay azo aseho amin’ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hanomboka hamorona ny azy ireo manokana.

Inona no vaovao mahafaly izay tianao hozaraina amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa masina nanirahana Azy? Alaivo sary an-tsaina hoe ny Fiangonana dia manao fanentanana amin’ny tamba-jotran-tserasera mba hanaparitahana ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy izay voarakitra ao amin’ireo Filazantsara efatra. Ny Fiangonana dia mangataka zavatra avoaka amin’ny tamba-jotran-tserasera ho fanentanana.

Manorata zavatra fohy izay manazava ny vaovao mahafalinao momba an’i Jesoa Kristy. Eritrereto ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ireo Filazantsara (Matio, Marka, Lioka, ary Jaona) izay miavaka aminao ary nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Ohatra, azonao atao ny misafidy zavatra izay nampianarin’i Jesoa, fahagagana nataony, fanoharana, tantara iray mikasika ny fifandraisany tamin’ny hafa, toetra iray nasehony tamin’ny ohatra, na zavatra ao anatin’ny sorona fanavotana nataony, ny fahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Raha tsy mampaninona anao, dia azonao atao ny mandefa ny vaovao mahafalinao amin’ny tamba-jotran-tserasera na mizara izany amin’olon-kafa. Ampidiro ao amin’ny zavatra havoakanao ireto antsipiriany manaraka ireto:

  • Mamoròna tari-dresaka na lohateny ho an’ny lahatsoratrao.

  • Hazavao ny naha-zava-dehibe ny vaovao mahafalin’ny Mpamonjy aminao sy ny nanampiany anao hahatsiaro ho akaiky kokoa Azy.

  • Asio andinin-tsoratra masina manokana avy ao amin’ireo Filazantsara (Matio, Marka, Lioka, na Jaona).

  • Ataovy tafiditra ao ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny fomba hitondran’izany vaovao mahafaly izany tombontsoa ho an’ny hafa.

Hevero ny hanasa mpianatra izay maniry ny hanao izany hizara ny zavatra navoakany amin’ny iray kilasy.

Hamoaka printy