Seminera
Matio 28; Lioka 24; Jaona 20


Matio 28; Lioka 24; Jaona 20

Vavolombelon’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty

Sary
Mary Magdalene encountering the resurrected Christ.

Niseho tamin’olona maro sy andian’olona maro i Jesoa Kristy taorian’ny fitsanganany famin’ny maty. Ity lesona ity dia afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa velona ny Mpamonjy rehefa mandalina ireo zavatra niainan’ny sasany amin’ireo vavolombelona ireo ianao.

Mizara ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mitadiava fahafahana hizarana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, isan’izany ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo apôstôly sy mpaminany. Hanasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Etera 12:5–9 miaraka amin’ity fanontaniana ity ao an-tsaina: Ahoana no ahafahanao mahafantatra fa velona i Jesoa Kristy kanefa ianao tsy nahita Azy?

Sahanasa fianarana azo atao

Mino fa tsy nahita

Ataovy izay hamelana fotoana ampy tsara mba hahafahan’ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy any amin’ny fiafaran’ny lesona.

Jereo ity sarin’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izay nivoaka avy avy tao am-pasana ity. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra mety hozarainao amin’ny olona iray izay miahiahy ny amin’ny nitrangan’io tranga manan-danja io. Inona amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty no azonao zaraina amin’izy ireo?

Sary
The resurrected Jesus Christ emerging from the Garden Tomb. Christ is portrayed stepping out of the tomb. He is depicted wearing white robes. Flowers are blooming near the entrance to the tomb.
  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny Tompo ny handraisantsika tsirairay avy fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana fa velona Izy?

Saintsaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny mahavelona an’i Jesoa Kristy sy ny amin’ny fomba hitahiana anao amin’ny alalan’ny fanamafisana orina an’io fijoroana ho vavolombelona io. Ny fandalinana ny tenin’ireo izay mahafantatra fa velona ny Mpamonjy dia afaka manamafy orina ny finoantsika ny mahavelona Azy tokoa na dia miahiahy aza ireo olona hafa manodidina antsika. Rehefa mandalina ianao androany, dia aoka ianao hahatsikaritra ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina izay manamafy ny fahamarinan’ireo tantara ireo ao am-ponao sy ao an-tsainao.

Ireo vavolombelona ao amin’ny Testamenta Vaovao

Halalino farafahakeliny ny iray amin’ireto tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao manaraka ireto izay ahitana olona nahita maso ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty. Avy eo dia raketo an-tsoratra ny valinteninao amin’ireto fanontaniana roa manaraka ireto sy ireo eritreritra sy fahatsapana hafa izay mety ho tonga aminao.

Hevero ny hametraka sary maneho ireto tantara efatra manaraka ireto, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany, amin’ny faritra samy hafa ao amin’ny efitrano. Asao ny mpianatra mba hitsidika samirery na ao anatin’ny vondrona kely ny faritra tsirairay ary handalina ireo tantara mifandray amin’izany.

Ho solon’izany, miainga amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra, azon’ireo mpianatra atao ny maka fotoana bebe kokoa handalinana ny iray amin’ireto tantara manaraka ireto amin’ny fomba lalindalina kokoa toy izay mandalina mandritra ny fotoana fohy ireo tantara efatra. Misy hevitra sasany momba ny fandalinana ireo tantara ireo hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ato amin’ny lesona.

  1. Vehivavy mahatoky: Matio 28:1–10

  2. Mpianatra roa teny amin’ny lalana nankany Emaosy: Lioka 24:13–35

  3. Maria Magdalena: Jaona 20:11–18

  4. Tomasy: Jaona 20:24–29

  • Inona no zavatra nianaranao ka afaka manamafy orina ny finoanao fa velona i Jesoa Kristy?

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy avy tamin’ny fifandraisany tamin’io olona io na ireo olona ireo?

Vavolombelona ara-tsoratra masina hafa

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy dia afaka ny ho mafy orina bebe kokoa amin’ny alalan’ny fandalinana vavolombelona fanampiny ao amin’ny soratra masina hafa. Mianara telo farafahakeliny amin’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto. Avy eo dia raketo an-tsoratra ny valinteninao amin’ireto fanontaniana roa manaraka ireto sy ireo eritreritra sy fahatsapana hafa izay mety ho tonga aminao.

Mariho fa ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ahitana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba miavaka mba hahafahan’izy ireo mahita azy ireo toy izany.

  1. Ireo olona tany amerika fahiny, fotoana fohy taorian’ny nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty: 3 Nefia 11:8–17

  2. I Joseph Smith sy i Sidney Rigdon: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny zavatra vakinao manamafy orina ny finoanao fa velona i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo hevi-baovao fanampiny momba an’i Jesoa Kristy izay azonao?

Vavolombelona maoderina

Fomba iray hafa tena manan-danja mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa velona i Jesoa Kristy ny fandalinana ny fijoroana ho vavolombelon’ireo “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23), ireo Apôstôly voatendry amin’izao androntsika izao.

Hevero ny hanolo ireto fanambarana manaraka ireto amin’ny fijoroana ho vavolombelona hafa an’ireo Apôstôly velona.

Vakio ireo teny nolazain’ny Filoha Eyring sy ny Loholona Holland, vavolombelona roa maoderina momba an’i Jesoa Kristy.

Nijoro ho vavolombelona toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Izaho dia tena vavolombelon’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty toy ireny hoe teo aho tamin’ilay hariva niaraka tamin’ireo mpianatra roa tao amin’ilay trano teo amin’ny lalan’i Emaosy. Fantatro fa velona Izy tahaka ny nahafantaran‘i Joseph Smith izany rehefa nahita ny Ray sy ny Zanaka tao anatin’ilay hazavana niseho tao anatin‘ny maraina namirapiratra iray tao amin’ny ala kely iray tao Palmyra izy.

Ity no Fiangonana marin an’i Jesoa Kristy.

(Henry B. Eyring, “Come unto Christ,” Liahona, mey 2013, 25)

Sary
The resurrected Jesus Christ emerging from the Garden Tomb. Christ is portrayed stepping out of the tomb. He is depicted wearing white robes. Flowers are blooming near the entrance to the tomb.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro vavolombelona hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Zanaka ara-bakitenin’ilay Andriamanitsika velona. .. Mijoro ho vavolombelona aho fa efa nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny Izy, ary taorian’ny niakarany tany amin’ny Rainy mba hanatanteraka ny dingan’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia niseho, niverimberina, tamin’ireo mpianatra an-jatony tany amin’ny Tontolo Fahiny sy tany amin’ny Vaovao. Fantatro fa Izy no ilay Iray Masin’ny Isiraely, ilay Mesia izay ho avy indray andro any amin’ny voninahitra farany indray, mba hanjaka ety an-tany amin’ny mahaTompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Azy.

(Jeffrey R. Holland, “The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign na Liahona, Nov. 2007, 42)

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny Mpamonjy no nanome antsika vavolombelona maoderina ankoatra ireo vavolombelony fahiny?

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Vakio ny Jaona 20:29 , ka tadiavo ireo fahamarinana izay nampianarin’i Jesoa Kristy an’i Tomasy momba ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona.

  • Inona no ampianarin’io andinin-tsoratra masina io anao momba ny fahazoana ny fijoroana ho vavolombelona ho anao momba an’i Jesoa Kristy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’io andininy io ny hoe voatahy isika noho ny fisafidianana ny hino fa velona i Jesoa Kristy na dia tsy nahita Azy aza isika.

Ampiasao ny ambin’ny fotoana ho an’ny lesona mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy velona. Misafidiana amin’ireto fanontaniana atolotra manaraka ireto, na mampiasà fomba hafa hanampiana ny mpianatra hisaintsaina sy hizara ny tenivavolombelon’izy ireo.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra ny fijoroany ho vavolombelona ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na mba hihira fihirana iray ny iray kilasy alohan’ny hizarany ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny feo mafy.

Ampio ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny Mpamonjy ambonin’ireo izay nohalalininao androany. Ho fomba iray hanaovana izany dia hevero ny hirakitra an-tsoratra ireo valin’ireo fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  • Inona no porofo hitanao teo amin’ny fiainanao sy teo amin’ny fiainan’ny hafa fa velona i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona taminao ny amin’ny fisian’i Jesoa Kristy?

  • Inona no torohevitra homenao ny olona iray izay tsy mbola mahazo antoka raha toa ka mino izy ireo fa velona ny Mpamonjy?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana no nisy holatra avy tamin’ny Fanomboana Azy teo amin’ny vatan i Jesoa izay efa nitsangana tamin’ny maty?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Na dia afaka namerina tanteraka amin’ny laoniny sy nanasitrana tanteraka ireo holatra azo tamin’ny nanomboana teo amon’ny hazo fijaliana aza ny herin’ny Fananganana amin’ny maty, ary tsy isalasalana fa ho tanteraka izany indray andro any, dia nisafidy ny hitana ireo holatra ireo i Kristy noho ny tanjona iray; anisan’izany ny ho amin’ny fisehoany amin’ny andro farany amin’ny fotoana hanehoany ireo marika ireo sy hanambarany fa noratraina “tao an-tranon’ny saikaiza[ny] Izy” [ Zakaria 13:6 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:52 ].

Ireo holatra eo amin’ny tanany sy ny tongony ary eo amin’ny lanivoany dia famantarana fa mandritra ny fiainana an-tany dia niharan’ny zavatra maharary na dia ilay madio sy tanteraka aza, famantarana fa ny fahoriana dia tsy porofo hoe tsy tia antsika Andriamanitra. Zava-dehibe sy mahavelom-panantenanana ny hoe ilay Kristy naratra no tonga hanavotra antsika.

(Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant [1997], 258–59)

Jaona 20:17 . Inona no tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niangavy an’i Maria Magdalena Izy hoe “aza manendry [Azy]”?

Nananazava ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Ny Baiboly dikanteny King James dia milaza fa i Jesoa dia niteny hoe “Aza manendry Ahy.” Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia mivaky hoe: “Aza mihazona ahy.” Ny dikanteny samihafa avy amin’ny Teny Grika dia mandika ilay andinin-tsoratra masina hoe “Aza mifikitra amiko” na “Aza mitazona ahy.” Ny sasany dia manome ny dikan’ny hoe “Aza mifikitra amiko intsony,” na “aza mitazona ahy intsony.” Ny sasany dia miresaka ny hoe fitsaharana amin’ny fihazonana na fifikirana aminy, ka mamela ilay fiheverana fa efa nitazona Azy i Maria. Misy antony manan-kery ny fiheverana fa ilay hafatra nampitain’ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty tamin’i Maria dia ny hoe: “Tsy afaka ny hihazona ahy eto ianao satria handeha hiakatra any amin’ny Raiko aho.”

(Bruce R. McConkie, The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary [1981], 4:264)

Inona avy ireo horonan-tsary misy izay afaka manampy ahy haka sary an-tsaina ny tantaran’ny fisehoan’ny Mpamonjy izay efa nitsangana tamin’ny maty?

Azonao atao ny mijery ireto horonan-tsary manaraka ireto (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org):“Jésus est ressucité” (4:02)

“Heureux ceux qui n’ont pas vu, et qui ont cru” (2:24)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa hanombohana ny lesona

Mba hanombohana ny lesona dia hevero ny hangataka mpianatra iray hilaza anaran’olona iray izay fantatr’izy ireo tsara kanefa tsy mbola nihaona na oviana na oviana tamin’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Avy eo dia mody ataovy hoe misalasala ny amin’ny fisian’io olona io ianao. Apetraho amin’ny mpianatra ny fanontaniana toy izao manaraka izao: Moa ve misy olona hafa ato amin’ity kilasy ity manamafy fa misy io olona io? Raha toa ka ampy ho anay ny tsy manaiky izay nolazainao anay, moa ve ianao hanomboka hiahiahy fa misy io olona io?

Avy eo dia asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba hamaliany ny olona iray izay miahiahy ny amin’ny fisian’i Jesoa Kristy.

Lalana mankany Emaosy

Raha mahasoa ny mpianatra ny mivalampatra bebe kokoa amin’ilay tantara ao amin’ny Lioka 24:13–35 dia hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ny Mpamonjy no nampiasa ny soratra masina mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny asa nanirahana Azy?

  • Inona no soratra masina mety ho ampiasainao mba hanampiana ny namana iray hahatakatra bebe kokoa ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy?

  • Ahoana no namariparitan’ireo mpianatra ny zavatra tsapan’izy ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny andininy 32 ? Inona no nitarika ireo mpianatra hahatsapa ny zavatra tsapan’izy ireo? Ahoana no hamaritanao ireo fitaomam-panahy izay noraisinao avy tamin’ny Fanahy Masina?

  • Nahoana no manan-danja ny nahafantaran’ireo mpianatra ny Mpamonjy “tamin’ny namakiana ny mofo”? ( andininy 35). Amin’ny fomba ahoana no mety hiharan’izany eo amin’ny fiainantsika?

Misafidy ny hino

Asao ny mpianatra hamaky ny Jaona 20:1–8 , ka hitady ny zavatra nataon’i Jaona rehefa avy naheno mikasika ny zavatra niainan’i Maria Magdalena. (Mariho fa i Jaona dia milaza ny tenany ho “ilay mpianatra iray hafa” manerana io andinin-tsoratra masina io.)

Asao ny mpianatra hampitaha ny fihetsika nasehon’i Jaona voarakitra ao amin’ny Jaona 20:8 amin’ny teny nambaran’i Tomasy izay voarakitra ao Amin’ny Jaona 20:24–25 . Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka:

  • Inona avy ireo zavatra inoanao fa tsy mila porofo azo tsapain-tanana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao noho ny nisafidiananao ny hino tsy misy porofo azo tsapain-tanana? (Jereo ny Jaona 20:29 .)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manamafy orina ny finoanao ireo zavatra marina izay tsy mbola hitanao? (Jereo ny Almà 32:16–21 ; Etera 12:6 .)

Hamoaka printy