Seminera
Jaona 21:1–17


Jaona 21:1–17

“Fahano ny ondriko”

Sary
The resurrected Jesus Christ with His arms around the shoulder of the apostle Peter. Christ points to a large number of fish lying on the beach as He speaks to Peter. Two other men and a ship sit on the beach in thebackground.

Niseho tamin’ny mpianany ny Tompo nitsangana tamin’ny maty raha nanarato teo amin’ny Ranomasin’i Tiberiasy (Galilia) izy ireo. Niara-nisakafo tamin’izy ireo teny amoron-dranomasina i Jesoa ary nanasa an’i Petera haneho ny fitiavany Azy amin’ny alalan’ny famahanana ny ondriny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao amin’ny fanehoanao ny fitiavanao ny Mpamonjy rehefa miezaka manompo ny hafa tahaka ny nataony ianao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Jaona 21:15–17 any an-trano miaraka amin’ny fianakaviany na namana ary hiresaka momba ny dikan’ny hoe mamahana ny ondrin’ny Tompo.

Sahanasa fianarana azo atao

“Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” ( Jaona 21:15)

Ataovy lisitra amin’ny taratasy iray na ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra isan-karazany nataonao omaly nanomboka tamin’ny ianao nifoha ka hatramin’ny ianao natory.

Avy eo, tsipiho ny zavatra rehetra ao amin’ny lisitrao izay tsy nifantoka afa-tsy ny momba anao manokana na momba ny zavatra ilainao. Asio faribolana ny zavatra rehetra izay nifantoka tamin’ny fanampiana ny hafa. Makà iray minitra handinihana ny fomba nandanianao ny fotoananao sy ny zavatra azonao ovaina mba hanomezana fotoana bebe kokoa hanampiana ny hafa. Rehefa mandalina ny Jaona 21 ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manompo ny hafa tahaka ny ataon’ny Mpamonjy.

Ny Jaona 21 dia mirakitra ny tantaran’i Petera sy ny mpianatra enina hafa izay nandeha nanarato teo amin’ny Ranomasin’i Tiberiasy (Galilia) taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Vakio ny Jaona 21:1–13 , ary tadiavo ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy ny mpianany.

  • Inona no nataon’i Jesoa mba hanehoany ny fitiavany sy ny fiahiany ireo mpianatra?

Vakio ny Jaona 21:15–17 ka tadiavo ny zavatra nanontanian’ny Tompo an’i Petera.

  • Rehefa nanontany an’i Petera i Jesoa hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” dia inona araka ny hevitrao no tian’ilay teny hoe ireto resahina?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa ny sambokely sy ny harato ary ny trondro 153 nivangongo no tian’i Jesoa holazaina—izany hoe ny fomba fiainan’izy ireo teo aloha talohan’ny niantsoana azy ireo hanompo (jereo ny “Ny didy lehibe voalohany,” Liahona, nôv. 2012, 84).

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fangatahan’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 21:15–17?

Mety hahita fahamarinana isan-karazany ny mpianatra, anisan’izany ity iray ity: Afaka maneho ny fitiavantsika ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny famahanana ny ondriny.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo holazaina rehefa nangataka an’i Petera mba hamahana ny ondrikeliny sy ny ondriny Izy?

Mety hanampy ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny fanoloana ny anaran’izy ireo ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy azy ireo hampihatra ny fandalinany soratra masina amin’ny tenany sy hampitaha ny soratra masina amin’ny fiainany manokana.

Vakio indray ny Jaona 21:15–17 ary soloy amin’ny anaranao ny anaran’i Simona Petera.

Asehoy ireto fanontaniana roa manaraka ireto ary avelao ny mpianatra hisaintsaina izany amim-pahanginana. Na asao ireo mpianatra hamaly izany ao amin’ny diary fandalinany. Omeo fahafahana ny mpianatra haneho ny fitiavany ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanasana ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara ny valin-teniny amin’ilay fanontaniana faharoa.

  • Raha io fanontaniana napetrak’i Jesoa tamin’i Petera io no napetrany taminao, inona no heverinao fa mety ho tiany holazaina amin’ny hoe “ireto” eo amin’ny fiainanao?

  • Inona ireo antony tokony hitiavanao an’i Jesoa Kristy mihoatra ny zavatra hafa rehetra?

Famahanana ny ondrin’ny Tompo

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra noresahiny tao anatin’ny fiomanan’ny mpianatra. Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe rehefa mieritreritra ireo fomba samihafa hamahanana ny ondrin’ny Mpamonjy ny mpianatra.

  • Inona avy ireo fomba samihafa hamahanana ny ondrin’ny Tompo sy hanompoana ny hafa?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao dia eritrereto hoe iza no tian’ny Mpamonjy hotompoinao. Jereo ny horonan-tsary “Fahano ny ondriko” nataon’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manomboka amin’ny mari-potoana 1:55 ka hatramin’ny 2:26 (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org), na vakio ny teny nambarany etsy ambany.

Sary
Christ gives water to a thirsty lamb.
Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

I Jesoa dia naneho faharetana sy fitiavana tamin’ireo rehetra izay nanatona Azy mba hikatsaka fanamaivanana ny aretiny ara-batana, ara-pihetseham-po, na ara-panahy, ary ireo izay nahatsiaro ho kivy sy nampahorina.

Mba hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy dia tsy maintsy mijery ny manodidina sy manolo-tanana ireo ondry izay miatrika toe-javatra mitovy amin’izany isika tsirairay ary mampatanjaka sy mankahery azy ireo hanohy ny dia mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Izany dia tena ilaina be amin’izao fotoana izao, angamba mihoatra noho ny tamin’ny fotoana naha teto ambonin’ny tany ny Mpamonjy mihitsy.

(Ulisses Soares, “Fahano ny ondriko,” Liahona, nôv. 2005, 98)

Mieritrereta fotoana iray izay nanatonan’ny olona iray anao sy nanompoany anao tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy na ny fotoana iray niezahanao nanompo ny hafa tahaka ny nataony.

  • Inona no fiantraikan’izany zavatra niainana izany taminao?

Ny sahanasa mitondra ny lohateny hoe “Fizarana ny filazantsara” ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” dia azo ampiasaina amin’ny lesona eto.

Nanome torolalana fanampiny ho an’ireo Apôstôliny ny Tompo nitsangana tamin’ny maty. Vakio ny Matio 28:19–20 sy ny Marka 16:15 , ka tadiavo ny fomba hafa nangatahan’ny Mpamonjy tamin’izy ireo mba hanompoana ny hafa.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fomba iray manan-danja hamahanana ny ondrin’ny Mpamonjy ny fizarana ny filazantsara?

  • Inona no tsapanao momba ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa?

Mety matahotra mizara ny filazantsara amin’ny hafa ny mpianatra sasany. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy hafahafa akory ny fahatsapana zavatra toy izany. Manehoa fiombonam-pihetseham-po amin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampifandraisana ny zavatra tsapany amin’izay efa niainanao. Ireto teny manaraka avy amin’ny Loholona Uchtdorf ireto dia mety hanampy ihany koa.

Vakio ireto teny manaraka nolazain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto.

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy mangataka anao aho mba hijoro eny amin’ny kihon-dalana miaraka amin’ny mégaphone ka hivazavaza andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny angatahiko aminao dia ny mba hitadiavanao mandrakariva fomba hizarana ny finoanao amin’ny fifaneraserana amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy amin’ny olona—na mivantana izany na amin’ny alalan’ny internet. …

Maro ireo fomba tsotra sy mandeha ho azy hanaovana izany, miainga amin’ny fanehoana hatsaram-panahy isan’andro sy ny fizarana ny zavatra inoanao ao amin’ny YouTube, Facebook, Instagram na Twitter ka hatramin’ny hoe resadresaka tsotra amin’ny olona mifanena aminao. …

Na inona na inona fomba tsotra sy mandeha ho azy aminao dia zarao amin’ny hafa ny antony mampanan-danja an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany aminao.

(Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 17)

  • Inona avy ireo fomba mandeha ho azy sasany ahafahanao mizara ny filazantsara?

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hitsidika ny ChurchofJesusChrist.org/share mba hahitana hevitra hizarana ny filazantsara. Afaka mizara ny zavatra niainany tamin’ny fizarana ny filazantsara tamin’ny hafa ihany koa ireo mpianatra.

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina hoe iza amin’ireo ondrin’ny Mpamonjy no azonao tompoina. Azonao eritreretina ny mpifanolobodirindrina aminao, ny namana, ny olona notendrena hotompoinao, ny mpiara-mianatra, ny olom-pantatrao any am-piasana, na olona ao amin’ny fianakavianao. Eritrereto koa ireo olona fantatrao mipetra-drery na mila fanampiana.

  • Iza amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra no mila anao ankehitriny?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy mampiasa anao mba hitondrana ny zavatra ilain’izy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny fisafidiananao hanompo ny hafa ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Manampy anao ho lasa kokoa tahaka Azy Ireo amin’ny fomba ahoana ny fahamanana ny ondrin’ Izy Ireo?

Omeo fotoana ny mpianatra handinihana amim-bavaka ireo fanontaniana etsy ambony, ary manasà mpianatra izay manolo-tena hizara ny hevitr’izy ireo sasany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no fomba hanehoantsika marina amin’ny Tompo fa tia Azy isika?

Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa rehefa mifanompo isika dia tena manompo an’ Andriamanitra tokoa (jereo ny Môzià 2:17). Hoy ny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe:

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Raha ny tena marina, dia tsy afaka ny hitia ny Tompo na oviana na oviana ianao raha tsy manompo Azy amin’ny alalan’ny fanompoana ny olony.

(Thomas S. Monson, “Great Expectations” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 11 jan. 2009], 6, speeches.byu.edu)

Jaona 21:15–17 . Inona no hevitry ny fampianarana miverimberina nataon’ny Mpamonjy hoe fahanana ny ondrikeliny sy ny ondriny?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara ireto hevi-baovao ireto avy amin’ny dikanteny Grika fahinin’ny ao amin’ny Jaona 21 :

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ao amin’ny [ Jaona 21:15 ], ny teny hoe mamahana dia avy amin’ny teny Grika hoe bosko, izay midika hoe “manome hanina na manome vilona.” Ny teny hoe ondrikely dia avy amin’ny fanafohezana ny teny hoe arnion, izay midika hoe “zanak’ondry kely.” …

Ao amin’ny [ Jaona 21:16 ], ny teny hoe mamahana dia avy amin’ny teny hafa hoe, poimaino, izay midika hoe “miandry, miahy, na mikarakara.” Ny teny hoe ondry dia avy amin’ny teny hoe probaton, izay midika hoe “ondry lehibe.” …

Ao amin’ny [ Jaona 21:17 ], ny teny hoe mamahana dia avy amin’ny teny Grika hoe bosko indray, izay milaza fanomezana sakafo. Ny teny hoe ondry dia nadika indray avy amin’ny teny Grika hoe probaton, izay ilazana ondry lehibe.

Ireo andininy telo ireo, izay toa mitovy tokoa amin’ny fiteny Anglisy, dia tena ahitana hafatra telo miavaka amin’ny fiteny Grika:

  • Mila fahanana ny ondrikely mba hahafahany mitombo;

  • Mila andrasana ny ondry;

  • Mila fahanana ny ondry.

(Russell M. Nelson, “Shepherds, Lambs, and Home Teachers,” Ensign, Aug. 1994, 16)

Ahoana no ahafahako mamahana ny ondriny?

Misy fomba tsy tambo isaina hanolorana tanana sy hanompoana ny hafa ao anatin’ny fitiavana sy hatsaram-panahy. Ohatra, ny Rahavavy Michelle D. Craig, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nivavaka mba hahafantarana izay zavatra azony hanampiana ireo zanak’ Andriamanitra. Efa nahazo bitsika izy mba tsy hijery ny findainy rehefa milahatra. Vakio ny zavatra notantaraina etsy ambany, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Sister Michelle D. Craig, first counselor, Young Women general presidency. Official Portrait as of October 2018.

Ny ampitso marainan’io aho dia niandry filaharana lava be tao anatin’ny toeram-pivarotana iray. Navoakako ny findaiko ary tsaroako ny fahatsapana izay azoko. Nampirimiko ny findaiko ary nanopy ny masoko manodidina ahy aho. Nahita lehilahy zokiolona iray aho nilahatra teo alohako. Tsy nisy na inona na inona ny harony ankoatra ny sakafon-tsaka vitsivitsy. Nahatsapa ho sadaikatra kely aho saingy niteny zavatra tena tsy hendry loatra toy ny hoe, “Hitako fa manana saka ianao.” Nilaza izy fa hisy rivo-doza ho avy ka tsy tiany hoe tsy hisy sakafon-tsaka rehefa tonga izany. Nifampiresaka kely izahay ary nitodika taty amiko izy sady niteny hoe, “Hitanao, tsingerin-taona nahaterahako androany saingy tsy misy na iza na iza nilazako an’izany.” Ontsa ny foko. Nirary soa azy nahatratra ny tsingerin-taona nahaterahany aho ary nanolotra vavaka mangina ho fisaorana noho ny tsy nandraisako ny findaiko sy ny tsy namelako nandalo ny fahafahana nahita marina sy nifandray tamin’olona iray hafa izay nila izany.

(Michelle D. Craig, “Maso hahita,” Liahona, nôv. 2020, 16)

Sahanasa fianarana fanampiny

Lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Diniho ny hampiasa ampahany amin’ny lahateny nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland “Ny didy lehibe voalohany” ( Liahona, nôv. 2012, 83–85). Ohatra, ny fanasana ireo mpianatra hijery manomboka amin’ny mari-potoana 6:51 ka hatramin’ny 12:24 aorian’ny famakiana ny Jaona 21:15–17 dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fanehoana fitiavana ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny famahanana ny ondriny.

Fizarana ny filazantsara

Hevero ny hamaky miaraka amin’ny mpianatra ny Matio 28:19–20 , avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny andininy 20, inona no fampanantenana nomen’ny Mpamonjy ny Apôstôliny?

  • Tamin’ny fomba ahoana no efa “nomban’ny Tompo anao,” na nanampiany anao, tamin’ireo ezaka nataonao hizarana ny filazantsara?

  • Mety hanosika anao hanohy hikaroka fahafahana hizara ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana io fampanantenana io?

Hamoaka printy