Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:10–12


Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:10–12

Teraka ho Mpamonjy sy Tompo i Jesoa Kristy

Sary
Actors depicting the Nativity.

Tamin’ny lesona teo aloha dia nianatra ny fijoroana ho vavolombelona izay nataon’ny anjely tamin’ny mpiandry ondry ianao fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy an’izao tontolo izao (jereo ny Lioka 2:10–12). Ity lesona ity dia natao mba hahafahanao maneho ny fahatakaranao an’io fotopampianarana io rehefa mampihatra ireo fitsipika izay mifehy ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny fiainana andavanandro ianao.

Ity lesona momba ny fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny Lioka 2:1–14 , izay lesona mifandray amin’ny andalan-tsoratra momba fifehezana fotopampianarana Lioka 2:10–12 . Raha ilaina ahemotra amin’ny herinandro hafa ity lesona ity ho fandaminana amin’ny fandaharam-pianarana dia aza hadinoina ihany koa ny manemotra ny lesona rehetra izay mifandray aminy.

Mampianatra ny mpianatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ho vitan’ny mpianatra tsara kokoa ny manatratra ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana raha toa ka takatr’izy ireo tsara ireo fitsipika izay mifehy ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy omena fotoana hampiharana izy ireo. Avereno dinihina vetivety ireo fitsipika momba ny lesona fifehezana fotopampianarana tsirairay. Mety hanampy ny fanomezana ohatra amin’ny fomba fampiharana ireo fitsipika ireo amin’ny voalohan’ny taona ary avelao ny mpianatra hanome ohatra izay azy manokana mba hahafahan’izy ireo manatsara ny fahaizany.

Fiomanan’ny mpianatra: Entano ny mpianatra hanomboka hitadidy ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, Lioka 2:10–12 : “Fa Mpamonjy no teraka ho anao anio, ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Sahanasa fianarana azo atao

Tadidio ary hazavao

Jereo ny sary maneho ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny andian-teny ao amin’ny soratra masina izay manan-danja ao amin’ny Lioka 2:10–12 . Ny fampifandraisana sary iray miaraka amin’ny toko sy andininy sy andaln-tsoratra masina manan-danja dia afaka manampy amin’ny fitadidiana.

Entano ny mpianatra hamaky matetika ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Izany dia azo atao ho an’olon-tokana na iray kilasy miaraka.

Jereo ny sary maneho ny fahaterahan’ny Mpamonjy ary tonòny ilay toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny n-soratra masina izay hita ao amin’ny Lioka 2:10–12 : “Fa Mpamonjy no teraka ho anao anio, ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Averimbereno hatrany mandra-pahazoanao antoka fa tadidinao tsara ilay izy.

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanazava amin’ny tenin’izy ireo manokana ilay fotopampianarana hoe I Jesoa Kristy no Mpamonjy an’izao tontolo izao, araka izay efa nianarana tao amin’ny Lioka 2:10–12 .

Jereo ny sary maneho ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Manorata fehezan-teny roa na telo manazava ny antony nahatonga ilay tranga naseho an-tsary eto ho “vaovao mahafaly lehibe … ho an’ny olona rehetra” ( Lioka 2:10).

Manasà mpianatra maromaro hizara izay zavatra nosoratany. Henoy tsara ny valinteny izay omen’ny mpianatra ary avereno jerena ny lesona ao amin’ny Lioka 2:1–14 raha ilaina ny fanaovana izany.

Fampiharana ho fanazarana

Makà minitra vitsy hamerenana mijery ireo fitsipika ao amin’ny andinin-tsoratra 5–12 ao amin’ny “Fahazoana fahalalana ara-panahy” izay hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Isaky ny fitsipika tsirairay dia asio marika farafaharatsiny ny fehezan-teny iray izay tsapanao manazava ilay hevitra.

Manasà mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ireo fehezan-teny nomarihiny. Hevero ny hametraka fanontaniana fanombanana fahatakarana izay manampy ny mpianatra hanazava ny antony nisafidianany fehezan-teny iray manokana sy ny dikan’izany aminy manokana.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:

Vao tsy ela ny iray amin’ireo namanao izay tsy mpivavaka no nahita misiônera anankiroa niresaka tamin’olona vitsivitsy tao amin’ny valan-javaboary. Nanontany anao ilay namanao hoe: “Fa maninona ireo misiônera avy ao amin’ny fiangonanareo no mivoaka mitory momba an’i Jesoa? Toa manery ny olon-kafa hanaraka ny finoanareo ianareo. Maninona no tsy avelanareo ho faly tsotra izao fotsiny izy ireo?”

Ataovy ao an-tsaina io trangan-javatra io ka halalino ireto fitsipika manaraka momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireto ary diniho tsara fa ny fomba ahafahan’izany manampy anao hamaly ny fanontaniana izay napetrak’ilay namanao.

Ireo mpianatra dia azo zaraina ho tsiroaroa na vondrona kely mba hifanakalo hevitra momba ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ireo fitsipika ireo mba hamaliana an’io tranga ao anatin’ilay rafi-tantara io.

Mampiasà vondrona telo mihodina rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fitsipika ireo. Ataovy printy ary hetezo ireto fizarana manaraka ireto mba hahafahan’ny mpiara-midinika na vondrona tsirairay samy mahazo avokoa. Omeo fotoana ireo mpianatra hifanakalozana hevitra momba ilay fizarana izay azon’izy ireo mialoha ny hanasana azy ireo hifanakalo ilay tapaka taratasy izay nozaraina amin’ny vondrona na mpiara-midinika eo akaikiny. Rehefa nifanakalo hevitra momba ireo fizarana telo ireo ny vondrona na ny mpiara-midinika rehetra dia asao ireo mpianatra hitondra valiny avy amin’izy ireo manokana mahakasika ilay tranga ao anatin’ilay rafi-tantara.

Manao asa amim-pinoana

“Manao asa amim-pinoana isika rehefa misafidy ny hatoky an’ Andriamanitra sy hitodika any Aminy” (Tahirin-kevitra fototra momba ny Fifehezana Fotopampianarana, “Fahazoana fahalalana ara-panahy,” andinin-tsoratra 5).

  • Inona ny fehezan-teny hitanao ao amin’ny andinin-tsoratra 5–7 ao amin’ny fizarana “Fahazoana fahalalana ara-panahy” izay afaka manampy anao tsara amin’ity tranga iray ao anatin’ilay rafi-tantara ity?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa amim-pinoana manampy anao rehefa mitady valiny ho an’ny namanao ianao?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

“Mba hijerena ireo [hevi-dehibe sy fanontaniana] amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, dia raisintsika izany ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ny fampianaran’ny Mpamonjy” (Tahirin-kevitra Fototra momba ny Fifehezana Fotopampianarana, “Fahazoana fahalalana ara-panahy,” andinin-tsoratra 8).

Avereno jerena ny Lioka 2:10–12 . Saintsaino ny zavatra ampianarin’io andalan-tsoratra masina io miaraka amin’ny zavatra efa fantatrao momba an’i Jesoa Kristy.

  • Inona avy ireo anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ny drafitry ny famonjena?

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ireo izay mbola tsy mahalala momba an’i Jesoa Kristy ny mianatra momba Azy?

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika tokoa ny mizara ny hafatry ny filazantsarany amin’ny olona rehetra, ao anatin’izany ireo kristiana hafa izay efa nanaiky Azy?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny valin’ny fanontaniana teo aloha mba hamalianao ny fanontanian’ny namanao?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Mba hanampiana antsika hahazo fahalalana ara-panahy, dia “nametraka loharanom-pahalalana tamin’alalan’ny fahamarinana sy fitarihana tamin’ny zanany” ny Tompo (Tahirin-kevitra fototra momba ny Fifehezana Fotopampianarana, “Fahazoana fahalalana ara-panahy,” andinin-tsoratra 11).

Avereno jerena ny iray na maromaro amin’ireto loharanom-pitaovana tena tsara manaraka ireto, ka tadiavo ny fampahalalana izay afaka manampy anao hamaly ny fanontaniana izay napetraky ny namanao taminao.

Diniho ireo fampianarana izay entin’ireo loharanom-pitaovana mahakasika ny fomba izay ahafahan’ny Mpamonjy sy ireo fampianarany mitondra fifaliana ho an’ny olona.

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy sy ny fampianarany izay afaka mitondra fifaliana ho an’ny olona eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao manokana niaraka tamin’ny Mpamonjy na ireo fampianarany izay nitondra fifaliana ho anao?

  • Ahoana no ahafahan’ny valinteninao amin’ireo fanontaniana ireo manampy anao hamaly ilay fanontaniana izay napetraky ny namanao taminao?

Azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra hilalao an-tsehatra an’io rafi-tantara io rehefa avy nifanakalo hevitra momba ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Manokàna tsy mihoatra ny 3 ka hatramin’ny 5 minitra, any am-piandohan’ny lesona ho avy na amin’ny faran’izany, handinihana ny andinin-tsoratra masina momba ny fifehezana fotopampianarana. Asehoy ny sary maneho ny fahaterahan’ny Mpamonjy izay nampiasaina rehefa nanao fanazarana nitadidy ny Lioka 2:10–12 ny mpianatra, ary entano ny mpianatra hamerina ilay toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mandra-pahatadidin’izy ireo izany tsara.

Sahanasa fandalinana fanampiny

Ovaovay ny fampiharana ny fanazarana momba ny rafi-tantara

Alaivo sary an-tsaina hoe namoaka ny sarin’ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy tao amin’ny tambajotra ifaneraserana ianao miaraka amin’ny hafatra feno fankasitrahana noho ny fiadanam-po sy fifaliana entin’ny fahalalanao ny Mpamonjy. Nisy iray amin’ireo namanao izay tsy mpivavaka naneho hevitra tamin’ny lahatsoratra izay nosoratanao nanao hoe: “Tsy afaka hanana fiadanam-po sy fifaliana ve ny olona raha tsy misy an’i Jesoa?”

Hamoaka printy