Seminera
Lioka 2:1–14


Lioka 2:1–14

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio”

Sary
Nativity scene depicting Mary holding the infant Jesus Christ. Joseph is sitting next to Mary. A group of shepherds are gathered around Mary and Joseph. The shepherds are kneeling before the infant Christ.

Nandeha nankany Betlehema, izay toerana nahaterahan’i Jesoa, i Josefa sy Maria. Nisy anjely iray nanambara ny fahaterahan’ny Mpamonjy tamin’ny mpiandry ondry tany akaikin’i Betlehema (jereo ny Lioka 2:9-12), “ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka … ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany” (Lioka 2:13-14). Ity lesona ity dia natao mba hanampy anao handinika indray ireo tranga tamin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy ary hampahafantatra anao ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Lioka 2:10-12. Hianaranao ao ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjinao Azy sy ny zavatra nanavotany anao mba hahafahanao, tahaka ireo anjely, manome voninahitra sy mankalaza an’ Andriamanitra ny noho ny fanomezany ny Zanany.

Mampianatra fifehezana fotopampianarana. Misy lesona roa mifandray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay: lesona fototra iray izay mampahafantatra ilay soratra masina ao anatin’ny sahan-kevitr’ilay andian-tsoratra masina ary lesona iray izay mamporisika ireo mpianatra hanazava ilay fotopampianarana, hitadidy ny andian-teny manan-danja amin’ilay soratra masina sy ny toko sy andininy ary hanao fampiharana amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ity dia lesona fototra.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny nahaterahan’i Jesoa Kristy

Mitondrà andiam-pitaovana ahitana ireo olona sy zava-nisy tao tranon’omby izay maneho ny nahaterahan’i Jesoa Kristy na manehoa sary mikasika izany.

  • Inona avy ireo antsipiriany tianao indrindra mikasika ny nahaterahan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no maha-zava-dehibe an’ireo zavatra ireo aminao?

Afaka samy mamaky ireto soratra masina ireto tsirairay ny mpianatra, na miara-mamaky tsiroaroa na ao anatina vondrona kely, na azo asiana mpamaky iray ka manaraka izany ny mpianatra rehetra.

Vakio ny Lioka 2:1–14 , jereo ireo tranga nanan-danja taminao na ireo zavatra vaovao tsy tsikaritrao fahiny tamin’ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no tsikaritrao tamin’ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ka nanan-danja taminao?

Raha nijery ny fanehoana na ny sary mikasika ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ireo mpianatra dia mety hanampy ny manasa azy ireo hilaza ny zavatra hita ao amin’ilay fanehoanaka tsy voalaza ao amin’ny tantara ao amin’ny Lioka 2:1–14 . Mety hanampy indrindra indrindra ny manazava fa na ilay kintana na ireo Magy dia tsy voalaza ao amin’ny fitantaran’i Lioka ny nahaterahan’i Jesoa Kristy satria ireo tranga ireo dia niseho taona vitsivitsy taorian’ny nahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 2:1–12).

Vakio indray ny Lioka 2:10–12 , ka jereo ny fomba nanambaran’ny anjely ny fahaterahan’i Jesoa.

Ny Lioka 2:10–12 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra amin’ny fianarana ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao anatin’ny sahan-kevitra misy azy. Ny lesona manaraka dia hanome fahafahana ny mpianatra hanazava ilay fotopampianarana nampianarina tamin’ity andalan-tsoratra masina ity, sy hitadidy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina sy ny toko sy andininy ary hanao fampiharana amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Inona no anarana voalohany niantsoan’ny anjely an’i Jesoa Kristy rehefa nanambara ny fahaterahan’i Jesoa tamin’ny mpiandry ondry izy?

  • Nahoana no zava-dehibe ny hoe amin’ireo anarana maro niantsoana an’i Jesoa dia io no anarana nampiasain’ny anjely tamin’ny fanambarana ny fahaterahany?

Mety hanampy ny mahafantatra fa ao amin’ny Baiboly dikan-teny Grika, ny teny nampiasaina ilazana ny hoe Mpamonjy dia midika ihany koa hoe mpanafaka na mpiaro

Iray amin’ireo fahamarinana ampianarin’io andalan-tsoratra masina io ny hoe i Jesoa Kristy no Mpamonjy an’izao tontolo izao.

Mila Mpamonjy isika

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity zavatra nitranga manaraka ity:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Fotoana vitsy lasa izay dia nisy olona iray izay mpikambana tao amin’ny Fiangonana nandritra ny taona maro nanontany ahy hoe: “Nahoana aho no mila an’i Jesoa Kristy? Mitandrina ny didy aho; olona tsara aho. Nahoana aho no mila Mpamonjy?” Tsoriko fa ny tsy fahatakaran’io mpikambana io ny tena fototry ny fotopampianarantsika, ilay singa iorenan’ny drafitry ny famonjena dia nahatonga ahy ho tankina tanteraka.

(D. Todd Christofferson, “Why We Need Jesus Christ,” Ensign, Dec. 2020, 19– 20.)

Makà fotoana hieritreretana izay mety ho navalinao, araka ny eritreritrao sy fahatsapanao manokana, raha toa ka ianao no teo amin’ny toeran’i Loholona Christofferson.

Afaka mianatra mikasika ny filantsika Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fianarana soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany (jereo ny Jakôba 7:11).

Ny fanampiana ireo mpianatra mba hahay hampifandray andinin-tsoratra masina dia hanampy azy ireo handalina ny fianarany, hamantatra ireo fifandraisan’ny fotopampianarana avy amin’ny andalan-tsoratra masina samihafa sy hampitombo ny fahaizany soratra masina. Hevero ny hanontany ireo mpianatra ny fomba nampiasan’izy ireo ireo soratra masina mifandray rehefa mianatra izy ireo sy ny fomba nanampian’ny fampifandraisana soratra masina azy ireo.

Fahaizana mandalina soratra masina izay afaka manatsara ny fahatakaranao ny fotopampianarana sy fitsipika ny fandrafetanao ireo soratra masina mifandray ao amin’ny soratra masinao. Mba hampifandraisanao soratra masina dia mamoròna rohy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na ampifandraiso ireo soratra masina mifandray amin’ny alalan’ny fanoratana ny toko sy andinin’ny soratra masina iray eo akaikin’ny andalan-tsoratra masina iray hafa.

Mianara soratra masina telo na efatra amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hanampy anao hamaly ny fanontaniana hoe “Nahoana aho no mila Mpamonjy?” sy ny hoe “Hamonjy ahy amin’ny inona Izy?” Hevero ny hampifandray ireo andalan-tsoratra masina ireo amin’ny alalan’ny fanaovana rohy mampifandray azy amin’ny Lioka 2:10–12 ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na amin’ny alalan’ny fanoratana ny toko sy andinin’ny Lioka 2:10–12 eo akaikin’ireo soratra masina halalininao.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ilay fanontaniana hoe “Nahoana aho no mila Mpamonjy?” sy ny hoe “Hamonjy ahy amin’ny inona Izy?”. Tsy ilaina ny mampiasa na maneho ireto toko sy andinin-tsoratra masina rehetra manaraka ireto. Arakaraka ny fahaizan’ny mpianatra no ahafahan’izy ireo manao ity sahanasa fitadiavana soratra masina manaraka ity tsiroaroa na ao anatin’ny vondrona kely sady tsy omena toko sy andininy.

Rehefa avy nanoratra ny valim-panontaniany ireo mpianatra dia mangataha mpianatra vitsivitsy hizara izay nosoratany na asao ny andiana mpianatra iray miara-miasa mba hifampizara amin’ny andiana mpianatra miara-miasa eo akaikiny. Alaivo antoka fa azon’ireo mpianatra fa i Jesoa Kristy dia mamonjy antsika amin’ny fahotana rehefa mibebaka isika ary mamonjy antsika amin’ny fahafatesan’ny vatana amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny rehetra. Ny Mpamonjy dia afaka mampahery sy manampy antsika amin’ny zava-tsarotra atrehintsika.

  • Inona no andalan-tsoratra masina nofidinao?

  • Ahoana no hanampian’ireo soratra masina ireo anao amin’ny famaliana ny fanontaniana “Nahoana aho no mila Mpamonjy?” sy ny hoe “Hamonjy ahy amin’ny inona Izy?”

Ny Loholona Christofferson dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana sasany raisintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka manarina ny tenantsika amin’ireo safidy ratsy isika. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia voarina ny vokatry ny fahotana sy ny fahadisoan’ny hafa teo amintsika ary ireo tsy rariny hafa rehetra. Mba hositranina sy hohamasinina dia mila Mpamonjy isika.

(D. Todd Christofferson, “Why We Need Jesus Christ (Ny antony ilantsika an’i Jesoa Kristy),” Ensign, Dec. 2020, 22)

Ao amin’ny Lioka 2:10 dia nanambara ny anjely hoe: “Milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe.”

Answer at least one of the following questions:

  • Ahoana no nahitanao “fifaliana lehibe” ao amin’ny Mpamonjy anao, dia i Jesoa Kristy?

  • Inona no azontsika atao mba hampitomboana ny fifaliantsika ao amin’ny Mpamonjy?

Asao ireo mpianatra vonona hanao izany mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fifaliana avy amin’ny fanavotana izay tsapany noho ilay Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy. Hevero ihany koa ny hizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra

Inona no antony nandehanan’i Maria sy i Josefa tany Betlehema mba hampadoavina hetra?

I Aogosto Kaisara dia Mpanapaka Romana mahay sy mavitrika, ary ny fotoana nanjakany, tamin’ny taona 31 talohan’i J.K. ka hatramin’ny 14 taorian’i J.K., dia voamariky ny filaminana sy ny fanarahan-dalàna. Ny “fandoavan-ketra” voalaza ao amin’ny Lioka 2:2 dia fisoratana anarana [na fanisam-bahoaka] mikendry ny fandoavan-ketra any aoriana, fisoratana anarana izay mitaky ny fahatongavan’ny mpandoa hetra manokana mba hanome ireo fampahalalana ilaina. Noho i Josefa sy i Maria samy taranak’i Davida Mpanjaka dia tsy maintsy nandeha nankany Betlehema izy ireo, izay tanàna fiavian’i Davida Mpanjaka. … Ireo mpaminany fahiny dia samy nanambara fa ny Mesia dia ho teraka ao Betlehema, any amin’ny tanin’i Jerosalema (jereo ny Mika 5:2 ; Almà 7:10).Betlehema dia eo amin’ny 137–145 kilaometatra atsimon’i Nazareta, lalana farafahakeliny efatra ka hatramin’ny dimy andro raha mandeha an-tongotra, na mihoatra raha mihevitra ny toe-batan’i Maria.

(Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra[2014], 143)

Sahanasa fandalinana fanampiny

“Fa Mpamonjy no teraka”

A Savior Is Born—Christmas Video

Mahita fifaliana ao amin’ny Mpamonjy

Alefaso ilay horonan-tsary fohy hoe The Christ Child: A Nativity Story (17:57), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azonao aseho ireto fizarana manaraka ireto. Asio fotoana aorian’ny fizarana tsirairay ahafahan’ny mpianatra miresaka ny fomba nanehoan’ireo olona tsirairay ny fifaliany ny amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

I Maria sy i Josefa: fe-potoana 0:00 ka hatramin’ny 8:56

Ireo mpiandry ondry sy anjely: fe-potoana 8:56 ka hatramin’ny 11:30

Ireo Magy: fe-potoana 11:30 ka hatramin’ny 12:42 sy 13:44 ka hatramin’ny 17:15

“Fifaliana ho an’izao tontolo izao”

Afaka mihira ilay hira hoe “Oh, quel bonheur! Jésus viendra!” (Cantiques, no. 123). Mety hitondra voka-tsoa ho an’ny mpianatra ihany koa ny firesahana mikasika ity fitsipika manaraka ity: Satria i Jesoa Kristy no Mpamonjiko dia afaka mahatsapa fifaliana aho. Afaka miresaka mikasika ny mahatonga an’i Jesoa Kristy ho loharanom-pifaliana ho azy ireo ny mpianatra sy ny fomba niainan’izy ireo fifaliana noho ny maha-Mpamonjy azy ireo an’i Jesoa Kristy.

Lioka 2:10 . “Teny soa mahafaly, dia fifaliana lehibe”

Ao amin’ny Lioka 2:10 dia nanambara ny anjely hoe: “Milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe.” Hevero ny hampifandray io andininy io amin’ny filazan’ny anjely momba ny Mpamonjy tamin’ny Mpanjaka Benjamina izay voasoratra ao amin’ny Môzià 3:3–5 .

Hamoaka printy