Seminera
Lioka 2:40–52


Lioka 2:40–52

“Nitombo ka nihanahery” i Jesoa

Sary
Jesus teaching in the temple as a young boy.

Fony zatovolahy ny Mpamonjy dia nampianatra ny filazantsara tamin-kery ka nahatalanjona ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly mihitsy ny “fahalalany sy ny famaliany” (Lioka 2:47). Ity lesona ity dia natao hanamafisana ny fanirianao hitovy amin’i Jesoa Kristy amin’ny fikatsahana hitombo ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy ary ny ara-piarahamonina. Hanana fotoana hanombanana ireo tanjonao amin’izao fotoana izao ihany koa ianao ao amin’ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019) na hamorona vaovao.

Fifantohana amin’ny zavatra iainan’ny mpianatra. Mianatra zavatra ireo mpianatra rehefa mandray anjara amin’ny dingan’ny fianarana sy miaina ny filazantsara. Rehefa mampianatra dia mifantoha amin’ny zavatra tsy maintsy iainan’ny mpianatra sy ataony mba hanasana ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy hampahalalim-paka ny fiovam-po. Rehefa mampitombo ny fahalalany sy miaina mifanaraka amin’izany ireo mpianatra dia hiova fo kokoa ao amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo tanjona napetrany tao anatin’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Angataho izy ireo hieritreritra ny fomba hanampian’ireo tanjona ireo azy ireo ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Raha azo atao dia asao izy ireo hitondra tahadikan’ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo any an-dakilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Nihalehibe sy nivoatra i Jesoa tao anatin’ny fahatanorany

Asehoy ireto sary manaraka ireto ary omeo iray na roa minitra ireo mpianatra handalinana izany. Raha tsy misy ireo sary ireo dia angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina an’i Jesoa rehefa nihalehibe.

Halalino ireto sary tamin’ny fahatanoran’ny Mpamonjy ireto. Eritrereto ny zavatra lazain’ny antsipiriany tsirairay ao anatin’ireo sary ireo momba an’i Jesoa.

Sary
Jesus Christ depicted as a young boy in the carpenter shop of Joseph. Joseph is standing behind the young Christ. Christ is reading the scriptures from a scroll resting on a table. There are wood shavings on the table.
Sary
Christ as a youth learning carpentry skills in a carpenter’s shop. Joseph, the husband of Mary, is watching him.
Sary
Jesus Christ depicted as a child with his mother Mary. Christ is kneeling beside Mary and resting His clasped hands on Mary’s lap. Mary has her head bowed as she and the young Christ pray. There is an oil lamp burning on a table next to the mother and son.
Sary
Jesus Christ at age twelve in the temple at Jerusalem during the Feast of the Passover. A group of learned Jewish doctors are gathered around Christ. The doctors are expressing astonishment at the wisdom and understanding of the young Christ. (Luke 2:41-50)

Amporisiho ny mpianatra hihazona ny fanehoana fanajana ny Mpamonjy rehefa mamaly ity fanontaniana manaraka ity izy ireo. Mety ho toy izao ny fanontaniana iray hafa: “Inona no zavatra tianao ho fantatra momba ny Mpamonjy tamin’ny fahatanorany?”

  • Ahoana no mety ahafahan’ny fahalalana ny toetoetran’i Jesoa tamin’ny fahatanorany hanampy anao amin’ny maha-zatovo anao?

Vitsy ny antsipiriany ananantsika mahakasika ny fahatanoran’i Jesoa, saingy ireo izay voarakitra ao amin’ny soratra masina dia afaka ny ho fitahiana lehibe sy ho fitarihana ho anao eo am-pikatsahanao ny hivoatra. Rehefa mianatra momba ny fahatanoran’ny Mpamonjy ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahafantatra izay lafiny tokony hifantohanao rehefa miezaka ny ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa ianao.

Vakio ny Lioka 2:40–52 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:24–26 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina), ary tadiavo ny antsipiriany momba ny toetoetran’ny Mpamonjy tamin’ny fahatanorany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Young Jesus Teaches in the Temple” (2:30), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mariho fa ny andian-teny hoe “nitombo ka nihanahery” ( Lioka 2:40 ; jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:24 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]) dia midika hoe nitombo na nihanahery ara-panahy i Jesoa. Mety hanampy ny fahalalana fa araka ny Dikantenin’i Joseph Smith ny Lioka 2:46 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ), dia tsy nihaino ireo mpampianatra, na mpanora-dalàna i Jesoa zatovo, na nametraka fanontaniana tamin’izy ireo, fa “ireo dia nihaino Azy sady nametraka fanontaniana Taminy.”

  • Inona no ampianarin’ity tantara ity anao momba ny toetoetran’i Jesoa fony izy tanora?

  • Inona no ampianarin’ny andininy faha-52 anao momba ny fomba nitomboan’i Jesoa sy nivoarany tamin’ny fahatanorany?

Ao amin’ny Lioka 2:52 dia mianatra isika fa manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy isika rehefa mivoatra ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy ary ara-piarahamonina.

Soraty eny amin’ny solaitrabe na asehoy ireto teny manaraka ireto: Ara-tsaina, Ara-batana, Ara-panahy, ary Ara-piarahamonina. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona avy ireo ohatra vitsivitsy avy amin’ny soratra masina izay nanehoan’i Jesoa Kristy ny fahaizany amin’ireo lafiny efatra ireo?

  • Inona avy ireo antony vitsivitsy mahatonga anao hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ireo lafiny efatra amin’ny fiainana ireo?

Ity ampahan’ny lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampiasa ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo hametrahana tanjona. Mahaiza mihaino ny zavatra ilain’ny mpianatra izay tsy liana na tsy mbola zatra an’ity boky torolalana ity. Ireo mpianatra izay efa miezaka manatratra ireo tanjony hivoatra dia mety ho loharanom-pahalalana tsara amin’ny fifanakalozan-kevitra.

Mandefasa hafatra any amin’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana hampahafantarana azy ireo fa niresaka momba ireo tanjona ireo tao amin’ny seminera ny mpianatra. Izany dia hanampy ny ray aman-dreny sy ny mpitarika hanara-maso ny tanora.

Nandrisika ny zatovon’ny Fiangonana ny Mpaminany mba hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izay aseho ao amin’ny Lioka 2:52 , ary ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nampahafantatra ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo mba hanampiana anao.

Miankina amin’ny habetsahan’ny mpianatra ao an-dakilasy, zarao ho vondrona efatra ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny iray amin’ireo lafiny efatra hivoarana ireo. Amporisiho ny mpianatra handinika fomba isan-karazany ahafahany mitombo sy mivoatra amin’ireo lafiny ireo sy ireo tanjona samihafa mety hapetrany. Amin’ny faran’ny fifanakalozan-kevitra dia manasà olona iray avy amin’ny vondrona tsirairay hizara ny hevitr’izy ireo.

Ny fahitana ao amin’ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo dia “hanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy ary hanampiana anao sy ny fianakavianao handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana eo am-piatrehanareo ireo fahasarotana amin’ny fiainana” (“Inona no atao hoe Ankizy sy Zatovo?” ChurchofJesusChrist.org). Ho fanampin’ny dika natonta printy amin’ity boky torolalana ity dia misy ny amin’ny endrika nomerika. Hitanao ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy Vivre l’Évangile ny endrika nomerika.

Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ianao dia afaka mivoatra amin’ny fomba voalanjalanja amin’ireo lafiny efatra amin’ny fiainanao ireo ihany koa: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pametrahanao tanjona. Henoy ny bitsika izay afaka manampy anao hahita ny toerana izay hanampian’ny Tompo anao hifantoka amin’ny fivoaranao amin’ny fahatongavana tahaka Azy. Hitanao ato amin’ireto tranonkala manaraka ireto ny hevitra vitsivitsy:

Ny pejy “Ho an’ny Zatovo” ao amin’ny tranonkala Ankizy sy Zatovo

Ny toerana misy ny aingam-panahy ao amin’ny application Vivre l’Évangile

Ao amin’ny tahadikan’ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo izay anao, dia mametraha tanjona amin’ireo lafiny efatra amin’ny fiainanao ireo. Raha efa nanomboka nanatratra ireo tanjonao ianao dia tombano ny fandrosoanao ary asio fanitsiana raha ilaina izany. Resaho matetika amin’ny ray aman-dreninao sy ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana ireo tanjonao. Azonao atao koa ny mizara ireo tanjonao sy ny zavatra rehetra niainanao amin’ny alalan’ny fampiasana ny #StrivetoBe.

Hanampy anao i Jesoa Kristy rehefa mametraka tanjona sy miezaka ny ho tonga tahaka Azy ianao. Nampanantena Izy fa rehefa manatona Azy sy mampihatra ny finoana amim-panetren-tena ianao dia “hataony tonga matanjaka ireo zavatra malemy” ( Etera 12:27).

Asao ireo mpianatra izay efa niaina zavatra tsara tamin’ny fanatratrarana ireo tanjony mba hizara ny zavatra niainany. Amporisiho ny mpianatra hizara ny zavatra niainany tamin’ny fampiasana ny #StrivetoBe.Raha tsy misy mandray anjara amin’ity fandaharan’asa ity ny mpianatra dia manasà mpitarika ny zatovo iray ho ao an-dakilasy hanome torolalana sy fitarihana.Safidio ny vitsivitsy na izy rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hovalin’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ary, raha misy ny fotoana, dia manao fifanakalozan-kevitra iarahan’ny iray kilasy.

  • Inona no tianao hatsaraina amin’ity lafiny amin’ny fiainanao ity? Nahoana?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fivoaranao amin’ity lafiny ity ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo sakana mety hatrehinao?

  • Ahoana no hikatsahanao ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy ny fitarihany?

Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra

Hamoaka printy