Seminera
Jaona 1


Jaona 1

Topimaso

Nanoratra ny Filazantsarany ny Apôstôly Jaona tamin’ny tanjona hanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana sy izao tontolo izao hino fa i Jesoa no Kristy (jereo ny Jaona 20:30–31). Nampianatra i Jaona fa nandao ny fonenany any an-danitra i Jesoa Kristy mba ho tonga ety an-tany ho Mpanavotra ny olombelona rehetra. Ny Filazantsaran’i Jaona dia misy tantara maro momba ny lehilahy sy ny vehivavy izay nahazo fijoroana ho vavolombelona fa Jesoa no Kristy, ilay Mesia nampanantenaina. Ny famakiana sy ny fandinihana am-bavaka ireo fitantarana ireo dia mety hitarika ny mpamaky ankehitriny hanatona Azy ihany koa.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ny mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety mila omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Jaona 1:1–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana lalina kokoa hoe iza i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany teto an-tany sy ny fitiavana nasehony ho antsika tamin’ny nanatanterahany ny asa nanirahana Azy teto an-tany.

  • Fanomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantatr’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy talohan’ny nahatongavany tety an-tany.

  • Fitaovana: Ento any an-dakilasy ny baolina iray ampiasaina amin’ny fanatanjahantena malaza na asehoy ny sarina baolina hita ao amin’ny lesona.

Sosokevitra fampianarana amin’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary : Forony mialoha ny tabilao maneho an’i Jesoa tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy i Jesoa nandritra ny fiainany tety an-tany amin’ny tableur na anaty solosaina. Asehoy ny tabilao eo amin’ny efijerinao mandritra ny lesona. Azo fenoina miaraka amin’ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana ity rehefa mizara ny eritreriny izy ireo.

Jaona 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahafantatra lalina kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny famantarana sy fianarana momba ny sasany amin’ireo anaram-boninahitra iantsoana azy, sy anjara asa sahaniny.

  • Fanomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka amin’ny namana sy ny fianakaviana mba hizara izay anaram-boninahitra na anjara asan’i Jesoa Kristy manan-danja indrindra amin’izy ireo sy ny anton’izany.

  • Sosokevitra fampianarana amin’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Amin’ny faran’ny lesona dia ampiasao ny fanaovana breakout room amin’ny rindrambaikonao fifampiresahana ampitaina an-tsary mba hahafahan’ny mpianatra mampianatra namana momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fampiasana ny iray amin’ireo anaram-boninahitra iantsoana Azy na ny anjara asany.

Jaona 1:35–51

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hamaly tsara kokoa ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo” ho an’ny tenany (jereo ny Jaona 1:39).

  • Fanomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainany ka nanampy azy ireo hahatakatra mazava kokoa hoe iza i Jesoa Kristy. Ahoana no nitrangan’izany zavatra niainany izany?

Mahazo Fahalalana Ara-panahy, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hianatra handinika ireo olana amin’ny fomba fijery mandrakizay mba hahitany azy ireo mazava kokoa.

  • Fanomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny olana na fanontaniana ananany na, raha azo ampiharina, hieritreritra ilay fanontaniana nofidian’izy ireo amin’ny fanaovana zavatra amim-pinoana ao amin’ny lesona “Mahazo fahalalana ara-panahy, Fizarana 1.”

  • Sosokevitra fampianarana amin’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Mamorona fampisehoana andian-tsary mba hizarana ireo fanambarana eo amin’ny efijerinao izay mety hanampy avy amin’ny Filoha Nelson sy avy amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho.”

Tombano ny fianaranao 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ho an’ny mpianatra hanombana ny tanjony, sy ny fianarany ary ny fivoarany manokana. Ny valin’ny fandalinana manokana izay hanombanan’ireo mpianatra ny tenany dia ahitana ny fahaizany mandalina soratra masina sy ny mampihatra ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainany, ny fahazoany fanambarana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, ary ny fahaizany manazava ny sasany amin’ireo anjara asan’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe nanao ahoana ny fandalinany soratra masina ary hiomana hizara hevi-baovao azon’izy ireo na fomba izay nanatsara ny fandalinany tato ho ato.

  • Fitaovana: Raha misy dia manomàna fitaovana fanaovana sary betsaka araka izay azo atao mba hahafahan’ny mpianatra mamita ny asa fanombanana araka izay tadiaviny.

  • Sosokevitra fampianarana amin’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Rehefa mizara ny zavatra noforoniny amin’ny iray kilasy ireo mpianatra dia avelao izy ireo hizara ny efijeriny mba hahitan’ny mpiara-mianatra aminy mazava kokoa ny zavatra noforoniny.

Hamoaka printy