Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 2


Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 2

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Looking through gospel glasses. The focus is on the Temple and family.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny fanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hitovizana kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao handinika ireo olana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay mba hahitanao azy mazava kokoa.

Fanamarihana: Mety tsara kokoa ny mampianatra ity lesona ity amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana. Raha ilaina ny mamindra ity lesona ity ho amin’ny fotoana hafa aloha kokoa na aoriana kokoa, dia hevero ny hampianarana eo amin’ny toerany ny lesona iray fifehezana fotopampianarana izay mety tsy nataon’ny mpianatra tamin’ny tsy nisy fampianarana.

Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra fanamby na fanontaniana na hieritreritra izay fanontaniana nosafidiany mba hanao asa amim-pinoana ao anatin’ny lesona “Mahazo fahalalana ara-panahy”, Fizarana 1.” Asao izy ireo hisaintsaina izay mety ho dingana manaraka hahazoany fanampiana bebe kokoa amin’ity fanamby na fanontaniana ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanontaniana sy fanamby

Indraindray isika miatrika fanamby na fitsapana izay hizahana toetra ny finoantsika. Ny Filoha Russell M.Nelson dia mizara iray amin’izany fitsapana izany izay niainan’ny vadin’ny zafikeliny.

Vakio ity lahatsoratra manaraka ity:

18:51
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Vao tsy ela akory izay dia sahirana ara-panahy ny vadin’ny iray amin’ireo zafikelinay lahy. Hoantsoiko hoe “Jill” izy. Na dia teo aza ny fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny tsodranon’ny fisoronana dia teo an-dalam-pahafatesana ny rainy. Natahotra mafy izy ny hilaozan’ny rainy sy ny ho very fijoroana ho vavolombelona.

Indray harivariva dia nolazain’ny Rahavavy Wendy Nelson vadiko ahy ny zavatra nanjo an’i Jill. Ny ampitso marainan’io dia nahatsapa i Wendy ny hizara tamin’i Jill fa ny valinteniko tamin’ny tolona ara-panahy izay niainany dia andian-teny tokana ihany! Izany andian-teny izany dia hoe tsy mahita lavitra.

(Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 93)

Ny teny hoe tsy mahita lavitra dia midika hoe fohy fijery.

  • Inona avy no fahamarinana sasany momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny izay mety ho nanampy an’i Jill tsy hatahotra izay mety hitranga amin’ny hoavy?

Eritrereto ny fanamby na fanontaniana atrehinao amin’izao. Mety hitovy amin’ilay hitanao ao amin’ny lesona “Mahazo fahalalana ara-panahy, Fizarana 1” izany.

  • Nahoana no maniry sy mila fanampiana ianao amin’izany fanontaniana na fanamby izany?

Tsarovy fa tsy maninona izany miaina alahelo sy fanaintainana izany. Na i Jesoa aza dia nalahelo an’ireo olona nolalainy (jereo ny Jaona 11:32–36). Raha mijery ny zavatra iainantsika amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika, dia afaka manampy antsika hiatrika ireo fahatsapana ireo ny Tompo. Tadiavo ireo fahamarinana ao anatin’ity lesona ity izay afaka manampy anao hanatanteraka izany amin’ireo fanontaniana na fanamby anananao manokana.

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Rehefa miatrika ireo fanamby amin’ny fiainana isika na miaina ao anatin’ny fanontaniana tsy ahitam-baliny, dia afaka manampy antsika ireto fitsipika manaraka an’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireto:

1. Manao asa amim-pinoana.2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Amin’ity lesona ity isika dia hifantoka amin’ny fahamarinana hoe rehefa mandinika ireo olana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika, dia afaka manampy antsika ny Fanahy Masina hahatakatra kokoa azy ireny.

Halalino ny andiam-pehezan-teny faha 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra fifehezana fotompampianarana ary farafahakeliny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Mariho ireo teny na andian-teny izay mety hanampy an’i Jill hiatrika ireo fitsapana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

2 Korintiana 4:1718

Môzià 4:9

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:2–4

  • Raha miainga amin’izay novakinao dia inona no tianao ho fantatr’i Jill momba ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no zavatra niainanao (na niainan’ny hafa) momba ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ka azonao zaraina amin’i Jill?

Ny fomba hamakafakana fanontaniana na olana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Rehefa manana fanontaniana na olana isika dia anisan’ny dingana iray azontsika arahina mba hanampiana antsika hahita zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny:

Mandritra ny ambin’ny fotoam-pianarana dia asehoy ny mpianatra ireto dingana telo manaraka ireto.

1. Fantaro izay fiheverana ataontsika ka mety hitarika tsy fahatakarana ny momba ny Ray any An-danitra na ny drafiny.2. Jereo ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra na ny drafiny izay manitsy ireo fiheverana ireo.3. Amboary ilay fanontaniana ka jereo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izany na amin’ny fanitsiana ilay fanontaniana mba hahitana taratra ireo fahamarinan’ny filazantsara.

2:3

Saintsaino ny fomba hanampian’ireo dingana ireo an’i Jill, ilay zafikely tao amin’ilay tantara nozarain’ny filoha Nelson.

  • Inona avy ireo fiheverana mety nananan’i Jill ka mety nitarika azy hanahy na hatahotra?

Mety ho tafiditra ao amin’ireo fiheverana tsy mandeha lavitra mety hananan’ny olona amin’ny toe-javatra niainan’i Jill ny hoe: maty aloha loatra ny olona mamy iray; na hoe mety tsy hahita intsony ny olona maminy efa nodimandry izy ireo; na hoe miankina amin’ny fahagagana mamonjy ny olona maminy amin’ny fahafatesana ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Izany fiheverana izany dia mety hanosika ny olona sahirana noho ny alahelony hametraka fanontaniana toy ny hoe “Raha tia ahy Andriamanitra, nahoana no nalainy ilay malalako?”

Matetika ny fananana fiheverana mitovy amin’izany dia mampitombo ny alahelo sy ny fanaintainana izay efa iainantsika. Ny famantarana ireo fahamarinana mikasika ny Ray any An-danitra sy ny drafiny dia mety hanampy.

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ka afaka manampy hahitana valinteny?

Ireto avy ny mety ho valinteny:

  • Inona avy ireo fomba sasany mety hanitsianao ireo ahiahy lehibe mety hananan’ny olona eo amin’ny toeran’i Jill mba hananana fijery mibanjina ny mandrakizay? (Ohatra, afaka mametraka fanontaniana mibanjina ny mandrakizay ianao, toy ny hoe “Ahoana no hahatsapako ny fitiavan’ Andriamanitra ao anatin’izao famoizana maharary izao na dia fantatro aza fa tsy haharitra mandrakizay izany?” na hoe “Ahoana no fomba hianteherako amin’ny finoako ny Mpamonjy mba hananako fatokisana fa mbola ho hitako indray ilay olona lalaiko?”)

Ny Filoha Nelson dia nizara ny fomba nitahiana an’ i Jill tamin’ny famolavolany fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manoloana ny fitsapana nianjady taminy.Vakio izao fanambarana manaraka izao:

2:3
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Rehefa lasana ny rain’i Jill dia niverimberina tao an-tsainy ilay andian-teny hoe tsy mahita lavitra. Nanokatra ny fony izy ka nahatakatra lalina kokoa fa ilay hoe tsy mahita lavitra dia nidika hoe “fohy fijery.” Dia nanomboka niova ny fijeriny. Hoy i Jill: “Nampijanona sy nampieritreritra ary nanasitrana ahy ilay hoe tsy mahita lavitra. Mahafeno fiadanana ahy izao izany andian-teny izany. Mampahatsiahy ahy mba hampivelatra ny fomba fijeriko sy hikatsaka ny mandrakizay izany. Mampahatsiahy ahy izany fa misy ny drafitr’ Andriamanitra ary ny raiko dia mbola velona sy tia ary miahy ahy. Nitondra ahy any amin’ Andriamanitra ilay hoe tsy mahita lavitra.

Tena mampirehareha ahy ilay vinantovavinay sarobidy. Mandritra izany fotoana nahatriatra fo eo amin’ny fiainany izany i Jill malala dia mianatra ny hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny dadany, miaraka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ho an’ny fiainany. Rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka izy dia mahita fiadanana.

(Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” 93)

  • Ahoana no nitahiana an’i Jill rehefa nihazona fomba fijery mibanjina ny mandrakizay izy?

Eritrereto ilay fanamby na fanontaniana hitanao tany am-piandohan’ny lesona. Ampanaraho ireo dingana telo nianaranao ilay fanontanianao na fanamby atrehinao voarakitra ao amin’ny diary fandalinanao.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ity sahanasa ity sy hametraka ireo fanontaniana mbola manitikitika azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana voaresaka tato amin’ity lesona ity, ary entano ihany koa ny mpianatra hijoro ho vavolombelona.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Ahoana no ahafahan’ny fihazonako fomba fijery mibanjina ny mandrakizay hanampy ahy rehefa miatrika alahelo na fahoriana?

Nanazava ny Filoha Russell M.Nelson fa nanampy azy tamin’ny fahalasanan’i Dantzel vadiny tampoka sy ny fahalasan’ny zanany vavy Wendy taorian’ny ady naharitra tamin’ny homamiadana ny fihazonany fomba fijery mibanjina ny mandrakizay:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Tamin’ny 2005, rehefa akaiky ho 60 taona nifanambadiana, dia nodimandry tampoka i Dantzel malalako. Nandritra ny fotoana maharitra, dia efa saika tsy nahafahako nanao na inona na inona ny alaheloko. Kanefa dia nanampy ahy ny hafatry ny Paska sy ny fampanantenana ny fitsanganana amin’ny maty.

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 94)

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Tena malahelo fatratra an’iny zanakay vavy iny izahay. Kanefa, noho ilay filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia tsy manana ahiahy ny momba azy izahay. Eo am-panohizanay manaja ny fanekempihavananay tamin’ Andriamanitra, dia miandrandra ny ho tafaraka aminy indray izahay. Mandra-piandry izany dia manompo ny Tompo izahay ety, ary izy kosa manompo Azy any—any amin’ny paradisa.

(Russell M. Nelson, “Avia, manaraha Ahy,” Liahona,, mey 2019, 88)

Nahoana no zava-dehibe ny fiheverantsika?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara hoe:

Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Satria fantatry ny Olomasin’ny Andro Farany ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny zanany, dia fantatsika fa ity fiainantsika an-tany ity dia tsy tantara an-tsehatra ahitana fizarana tokana eo anelanelan’ny lasa tsy fantatra sy ny hoavy tsy azo antoka. Fa tahaka ny fizarana faharoa ao anatin’ny tantara an-tsehatra misy fizarana telo ity fiainana ity. Ny tanjony dia voafaritr’izay nambara momba ny fisiantsika ara-panahy tao amin’ny Fizarana 1 ary ny hoavintsika mandrakizay ao amin’ny Fizarana 3. Noho ny fahalalantsika io Drafiny io sy ireo fahamarinana hafa izay nambaran’ Andriamanitra dia miainga amin’ny fiheverana tsy mitovy amin’ny an’ireo izay tsy manana an’izany fahalalana ananantsika izany isika. Ny vokatr’izany dia samy hafa ny fehinkevitra raisintsika mikasika ireo lohahevitra manan-danja maro izay raisin’ny hafa amin’ny eritreriny fotsiny mikasika ny fiainana an-tany.

(Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” [takariva iarahana amin’ny Manam-pahefana Ambony, 8, feb. 2013], 3–4)

Ahoana no ahafahako manamboatra ireo fanontaniana na olana mba hamaliana izany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Ny rahalahy Chad H Webb, mpitantana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia nilaza fa:

Portrait of Chad Webb

Raha manomboka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika, dia ho tonga amin’ny fehinkevitra izay mifandray amin’ny fahamarinana mandrakizay. Saingy raha manomboka amin’ny fiheveran’izao tontolo izao isika, dia mora amintsika ny ho tonga amin’ny fehinkevitr’izao tontolo izao. Noho izany dia ilaintsika ny manamboatra ireo fanontaniana sasany satria tsy ekentsika ny fototra hijoroan’izy ireo.

Ohatra, mety efa nametrahana ity fanontaniana ity ianao, “Tsy tokony ho afaka hivady ve na iza na iza rehefa olona roa mifankatia?” Raha amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao, dia tokony ho eny no valiny. Saingy saintsaino izay fantatrao mikasika ny drafitry ny famonjena sy mikasika ny tanjon’ilay Ray any An-danitra momba ny fanambadiana. Ny drafitry ny famonjena dia manome fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary foto-kevitra araka ny filazantsara izay mamboatra ilay fanontaniana. Ny fanontaniana azonao heverina dia ny hoe “Nahoana ny fianakaviana no hoe tendrin’ Andriamanitra?” na “Nahoana Andriamanitra no nanorina ny fanambadiana eo amin’ny lahy sy ny vavy?” Eritrereto ny zavatra fantatrao momba ireo zanaka ara-panahin’ny Ray any An-danitra—avy aiza izy ireo ary inona no tiany ho azy ireo ankehitriny sy amin’ny mandrakizay. Eritrereto ny fomba efa nitahiany antsika tamin’ny hery famehezana ny fianakaviana ao amin’ny tempoly. Ahoana no ahafahan’ny fahatakaranao ireo fitsipika ireo manova ireo fanontanianao sy mamela anao hahita ny olana amin’ny alalan’ny fahazavan’ny filazantsara?

(Chad H Webb, “That They May Know How to Come unto Him and Be Saved” [Brigham Young University–Hawaii devotional, Mar. 22, 2016], byuh.edu)