Seminera
Tombano ny fianaranao 1


Tombano ny fianaranao 1

Matio 1–2; Lioka 1–2; Jaona 1

Sary
A ward in the Philippines come to church on bikes, walking and on motorcycles. They walk into the meetinghouse and attend their classes and sacrament meeting. People speak, teachers teach, they sing, they learn and then they leave the building to go home.

Ity no voalohany amin’ny fitsapam-pahaizana amin’ny lesona amin’ny fotoam-pianarana izay handraisanao anjara mandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. Ireto lesona ireto dia natao hanampiana anao hanombatombana ny tanjonao, sy ny fandalinanao ary ny fivoaranao manokana.

Amporisiho ny fandalinana soratra masina isan’ andro. Fomba iray hamporisihana ireo mpianatra handalina ny soratra masina isan’ andro ny fanomezana fahafahana foana azy ireo ao an-dakilasy hizara izay zavatra ianaran’izy ireo sy izay tsapan’izy ireo nandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina.

Fanomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe nanao ahoana ny fandalinany soratra masina ary hiomana hizara hevi-baovao azon’izy ireo na fomba izay nanatsara ny fandalinany tato ho ato.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny tanjon’ireo lesona hitsapam-pahaizana

Asehoy ity sary sy fanontaniana manaraka ity mba ho hitan’ny mpianatra rehefa miditra ao an-dakilasy izy ireo.

Sary
A person’s hand planting seeds into the dirt of a garden.

Manaova sary tsotsotra ahitana zava-maniry amin’ny dingana samihafa eo amin’ny fitomboany. Afaka manampy anao ilay sary aseho. Eritrereto ny fomba hamalianao an’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa manao sary ianao. Rehefa vitanao ny sarinao dia soraty eo amin’io taratasy io ihany ny valinteninao amin’ilay fanontaniana.

  • Ahoana no itovizan’ny fitomboanao ara-panahy amin’ny fitomboan’ny zava-maniry?

Ny Filoha M. Russell Ballard, filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fihetsika sasany azontsika atao mba hampitomboana ny fitomboantsika ara-panahy sy ny hifantohana amin’ireo tanjontsika mandrakizay:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Nandritra ny taona maro dia nahatsikaritra aho fa ireo izay nahavita be teto amin’ity izao tontolo izao ity dia ireo izay manana fijery lavitra momba ny fiainany, miaraka amin’ny tanjona mifantoka amin’izany fijeriny izany sy drafitra maty paika mikasika ny fomba hahatratrarana ireo tanjona ireo. Ny fahafantarana ny tanjona halehanao sy ny fomba eritreretinao hahatongavana amin’izany dia afaka mitondra lanja sy tanjona ary fahatanterahan-javatra eo amin’ny fiainana. …

Ny miverina eo anatrehan[’ Andriamanaitra] sy ny mandray ireo fitahiana mandrakizay izay azo amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana no tanjona manan-danja indrindra azontsika apetraka. …

Nianatra aho fa mba hifantohana amin’ny fiverenana sy ny fandraisana ireo fitahiana nampanantenaina, dia mila manontany tena matetika aho hoe: “Manao ahoana aho?”

Ohatra ireny hoe manao dinidinika manokana sy mangina amin’ny tenanao ireny izany. Ary raha toa ka hafahafa izany dia eritrereto izao: iza eto an-tany no mahafantatra anao kokoa noho ny fahafantaranao ny tenanao? Ianao no mahafantatra ny eritreritrao, ny asanao mangina, ny fanirianao sy ny nofinofinao, ny tanjonao sy ny drafitrao. Ary tsy misy mahafantatra mihoatra anao ny fandrosoanao eo amin’ilay lalana hiverenana sy handraisana.

(M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 62–64)

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny Filoha Ballard momba ny fanombanana tsy tapaka ny fitomboana ara-panahy?

Mba hanampiana anao hanombana tsy tapaka ny fitomboanao, ny sasany amin’ireo lesonao dia ho toy ny fitsapam-pahaizana. Azo atao toy ny fotoana hisaintsainana sy hankalazana ny fomba nianaranao sy nihatsaranao ireo lesona ireo. Mety ho fotoana iray koa izy ireo hamantaranao ireo zavatra mbola ilainao ianarana na ireo fomba ahafahanao mihatsara hatrany ihany koa.

Manatona an’i Jesoa Kristy sy tonga mpianany

Ampio ireo mpianatra hanombantombana ny fandrosoany mifandraika amin’ny fanatonana an’i Kristy sy ho lasa mpianany. Ny ambin’ity lesona ity dia mampiseho hevitra vitsivitsy momba ny fomba anaovana an’izany. Arakaraka ny zavatra hitan’ny mpianatra tamin’ny fianarany dia azo ampifanarahana na soloina fomba hafa hanampiana ireo mpianatra hanombantombana ny fianarany ireo hevitra ireo.

Iray amin’ireo tanjona voalohany amin’ny seminera ny manampy anao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy sy ho mpianany na ho mpanara-dia Azy. Ny fihainoana ny tenin’ny Mpamonjy amin’ny alalàn’ny fandalinantsika soratra masina sy ny fanambarana ho an’ny tenantsika manokana dia singa iray lehibe amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

Makà minitra vitsivitsy hanombanana ny fandalinanao manokana ny soratra masina sy ny ezaka ataonao mba hahazoana fanambarana ho an’ny tenanao manokana. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampy anao hanombantombana:

  • Nanao ahoana ny fandalinanao manokana ny soratra masina? Inona no fanatsarana nataonao teo amin’ny fahaizanao mandalina sy mampihatra ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao? Inona ny lafiny tamin’ny fandalinanao soratra masina izay sarotra na tsy nandeha ka tianao hatsaraina?

  • Ahoana no nahatsapanao ny Fanahy Masina nampianatra na nitaona anao tamin’ity taona ity? Inona no fanontaniana anananao momba ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana? Inona no azonao atao mba hikatsahana fotoana bebe kokoa hafahana mihaino ny feon’ny Fanahy?

Asehoy ny fianaranao

Ireto sahanasa manaraka ireto dia natao hanomezana fahafahana ny mpianatra hanazavana ny sasany amin’ireo anjara asan’i Jesoa Kristy izay mety ho nianarany tato ho ato.

Misafidiana iray na roa amin’ireto asa manaraka ireto hanehoanao ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany tamin’ny fandalinanao ny Matio 12 ; Lioka 12 ; ary Jaona 1 . Azonao atao ny mamerina mijery ny diary fandalinanao mba hahatsiarovana ireo fahamarinana nianaranao.

Asehoy ireto safidy manaraka ireto mba ho hitan’ny mpianatra rehefa mamita ity asa ity izy ireo.

Omeo fitaovana isan-karazany fanaovana sary ireo mpianatra raha misy ireto fitaovana ireto, toy ny pensilihazo, penina, pensilihazo miloko, marker, loko, taratasy, sns. Azo atao amin’ny tanimanga ihany koa izany na atao toy ny lahasa ivelan’ny trano miaraka amin’ny loko fandokoana sisin-dalana.

Safidy A: Famoronana hanasana ny hafa amin’ny hoe “indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra”

Ao amin’ny Jaona 1, dia novakiantsika ny fanasan’i Jaona Mpanao Batisa ny mpanaraka azy amin’ny hoe “indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra” ( Jaona 1:36). Anisan’ny dikan’ny teny hoe indro ny hoe banjino, mariho, na araho-maso tsara ny zavatra na olona iray.

Ho an’ity asa ity dia mamoròna zavatra afaka manampy ny olona “hibanjina ny Zanakondrin’ Andriamanitra,” na miatoa kely ary saintsaino ny momba Azy sy ireo anjara asany eo amin’ny fiainantsika. Atombohy amin’ny fieritreretana ireo toetra sy anjara asa ary anaran’i Kristy izay nianaranao izany. Mitadiava andinin-tsoratra masina izay nianaranao ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo. Mampiasà andinin-tsoratra masina ho lohahevitra amin’ny zavatra foroninao. Ho an’ity asa ity dia azonao atao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

  • Mamorona zava-kanto hanehoana toetra, na anjara asa, na anarana na anaram-boninahitr’i Kristy izay manan-danja manokana aminao ary ampiaraho fanazavana ny zavatra noforoninao.

  • Soraty ny zavatra niainanao manokana nanampy anao hampitombo ny fahatakaranao momba ny Mpamonjy.

  • Angataho ny mpiara-mianatra na namana na olona ao amin’ny fianakaviana hizara zavatra hitany momba an’i Kristy. Ampiasao amin’ny zavatra foroninao ny eritreritr’izy ireo. Mety ho ohatra vitsivitsy amin’izany ny zavatra nosoratana ao amin’ny diary, ny fanehoana an-tsary ara-java-kanto, na horonan-tsary novaina izay nozarain’izy ireo.

Safidy B: Fampahafantarana momba an’i Jesoa Kristy

Mamorona lisitra ahitana anaram-boninahitra telo iantsoana ny Mpamonjy izay hampiasanao hampahafantarana ny olona iray momba an’i Jesoa Kristy. Tadiavo ary tanisao ireo andinin-tsoratra masina nahitanao azy ireo. Ampiaraho amin’izany ny fanazavana fohy momba ny dikan’ny anaram-boninahitra tsirairay sy ny mety hampiova ny fiainan’ny olona iray raha fantatr’izy ireo ny dikan’ireo anaram-boninahitra ireo.

Ampidiro ny tantara iray ao amin’ny soratra masina na ny zavatra iray niainanao manokana izay nanehoan’ny Mpamonjy ny anaram-boninahitra tsirairay izay nosafidinao. Ohatra, azonao atao ny mitanisa ny anaram-boninahitra hoe “Imanoela,” izay midika hoe “amintsika Andriamanitra” ( Matio 1:23). Azonao atao ny mitady ohatra avy amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa izay “nomban’ny” Mpamonjy anao na azy ireo.

Ity sahanasa ity dia azo vitaina amin’ny sary ataon-tànana (toy ny kisary, sary hosodoko, na sary sokitra) na amin’ny fanoratana izany tsotra fotsiny. Tadiavo ireo fomba hanohizana ny fitadiavana anaram-boninahitry ny Mpamonjy rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao ianao amin’ity taona ity.

Rehefa avy nomena fotoana ampy hamitana ny asany ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny zavatra noforoniny amin’ny iray kilasy (na amin’ny mpiara-mianatra iray na amin’ny vondrona kely). Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny fotoam-pianarana. Mety hanampy ny mampifantoka izany fijoroana ho vavolombelona izany amin’ny sasany amin’ireo anjara asa sy anaram-boninahitra noresahina tato amin’ity lesona ity.

Hamoaka printy