Seminera
Matio 3; Marka 1; Lioka 3


Matio 3; Marka 1; Lioka 3

Topimaso

Talohan’ny nanombohan’i Jesoa Kristy ny fanompoany ny olona dia niezaka nanomana ny hafa handray sy hanaraka ny Mpamonjy i Jaona Mpanao Batisa. Nanasa azy ireo hibebaka sy hatao batisa i Jaona. Nataon’i Jaona batisa i Jesoa Kristy, ary samy nijoro ho vavolombelona momba Azy ny Ray sy ny Fanahy Masina. Ny lesona amin’ity herinandro ity dia ahitana ihany koa lesona momba ny fifehezana fotopampianarana mikasika ny fikatsahana fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ny mpampianatra mikasika ny zavatra mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 3:1-12; Marka 1:1–8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hihevitra ny fomba nanekeny sy nanarahany ny Mpamonjy, ny fomba ahafahany manamafy ny fanolorantenany mba hanaiky sy hanaraka Azy, ary ny fomba ahafahany manampy ny hafa hiomana hanaiky sy hanaraka Azy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra hataony sy holazainy mba hanampiana olona hafa hanaiky sy hanaraka ny Mpamonjy.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Fahafahana mahazo ireo lahateny natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany natao vao haingana

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Rehefa mahavita ny iray amin’ireo sahanasa mitondra ny anarana hoe A, B, na D ny mpianatra dia asao izy ireo mba hampiseho amin’ny alalan’ny fananganana rantsan-tanana raha toa ka nanao ilay sahanasa voalohany na faharoa na fahatelo. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy tsapany.

Lioka 3:7–14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny fibebahana sy ny fifaliana izay entin’ny fibebahana matetika.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fihetsiny sy ny zavatra niainany mahakasika ny fibebahana. Afaka mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny tenany ireo mpianatra: “Inona no zavatra tsapanao na ny fiontanam-po anananao rehefa mieritreritra mikasika ny fibebahana ianao? Nahoana?” “Inona avy ireo zavatra efa niainanao mahakasika ny fibebahana?” “Inona no fanontaniana anananao momba ny fibebahana?”

  • Horonan-tsary:Afaka manao tsaratsara kokoa sy lasa tsaratsara kokoa isika,” manomboka eo amin’ny minitra faha-00:50 ka hatramin’ny faha-3:26, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Jeunes, soyez forts! (bokikely, 2011) na ny Sujets de l’Évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org

  • Votoatin-javatra haseho: Ireo teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Eo am-piandohan’ny lesona dia ampiasao ny safidy atolotra ahafahana mifandefa hafatra an-tsoratra na izay teknôlôjia hafa misy mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra mitondra fifaliana ho azy ireo.

Matio 3:13–17, Tapany 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra sy hanazava ny maha-zava-dehibe ny batisa ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana ho amin’ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny fomba hanazavan’izy ireo ny maha- zava-dehibe ny batisa amin’ny olona akaiky ny fon’izy ireo izay tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ampitaina an-tsary: Asao ny mpianatra mba hizara ao anatina fivoriana mahaleo tena ataona vondrona kely samy hafa (breakout rooms) ny fanazavany momba ny maha-zava-dehibe ny batisa. Izany dia hanome fahafahana ny mpianatra rehetra hizara ny fanazavany. Aorian’izay dia asao izy ireo hizara ny fizotran’ilay izy sy ny zavatra tsapany.

Matio 3:13–17, Tapany 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Andriamanitra, izay afaka hitondra fiantraikany amin’ny safidin’izy ireo eo amin’ny fiainana avy eo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiomana hizara ao an-dakilasy ny zavatra fantany mikasika ny Andriamanitra, sy ny fomba nahafantarany izany, ary ny fanontaniana mety hananany.

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana antsika.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe aiza matetika no hitadiavan’izy ireo fampahalalana rehefa manana fanontaniana mikasika an’ Andriamanitra na ny Fiangonana izy ireo. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Mendrika valinteny ara-panahy avy amin’ Andriamanitra ireo fanontaniana ara-panahy” (“Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 28, 30).

  • Taratasy zaraina: “Fanontaniana vitsivitsy handrefesana ny fahamarinan’ny fampahalalana vaovao”

Hamoaka printy