Seminera
Matio 3:13–17, Tapany 1


Matio 3:13–17, Tapany 1

Nataon’i Jaona Mpanao Batisa batisa i Jesoa

Sary
Jesus Christ being baptized by John the Baptist in the River Jordan. Christ has been immersed and is ascending out of the water.

Nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa Kristy mba hataony batisa. Ity lesona ity dia hanampy anao hahafantatra sy hahazo ny maha zava-dehibe ny batisa ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fampiasana ny Bokin’i Môrmôna mba hanazavana ny fahamarinana. Ampio ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny fotopampianarana manan-danja ampianarina ao amin’ny Baiboly amin’ny alalan’ny fampiasana ny Bokin’i Môrmôna mba hanamafisana sy hanazavana ny fahamarinana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanomana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny fomba hanazavan’izy ireo ny maha zava-dehibe ny batisa amin’ireo olona tiany izay tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny maha-zava-dehibe ny batisa

Saintsaino ireo olona tianao izay tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Alaivo sary an-tsaina hoe mihaona amin’ny misiônera ny iray amin’izy ireo. Inona no mety ho tsapanao? Alaivo sary an-tsaina hoe mangataka anao ny misiônera mba hanazava mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana batisa. Saintsaino izay mety holazainao ka afaka manampy ireo olona tianao ireo mba handalo io dingana lehibe io.

  • Raha refesina amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 (1 = tsy niomana; 10 = niomana fatratra), dia hatraiza no fahatsapanao ny fahavononanao hanazava ny maha-zava-dehibe ny batisa amin’ny fomba izay hahatonga ireo olona tianao hanana hetaheta hatao batisa?

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hamaly ity fanontaniana ity amin’ny alalan’ny fananganany ny tanany ary maneho amin’ny rantsan-tanany ny isa izay maneho ny valinteniny.

  • Inona no tianao ho fantatra kokoa mikasika ny batisa mba hahatsapanao ho tsara omana kokoa hanazava ny maha-zava-dehibe izany?

Raiso an-tsoratra ny lafiny amin’ny batisa izay tian’ny mpianatra ho fantarina bebe kokoa. Rehefa mampianatra dia ezaho ny hanamafy izay mety ho fitaovana enti-mampianatra ao amin’ny lesona izay hanampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ananany.

Amin’ny lesona izay hatao anio dia hanana tombony ianao hianatra ny fotopampianarana momba ny batisa sy hamaly ireo fanontaniana samihafa mikasika izany lohahevitra izany. Hanana fotoana ihany koa ianao hanazavana izay zavatra nianaranao.

Natao batisa i Jesoa Kristy mba hampisehoana antsika ny lalana

Azonao atao ny mampiseho ny sarintany 11, “ Ny tany masina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao ,”ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina, na asao ny mpianatra hijery izany ao amin’ny Soratra Masiny.

Sary
Map 11 - The Holy Land in New Testament Times

Nandeha an-tongotra i Jesoa avy tany Galilia ho any Betabara, mba hataon’i Jaona batisa (jereo ny Matio 3:13 ; Jaona 1:28 ; 1 Nefia 10:9). Nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana Aharona i Jaona ary nanao batisa ny olona tao amin’ny reniranon’i Jordana (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Jaona Mpanao Batisa ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ampiasao ny iray amin’ireo maridrefy eo amin’ny sarintany hanombanana ny halaviran’ny dia nataon’ny Mpamonjy.

  • Inona no mety ampianarin’ny Mpamonjy anao momba Azy sy ny batisa teo amin’ny ezaka nataony mba hataon’i Jaona batisa?

Vakio ny Matio 3:13–17 , ary alaivo sary an-tsaina hoe nanatrika ny fanaovana batisa ny Mpamonjy ianao. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja momba ny Mpamonjy sy ny batisa izay tianao hotadidiana.

  • Raha nanatrika ny nanaovana batisa ny Mpamonjy ianao, inona no tianao hotadidiana avy amin’izany?

  • Inona ny zavatra mba heverinao ho nianaranao mikasika ny Mpamonjy sy ny batisa?

Ny sasany amin’ireo fahamarinana izay hitan’ny mpianatra dia mety hiompana indrindra amin’ Ny Andriamanitra. Raha toa ny “Matio 3:13–17, Fizarana faha 2” no ho lesona ampianarina manaraka dia ampahafantaro ny mpianatra fa horesahana bebe kokoa amin’ny antsipiriany ny momba Ny Andriamanitra.

Saintsaino izay azonao zaraina amin’ny namanao na ny fianakavianao ka mety hanampy azy ireo mikasika ny batisan’i Jesoa Kristy.

Mety hanampy ihany koa ny mihevitra ireo fanontaniana mety hananan’ireo namanao na fianakavianao mikasika ny batisa. Ny sasany amin’ireo fanontanian’izy ireo dia azo valiana ao amin’ny Matio 3 . Ankoatra izany, ny Bokin’i Môrmôna dia loharanom-pitaovana nentanim-panahy izay manazava fahamarinana maro mikasika ny batisa. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia ohatra amin’ireo fanontaniana mety hapetrak’ireo olona tsy mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny batisa. Safidio izay fanontaniana heverinao fa mety hapetraky ny namanao na ny fianakavianao. Hianaro avy ireo andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary jereo ny fomba hanampian’izany anao hamaly ilay fanontaniana.

Hevero ny hanoratana ireto fanontaniana sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe.

  • Na dia natao batisa aza i Jesoa Kristy dia tokony hatao batisa koa ve aho? Nahoana? Ary raha tsia dia nahoana? (Jereo ny ny 2 Nefia 9:21, 23–24 ; 2 Nefia 31:5, 10–11 .)

  • Nahoana aho no maniry hatao batisa? Inona avy ireo fitahiana izay horaisiko? (Jereo ny 2 Nefia 31:12–13, 17–18 .)

  • Nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa mba hatao batisa. Iza no afaka manao batisa ahy? (Jereo ny 3 Nefia 11:19–22 .)

  • Natao batisa tao amin’ny reniranon’i Jordana i Jesoa ary nivoaka avy ao anaty rano. Ilaiko ihany koa ve ny miroboka tanteraka anaty rano, sa misy fomba hafa azo hanaovana batisa ahy? (Jereo ny 2 Nefia 31:13 ; 3 Nefia 11:23–26 .)

  • Raha natao batisa aho mba hanadiovana ny otako, nahoana i Jesoa no natao batisa? Angaha moa Izy tsy hoe tsy nanam-pahotana? (Jereo ny 2 Nefia 31:5-11 .)

Ampiasao izay nianaranao tao amin’ny Matio 3:13-17 sy ny Bokin’i Môrmôna, raiso an-tsoratra ny fomba hanazavanao amin’ny fianakavianao na ny namanao ny maha-zava-dehibe ny batisa.

Rehefa vita ny fandalinan’ny mpianatra dia asaivo mizara tsirairay mikasika ny fomba hanazavany ny maha-zava-dehibe ny batisa amin’ny namany na ny fianakaviany izy ireo.

Raha mahatsiaro entanim-panahy ianao dia hevero ny hizara ny fanazavanao amin’ny namanao na ny fianakavianao izay mbola tsy natao batisa ho lasa mpikambana ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny fizarana amin’ireo olona efa natao batisa dia mety ho sahanasa manan-danja azo atao ihany koa.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Matio 3:13 . Nahoana i Jesoa no nanatona an’i Jaona mba ho atao batisa?

Nanazava ny fahefana nananan’i Jaona Mpanao Batisa i Joseph Smith rehefa nilaza hoe:

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

I Jaona irery ihany tamin’izany fotoana izany no hany mpiandraikitra ara-dalana tao amin’ny raharahan’ny fanjakana izay nisy teto an-tany, sy hany nihazona ny fanalahidin’ny hery. Ireo Jiosy dia tsy maintsy nankatò ny fampianarany raha tsy izay dia nohelohin’ny lalàn’izy ireo. … Ny zanak’i Zakaria dia nitolona haka ny fanalahidy, sy ny fanjakana, sy ny hery, ary ny voninahitra avy tamin’ny Jiosy, tamin’ny alalan’ilay fanosorana sy didy avy any an-danitra.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 81–82; jereo ihany koa ny Fotompampianarana sy fanekempihavanana 84:23–28)

Ahoana no ahafantarantsika fa ilaina ny batisa?

Ny Mpamonjy dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny batisa rehefa nilaza tamin’i Nikodemosy fa ilaina izany mba hidirana amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 3:5). Nampianatra ihany koa ny Mpaminany Joseph Smith fa zava-dehibe ho an’ny famonjena ny batisa:

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

Mibebaha ny amin’ny fahotanao rehetra ary aoka ho atao batisa amin’ny rano ho famelana izany, amin’ny anaran’ny Ray, sy ny an’ny Zanaka, ary ny an’ny Fanahy Masina, ary raiso ny ordonansin’ny fametrahan-tànana avy amin’izay voatendry sy voaisy tombo-kase amin’ity fahefana ity, mba hahazoanareo mandray ny Fanahy Masin’ Andriamanitra; ary izany dia mifanaraka amin’ny Soratra Masina, sy ny Bokin’i Môrmôna; ary hany fomba tokana ahafahan’ny olona miditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 154)

Ahoana no hanazavan’ny Bokin’i Môrmôna ny fotopampianarana mikasika ny batisa hampianarina ao amin’ny Baiboly?

Nampianatra ny Loholona Tad R.Callister tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Brother Tad R. Callister, Sunday school General President. Official Portrait 2018.

Averina indray fa ny Bokin’ i Môrmôna dia toy ny vavolombelona mitondra fanamafisana sy fanazavana ary fampiraisana mikasika ireo fotopampianarana ampianarina ao amin’ ny Baiboly mba ho “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa.” …

Misy fomba fanaovana batisa maro eto amin’ izao tontolo izao ankehitriny na dia lazain’ ny Baiboly amintsika aza ny fomba nanaovana batisa ny Mpamonjy, Ilay Ohatra lehibe ho antsika: “Dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy” ( Matio 3:16). Moa ve Izy afaka nivoaka avy tao anaty rano raha tsy nidina tao anaty rano aloha? Mba hisorohana ny tsy fitovian-kevitra mikasika izany lohahevitra izany dia hazavain’ ny Bokin’ i Môrmôna amin’ ny alalan’ ity fanambarana tonga dia mahitsy mikasika ny fotopampiarana ity ny tena fomba hanaovana batisa: “Ary amin’ izany ianareo dia hanitrika azy ao anaty rano” ( 3 Nefia 11:26).

(Tad R. Callister, “Ny Bokin’i Môrmôna—Boky iray avy amin’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, nôvambra. 2011, 75–76)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa hanombohana ny lesona

Safidy 1Azonao atao ny mamorona piozila ho vitain’ny mpianatra amin’ny taratasy na amin’ny solaitrabe ka tsy misy afa-tsy vahaolana tokana. Afaka misaintsaina ny lesona ara-panahy voaray tamin’io sahanasa io ireo mpianatra. Inona no maha-zava-dehibe ny tsy fananana afa-tsy fomba tokana hamitana ilay piozila? Ampiasao ny fampahafantarana ao amin’ny fizarana manaraka mba hampidirana ny lohahevitra mikasika ny batisa ho toy ny ampahany manan-danja amin’ny fomba hiverenana any amin’ilay fonenantsika any an-danitra.Na dia samy hafa avokoa aza ny toe-javatra misy eo amin’ny fiainantsika, tokana ihany no lalana hiverenana any amin’ny Raintsika any An-danitra, ary tanteraka izany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika (jereo ny Jaona 14:6 ; Môzià 3:9, 17). Amin’ny alalan’ny ohatra nasehony sy ny fampianarany no nampisehoan’i Jesoa Kristy fa ampahany manan-danja amin’ny diantsika ny ôrdônansin’ny batisa (jereo ny Jaona 3:5 ; Fotopampianarana sy Fanekem-pihavanana 76:50–55).

Safidy 2Soraty ny teny hoe Batisa eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hanoratra ireo fanontaniana mikasika ny batisa ka manomboka amin’ireto teny ireto: Iza, na Inona, na Rahoviana, na Aiza, na Nahoana, na Ahoana. Asao ny mpianatra hikaroka ny valin’ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina mikasika ny batisan’i Jesoa Kristy.

Ampiasao ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Mormôna mba hampianarana mikasika ny batisa

Hevero ny hanasana ny mpianatra hampiasa ny tenin’ny Mpamonjy hanazavana mahakasika ny ôrdônansin’ny batisa. Azo atao ny mangataka ireo mpianatra hitady ao ain’ny Bokin’i Môrmôna ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy momba ny batisa. Azo ampiasaina ireto andinin-tsoratra Masina ireto: 3 Nefia 11:21–28 ; 3 Nefia 27:20 .

Ampiasao ny fotopampianarana sy ireo toetoetran’i Jesoa Kristy mba hahatakarana ny batisa

Asehoy ny mpianatra ireto tranga ireto ary avelao izy ireo hisafidy olona iray manana olana mikasika ny batisa ka azony vahana.

Naniry hatao batisa i Noelle saingy tsy misy olona ao amin’ny fianakaviany mihazona ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka.

Naniry hatao batisa i Makai saingy natahotra hiroboka anaty rano. Nanam-pahavononana hiroboka anaty rano izy raha toa ka tsy lena ny lohany.

Nasain’ireo misiônera hatao batisa i Mason. Tsy takany ny maha-zava-dehibe ny batisa.

Naniry hahafantatra ny antony hanaovan’ny olona batisa i Nicole. Inona ny soa entin’izany?

Afaka miasa irery ny mpianatra na miara-mandalina amin’ny olona vitsivitsy ny Matio 3:13–17 ; 2 Nefia 31:5–12, 17–18 ; sy ny 3 Nefia 11:19–22 , ka mitady ireo fahamarinana izay mety hanampy ilay olona ao amin’ireo tranga ireo.

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny valinteniny amin’ireo tranga ireo.

Hamoaka printy