Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3


Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Sary
Young man with brace on wrist, doing family history work on a laptop computer. (horiz)

Isan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo foto-kevitra mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana amin’ny alalan’ireo loharano nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe aiza raha ny mahazatra no toerana hitadiavan’izy ireo fampahalalana rehefa manana fanontaniana mikasika an’ Andriamanitra na ny Fiangonana izy ireo. Asao izy ireo hisaintsaina ny hevitr’ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Mendrika valinteny ara-panahy avy amin’ Andriamanitra ireo fanontaniana ara-panahy” (“Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 28, 30).

Sahanasa fianarana azo atao

Aiza no hitadiavanao ny valiny?

Raha toa ka tsy misy ao an-dakilasy ireo loharanom-pitaovana hitadiavana ireto fampahalalana manaraka ireto dia anontanio ny mpianatra hoe aiza izy ireo amin’ny ankamaroan’ny fotoana no mitady ireo fampahalalana ireo. Fomba hafa iray azo atao ny mampitady an’ireo mpianatra ireo ampaham-pahalalana manan-danja na mahaliana kokoa.

  • Ny toetr’andro amin’ny faran’ny herinandro

  • Ny anaran’ny renivohitr’i Groenland

  • Fomba iray fahandroana paty na vary

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo loharanom-pahalalana nampiasainao (na ho ampiasainao raha ny mahazatra) mba hitadiavana ilay fampahalalana?

  • Nahoana ianao no matoky ireo loharanom-pahalalana ireo mba hamaliana ireo karazana fanontaniana ireo?

Aiza no ahitantsika valiny avy amin’ Andriamanitra?

  • Aiza no toerana asainao hitadiavan’ny olona ny valin’ireo fanontaniana manan-danja mikasika an’ Andriamanitra, na ny Fiangonana na ny drafitry ny famonjena?

Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” ny valintenin’ny mpianatra. Hevero ny hampiditra zavatra fanampiny ao amin’ity lisitra ity mandritra ny lesona rehefa mianatra mikasika ireo loharanom-pahamarinana fanampiny avy amin’ Andriamanitra ny mpianatra.

Eritrereto izay mety ho fanontaniana anananao mikasika an’ Andriamanitra, na ny Fiangonana, na ny drafitry ny famonjena. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fampahalalana izay efa novakinao na henonao ka nampametra-panontaniana anao na nanahirana anao. Katsaho ny Fanahy Masina mba hitarika anao mandritra ny fianaranao ireo fitsipika izay mety ho afaka hanampy anao ao anatin’ity lesona ity.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto hahitana ny fomba ahafahan’ireo loharanom-pahamarinana ampianariny ato amin’ity andinin-tsoratra masina ity mitahy antsika.

Afaka miasa tsiroaroa ny mpianatra, ka mandritra izany dia hamaky ny roa amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny mpianatra tsirairay ary hizara amin’ny namany ny zavatra hitany.

Eo am-pamalian’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto dia ampidiro anaty lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

  • Inona no loharanom-pahamarinana hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana isika no afaka matoky tanteraka ireo loharanom-pahalalana ireo?

  • Aiza no mety hitadiavan’ny olona maro fampahalalana momba ireo fanontaniana ara-panahy ka hampitandremanao azy ireo? Nahoana?

Ahoana raha toa ka tsy azoko antoka fa azo itokisana ny loharanompahalalana iray?

Hevero ny hanontany ny hevitra homen’ny mpianatra ny olona iray izay mampiasa internet mba hitadiavana valiny ho an’ireo fanontaniana ara-panahy manan-danja. Fantaro avy amin’ny valintenin’izy ireo raha toa ka hanampy olona ny fizarana ny sasany amin’ireo fampahalalana ato amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity na izy rehetra.

Isan’ireo fomba fampiasan’ny besinimaro hitadiavana fampahalalana amin’izao fotoana izao ny fampiasana internet. Afaka mahazo loharanom-pahalalana tsara maro be isika amin’ny alalan’ny internet. Mifanindran-dalana amin’izany, ny internet koa dia mahatonga antsika hahita loharanom-pahalalana tsy azo antoka sy tsy marina. Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina fa:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Tsy misy sivana hanesorana ireo fampahalalana tsy marina ao amin’ny Internet. Ny fampahalalana sasany, na dia mandresy lahatra toy ny ahoana aza, dia tsy marina tsotra izao.

(Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona,, nôv. 2014, 29)

Vakio ny andiam-pehezan-teny faha-12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Asio marika ny antony maharatsy ny fitadiavana valinteny mikasika ny fanontaniana ara-panahy avy amin’ny loharanom-pahalalana tsy fantatra na tsy azo itokisana.

Rehefa mahita fampahalalana momba an’ Andriamanitra, ny Fiangonana, na ny drafitry ny famonjena ianao, dia mety hanampy anao ny mametra-panontaniana tahaka ireto fanontaniana manaraka ireto mikasika ilay loharanom-pahalalana. Rehefa mamaky ireto fanontaniana ireto ianao dia tadiavo izay heverinao fa tena afaka manampy rehefa hanapa-kevitra ianao ny hatoky na tsia ny loharanom-pahalalana iray. (Azonao atao ihany koa ny mandalina ny andinin-tsoratra masina tsirairay miaraka amin’izany.)

Omeo ny mpianatra amin’ny taratasy zaraina ireto fanontaniana manaraka ireto. Amporisiho ny mpianatra hametraka ity taratasy zaraina ity amin’ny toerana mora hakany azy mba hahafahany mampiasa izany amin’ny ho avy.

Fanontaniana vitsivitsy handrefesana ny fahamarinan’ny fampahalalana vaovao

  • Inona no tsapako avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mamaky na maheno io fampahalalana io aho? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–24 .)

  • Mitondra ahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany ve io fampahalalana io? (Jereo ny Môrônia 7:15–17 .)

  • Mamporisika ahy hitandrina ny didin’ Andriamanitra ve io fampahalalana io?

  • Mifanaraka amin’izay ampianarin’ny soratra masina sy ny mpaminany maoderina ve izany? (Jereo ny 2 Timoty 3:15–17 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38 .)

  • Manamafy ny zavatra efa tsapako fa nolazain’ny Fanahy Masina tamiko hoe marina ve izany, sa mamporisika ahy hiahiahy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara? (Jereo ny Môrônia 10:5 .)

  • Avy amina loharano izay raisin’ny Mpamonjy na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho azo itokisana ve izany fampahalalana izany?

  • Inona no mety holazain’ny ray aman-dreniko na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ity fampahalalana ity? (Raha alaim-panahy aho hanafina izany amin’izy ireo dia inona no ambaran’izany amiko mikasika ny loharano nipoiran’ilay fampahalalana?)

Sary
Evaluation questions for new information.
  • Inona amin’ireo fanontaniana ireo no heverinao fa hanampy anao indrindra? Nahoana?

  • Inona avy ireo fanontaniana hafa izay heverinao fa tokony hapetraky ny olona mikasika ny fampahalalana izay hitany?

Amin’ity sahanasa manaraka ity dia afaka miasa tsirairay na ao anatina vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asao ny maromaro amin’izy ireo hizara izay hitany sady hampiseho amin’ny antsipiriany ihany koa ny fomba nahitany ilay fampahalalana azo antoka.

Raha mbola misy ny fotoana dia sahanasa iray azo atao koa ny mampiseho ilay horonan-tsary “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra”, izay aroso ao amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho” ao amin’ny lesona. Ity horonan-tsary ity dia maneho ny zavatra tena niainan’ny zatovo nikatsaka ny valinteny mahakasika an’ Andriamanitra sy ny Fiangonana.

Misafidiana fampahalalana iray efa henonao na fanontaniana anananao momba an’ Andriamanitra, na ny Fiangonana, na ny drafitry ny famonjena. Avy eo dia manokana minitra vitsy hanaovana fampiharana hitadiavana valinteny amin’ny alalan’ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Isan’ny azonao atao ao anatin’ireo zavatra maro ny

  • mivavaka;

  • mamakafaka ny soratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ny Torolalana ho an’ny soratra masina, na ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana;

  • mamakafaka ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na ny application Bibliothèque de l’Évangile;

  • mamaky ireo fizarana mifandray amin’ny zavatra tadiavina ao amin’ireo bokin’ny Fiangonana tahaka nyJeunes, soyez forts!(bokikely, 2011).

  • mifandray amin’ny olona fantatrao sy atokisana, tahaka ny ray aman-dreny, na ny eveka, na ny mpitarika ny zatovo ao amin’ny paroasy na ny sampana misy anao, na ny mpampianatra seminera, mba hanampy anao hitady valiny.

Mety ho fotoana sahaza hanombohan’ny mpianatra ny fianarany ihany no ananany mandritra ny fotoam-pianarana ao an-dakilasy. Raha izay no izy dia amporisiho izy ireo hanohy ny fianarany any ivelan’ny kilasy.

  • Inona no nianaranao nandritra ity lesona ity izay hanampy anao rehefa mahita fampahalalana vaovao mikasika an’ Andriamanitra na ny Fiangonana ianao?

  • Araka ny hevitrao dia nahoana no zava-dehibe amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo loharanom-pahalalana hitadiavanao valinteny sy fampahalalana?

Hevero ny hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitiavana nasehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny nanomezany antsika loharanom-pahamarinana masina.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Inona no tokony hataoko raha tsy mahita ny valin’ny fanontaniana iray amin’ny alalan’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra?

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Tsy ho avy eo no ho eo avokoa ny valiny rehetra, saingy ny ankamaroan’ny fanontaniana dia afaka ho voavaly amin’ny alalan’ny fandalinana amin-kitsimpo sy fikatsahana valiny avy amin’ Andriamanitra. …

Ny finoana dia tsy mangataka velively ny hahazo valiny ho an’ny fanontaniana rehetra fa mikatsaka ny antoka sy ny herimpo mba hirosoana hatrany, sady manaiky indraindray hoe: “Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra aho, saingy ampy ny zavatra fantatro mba hanohizako ny lalana maha-mpianatry ny Tompo.”

Ny mamela ny tena ho feno fisalasalana, fahanan’ny valinteny avy amin’ny kely finoana sy ny tsy mpino, dia mampalemy ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny.

(Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona,nôv. 2015, 66)

Nahoana aho no tokony hitandrina amin’ny fikatsahana valinteny mikasika ny Fiangonana avy amin’ireo izay niala tao?

Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niteny hoe:

Sary
Last official portrait of Elder Neal A. Maxwell, 1992.

Ny olona sasany dia misisika mamantatra ny Fiangonana amin’ny fomba fijerin’ireo olona niala tao fotsiny, toy ny hoe mametra-panontaniana amin’i Jodasy mba hahatakarana ny momba an’i Jesoa. Ny momba ny tenan’izy ireo manokana foana no resahan’ireo olona niala tao amin’ny Fiangonana ireo bebe kokoa amintsika fa tsy izay antony nialan’izy ireo.

(Neal A. Maxwell, “All Hell Is Moved” [fampaherezam-panahy natao tao amin’ny Brigham Young University, 8 nôv. 1977], 3, speeches.byu.edu)

Inona no mety ho fiantraikan’ireo loharanom-pahalalana safidiako ireo eo amin’ny fiainam-panahiko?

Jereo ny horonan-tsary “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” (9:16), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Jereo ny fiantraikan’ny safidy nataon’ireo zatovo ao amin’ny horonan-tsary teo amin’ny tenan’izy ireo avy amin’ny fisafidianany izay olona hohenoiny sy ny toerana nofidiany hitadiavana valiny.

Sahanasa fianarana fanampiny

Lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana

Hevero ny hampiseho ny andian-teny hoe “Ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra” eo amin’ny lafy iray ao amin’ny efitrano ary ny hoe “Ny lainga avy amin’i Satana” eo amin’ny lafy iray hafa ao amin’ny efitrano.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa ireo loharanom-pahalalana rehetra eto an-tany (ao anatin’izany ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra sy ireo loharanom-pahalalana toy ny boky, zavatra avoaka ao amin’ny tambazotra ifaneraserana, hevitr’olona, fikarohana, lahatsoratra vaovao, sns) dia asehon’ireo banga eo anelanelan’ireto fehezan-teny roa ireto. Hazavao fa raha toa ka manome fahamarinana bebe kokoa avy amin’ Andriamanitra mihoatra ny loharanom-pahalalana iray hafa ny loharanom-pahalalana iray, dia tokony hapetraka akaiky kokoa an’ilay andian-teny hoe “Fahamarinana avy amin’ Andriamanitra” izany raha ampitahaina amin’ilay iray hafa. Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo loharanom-pahamarinana tokony hapetraka akaiky indrindra an’ilay andian-teny hoe “Fahamarinana avy amin’ Andriamanitra”?

  • Inona ireo loharanom-pahalalana sarotra hapetraka eo akaikin’ny tsirairay avy amin’ireo andian-teny ireo satria sady misy fahamarinana no misy fahadisoana ao anatin’izy ireo?

Hamoaka printy