Matio 3:13–17, Tapany 2
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia samy teo avokoa tamin’ny Batisan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa momba ny mpikambana tsirairay ao amin’Ny Andriamanitra, izay afaka miantraika amin’ny safidy ataonao eo amin’ny fiainana.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no manampy ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany hahay hiatrika zava-tsarotra?
Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Toy izao no lohatenin-dahatsoratra iray tao amin’ny [gazety iray]: “Hitan’ny fikarohana fa tena matanjaka raha oharina amin’ireo mitovy taona aminy ny zatovo Môrmôna amin’ny fiatrehana ny rarin-tsain’ny fialana sakana.” Nofaranan’ilay lahatsoratra fa hoe “Ny Môrmôna no mahomby indrindra amin’ny fanalavirana ny fihetsika mampidi-doza, amin’ny fianarana tsara any an-tsekoly ary amin’ny fananana fanantenana ny amin’ny hoavy.” Ny iray tamin’ireo mpikaroka tao amin’ilay fanadihadiana izay nanadihady ny maro tamin’ireo tanorantsika dia nilaza hoe “Saika ny sokajy rehetra nanaovanay fanadihadiana no nahitanay ilay endri-javatra mazava hoe: ny Môrmôna no laharana voalohany.”
(Dallin H. Oaks, “Ray aman-dreny sy zanaka,” Liahona, nôv. 2018, 62)
-
Araka ny eritreritrao, inona no antony mahatonga ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany maro mahavita miatrika tsara ireo zava-tsarotra?
Eritrereto ireo zavatra niainanao manokana.
-
Hatraiza no hieveranao fa ahafahan’ilay famariparitana ireo zatovo nohadihadiana ireo mamariparitra anao ihany koa?
-
Mamaritra ahy tsara izany.
-
Misy mamaritra ahy ihany izany.
-
Tsy mamaritra ahy velively izany.
Dia notohizan’ny Filoha Oaks avy eo tamin’ny filazana fa ny antony iray tsapany fa mahatonga ny zatovo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany vonona tsara hiatrika zava-tsarotra dia ny fahatakarany ny drafitry ny famonjena sy ny fahalalany ny fifandraisany amin’ Andriamanitra (jereo ny “Ray aman-dreny sy zanaka,” 62). Tamin’ny fotoana iray hafa dia nampianatra izy hoe:
Noho ny fananantsika ny fahamarinana momba Ny Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin’ Izy Ireo, momba ny tanjon’ny fiainana, ary ny endriky ny hiafarantsika mandrakizay, dia manana ny sori-dalana sy ny antoka tsara indrindra isika amin’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany.
(Dallin H. Oaks, “Ny Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena,” Liahona, mey 2017, 103)
-
Araka ny hevitrao, inona no antony mahatonga ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo hanampy ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany hanalavitra ireo fihetsika mampidi-doza sy hahay tsara any an-tsekoly ary hanana fanantenana ny amin’ny hoavy?
-
Eo anivon’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany, inona avy ireo sakana amin’ny fahafantarana ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina?
Makà fotoana fohy hieritreretanao ny zavatra fantatrao sy ny fahazoanao ny anjara asan’Ny Andriamanitra sy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy anao. Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hianatra bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ianao ary afaka handinika ny fomba ahafahan’ny fianaranao momba Azy ireo hanampy anao eo amin’ny fiainanao.
Ny soratra masina dia mampianatra momba Ny Andriamanitra
Zarao tsanganana telo ny taratasy iray ary soraty eny amin’ny tampon’ilay tsanganana voalohany ny hoe “Ray any An-danitra,”ny tsanganana faharoa hoe “Jesoa Kristy,”ary ny tsanganana fahatelo hoe “Ny Fanahy Masina.”Manorata zavatra iray na roa fantatrao mikasika ireo mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra ao amin’ny tsanganana sahaza izany. Asio fanazavana fohy mikasika ny fomba nahaizanao ireo fahamarinana tsirairay na ny antony hinoanao izany. Mandritra ny lesona, fenoy amin’ny alalan’ireo fahalalana voarainao mikasika ny mpikambana tsirairay amin’Ny Andriamanitra ireo tsanganana ireo.
Toerana iray ao amin’ny soratra masina izay ahafahantsika mianatra bebe kokoa momba Ny Andriamanitra ny fotoana nanaovan’i Jaona Mpanao Batisa batisa an’i Jesoa Kristy.
Mamakia mikasika ny batisan’i Jesoa Kristy ao amin’ny iray na ny maromaro amin’ireto tantara voarakitra ao amin’ny Filazantsara manaraka ireto, sady mitady izay zavatra azonao ianarana mikasika ny mpikambana tsirairay ao amin’Ny Andriamanitra:
-
Inona no zavatra nianaranao mikasika ny mpikambana tsirairay amin’Ny Andriamanitra?
Ireo soratra masina ireo dia hanampy antsika hahatakatra fa ireo mpikambana tsirairay amin’Ny Andriamanitra dia olona samy hafa ary manatanteraka anjara asa lehibe amin’ny fiainantsika. Ohatra, ny Mpamonjy dia nanome ohatra ho antsika ny amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray. Rehefa faly tamin’ny nanaovana Batisa an’i Jesoa Kristy Andriamanitra dia nasehony fa Izy dia Ray any An-danitra be fitiavana izay faly rehefa mankatò Azy isika.
-
Oviana ianao no nahatsapa fa faly taminao Andriamanitra noho ny zavatra izay nataonao? Inona no fiantraikany tsapanao teo aminao rehefa fantatrao fa faly taminao Izy?
Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) fa ny Fanahy Masina dia tsy niseho tamin’ny endrika voromailala. Fa ilay voromailala kosa dia nidika fa teo ny Fanahy Masina. I Joseph Smith dia nampianatra fa “Ny Fanahy Masina dia tsy afaka miova ho voromailala; fa ny famantaran’ny voromailala kosa dia nomena an’i Jaona mba hanehoana ny fahamarinan’ny zavatra nataony” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 81).
-
Oviana no nijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana taminao ny Fanahy Masina?
-
Inona no fanontaniana anananao momba Ny Andriamanitra?
Mifidiana iray na maromaro amin’ireto safidy ireto mba hanampiana anao hahazo ny valin’ireo fanontaniana anananao momba Ny Andriamanitra. Rehefa manao fandalinana ianao dia tadiavo ihany koa ireo fomba hitondran’ny fahatakaranao momba Ny Andriamanitra fitahiana manokana ho anao.
-
Mitadiava hevitra fanampiny ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny mijery ny hoe “ Andriamanitra, Ny Andriamanitra ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.
-
Halalino ireo fampianarana avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly momba Ny Andriamanitra. Ohatra, azonao atao ny mamaky ny lahatenin’i Dallin H. Oaks hoe “Ny Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena” (Liahona, mey 2017, 100–103) na ny an’i Jeffrey R. Holland hoe “Knowing the Godhead” (Ensign na Liahona, Jan. 2016, 32–39).
-
Inona no soratra masina na fampianarana izay nanampy anao hahafantatra bebe kokoa momba Ny Andriamanitra? Inona no nianaranao?
-
Ahoana no hitahian’izany fahalalana izany ny fifandraisanao amin’Izy ireo?
Alaivo sary antsaina hoe hatao fanadihadiana entina hamoahana lahatsoratra iray manohy ilay resaka natao tany am-piandohan’ny lesona ianao. Maro ny olona nanoratra tany amin’io mpanonta gazety io ary maniry ny hahafantatra ireo antony mahatonga ny tanora Olomasin’ny Andro Farany mahay miatrika tsara kokoa ny fahatanorana. Manana fahafahana ianao hanome fanazavana momba ny fomba nahafahan’ny mpikambana tsirairay ao amin’Ny Andriamanitra nanampy anao tamin’ny alalan’ny anjara asa manokana sahaniny avy kanefa mifandray. Ohatra, ianao dia mety efa niaina zavatra toy ny hoe namaly ny vavakao ny Ray any An-danitra, na i Jesoa Kristy nijaly noho ny fahotanao, na ny Fanahy Masina manamafy ny fahamarinana taminao. Volavolao ny valinteninao amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Ahoana no fomba hanampian’ny mpikambana tsirairay ao amin’Ny Andriamanitra anao amin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra amin’ny fiainan’ny tanora?
-
Inona avy ireo zava-nitranga nanampy anao hahatakatra sy hahafantatra ireo mpikambana samihafa ao amin’Ny Andriamanitra?
-
Inona no torohevitra omenao momba ny tokony hataon’ny hafa mba handraisan’izy ireo ny fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina?
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Nahoana ny soratra masina no milaza fa Ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina dia “iray” ihany raha toa ka olona telo miavaka tsara izy ireo?
Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Mino isika fa ireo olona masina telo ireo izay mandrafitra ny hoe ny Andriamanitra tokana dia iray eo amin’ny tanjony sy ny fomba fiasany, sy ny fijoroany ho vavolombelona ary eo amin’ny iraka tanterahiny. Mino isika fa Izy Ireo dia samy henik’ilay toetra araka an’ Andriamanitra feno famindram-po sy fitiavana, fahamarinana sy fahasoavana, sy faharetana, sy famelan-keloka ary fanavotana. Mihevitra aho fa mety tsara ny hilazana hoe mino isika fa iray Izy Ireo eo amin’ny lafiny manan-danja sy mandrakizay rehetra azo heverina afa-tsy ny finoana Azy Ireo ho olona telo mitambatra ho iray, hevitra iray araka ny Trinite izay tsy mbola voalaza mihitsy ao amin’ny soratra masina satria tsy marina. …
Manambara izahay fa mibaribary avy amin’ny soratra masina fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia olona miavaka, olon’ny lanitra telo, ka manamarika ireo fanehoana tsy azo ihodivirana toy ilay Vavaka lehibe Fanalalanana nataon’ny Mpamonjy [jereo ny Jaona 17 ] … , ny Batisany tamin’ny alalan’ny tanan’i Jaona [jereo ny Matio 3:13–17 ; Marka 1:9–11 ; Lioka 3:21–22 ], ny zava-nitranga teny amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy [jereo ny Marka 9:7 ; Lioka 9:35 ], ary ny martioran’i Stefana [jereo ny Asa 7:55–56 ]—raha tsy hilaza afa-tsy efatra.
(Jeffrey R. Holland, “The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 40–41)
Matio 3:16 . Niseho tamin’ny endriky ny voromailala ve ny Fanahy Masina?
Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe:
Ny famantaran’ny voromailala dia napetraka talohan’ny naharian’izao tontolo izao, ho vavolombelona momba ny Fanahy Masina, ary ny devoly dia tsy afaka tonga amin’ny alalan’ny famantaran’ny voromailala. Ny Fanahy Masina dia olona, ary miendrika manana endrik’ olona. Tsy mitoetra amin’ny endriky ny voromailala Izy, fa ao amin’ny famantaran’ ny voromailala. Ny Fanahy Masina dia tsy afaka miova ho voromailala; fa ny famantaran’ny voromailala kosa dia nomena an’i Jaona mba hanehoana ny fahamarinan’ny zavatra nataony, amin’ny maha-tandidon’ny fahamarinana sy ny tsy fananan-tsiny ny voromailala.
(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 81)