Seminera
Jaona 1:1–16


Jaona 1:1–16

“Ary ny Teny dia tonga nofo”

Sary
One oil on wood panel painting of the creation of the earth and the heavens. a large red orb is at left with Christ in white robes at left. His robes and hair are billowing around him as though in a great wind. He is barefoot and has both hands stretched out toward the orb.

Ny Apôstôly Jaona dia nanoratra ny filazantsarany mba hanampy antsika hino fa i Jesoa no Kristy (Jereo ny Jaona 20:30–31). I Jaona dia nampianatra fa i Jesoa Kristy dia nandao ny fonenany tany an-danitra mba honina ety an-tany ary ho tonga Mpanavotra antsika. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatakatra ny momba an’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany teto an-tany sy hankasitraka ny fitiavana nasehony tamin’ny alalan’ny fanatanterahany ny asany teto an-tany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Ampirisiho izy ireo mba hitady andinin-tsoratra masina izay manoritsoritra ny momba Azy talohan’ny nahaterahany teto an-tany.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no lanjan’izany?

Asehoy ity sary manaraka ity na mitondrà ao an-dakilasy baolina iray fampiasa amin’ny lalao ara-panatanjahantena malaza ary apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto. Azo atao ny mampiasa zavatra hafa raha toa ka ny fahafantarana bebe kokoa izany zavatra izany dia hahatonga ireo mpianatra hahatsapa fa manan-danja mihoatra noho ny fiheverany azy tany am-piandohana ilay zavatra.

Sary
soccer ball
  • Araka ny hevitrao, ohatrinona ny vidin’ity baolina ity?

  • Ahoana raha toa ka nampiasaina tamin’ny lalao fifaninanana iraisam-pirenena ity baolina ity na nosoniavin’ny mpilalao malaza iray?

Ny fahafantarana ny tantaran’ny zavatra iray dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny lanjany. Marina ihany koa izany amin’ny olona.

Mialoha ny hametrahana ny fanontaniana manaraka dia afaka mampiseho sarin’i Jesoa Kristy ianao, ohatra ilay sary any am-piandohan’ity lesona ity.

  • Ahoana no mety hahatonga ny fahatakaranao ny mombamomba an’i Jesoa talohan’ny nahaterahany hanampy anao hahatakatra ny lanjan’ny fiainany sy ny asany teto an-tany?

Ny filazantsaran’i Jaona dia afaka manampy antsika hahatakatra marina hoe iza i Jesoa avy any Nazareta ary inona no antony tokony hiezahantsika mianatra avy amin’ny teniny sy ny ohatra nasehony. I Jaona dia nanoratra mba hanamafy ny finoanao fa i Jesoa no Kristy, ilay Mesia nampanantenaina (jereo ny Jaona 20:30–31). Ny Filazantsaran’i Jaona dia miantomboka amin’ny fanoritsoritana ny voninahitra sy ny herin’i Jesoa Kristy talohan’ny nahatongavany teto an-tany.

Raha toa ka manampy ny mpianatra ny fampahafantarana amin’ny antsipiriany kokoa ny filazantsaran’i Jaona dia ampiasao ilay sosokevitra voalohany ao amin’ny fizarana misy ny “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” amin’ity lesona ity.

I Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity sahanasa manaraka ity ary amporisiho ny mpianatra hanoratra ny fomba fijeriny ao amin’ny tsanganana natokana ho amin’izany mandritra ny lesona.

Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity:

I Jesoa tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Ny Fiainan’i Jesoa teto an-tany

Ampiasao ny fahalalanao an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao ka soraty ao amin’ny tsanganana ankavia ireo teny na andian-teny izay manoritsoritra ny momba an’i Jesoa Kristy, tahaka ny ahoana Izy ary inona no nataony talohan’ny nahaterahany.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto sy ilay fanambarana nataon’ny Loholona Robert E. Wells ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, dia raiso an-tsoratra ao amin’io tsanganana io ihany koa ireo fanoritsoritana fanampiny momba an’i Jesoa Kristy. (Ilay andian-teny “tamin’ny voalohany” araka izay voalaza ao amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto dia miresaka ny fiainana talohan’ny nahaterahana.)

Soraty amin’ny ilany havia amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Raha ilaina dia ampio ireo mpianatra hitady ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny torolalana ho an’ny Soratra Masina na ao amin’ny “Aides à l’étude” ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile.

Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1-5 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina na ny application Bibliothèque de l’Évangile)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21

Abrahama 3:22-24

Sary
Portrait of Elder Robert E. Wells. He received emeritus status on 4 October 1997

I Jesoa dia nofinidy sy nirahin’ Andriamanitra mba handamina sy hamorona ity tany ity, sy ny rafi-masoandro misy antsika, sy ny vahindanitra misy antsika, ary ireo tontolo maro tsy hita isa.

I Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha hatrizay ka hatramin’izao, Ilay Andriamanitr’i Adama sy Noa, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba. I Jehovah dia niseho ary niresaka tamin’ireo mpaminany fahiny. Rehefa niteny Izy dia nisolo vava ny Ray, ary nilaza izay tokony holazain’ny Rainy. I Jehovah tany amin’ny Testamenta Taloha no lasa i Jesoa Kristy taty amin’ny Testamenta vaovao rehefa teraka teto an-tany.

(Robert E. Wells, “Our Message to the World (Ny hafatray ho an’Izao tontolo izao),” Ensign, Nov. 1995, 65)

Avereno jerena ilay lisitra nataonao amin’ny ilany havia amin’ny takelaky ny diarinao ary fintino amin’ny fehezan-teny iray ny momba an’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahany.

Mangataha olona vonona hizara an-tsitrapo ny famintinana nataony.

Ny Fiainan’i Jesoa teto an-tany

Jereo ity sary manaraka ity. Eo amin’ny tsanganana havanana amin’ny tabilaonao dia manorata famariparitana vitsivitsy maneho ny toe-java-nisy izay feno fietrena nanodidina ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

Sary
Art depicting the Baby Jesus in a manger. There are animals in the background.

Anisan’ny dikan’ny teny hoe miambany ny hoe “midina ho eny anivo.” Noho izany ny fidinan’ny Mpamonjy hiara-honina amintsika ety an-tany dia matetika antsoina hoe “ny fiambanian’ Andriamanitra” ( 1 Nefia 11:26). I Jesoa Kristy dia nandao an-tsitrapo ny seza fiandrianany tany an-danitra ary tonga teto amin’ny tontolo lavo izay hiatrehany fitsapana sy fahoriana lehibe.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ireo zava-tsarotra nozakain’ny Mpamonjy sy ny anton’izany. Ataovy eo amin’ny ilany havanana amin’ny takelaky ny diary fandalinanao ireo famariparitana ireo.

Jaona 1:10-11

1 Nefia 11:26, 32–33

1 Nefia 19:7–10

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6

Avereno jerena ilay lisitra nataonao amin’ny tsanganana havanana ary fintino amin’ny fehezan-teny iray ny zavatra nozakain’i Jesoa Kristy teto an-tany.

Makà minitra iray hampitahanao ny zavatra nafoin’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nozakainy an-tsitrapo teto an-tany.

Omeo fotoana ireo mpianatra hamaliany ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany. Avy eo dia mangataha olona vonona hizara an-tsitrapo ny valinteniny amin’ny feo mafy.

  • Inona no voarainao na tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao?

  • Araka ny hevitrao, inona no antony naneken’i Jesoa Kristy hidina “ambanin’ny zava-drehetra” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6)?

  • Inona no fiantraikan’ny fahatakaranao ny fiambanian’i Jesoa Kristy eo amin’ny zavatra tsapanao mikasika azy?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy ary manehoa fankasitrahana ny amin’ny nanekeny hiambany mba hamonjy antsika.

Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra

Inona no mampiavaka ny Filazantsaran’i Jaona?

Ny 92 isan-jaton’ny zavatra voasoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona dia tsy hita ao amin’ireo fitantaran’ny Filazantsara hafa. Ny mety ho anton’izany dia noho i Jaona nanoratra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana izay efa nanana fahatakarana momba an’i Jesoa Kristy, izay mpamaky tena hafa tokoa raha oharina amin’ny mpamaky ny bokin’i Matio sy i Marka ary i Lioka. Ny Filazantsaran’i Jaona dia feno fotopampianarana, ary ny ankamaroan’ny lohahevitra lehibe raketiny dia momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy, ny Sorompanavotan’i Kristy, ny fiainana mandrakizay, ny Fanahy Masina, ny ilàna ny fahaterahana indray, ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ny hafa, ary ny maha-zava-dehibe ny finoana ny Mpamonjy. Ny iray amin’ireo fandraisana anjara lehibe indrindra nataon’i Jaona dia ny fampidirany ny fampianarana nomen’ny Mpamonjy ireo mpianany tao anatin’ireo ora maromaro nialoha ny fisamborana Azy, ka tafiditra ao anatin’izany ilay Vavaka Fanalalanana lehibe.

1 Nefia 11:26.

Moa ve samy antsoina hoe Andriamanitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina?

Misy olona telo miavaka tsara ao amin’Ny Andriamanitra: Andriamanitra Ray Mandrakizay; i Jesoa Kristy Zanany; ary ny Fanahy Masina.

Ilay Andriamanitra fantatra amin’ny anarana hoe Jehovah dia i Jesoa Kristy ilay Zanakalahy ( Isa. 12:2 ; 43:11 ; 49:26 ; 1 Kor. 10:1–4 ; 1 Tim. 1:1 ; Apokalypsy 1:8 ; 2 Ne. 22:2). Miasa eo ambany fitarihan’ny Ray i Jesoa ary mifandrindra tanteraka Aminy. Ny olombelona rehetra dia rahalahiny sy anabaviny, satria Izy no zokiny indrindra amin’ny zanak’i Elohima ara-panahy. Misy toko sy andinin-tsoratra masina sasany miantso Azy amin’ny ilay teny hoe Andriamanitra. Ohatra, ilay soratra masina milaza hoe “Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” ( Gen. 1:1), kanefa i Jesoa no Mpahary izany teo ambanin’ny fitarihan’ Andriamanitra Ray ( Jaona 1:1-3, 10, 14 ; Heb. 1:1–2).

(Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Andriamanitra, Ny Andriamanitra ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Ny Môzia 15:1 sy ny Jaona 20:26–28 dia mirakitra ohatra roa hafa izay milaza an’i Jesoa ho Andriamanitra.

Tamin’ny fomba manokana inona avy no naneken’i Jesoa Kristy hiambany?

Ny Eveka Richard C. Edgley, Mpanolotsaina taloha tao amin’ny Episkôpa Mpiahy, dia nampianatra hoe:

Sary
FInal official portrait of Elder Richard C. Edgley of the Presiding Bishopric 2000. Released at the April 2012 general conference.

Nidina Izy mba hateraky ny vehivavy mety maty. ’

Nidina Izy mba hisy olona hanao batisa Azy, na dia tanteraka sy tsy nisy ota aza Izy.

Nidina Izy mba hanompo ny ambany indrindra amin’ny ambany. ’

Nidina Izy mba hanaiky ny sitrapon’ny Ray, nitondra fijaliana mba halaim-panahy, nesoina, nokapohina, noroahina, ary nandà tena na dia nanana ny hery rehetra aza Izy.

Nidina Izy mba hotsarain’izao tontolo izao, na dia Izy aza no Mpitsara an’izao tontolo izao.

Nidina Izy mba hampiakarina amin’ny hazo fijaliana ary hovonoina noho ny otan’izao tontolo izao, na dia tsy misy olona mahafaka ny ainy aza.

(Richard G. Scott, “The Condescension of God,” Ensign, Dec. 2001, 20)

Inona no antony naneken’i Jesoa Kristy hidina ambany dia ambany ?

Ny Eveka Richard C. Edgley, Mpanolotsaina taloha tao amin’ny Episkôpa Mpiahy, dia nanazava hoe:

Sary
FInal official portrait of Elder Richard C. Edgley of the Presiding Bishopric 2000. Released at the April 2012 general conference.

Raha nidina Izy dia tsy noho ny adidy, na ny voninahitra, fa noho ny fitiavana ihany. Ny fiambaniany mba hanavotra antsika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony no sarany nefainy mba hanolorany famonjena sy fisandratana.

(Richard C. Edgley, “The Condescension of God (Ny fiambanian’ Andriamanitra),” Ensign, Dec. 2001, 19)

Sahanasa fandalinana fanampiny

Hevitra fianarana amin’ny alalan’ny fitaovana jeren’ny maso

Rehefa avy mameno ilay tabilao fampitahana ny fiainan’i Jesoa tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahany sy ny fiainany teto an-tany ireo mpianatra dia manehoa sary hanampiana ireo mpianatra amin’ny alalan’ny maso mba hahatakatra ny fiambanian’i Jesoa Kristy. Ohatra, ilay sary tany amin’ny fiandohan’ny lesona momba an’i Jesoa ilay Mpahary dia azo aseho eo amin’ny ilany havia amin’ny solaitrabe. Azonao aseho amin’ny ilany havanana amin’ny tabilao ireto sary manaraka ireto. Asao ny mpianatra haneho ny mampitovy sy ny tsy mampitovy ireo zavatra hitany amin’ireo sary ireo ary asao izy ireo hilaza ny antony hinoany fa i Jesoa dia nidina an-tsitrapo avy amin’ny zavatra hitan’izy ireo eo amin’ny ilany havia ho amin’ny zavatra hitan’izy ireo eo amin’ny ilany havanana.

Sary
Actors depicting the Nativity.
Sary
Jesus standing bound before Caiaphas and the Sanhedrin. Outtakes include the false witnesses next to Jesus, Caiaphas rending his clothing, Jesus with a rope around his neck and his clothing is blood stained, Caiaphas alone, a soldier bringing Jesus through a doorway and just the saviors bound hands.
Sary
Jesus hangs on the cross between two thieves.

Ny voninahitr’i Jesoa Kristy taorian’ny fahafatesany

Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra ny hery sy ny voninahitr’i Jesoa Kristy tamin’ny fiverenany avy amin’ny fiainany teto an-tany sy amin’ny fidinany amin’ny Fiaviany Fanindroany. Manehoa sary tahaka ity manaraka ity ary asao ny mpianatra hamaky andinin-tsoratra masina toy ny Matio 25:31 sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:11 . Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mamaky sy mihira ny “Tamim-panetren-tena no teraka i Jesoa” (Fihirana sy hiran’ny Ankizy, pejy 39).

Sary
The resurrected Jesus Christ (wearing white robes with a magenta sash) standing above a large gathering of clouds. Christ has His arms partially extended. The wounds in the hands of Christ are visible. Numerous angels (each blowing a trumpet) are gathered on both sides of Christ. A desert landscape is visible below the clouds. The painting depicts the Second coming of Christ. (Acts 1:11)

Hamoaka printy