Seminera
Jaona 1:35–51


Jaona 1:35–51

“Avia fa ho hitanareo”

Sary
Christ walking on seashore beckoning to Peter and Andrew to become his apostles--fishers of men. Figures are crude; nice glow about Christ.

Nanasa ireo mpianany tany am-boalohany i Jesoa mba hijeren’Izy ireo hoe iza Izy sy mba hanarahan’izy ireo Azy. Ny fandalinana ireo tantara ao amin’ny Jaona ireo dia hanampy anao hahatakatra ny fomba ahafahanao mamaly ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo”.

Fanomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainany ka nanampy azy ireo hahatakatra mazava kokoa hoe iza i Jesoa Kristy. Ahoana no nitrangan’izany?

Sahanasa fianarana azo atao

“Avia fa ho hitanareo”

Raha mety dia asehoy ny sarin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Alao sary an-tsaina hoe hody any an-trano avy any am-pianarana ianao sy ny namanao ary milaza ianao fa henonao hoe ho avy tsy ho ela hiresaka ao amin’ny fivoriana any amin’ny faritra misy anao ny Apôstôly iray.

  • Nahoana ny namanao no holazainao mba hiaraka aminao sy ny fianakavianao hijery sy hihaino ity Apôstôly ity, fa tsy ny hitantara ny mombamomba ilay fivoriana aminy fotsiny no hataonao rehefa vita izany?

Ny Apôstôly Jaona dia nanoratra momba ny fomba nampahafantaran’i Jaona Mpanao Batisa an’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpanara-dia azy. Halalino ny Jaona 1:35–51 , ka tadiavo izay mety hitranga rehefa mikatsaka ny hianatra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy isika (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:42 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ).

  • Inona tamin’ireo fanasana ao amin’ireo andininy ireo no neken’ny mpianatry ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo hanaraka Azy?

  • Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Andrea sy Filipo sy avy amin’ny fihetsik’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo?

Asao ireo mpianatra hizara ireo fitsipika nianarany tamin’ity tantara ity. Mety mahasoa ny manasa ny mpianatra hizara izay hitany amin’ny mpiara-mianatra iray, na azo atao ny manasa ny mpianatra vitsivitsy hizara izany amin’ny iray kilasy. Ny ohatra vitsivitsy amin’ny fitsipika hitany dia mety ahitana an’ireto:

Rehefa manaiky ny fanasana hamantatra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy isika dia hahazo fijoroana ho vavolombelona antsika manokana momba Azy.

Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika dia maniry ny hanampy ny hafa handray fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana.

Mametraha fanontaniana ho fanaraha-maso mba hampitombo bebe kokoa ny fahatakaran’ireo mpianatra ny zavatra hitany. Ny ambin’ireo sosokevitra ato amin’ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra mba hampihatra ny fanasan’ny Tompo hoe -avia fa ho hitanareo- amin’ny tenan’izy ireo, sy hanaiky izany ary hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo mampihatra izany hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no ampianarin’ity tantara ity anao momba ny Mpamonjy?

Inona no azonao atao mba hamaliana ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo”?

Makà 30 segondra handraisana an-tsoratra ireo eritreritra voalohany tonga ao an-tsainao momba ny fomba ahafahan’ny olona iray ankehitriny mamaly ny fanasan’i Jesoa Kristy hoe “Avia fa ho hitanareo.”

Asao ny mpianatra hanao fampiharana hijerena ireo fomba samihafa ahafahan’izy ireo manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo.”” Ohatra, zarao amin’ny mpianatra vitsivitsy ny marker azo fafàna na tsaoka ary asao izy ireo hanoratra fomba iray ahafahantsika mamaly ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo” eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia angataho ireo mpianatra ireo mba hanome ny tsaokany na ny marker ho an’ny mpianatra iray hafa izay tsy mbola nanoratra teny amin’ny solaitrabe mba hahafahan’izy ireo manoratra valiny. Azonao atao ny mamerina izany araka izay ilaina.

Ny loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ireto hevitra manaraka ireto momba ny fomba ahafahantsika mamaly ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo.” Vakio ny fanambarana etsy ambany.

Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Rehefa manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo” isika dia mila mitoetra ao Aminy, miroboka ao amin’ny soratra masina, mifaly ny amin’izany, mianatra ny fotopampianarany, ary miezaka miaina araka ny fomba niainany. Raha tsy izany isika dia tsy ho tonga amin’ny fahafantarana Azy, Jesoa Kristy, sy ny feony, mahafantatra fa rehefa manatona Azy isika ary mino Azy dia tsy ho noana na hangetaheta intsony. Afaka hanavaka ny fahamarinana amin’ny fotoana rehetra isika, tahaka izay nitranga tamin’ireo mpianatra roa nitoetra niaraka tamin’i Jesoa tamin’io andro io.

(Ulisses Soares, “Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, Mey 2019, 7)

  • Inona no nianaranao avy tamin’io fanambarana momba ny fomba ahafahantsika manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo” io?

Manasà olona vitsivitsy manolo-tena mba hizara ny zavatra nanampy azy ireo hahafantatra bebe kokoa hoe iza ny Mpamonjy sy ny toetrany.

Omeo fotoana ny mpianatra hisafidianana iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto ary hanomboka hiasa hanao ny drafiny. Asehoy ho hitan’ny mpianatra ireo safidy, ary omeo izay fitaovana mety ilainy izy ireo entiny mody any an-trano mba hahafahan’izy ireo miasa amin’ny drafiny.

Misafidiana iray amin’ireto sosokevitra avy amin’ny fanambaran’ny Loholona Soares manaraka ireto izay hanampy anao hanaraka ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo.” Raha vao haingana ianao no nanao ny iray amin’ireto sahanasa ireto dia misafidiana iray izay mbola vaovao aminao.

  • Mirotsaha lalina ao anatin’ny soratra masina. Manaova drafitra fandalinana soratra masina vaovao na nohatsaraina. Mety ahitana ireto ny drafitrao dia ny famaritana fotoana ao anatin’ny andro sy ny faharetan’ny fotoana hianarana, ny fanombohana ny fianaranao amin’ny vavaka, ny fakana fotoana hisaintsainana, ny fampifandraisana soratra masina, sns. Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny fandalinanao tsy tapaka?

  • Mifalia amin’ny soratra masina. Mifalia amin’ny soratra masina amin’ny fizarana ny zavatra ianaranao amin’ny hafa. Farito ny fomba azonao hizarana, isaky ny inona ary amin’iza. Rehefa mizara ianao dia fantaro tsara izay zavatra tsapanao. Inona no tsikaritrao?

  • Ianaro ny fotopampianarany. Hamafiso ny fahatakaranao ny fotopampianaran’ny Tompo amin’ny alàlan’ny fisafidianana lohahevitra ara-potopampianarana tianao hianarana bebe kokoa. Soraty eo amin’ny farany ambonin’ny taratasy madio ny lohahevitra ara-potopampianarana, na manomboha “Carnet de notes” vaovao ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile. Avy eo dia atombohy ny fianarana amin’ny alàlan’ny fampiasana loharanom-pitaovana toy ny Torolalana ho an’ny soratra masina . Diniho tsara ny fiantraikan’ity fandalinana ity amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.

  • Miezaha miaina amin’ny fomba niainan’i Jesoa. Araho ny fivoaranao amin’ny alàlan’ny fampiasana ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo. Ny fifantohana amin’ireo lafiny efatra (ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina) dia hanampy anao hampifandanja ny fiainanao ary hanakaiky kokoa an’i Kristy. Raha mbola tsy nametraka ireo tanjona ireo ianao dia eritrereto ny hanaovana izany dieny izao.

  • Forony ny anao. Misy fomba hafa ve tsapanao fa tokony hamaliana ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo”? Afaka manolotra vavaka mangina ianao mangataka ny fitarihan’ny Ray any An-danitra. Avy eo dia soraty ny eritreritrao amin’ny fomba mety hanarahanao ireo fahatsapana ireo.

  • Ahoana no fomba hanekenao ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo”?

  • Inona ny drafitrao momba ny fomba hampiharana izany amin’ny fiainanao?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanampy ireo mpianatra hahafantatra sy hatoky ny Mpamonjy rehefa mamaly ny fanasany hoe “avia fa ho hitanareo” izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 1:38 . Ahoana no fomba iharan’ny fanontanian’ny Mpamonjy hoe “Inona no tadiavinareo?” aminao?

Talohan’ny nanasan’i Jesoa ny mpianatra roa lahy hoe “avia fa ho hitanareo,” dia nametraka fanontaniana tamin’izy ireo Izy hoe: “Inona no tadiavinareo?” ( Jaona 1:38).Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny lanjan’ny fieritreretana izay tena irintsika amin’ny fiainana rehefa mihevitra ny fanasan’ny Mpamonjy hanaraka Azy isika.

He Hath Filled the Hungry with Good Things

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ho tadidinao fa rehefa sambany nandre an’i Kristy niteny i Andrea sy ny mpianatra iray hafa, angamba i Jaona, dia nihetsi-po tokoa izy ireo ary voasarik’i Jesoa ka nanara-dia Azy rehefa nandao ny vahoaka Izy. Rehefa nahatsapa i Kristy fa nisy nanaraka dia nitodika Izy ary nanontany ireo lehilahy roa nanao hoe “Inona no tadiavinareo?” [ Jaona 1:38 ]. Ny fandikan-teny hafa dia nandika izany tsotra hoe: “Inona no ilainareo?” Namaly izy ireo hoe “Aiza ianao no mitoetra?” na “Aiza ianao no mipetraka?” Hoy fotsiny i Kristy hoe: “avia fa ho hitanareo” [ Jaona 1:39 ]. Fotoana fohy taorian’izay dia niantso tamin’ny fomba ofisialy an’i Petera sy ireo Apôstôly vaovao hafa izy tao anatin’ilay fanahin’ny fanasana ihany. Hoy Izy tamin’izy ireo: Avia, “hanaraka ahy” [ Matio 4:19 ].

Ny tanjona fototry ny fiainantsika eto an-tany sy ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana dia toy ny hoe voafintin’ireto zavatra roa tena fohy tao anatin’ny fiantombohan’ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany ireto. Ny zavatra iray dia ilay fanontaniana apetraka amin’ny tsirairay amintsika eto ambonin’ity tany ity hoe: “Inona no tadiavinareo? Inona no ilainareo?” Ny faharoa dia ny valinteny asetriny ny valintenintsika, na inona na inona izany valinteny izany. Na iza isika na iza ary na inona na inona no avalintsika, ny valinteniny dia tsy miova na oviana na oviana hoe: “Avia,” hoy Izy amim-pitiavana. “Avia hanaraka Ahy.”

(Jeffrey R. Holland, “He Hath Filled the Hungry with Good Things,” Ensign, Nov. 1997, 65)

Jaona 1:43-46 . Ahoana no ahafahako manasa ny hafa hoe “avia fa ho hitanareo” amin’ny fomba tsotra?

Ny fanasana ny hafa handray anjara amin’ny asan’ny filazantsara dia mety ho sarotra sy tsy mampahazo aina.

Ahoana raha mandà ny fanasako ireo olona nasaiko hoe “avia fa ho hitanareo”?

Indraindray isika manahy sao handà ny fanasana ataontsika hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara na ny Fiangonana ny olona. Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao hevitra manaraka izao:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Ny olona sasany izay ho avy sy hizaha dia mety tsy hiditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana mihitsy angamba; ny sasany ho avy fa any aoriana any. Safidin’izy ireo izany. Kanefa tsy manova ny fitiavantsika azy ireo izany. Ary tsy manova ireo ezaka ataontsika feno fientanentanana izany mba hanohy hanasa ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba [h]andeha ka hizaha, ho avy ka hanampy, ary ho avy ka hitoetra ho mazoto ao amin’ny filazantsara.

… Aoka ho takatrao fa tsy asanao ny mampiova fo ny olona. Izany no anjara andraikitry ny Fanahy Masina. Ny anjara andraikitrareo dia ny mizara izay ao am-ponareo sy miaina tsy tapaka araka ireo zavatra inoanareo.

Noho izany dia aza kivy ianareo raha misy olona tsy mandray avy hatrany ny hafatry ny filazantsara. Tsy hoe tsy fahombiazan’ny tena manokana izany.

Raharahan’ilay olona sy Andriamanitra izany.

Ny anao dia ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ireo mpiray monina aminao, eny dia ireo zanany.

(Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 17)

Sahanasa fianarana fanampiny

Manasa ny hafa mba “handeha ka hizaha”

Ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy dia afaka mandrisika antsika hanampy ny hafa hanaraka ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo.”Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo ohatr’i Andrea sy Filipo hita ao amin’ny Jaona 1:41, 43–46 ho porofon’izany fahamarinana izany.

Hamoaka printy