Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Matio 11:28–30


Fifehezana fotopampianarana: Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko … fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”

Sary
A teen girl dealing with the loss of her father and finding faith again.

Nampianatra i Jesoa Kristy fa raha manatona Azy isika dia, hanamaivana ny enta-mavesatsika ary hanome antsika fitsaharana Izy.Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanazava ny fahatakaranao an’ity fotopampianarana ity amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantara iray izay mitovitovy amin’ny zavatra izay efa niainanao teo amin’ny fiainanao manokana.

Fifehezana fotopampianarana amin’ny alalan’ny fanambarana. Ny Loholona Kim B. Clark avy ao amin’ny Fitopololahy dia nizara izao zavatra manaraka izao momba ny fifehezana fotopampianarana: “Tiako ho fantatrareo sy ho tsapanareo fa tonga amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Tompo izany; fahagagana izany. Matetika aho no mandinika ny fomba nahatongavan’izany sy ny fotoana nahatongavan’izany ary ny antony nahatongavan’ izany. Dia lasa hitako amin’ny fomba mivelatra kokoa ny Fifehezana fotopampianarana eo amin’ny sahan-kevitry ny fampianaran’ny Fiangonana sy ny asa lehiben’ny Tompo eto an-tany, “Doctrinal Mastery and Deep Learning” [Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 17 Febroary, 2017], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny fitadidiana ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Matio 11:28–30 (na ny andalana iray manontolo raha toa ka afaka manao an’izany ireo mpianatra). Angataho izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahany mampihatra ny zavatra izay nianarany momba ny fahafahan’i Jesoa Kristy manamaivana ireo enta-mavesany raha toa ka manatona Azy izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny “Matio 11:28–30,” izay lesona mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana Matio 11:28–30 . Raha toa ka ilaina ny fanemorana ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ity ho amin’ny herinandro hafa dia, aza hadinoina ny mampianatra lesona mifanaraka amin’ny sahan-kevitra mandritra izany herinandro izany.

Tadidio ary hazavao

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ho an’ny Matio 11:28–30 (azon’ireo mpianatra atao ny manao tsianjery ireo andininy rehetra ireo raha toa ka afaka manao an’izany izy ireo.)

Azo atao ihany koa ny manoratra ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe ary rehefa vita izany dia asao ireo mpianatra hanao fanazaran-tena manonona ilay fanambarana miaraka amin’iray kilasy na ataon’izy ireo manokana.

“Matio __:28–__: Mankanesa atỳ a_, ianareo r__ izay m____ fatratra s__ mavesatra e____, fa Izaho no h___ anareo f___.”

Ny application Maîtrise de la doctrine dia afaka manampy anao koa hitadidy ity adian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ity.

Fanazavana ny fahamarinana

Omeo fahafahana ireo mpianatra hanazava ilay fotopampianarana izay nampianarina tao amin’ny lesona natao teo aloha fa raha manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hanamaivana ny enta-mavesatsika ary hanome antsika fitsaharana Izy.

Ny fomba iray tsara anaovana izany ny fampisehoana ity sary manaraka ity ary entano ireo mpianatra mba hitadidy ny atao hoe zioga na hanazava ny fomba hampiasana ny zioga.

Tadidio ny atao hoe zioga (jereo ity sary manaraka ity). Avereno jerena ny Matio 11:28-30 , dia mitadiava fahamarinana izay nampianarin’ny Mpamonjy.

Sary
Harvest time, Gujarat, India

Raha ny sarin’ilay zioga noresahana dia hazavao ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika amin’ireo enta-mavesatra izay entintsika. Aza hadinoina ny mampiditra ny anjara andraikitsikarehefa miara-miasa amin’i Kristy isika.

Fizàrana mampihatra

Raha toa ka mila manao famerenana ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ireo mpianatra dia hevero ny hanasa azy ireo hiara-hiasa anaty vondrona misy olona telo avy. Ao anatin’ilay vondrona misy olona telo, ny olona tsirairay ao amin’ilay vondrona dia samy afaka mitady fitsipika samihafa. Afaka mampiasa ny teniny manokana avy ny tsirairay ao anaty vondrona avy eo rehefa manazava ilay fitsipika amin’ilay vondrona izay misy azy. Rehefa avy eo dia, asehoy na zarao ity sahanasa manaraka ity, ary angataho ireo mpianatra mba hampifanaraka ilay fitsipika amin’ny fanazavana mifanaraka amin’izany. (Ny valiny marina dia: 1. D; 2. A; 3. B.)

Raha ilaina dia, avereno jerena ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny fandalinana ireo andiam-pehezanteny faha 5–12 ao amin’ny “Mahazo Fahalalana Ara-panahy” izay hita ao anatin’ny fizarana misy ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana (2020). Avy eo dia ampifandraiso amin’ireto fehezan-teny manaraka tsirairay ireto ny fitsipika mifanaraka amin’ny mahazo fahalalana ara-panahy.

1. Afaka miaro antsika amin’ny fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hamotika ny finoana ny fianarana mamantatra sy miala amin’ireo loharano tsy azo antoka.

2. Rehefa mikatsaka ny hampitombo ny fahatakarantsika sy hamaha ireo olana isika, dia zava-dehibe ny fianteherantsika amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay efa ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana ny filazantsarany amin’ny laoniny ary ireo fampianaran’ireo mpaminany voatendriny.

3. Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana zavatra amin’ny fomba ahitan’ny Tompo azy ireny.

A. Manao asa amim-pinoana

B. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

D. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

Rafi--tantara

Mety afaka hanampy ny fanasana ireo mpianatra mba hitadidy ireo zavatra izay noheverin’izy ireo fa enta-mavesatra tao amin’ny lesona teo aloha.

Mamoròna rafi-tantaran’olona noforomporonina mitovitovy taona aminao izay mizioga enta-mavesatra ankehitriny ary ataovy anatina fehezan-teny roa na telo. Asio anarana, sy enta-mavesatra manokana, ary antsipiriany iray na roa momba ny fahatsapan’ilay olona ao anatin’izany.

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hampifaanakalo ny rafi-tantara izay noforonin’izy ireo. Avy eo ireo mpianatra dia afaka manoratra ny valiny asetry ilay rafi-tantara izay azon’izy ireo, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Na koa, mba hisian’ny fahasamihafana kokoa, dia afaka mamaly amin’ny alalan’ny fampiasana fitsipika iray monja ao amin’ny mahazo fahalalana ara-panahy ireo mpianatra mialoha ny hampifanakalozana ny rafi-tantara amin’ny mpianatra iray hafa. Azon’ilay mpianatra atao ny mamaly amin’ny alalan’ny fampiasana fitsipika iray hafa mialoha ny hampifanakalozana indray ireo rafi--tantara. Azon’ireo mpianatra atao ny mampifanakalo fanin-telony ireo rafi--tantara mba hahafahana mampiasa ireo fitsipika anankitelo. Rehefa avy eo dia entano ireo mpianatra haka indray ny rafi-tantara izay nosoratany ary hamerina hijery ireo valim-panontaniana nosoratan’ireo mpiara-mianatra aminy.

Mahazo fahalalana ara-panahy

Eritrereto ny fomba ahafahanao mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona ny zavatra nataonao ka nahatonga anao hatoky an’ Andriamanitra sy hitodika any Aminy rehefa nisedra olana ianao?

  • Inona avy ireo lesona nianaranao avy tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy teo aloha ka afaka manampy amin’ity toe-javatra ity? Amin’ny fomba ahoana?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay mahatonga Azy afaka manampy tamin’ny fitondrana ireo enta-mavesatra?

  • Ahoana no mahatonga ny fiatrehana ireo enta-mavesatra sy ireo olana i eo amin’ny fiainantsika ho anisan’ny zava-dehibe ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny fotopampianarana izay hita ao amin’ny Matio 11:28–30 hanampy amin’ny fiatrehana io olana na enta-mavesatra io?

  • Inona ny andinin-tsoratra masina na fanambarana ara-paminaniana hafa izay mety afaka hanampy? Amin’ny fomba ahoana?

Mitondra ny enta-mavesatra

Manorata taratasy ho an’ilay olona amin’ny rafi-tantara amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra izay hitanao. Ampidiro ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny Matio 11:28–30 sy ireo loharanom-pahalalana hafa mba hanomezana fampiononana sy fankaherezana azy.

Raha toa ka nifanakalo rafi--tantara ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny taratasy izay nosoratan’izy ireo amin’izay olona nanoratra ilay rafi--tantara novaliany.

  • Fitsipika inona ao amin’ny mahazo fahalalana ara-panahy no tsapanao fa nanampy anao indrindra tamin’ny fanomanana ny famaliana io rafi--tantara io? Nahoana?

Famerenana

Ampio ireo mpianatra hamerina hijery ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Matio 11:28–30 .

Fomba iray ahafahana hanampiana ireo mpianatra amin’ny fanaovana famerenana ihany koa ny fanoratana ireto zavatra manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Raha azo atao dia hevero ny hampiasa ilay application momba ny Fifehezana fotopampianarana. Mety hanampy ireo mpianatra ihany koa ny miara-miasa amin’ny mpiara-mianatra aminy, ka mifandimby mamerina ilay andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra.

“Matio __:28–__: Mankanesa atỳ a_, ianareo r__ izay m____ fatratra s__ mavesatra e____, fa Izaho no h___ anareo f___.”

Sahanasa fianarana fanampiny

Rafi-tantara azo atao

Hevero ny hizara ity rafi-tantara manaraka ity raha toa tsy nahita na dia iray aza ireo mpianatra nandritra ny sahanasa mahakasika ny rafi-tantara tao amin’ny lesona.

“Tena sahiran-tsaina tokoa aho amin’izao. Miezaka ny mijanona ho akaikin’ny Tompo aho, saingy ohatra ny vao mainka miha-mafy ny zava-manjo ahy. Sarotra ny fianarana, tsy mandeha amin’ny laonina ny fiainam-pianakaviako amin’izao, ary tsy hitako intsony ny zavatra izay azoko atao mba hamahana izany rehetra izany. Toa tsy misy fihatsarana mihitsy anefa izany rehetra izany. Manahy mafy amin’izany rehetra izany aho, ary tena tsy hitako izay hatao.”

Hamoaka printy