Seminera
Matio 11:28–30


Matio 11:28–30

“Izaho no hanome anareo fitsaharana”

Sary
Depiction of Jesus embracing Mary and Martha.

Nandritra ny asa fanompoany dia nampianatra ny lalàna ambony amin’ny filazantsara ny Mpamonjy ary nanasitrana ny marary. Raha tsy nitsaha-niombo ny fanenjehana nanohitra ny Mpamonjy sy ny fampianarany, Izy kosa diananameloka ny faharatsiana sy nampanantena fitsaharana ho an’izay rehetra manatona Azy. Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatokisanao fa hanampy anao amin’ny olana sy ny enta-mavesatrao ny Tompo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviany na namany momba ny fomba nanomezan’ny Mpamonjy fiadanana na fampahezezana azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny enta-mavesatrao sy ny olana atrehinao

Ity sahanasa manaraka ity dia azo atao eny amin’ny solaitrabe hataon’ny iray kilasy, na asao ny mpianatra hanao ny sarin’izy ireo manokana.

Manaova sarin’olona tsotsotra maneho zatovo iray. Manaova sarina kitapo eo an-damosin’ilay sarin’olona mba hanehoana ny enta-mavesatra sy ny adin-tsaina atrehin’ireo zatovo ankehitriny. Manorata farafahakeliny dimy amin’ireo enta-mavesatra na adin-tsaina, ao anatiny, eo amboniny, na manodidina ilay kitapo.

Asao ny mpianatra hizara ny sary nataony.

Sary
Stick man carrying a backpack.

Asao ny mpianatra hanakipy ny masony ary hieritreritra ny valin’ity fanontaniana manaraka ity.

  • Amin’ny ambaratonga iray ka hatramin’ny dimy, ny isa dimy izay sokajiana ho tena tsara ary ny isa iray izay sokajiana ho tsy tsara mihitsy, ahoana no fahatsapanao ny tenanao amin’ny fiatrehana ireo enta-mavesatrao sy ireo trangan-javatra mampiady saina anao?

Raha mbola tsy nanao izany ianao dia hevero ny haka fotoana fohy izao hanasana ny Rainao any An-danitra hanampy anao amin’ny fitadiavana fitsipika izay afaka manampy anao amin’ny enta-mavesatra manokana izay entinao ankehitriny.Vakio ny Matio 11:28–30 , ka tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy izay mety hanampy olona iray vesaran’ny enta-mavesatra.

Matio 11:28–30 dia andinin-tsoratra fehezina mirakitra fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina feheziana mirakitra fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana.

Azonao atao ny manoratra ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe akaikin’ilay sarin’olona.

  • Inona ireo fahamarinana hitanao?

  • Ahoana no mety hanampian’ireo fahamarinana ireo ny olona iray izay mandalo fotoan-tsarotra?

Na dia mety mampiasa teny samihafa aza ny mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo ny hoe raha manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hanamaivana ny enta-mavesatsika Izy ary hanome antsika fitsaharana. Anontanio ny mpianatra raha manana fanontaniana momba ny zavatra nianarany izy ireo.

Jereo ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ho an’ny fomba hafa hanampiana ny mpianatra hianatra momba ireo andian-teny ao amin’ny Matio 11:28–30.

“Ento ny ziogako”

Mety ho sarotra takarina indraindray ny teny na andian-teny ao amin’ny soratra masina. Ny fianarana ny dikan’ny teny sy andian-teny dia afaka manampy antsika hamantatra izay tian’ny Mpamonjy ho fantatsika. Ampiharo izany amin’ny andian-teny hoe “Ento ny ziogako” ( Matio 11:29).

Amporisiho ny mpianatra hizara ny zavatra efa fantany momba io andian-teny io amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no atao hoe zioga? Inona ny ziogan’i Jesoa Kristy? Ahoana no fomba hitondrantsika ny ziogan’i Jesoa Kristy eo amintsika?

Ampiasao ny ampahany na ny rehetra amin’ireto fampahalalana manaraka ireto mba hanampiana ny fahatakaran’ny mpianatra.

Asehoy ity sary manaraka ity.

Sary
Harvest time, Gujarat, India

Ny zioga dia “fitaovana apetraka amin’ny tendan’ny biby na olona hamehezana azy ireo miaraka” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Zioga ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ny biby eto amin’ity sary ity dia mitondra zioga.

Nitantara izao zavatra niainana manaraka izao ny Loholona Edward Dube ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Official Portrait of Elder Edward Dube. Photographed March 2017.

Tamin’ny Desambra 2015 tany Madziva, Zimbabwe, izaho sy Naume [vadiko] dia nahita lehilahy niasa ny sahany niaraka tamin’ny omby roa. Gaga aho nahita fa omby iray lehibe ny biby iray ary omby kely kosa ny iray. Sanganehana aho. Nanontany tena aho hoe: “Fa nahoana ilay tantsaha no miasa tany miaraka amin’ny biby roa tsy mitovy zioga?”

Nanondro ilay zioga ny renin’i Naume, izay nijoro tsy lavitra teo. Nijery akaiky kokoa aho ary nahita soritra [tady na rojo] nampifandray ilay zioga tamin’ny omby. Nisarika ny vesatra rehetra ilay omby lehibe, ary nofolahana nianatra miasa tany ilay omby kely.

(Edward Dube, “Mianara Amiko,” Liahona, Ôkt. 2020, Pejy ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no mety hitovian’ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy amin’ny an’ilay omby lehibe sy ilay omby kely?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahalalanao ny dikan’ny hoe ziogano mampitombo ny fahatakaranao ny fahatsapan’i Kristy momba anao?

Nilaza ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Edward Dube. Photographed March 2017.

Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo.

(David A. Bednar, “Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 88)

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mahatonga ny fanaovana fanekempihavanana sy ny fitandremana izany no mampiray zioga antsika amin’ny Mpamonjy sy mitondra zioga miaraka amin’ny Mpamonjy?

Nanazava ny Loholona Dube hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Edward Dube. Photographed March 2017.

Rehefa miara-mitondra zioga amin’i Jesoa Kristy isika dia Izy no mitondra ny vesatra, ary mizara amin-kafaliana ny asa isika. Ny fanasan’ny Tompo antsika tsirairay avy hianatra Aminy no loharano tokana azo antoka mitondra fiadanana sy fifaliana ary manome valiny amin’izay manahiran-tsaina antsika.

(Edward Dube, “Mianara Amiko,” Liahona, Ôkt. 2020, Pejy ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no nanampian’ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy anao tamin’ity taona ity hitondra ny entanao sy hitondra ny fiadanana sy fifaliana ho anao?

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ny lohatenin’ireto sahanasa manaraka ireto. Anontanio hoe iza amin’ireto teny manaraka ireto no tian’ireo mpianatra rehetra hiarahana mandalina. Na asao ny mpianatra hisafidy sahanasa iray ary hianatra samirery, na miaraka amin’ny mpiara-mianatra na ao anatina vondrona kely. Asehoy ireo torolàlana momba ireo sahanasa mba hahafahan’ny mpianatra mijery azy ireny eo am-pandalinany izany.

Manatona an’i Kristy sy mandray ny fitsaharany

Atrikasa A: “Mankanesa aty amiko” ( Matio 11:28). Ahoana no fomba hankanesako any amin’i Kristy?

Mba hahazoana ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny fitsaharana atolony dia tsy maintsy manatona Azy isika.

  • Raha misy manontany anao ny dikan’ny hoe manatona an’i Kristy dia inona no holazainao?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namantatra fomba maro hanatonana an’i Kristy.

Sary
Official Portrait of Elder Edward Dube. Photographed March 2017.

Rehefa mivavaka tsy tapaka maraina sy hariva isika, ka mandalina isan’andro ny soratra masintsika, sy manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro, ary mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly dia mamaly amim-pahavitrihana ilay fanasana “hanatona Azy.”

(Richard G. Scott, “Ataovy voalohany amin’ny laharampahameharaneo ny fampiasana finoana,” Liahona, nôv. 2014, 94)

Sary
Harvest time, Gujarat, India
  • Inona avy ireo zavatra nataonao mba hanatonana akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? (Mety ao anatin’izany ireo fanekempihavanana nataonao sy notandremanao.)

  • Inona no zavatra tsapanao fa azonao atao mba hanatonana bebe kokoa an’i Kristy sy hahazoanao ny fanampian’ Andriamanitra?

Atrikasa B: “Izaho no hanome anareo fitsaharana” ( Matio 11:28). Ahoana no mety hanamaivanan’i Kristy ny enta-mavesatro?

Voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny ohatra iray manan-danja momba ny fanamaivanan’ny Mpamonjy ireo enta-mavesatra. Nentina ho babo i Almà sy ny vahoakany, noterena hiasa ary nenjehina mafy.

Vakio ny Môzià 24:12–16 .

Sary
Harvest time, Gujarat, India
  • Inona no nianaranao momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao mitondra ny enta-mavesatrao?

  • Inona no nataon’ny vahoakan’i Almà mba hahazoana ny fanampian’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no mety hanampiana ny olona iray izay miatrika olana amin’ny fahatakarana ny anjara asantsika amin’ny fanatonana ny Mpamonjy?

Saintsaino ny zavatra niainanao manokana na ny zavatra niainan’ny olona fantatrao, ary soraty ny fotoana nanamaivanan’ny Mpamonjy ny enta-mavesatra iray. Aza hadinoina ny mampiditra ny zavatra nataonao na nataon’ny olona fantatrao mba hanatonana ny Mpamonjy sy ny fomba nanampian’[ny Mpamonjy].

Rehefa avy nahavita ny sahanasa izay nofidiny ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra tian’izy ireo hotadidina. Azonao atao ny mizara fijoroana ho vavolombelona manokana na manasa ny mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fomba nanampian’ny Mpamonjy azy ireo tamin’ny fotoan-tsarotra.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no anampian’i Jesoa Kristy antsika rehefa manatona Azy isika?

Ny Loholona John A. McCune ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny sasany amin’ireo fitahiana mety ho tonga rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika.

Sary
Official portrait of John A. McCune. Sustained April 6, 2019 as a General Authority Seventy.

Rehefa manaiky ilay fanasan’[ny Mpamonjy] manao hoe “mankanesa aty amiko”isika dia homeny izay fanampiana, sy fampiononana, ary fiadanana izay ilaina. … Na dia mandritra ireo fitsapana faran’izay mafy aza dia afaka mahatsapa Azy mamihana antsika am-pitiavana isika rehefa mitoky Aminy sy manaiky ny sitrapony.

(John A. McCune, “Manatona an’i Kristy—Miaina ny maha-Olomasin’ny Andro Farany ny tena,” Liahona, mey 2020, 36)

Sahanasa fianarana fanampiny

Sahanasa fianarana hafa

Ity sahanasa ity dia azo atao amin’ny fiandohan’ny lesona. Mitondrà boaty na kitapo babena tsy misy na inona na inona ao an-dakilasy ary zavatra mavesatra hatao ao anatiny, toy ny vato lehibe na boky lehibe. Asao ho eny aloha ny mpianatra iray, ary angataho izy hitazona ilay boaty tsy misy na inona na inona na hibaby ilay kitapo. Angataho ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana hita tany am-piandohan’ny lesona. Afaka manoratra ny lisitry ny valin-tenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra iray hafa. Isaky ny valim-panontaniana tsirairay dia mametraha zavatra mavesatra iray ao anatin’ilay boaty na kitapo mandrapahafeno izany.

Mahatakatra ny andian-teny ao amin’ny Matio 11:28–30

Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Matio 11:28–30 ary mitady sy manisy marika ireo andian-teny fohy izay manaitra azy ireo. Ohatra amin’izany ny hoe “Mankanesa aty amiko,” “Izaho no hanome anareo fitsaharana,” “Hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo,” “Mianara amiko,” ary ny hoe “Malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho.”

Asao ny mpianatra hisafidy andian-teny iray ary hanoratra izany amin’ny teniny manokana. Asao izy ireo hitady soratra masina mifandray izay manampy azy ireo hahatakatra ny dikan’ilay andian-teny. Ohatra, afaka mijery ny teny hoe mankanesa, fitsaharana, mianatra, na malemy fanahy izy ireo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany sy ny fomba mety hanampian’izany olona iray izay mitolona amin’ny enta-mavesatra.

Hamoaka printy