Seminera
Marka 2:23–3:6


Marka 2:23–3:6

“Manao soa amin’ny Sabata”

Filipino women walking on the street while visiting teaching a sister.

Natetika ny Mpamonjy no nahazo kiana avy tamin’ireo Fariseo sy ireo mpitarika Jiosy hafa momba ny fomba izay nitandremany ny andro Sabata. Ny valin-teny izay nomen’i Jesoa ireo mpitondra fivavahana dia hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ny Sabata sy ny fomba tokony hatao mba hahafahana mandray tanteraka ireo fitahiana avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina fomba iray izay tena ankafizin’izy ireo indrindra mba hanatonany akaiky kokoa ny Mpamonjy, na zavatra atao samirery irery izany na zavatra atao miaraka amin’ny fianakaviany, rehefa amin’ny andro Sabata.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny tanjon’ny Sabata

Amin’ity sahanasa manaraka ity dia, asaivo miasa tsiroaroa ireo mpianatra ary entano ny mpiara-miasa tsirairay samy hamaly ny iray amin’ireo toe-javatra ireo.

Alaivo sary an-tsaina ireto toe-javatra roa manaraka ireto. Amin’ny toe-javatra iray dia nisy olona iray izay nilaza taminao fa amin’ny andro Sabata dia maro ny zavatra azo atao sy tsy azo atao ary raha sanatria ka tsy manaraka izy rehetra ireo ianao, dia mandika ny didin’ Andriamanitra izany ianao. Amin’ny toe-javatra iray hafa indray dia nisy olona iray izay nilaza taminao fa ny andro Alahady dia mitovy amin’ny andro hafa rehetra ihany ary tokony hanao zavatra rehetra izay tianao hatao ianao amin’ny andro Alahady.

  • Manao ahoana ny fahatokin-tenanao rehefa hamaly ireo toe-javatra ireo?

  • Inona avy ireo fanontaniana izay manitikitika anao momba ny andro Sabata?

Rehefa mametra-panontaniana ireo mpianatra dia hevero ny handika azy ireny eny amin’ny solaitrabe. Raha sendra ka tsy sahy na menatra ireo mpianatra hametraka ny fanontaniany imason’ireo iray kilasy aminy, dia asao izy ireo hanoratra ny fanontaniany ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo. Aza mbola valiana aloha ireo fanontaniana izay napetrak’ireo mpianatra amin’izao fa amporisiho izy ireo hitady ireo valiny eo am-pandalinan’ izy ireo.

Rehefa mianatra ny fomba izay nitandreman’ny Mpamonjy ny Sabata ho masina ianao dia tadiavo ny valin’ireo fanontanianao. Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra hanampy anao.

Ny lalàn’i Mosesy dia nampianatra fa ny vahoakan’i Isiraely dia tsy tokony hiasa mandritra Sabata (jereo ny Eksodosy 31:14–15). Ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia nanampy zavatra araka ny fahazahoan’izy ireo ny lalàn’i Mosesy, nanova ny tanjon’izany tany am-boalohany.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, asio marika ireo andian-teny izay mampiseho ny fomba fijerin’i Jesoa ny andro Sabata.

  • Marka 2:23–28 —Nametra-panontaniana ireo Fariseo momba ny maha-mety ny mioty sy mihinana varimbazaha amin’ny andro Sabata.

  • Marka 3:1–6 —Nametra-panontaniana ireo Fariseo momba ny maha-mety ny manasitrana olona amin’ny andro Sabata.

Hevero ny hanontany ireo mpianatra hizara ny zavatra izay nasian’izy ireo marika ary ny antony nanasiany marika izany.

Ny rindrandamina ho an’ny Matio 11–12; Lioka 11 Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 dia miresaka momba ny andro Sabata. Raha ohatra ka mifanaraka amin’ny lesona anio ny rindrandamina Avia, Hanaraka Ahy , dia hevero ny hangataka ireo mpianatra hizara ny zavatra izay nohalalinin’izy ireo tany an-trano. Azo atao ihany koa ny mamporisika ireo mpianatra hizara ireo hevi-baovao azon’izy ireo tao am-pianarana amin’ny fianakaviany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome izao fomba fijery manaraka izao momba ny tanjon’ny andro Sabata:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Inona no tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niteny Izy hoe “ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny sabata”? [ Marka 2:27 ]. Mino aho fa tiany hahatakatra isika fa ny Sabata dia fanomezany ho antsika, izay mitondra fitsaharana marina [na fanamaivanana] amin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra mitranga amin’ny fiainana andavanandro sy fahafahana iray hanovozana hery vaovao ho an’ny fiainam-panahy sy ny vatana. Nanome izany andro miavaka izany ho antsika Andriamanitra, tsy hialana voly na hanaovana ny asa andavanandro fa hitsaharana amin’ny adidy, arahin’ny fahazoana fahamaivanana ara-batana sy ara-panahy.

(Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 129)

  • Inona ny zavatra nianaranao momba ny tanjon’ny Tompo ho an’ny andro Sabata?

  • Inona ny zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamonjy tamin’ny asa izay nataony sy ny fomba fitondran-tenany tamin’ny andro Sabata?

Ampio ireo mpianatra hamantatra fitsipika sahala amin’ity manaraka ity: Ny Tompo dia nanome antsika ny andro Sabata mba hanaovan-tsoa sy hitsaharana amin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra mitranga amin’ny fiainana andavanandro.

  • Ahoana araka ny hevitrao no hoe fanehoam-pitiavan’ Andriamanitra antsika ny didiny amin’ny tokony hanamasinana ny andro Sabata?

Ahoana ny fomba hanajanao ny andro Sabata?

Ny fahatakarana ny tanjon’ny andro Sabata sy ireo fitahiana izay omen’ Andriamanitra anao dia afaka ny hanosika anao hitandrina ny Sabata ho masina. Rehefa mianatra ny fomba tsara kokoa hanajana ny andro Sabata ianao dia mianatra manasany fanasitranana sy fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainanao.

Color Handouts Icon

Ataovy anaty taratasy azo zaraina ireto fampahalalana manaraka ireto ary omeo ireo mpianatra, na koa asehoy eny alohan’ny kilasy. Afaka mandalina manokana na ao anatina vondrona kely ireo mpianatra rehefa mianatra ilay fampahalalana.

Halalino ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto mba hahafantaranao bebe kokoa momba ny Sabata sy ireo fitahiana izay mety ho azontsika avy amin’ny fanajana izany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ireto zavatra manaraka ireto momba ny fanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra amin’ny Sabata:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Nandalina ireo lisitra nataon’olona -hafa ahitana ireo zavatra azo atao na ireo zavatra tsy azo atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana anefa aho vao nianatra izany tamin’ny alalan’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra ny famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra [jereo Eksodosy 31:13 ; Ezekiela 20:12, 20 ]. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: “Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?” Nampazava tsara ny safidiko momba ny andro Sabata izany.

(Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130)

Sabbath Day handout
0:53

Ity fanontaniana manaraka ity dia afaka ny hanome fahafahana ny mpianatra hizara ny hevitr’izy ireo avy tamin’ilay sosokevitra-na sahanasa fanomanana ny mpianatra.

  • Inona avy ireo fomba izay tianao indrindra entina hanatonana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny andro Alahady?

Rehefa mizara ireo mpianatra dia fantaro fa mety manana fomba fijery hafa momba ireo zavatra izay azo atao na tsy azo atao amin’ny andro Sabata izy ireo. Raha ilaina dia ampahatsiahivo ireo mpianatra mba handray sy hanaja ny fomba fijerin’ny hafa.

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ireo zavatra izay nianaranao tamin’ity lesona ity nanampy anao tamin’ny famaliana ireo fanontanianao momba ny andro Sabata?

  • Raha tsy nahita ny valin’ireo fanontanianao ianao dia inona ny zavatra azonao atao hanohizana hikatsahana azy ireo?

  • Inona avy ireo fahatsapana azonao momba ireo zavatra izay azonao atao mba hisitrahanao bebe kokoa ireo fitahiana azo avy amin’ny fanajana ny Sabata?

Hevero ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ny andro Sabata ho masina. Asao ihany koa ireo mpianatra hizara ny fijoroany vavolombelona raha toa ka maniry ny hanao izany izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana ireo Fariseo no nitsikera ireo mpianatr’[i Jesoa]y noho izy ireo “nio[ty] salohim-bary” tamin’ny andro Sabata?

Araka ny lalàn’i Mosesy, ny olona iray dia afaka mioty varimbazaha amin’ny tanany raha toa ka tsy manararaotra be loatra io tombontsoa io izy amin’ny fampiasana antsimbary (jereo Deoteronomia 23:25). Na izany aza dia hentitra kokoa noho ny lalàn’i Mosesy ny lalàna am-bava an’ireo Fariseo ary nilaza fa voarara ny mioty varimbazaha rehefa Sabata.

Ahoana ny fomba ahafahan’ny fankasitrahana mitahy anao amin’ireo zavatra izay iainanao amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny Sabata?

3:39

Inona koa ny zavatra hafa azoko atao mba hanasana ireo fitahiana azo avy amin’ny andro Sabata?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome hevi-baovao maromaro momba ny fomba mahomby hanasana ny fanahin’ny andro Sabata tamin’ilay lahateniny hoe “Fahafinaretana ny Sabata” ( Liahona, mey 2015, 129–132).

2:3

Amin’ny fomba hoana no mety hitahian’ny fanajana ny andro Sabata ny fianakaviako?

5:3

Sahanasa fianarana fanampiny

Ahoana no ahafahanao miomana ho amin’ny andro Sabata?

Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fihainoana ny hevitra avy amin’izy samy izy momba ny fomba hiomanana ho amin’ny Sabata mandritra ny herinandro ireo mpianatrao. Hevero ny hanontany ny iray kilasy hoe: “Inona ny fomba tsara hitanao fa fiomanana manampy mandritra ny herinandro mba hahatonga ny Sabata hitondra fitahiana bebe kokoa?”