Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Matio 16:15–19


Fifehezana fotopampianarana: Matio 16:15–19

Hoy Jesoa taminy, “Homeko Anao ny Fanalahidin’ny Fanjakan’ny Lanitra”

Sary
A young woman meets with her Bishop.

Tamin’ny lesona izay nataontsika teo aloha ianao dia nianatra ny maha zava-dehibe ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny fomba nanankinan’ny Mpamonjy ny fanalahidiny amin’ireo mpaminany eto an-tany. Ity lesona ity dia hahafahanao mampitombo ny fahaizanao mifehy ity fotopampianarana ity amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina, sy ny fanazavana ilay fotopampianarana, ary ny fampiharana ireo fitsipika mahakasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantera manakaiky ny tena izy.

Ny maha tsy mety lany andro ny fifehezana fotopampianarana. Raha niresaka tamin’ny mpampianatra seminera sy institiota momba ny fifehezana fotopampianarana, ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa: “Tena tsara ary mifanojo amin’ny tena ilana azy ity tetikasa ity. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ireo tanorantsika izany. Ny fahombiazan’ny Fifehezana fotopampianarana sy ireo fandaharan’asa hafa rehetra ho an’ny fianarana ao amin’ny DFF anefa dia hiankina be dia be tokoa aminareo” (“Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21” [takariva iarahana amina Manampahefana Ambony, 26 febroary, 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra hisaintsaina momba ny fomba ahafahan’ny fanalahidin’ny fisoronana mitahy ny fiainan’izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny “Matio 16:18–19; Matio 17:1–7,” izay lesona mifandraika amin’ny andalan-tsoratra momba ny fifehezana fotopampianarana Matio 16:15–19 . Raha sendra ka ilaina ny fanemorana ity lesona fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia, aza hadino ny mampianatra ny lesona izay miresaka sahan-kevitra izay mifandraika amin’izany mandritra izany herinandro izany.

Manazava

Hevero ny hanasana ireo mpianatra handeha tsiroaroa na vitsivitsy mitambatambatra hanao fanazaran-tena hanazava ireto manaraka ireto.

Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona fantatrao naheno ny andian-teny hoe “fanalahidin’ny fisoronana” saingy tsy nahatakatra izany. Ampiasao ny Matio 16:15–19 hanazavana hoe inona izany hoe fanalahidin’ny fisoronana sy ny antony maha zava-dehibe izany. Raha azo atao dia, zarao amin’ny namana na fianakaviana ny fanazavanao. Mety hanampy ihany koa ny mamaky ireto fanambarana ireto izay hita ao amin’ny fizarana 3.0–3.4.1.1 Ao amin’ny Boky Torolalan’ny Fiangonana Maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Faranyao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Raiso an-tsoratra ny fanazavana izay nataonao mahakasika ny fanalahidin’ny fisoronana. Raha afaka nizara ny fanazavana izay nataonao tamin’olon-kafa ianao dia, sorito fohifohy hoe nanao ahoana izany.

Ataovy tsianjery

Hamarino tsara fa nahazo fotoana nanaovana fanazaran-tena hitadidiana ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy ireo fehezanteny manan-danja ao anaty soratra masina ireo mpianatra. Hevero ny hanomanana sy hanetezana ireto taratasy ho zaraina manaraka ireto mialoha ny fotoam-pianarana izay hataon’ireo mpianatra mandeha tsiroaroa na mitambatambatra vitsivitsy.

Manaova fanazaran-tena manao tsianjery ireo fehezanteny manan-danja ao anaty soratra masina izay hita ao amin’ny Matio 16:15–19 : “Ary hoy Jesoa taminy, ‘Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.’” Raha azo atao dia ataovy printy ireto taratasy ho zaraina manaraka ireto ary hetezo ireo fanalahidy tsirairay. Ho solon’izany raha ilaina, dia manaova sarim-panalahidy maromaro eo amin’ny sombin-taratasy iray ary hetezo tsirairay izany. Manorata teny iray avy amin’ilay fehezanteny eo amin’ny fanalahidy tsirairay. Soraty ihany koa ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, Matio 16:15–19 , eo amin’ny fanalahidy iray. Afangaroy ireo fanalahidy ireo, ary andramo averina amin’ny filaharany marina. Avereno imbetsaka ity sahanasa ity mandrapaha tadidinao ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary ilay fehezanteny manan-danja. Mety hahafinaritra anao ny mandrefy ny fotoana laninao manao izany ary ny miezaka hatrany manatsara ny hakinganao isaky ny andrana izay ataonao.

Sary
Doctrinal Mastery - Matthew

Amporisiho ireo mpianatra hampirina tsara ireo fanalahidin’izy ireo fa mbola hampiasaina amin’ny sahanasa famerenana amin’ny lesona any aoriana.

Fampiharana hanazaran-tena

Avereno jerena miaraka amin’ireo mpianatra ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy. Fomba iray azo anaovana izany ny fanasana mpianatra iray hamaky mafy ilay fehezanteny momba ny iray amin’ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy izay hita ao amin’ny andalana 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Avy eo dia asaivo mitady ilay fitsipika marina ireo mpianatra. Avereno imbetsaka miaraka amin’ny mpianatra samihafa ity sahanasa ity mba hanampiana azy ireo ho lasa zatra an’ireo fitsipika tsirairay.

Makà fotoana hamerenana ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy izay hita ao amin’ny andalana 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) mialoha ny hirosoana amin’ny sahanasa fampiharana hanazaran-tena.

Azo ianarana mandeha mitsitokatokana ity rafi-tantara manaraka ity, na mitambatambatra vitsivitsy, na miaraka amin’ny iray kilasy manontolo. Azo ovaina ny lohahevitr’ilay rafi-tantara mba hifanaraka kokoa amin’ny filan’ireo mpianatra. Ohatra, ny horonantsary izay hitan’i Vanya tamin’ny tambajotran-tserasera dia mety ho olona mpikamban’ny Fiangonana izay milaza fa mahalala ny andro sy ny oran’ny Fiaviana Fanindroany.

Nahita horonantsary tamin’ny tambajotran-tserasera i Vanya namanao, izay nisy mpikamban’ny Fiangonana manakiana ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Matsilo saina sy mahay mandresy lahatra io mpikambana io ary niantso ny Fiangonana mba hanova ny fotopampianarana sasany. Mampiasa ny Soratra Masina mihitsy aza izy ireo hanohanana ny fomba fijeriny. Tsy azon’i Vanya antoka izay tokony handraisana izany sy ny fomba tokony hamaliana azy.

  • Inona avy ireo fanontaniana sy ireo olana izay mety hananan’i Vanya?

Nangataka fanampiana taminao tamin’alan’ny hafatra an-tsoratra i Vanya. Eritrereto izay fomba azonaohamaliana mba hanampiana azy hamaha ny olana izay ananany.

Manorata hafatra an-tsoratra telo hamaliana an’i Vanya. Ampidiro ao amin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  • Hafatra 1: Ireo fahamarinana momba ny fampiasan’ny Tompo ireo mpaminany sy ireo fanalahidin’ny fisoronana ao amin’ny drafitry ny famonjena izay afaka manampy an’i Vanya hijerena an’io toe-javatra io amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Hafatra 2: Loharano notendrin’ Andriamanitra izay azon’i Vanya ampiasaina hianarana misimisy kokoa momba ireo mpaminany sy ireo fanalahidin’ny fisoronana. (Asio andalan-tsoratra masina na fanambarana ara-paminaniana iray farafahakeliny.)

  • Hafatra 3: Soso-kevitra mikasika ny fomba ahafahan’i Vanya manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy sy mandroso hatrany. Raha azo atao dia, mampidira zavatra izay efa niainanao manokana momba ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny fomba nanampian’ireo fanalahidy ireo anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Rehefa manao ity sahanasa ity ireo mpianatra dia, jereo izay mety manan’olana amin’izy ireo. Raha ilaina dia, miresaha mangina amin’izy ireo momba ny fomba izay azony hamaliana izany. Raha ohatra ka maro ireo misedra olana ao an-dakilasy dia, hevero ny hanajanonana ilay sahanasa ary entano ireo mpianatra mba hizara ireo hevitra izay hitan’izy ireo fa mety hamaliana an’i Vanya. Hevero ny hamaranana ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa natolotr’i Jesoa Kristy an’ireo mpaminany sy apôstôly ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo fanalahidin’ny fisoronany.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Amin’ny fotoampianarana manaraka dia, avereno jerena ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fehezanteny manan-danja amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hampiasa ireo fanalahidy izay noforonin’izy ireo mba handrafetana indray mandeha indray ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary ilay fehezanteny manan-danja. Raha toa ka afaka manampy dia, entano izy ireo hanafangaro ireo fanalahidiny ary asaivo averin’izy ireo amin’ny laoniny in-droa na intelo izany.

Hamoaka printy