Seminera
Matio 15–17; Marka 7–9


Matio 15–17; Marka 7–9

Topimaso

Niteny mafy an’ireo Mpanora-dalàna sy ireo Fariseo izay nampiasa ny fomban-drazana ho toy ny fialan-tsiny entina handikana ny didin’ Andriamanitra i Jesoa. Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa i Petera, izay azony avy tamin’ny fanambarana nasehon’ny Fanahy Masina. Nampanantena an’i Petera ny Mpamonjy fa hanome azy ny fanalahidin’ny fisoronana, izay nomeny an’i Petera sy Jakoba ary Jaona taty aoriana kely teny amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy. Nanasitrana ny zanakalahin’ilay lehilahy izay nampiseho ny finoany an’ny Mpamonjy i Jesoa.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manolotra hevitra ho an’ireo mpampianatra momba izay mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 15:1–9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantantra ireo fomban-drazana izay manampy azy ireo hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy sy ny fomba izay mety hampisaraka azy ireo Aminy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo fomban-drazany, na ireo “finoany sy fomba amam-panaony izay nampitaina tamin’ny taranaka fara mandimby” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ fomban-drazana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org), ary nahoana izy ireo no mety hanao izany. Mety afaka manampy ireo mpianatra ny fampidirana ireo fianakaviany ao anatin’ity sahanasa fanomanana ity.

  • Ireo fitaovana ho an’ireo mpianatra: Taratasy na diary fandalinana Soratra Masina

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence:Hevero ny mampiasa tabilao fotsy mba hahafahan’ireo mpianatra hanao tombatombana ireo fomban-drazana isan-karazany miaraka amin’ny iray kilasy fa tsy ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina fotsiny ihany. Avelao ireo mpianatra hanoratra ireo fomban-drazana eny amin’ny tabilao fotsy ary handray an-tsoratra sy haneho hevitra momban’ny zavatra izay voasoratra eny amin’ny tabilao fotsy nandritra ny lesona.

Matio 16:13–18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ny fomba ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’olona iray.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy; dika mitovy amin’ny lahateny nataon’ny Loholona Ronald A. Rasband “Manorina toera-mimanda misy fiainam-panahy sy fiarovana” (Liahona, mey 2019, 107–10) ho an’ireo mpianatra izay nisafidy ny hanao sahanasa D kanefa tsy manana fahafahana miresaka amina fitaovana elektronika

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hanasa mpianatra iray na roa hanasa namana akaiky na fianakaviana mba hanatrika ny ampahany amin’ny fotoam-pianarana sy hizara ny fomba izay nahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny maha zava-dehibe izany eo amin’izy ireo.

Matio 16:18–19; 17:1–7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona dia afaka manampy anao hahatakatra ny hevitra fonosin’ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny maha zava-dehibe izany eo amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina momba ny lakile fampiasan’izy ireo sy ho vonona hizara ny asan’ny lakile, sy ny antony maha zava-dehibe izany, ary ny zavatra mety hitranga raha sanatria ka very izany. Raha tian’izy ireo dia, azon’ireo mpianatra atao ny mitondra ny lakilean’izy ireo ao an-dakilasy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence:Entano ireo mpianatra mba hitondra lakile iray farafahakeliny na lakile maromaro ary hamaritra izay hampiasana izany sy ny antony maha zava-dehibe izany. Tokony atao amin’ny fanombohana ny lesona izy ity mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fanalahidin’ny fisoronana.

Fifehezana fotopampianarana: Matio 16:15–19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome ireo mpianatra fahafahana mba hampitombo ny fahaizan’izy ireo mifehy ity fotopampianarana ity amin’ny alalan’ny fitadidiana tsianjery ireo andalan-tsoratra masina sy fehezanteny manan-danja ao anaty soratra masina, sy hanazava ilay fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny trangan-javatra tena izy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra hisaintsaina momba ny fomba ahafahan’ny fanalahidin’ny fisoronana mitahy ny fiainan’izy ireo.

  • Taratasy zaraina: Taratasy zaraiana ahitana fanalahidy maro. Hevero ny hanome hety ireo mpianatra hanapatapahana azy io, na koa azo tapatapahana mialohan’ny fotoana ireo fanalahidy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hanasa mpitarika fisoronana iray eny an-toerana izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana mba hanatrika sy hamaly ireo fanontaniana momba ny fanalahidin’ny fisoronana sy hizara ireo zavatra izay niainany ka mety hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe izany. Ny mpitarika fisoronana dia afaka ihany koa manampy ireo mpianatra hanao ny asa fampiharana fanazaran-tena.

Marka 9:14–29

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra mba handinika momba ny finoan’izy ireo ny Tompo sy hikatsaka fanambarana mikasika ny fomba hanatanjahana izany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina momban’ny zavatra izay niainan’izy ireo izay nampatanjaka ny finoany an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany olon-kafa momba ny zavatra niainana nampiorim-paka ny finoan’izy ireo manokana.

  • Horonantsary: Mino Aho, Tompo” (14:43; jereo manomboka avy amin’ny minitra faha 1:12 ka hatramin’ny minitra faha 2:59 ary, raha maniry dia, manomboka avy amin’ny minitra faha 5:57 ka hatramin’ny minitra faha 10:28)

  • Ireo fitaovana ho an’ireo mpianatra: Taratasy na diary fandalinana Soratra Masina

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hampiseho ilay horonantsary voalaza eo amban’ny “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra. Mety ho tsara kokoa raha mba alaina mialoha ilay horonantsary.

Hamoaka printy