Seminera
Marka 9:14–29


Marka 9:14–29

“Tompo ô, Mino aho, Vonjeo aho ho Afaka amin’ny Tsy Finoako”

Sary
A man holding his son in his arms as he presents the boy to Jesus Christ to be healed. Christ is depicted standing and reaching with His and toward the boy’s head. The painting depicts Jesus Christ healing and casting a devil out of the boy.

Nanatona vahoaka betsaka izay nanontany ireo mpianatra i Jesoa Kristy satria tsy vitan’ireo mpianatra ny nandroaka ilay fanahy ratsy tao amin’ny zanakalahin’ny lehilahy iray. Rehefa avy nampianatra ilay raim-pianakaviana momba ny finoana i Jesoa Kristy dia, nanasitrana ilay zananilahy. Ity lesona ity dia hanampy anao handinika ny finoanao ny Tompo sy hikatsaka fanambarana momba ny fomba ahafahanao mampatanjaka izany.

Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra hisaintsaina momba ny zavatra izay niainan’izy ireo ka nampatanjaka ny finoany an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manontany olon-kafa momba ny zavatra niainana nampiorim-paka ny finoan’izy ireo manokana.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Olana misakana ny finoana

Alaivo sary an-tsaina hoe miaina ireto olana manaraka ianao:

Hevero ny mampiseho ireto toe-java-nitranga manaraka ireto na toe-java-nitranga hafa izay mifanaraka kokoa amin’ny zavatra iainan’ireo mpianatra.

Tsy mahatsapa ho voaray tsara any am-piangonanaHarerahan-tsainaFianakaviana iray izay niala tao amin’ny FiangonanaFahafatesan’ny namana iray

  • Inona no mety ho fiatraikan’ireo trangan-javatra ireo amin’ny fiainoana sy fahatokian’olona iray an’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo trangan-javatra hafa izay mety ho hitsapana ny finoan’ny zatovo iray an’i Kristy?

  • Inona avy ireo zavatra izay efa niainanao na niainan’olon-kafa ka nampiseho ny maha zava-dehibe ny fananana finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy mandritry ny fotoan-tsarotra?

Hevero ny manome ity fanaovana fanombatombanana ny tena ity amin’ny taratasy zaraina na mampiseho izany amin’ireo mpianatra mba ho ampiasany rehefa mirakitra an-tsoratra ireo valinteniny ao anaty diary fandalinan’izy ireo soratra masina izy ireo.

Sary
Attribute Activity Card

Ataovy ireto fanaovana fanombatombanana ny tena ireto:

Atrikasa nomena: Finoana

Misafidiana isa izay tena mamaritra hoe hatraiza no fihatran’ny fanambarana tsirairay eo aminao. Tadidio fa ny fivoarana ara-panahy dia dingana iray izay atao tsikelikely ary tsy misy ny olona tonga lafatra.

1 = tsia mihitsy; 2 = indraindray; 3 = matetika; 4 = saika mandrakariva; 5 = mandrakariva

________ 1. Mino an’i Jesoa Kristy aho ary manaiky Azy ho Mpamonjy ahy. ( 2 Nefia 25:29)________ 2. Manana finoana ampy aho mba hahafahan’ny zavatra tsara hitranga eo amin’ny fiainako sy ny fiainan’ny hafa. ( Etera12:12)________ 3. Ampy ny fahatokiako ny Mpamonjy mba hanekeko ny sitrapony sy hanaovako izay rehetra tiany hataoko. ( 1 Nefia 3:7)

  • Saintsaino ireolafim-piainana izay anananao finoana matanjaka. Inona ny zavatra izay efa niainanao ka nanampy anao hatanjaka teo amin’ireo lafim-piainanao ireo?

  • Amin’ny lafim-piainana toy ny ahoana no ilanao fanamafisana?

“Mamindrà fo aminay”

Taorian’ilay zavatra niainany niaraka tamin’i Petera syJakoba ary Jaona teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy dia, nanantona lehilahy anakiray izay naniry mafy ny mba hanasitranana ny zanany amin’ny fanahy ratsy i Jesoa.

Hevero ny mamaky ny Marka 9:14–22 sy 23–27 miaraka amin’ny iray kilasy, sy ny manasa mpianatra anankiray hamaky ireo teny izay nataon’ny Mpamonjy, sy iray hafa hamaky ny tenin’ilay raim-pianakaviana, ary iray hafa kosa hamaky ny andinin-tsoratra masina ambiny ho toy ny mpitantara. (Mety afaka manampy ihany koa ny fanomezana ireo ampahany ireo sy ny fanasana ireo mpianatra mba hitady ny andinin-tsoratra masina lalaovin’ izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana.) Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mampiasa io fomba famaky iarahan’olona telo io.

Mba ho solon’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo dia asehoy ilay horonantsarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland izay mamerina mitantara io tantara io “Tompo ô, Mino aho,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra faha 0:00 ka hatramin’ny minitra faha 3:33.

Vakio ny Marka 9:14–22, mba hahitana ny trangan-javatra sarotra izay natrehan’ity raim-pianakaviana ity sy ny zananilahy.

  • Inona araka ny hevitrao ny zavatra tsapan’ilay raim-pianakaviana rehefa tsy afaka nanasitrana ny zanany lahy ireo mpianatry ny Mpamonjy?

Mila mitandrina rehefa mangataka ireo mpianatra hamaly am-bava ity fanontaniana manaraka ity. Mety ho mahakasika azy ireo manokana ny valintenin’izy ireo ka sarotra ny hizara izany.

  • Tamin’ny oviana ianao na ny olona fantatrao no nanana eritreritra hilaza tamin’ny Tompo hoe “Mamindrà fo aminay, ampio izahay”?

  • Inona no fantatrao avy tamin’ireo zavatra izay efa niainanao manokana momba ny finiavan’ny Tompo hampiseho ny famindrampony?

  • Nahoana i Jesoa Kristy no afaka mamindra fo amintsika tsirairay?

Vakio ny Marka 9:23–27 mba hahitana ny zavatra izay niseho manaraka. Hevero ny hanamarika ireo teny, na andian-teny na fahamarinana izay tsapanao fa tena ilaina tadidiana.

  • Inona ny zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy tamin’io raim-pianakaviana io rehefa nangataka fanampiana izy?

  • Inona ny zavatra nanaitra anao manokana tamin’ny valin-teny izay nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy faha 24 ?

  • Inona ireo zavatra izay efa niainanao ka nanampy anao hiteny hoe, “Tompo ô, Mino aho”?

Ny loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ireo fahamarinana izay azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Rehefa teo anatrehan’ny fanamby tokony hanehoana finoana dia, nanamarina ny tanjany aloha ilay raim-pianakaviana ary avy teo vao niaiky ny tsy fahalavorariany izy. Ny fanambarany voalohany dia marina ary tsy nisy fisalasalana: “Tompo ô, mino aho.” Te hiteny amin’ireo rehetra izay maniry hanana finoana kokoa aho hoe tsarovy io lehilahy io! Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia, hazony ilay finoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. … Mifikira mafy amin’iny zavatra izay efa fantatrareo ary mijoroa mafy mandra-pahatongan’ny fahalalana fanampiny. …

… Rehefa tonga ny ahiahy na ny olana, dia aza matahotra mangataka fanampiana. … Handefa fanampiana ho antsika avy amin’ireo lafy roan’ny voaly Andriamanitra mba hampahatanjaka ny finoantsika.

(Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, mino aho,” Ensign na Liahona, May 2013, 93–94)

  • Inona ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ity tantaran’ny soratra masina ity sy avy amin’ireo fampianaran’ ny Loholona Holland ireo?

Ny fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity dia rehefa misafidy ny hino ny Ray any an-danitra sy hikatsaka ny fanampiana avy Aminy amin’ny alalan’ny vavaka isika dia hanampy antsika Izy, hampahatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

  • Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “tazomy ny tany izay efa azonao” ary “tano mafy izay efa fantatrao”?

Fomba anankiray “hitazomana ny tany izay efa azonao” sy “hitazomana mafy ny zavatra izay efa fantatrao” dia ny mitadidy sy manankin-doha amin’ireo zavatra izay efa niainanao ka nampahatanjaka ny finoanao. Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ireto zavatra izay efa niainany ireto:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ankoatra ny fitarihana mitondra fiadanana azontsika avy amin’ny Fanahy Masina, dia indraindray Andriamanitra mankahery manokana antsika tsirairay amin-kery fa hoe mahafantatra antsika Izy sady tia antsika ary mitahy antsika manokana sy mivantana. …

… Rehefa manamaloka ny diantsika ny fotoan-tsarotra, na ny ahiahy, na ny hakiviana, … i[re]o fahatsiarovana ara-panahy manamarika ny fiainana dia … toy ny vato mamirapiratra manazava ny lalana eo anoloana, ka manome antoka antsika fa mahafantatra antsika Andriamanitra, sy tia antsika, ary nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany, mba hanampy antsika hiverina any an-tranontsika.

(Neil L. Andersen, “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana,” Ensign na Liahona, mey 2020, 19, 21)

Sorito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina na sombin-taratasy ny iray amin’ny tananao. Soraty eo afovoan’ilay soritra izay nataonao ny hoe “Tompo ô, Mino aho” mba hanehoana ny fihazonanao ireo zavatra izay efa fantatrao. Manodidina an’io fehezanteny io dia, ataovy lisitra ny antony fohy izay fantatrao na inoanao fa “Mahafantatra [anao], sy tia [anao], Andriamanitra ary nanome an’i Jesoa Kristy Zanany Izy mba hanampy [anao] hiverina any an-tranonao.”

Ho solon’ny fanoritana ny tanan’izy ireo dia, azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mandrakitra an-tsoratra ny antony hinoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy an’iJesoa Kristy. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra izay niainany manokana ara-panahy. Hevero ny manentana ireo mpianatra mba hizara ireo zavatra izay nosoratan’izy ireo, ary raha mety dia, miaraka amin’ireo valinteny izay naroson’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity.

  • Ahoana ny fomba fitadidiana ireo zavatra izay niainanao avy tamin’ Andriamanitra sy ireo lesona izay nampianariny anao ka nanampy anao mba hatanjaka amin’ny fotoan-tsarotra?

Saintsaino ny zavatra izay hataonao, na izay efa ataonao, hisintomana ireo traikefa izay anananao mba hanampy anao hahafantatra fa fantatr’ Andriamanitra ianao ary tiany.

Hevero ny mamarana amin’ny fijoroana ho vavolombelona na manasa mpianatra anankiray hijoro ho vavolombelona ny fomba nampahatanjahan’ny Mpamonjy antsika manoloana ireo ady sarotra izay atrehantsika sy ny fanomezany valisoa izay manao ezaka amin’ny fo madio amin’ny fahatokisana Azy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Marka 9:29. Inona ny zavatra izay tian’ny Mpamonjy notenenina rehefa nilaza izy fa, “Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana sy fifadian-kanina ihany”?

Ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia afaka mitondra herim-panahy lehibe avy amin’ny Tompo. Ny olana sasany, tahaka ny hoe rehefa nanandrana namoaka fanahy ratsy ireo Apôstôly, dia mety nilana hery bebe kokoa izany. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson, “Ny hery mamy azo avy amin’ny vavaka dia azo amafisina amin’ny alalan’ny fifadian-kanina … raha sendra ka azo atao amin’ny zavatra ilaina manokana” (“Hery mamy azo avy amin’ny vavaka,” Ensign na Liahona, mey 2003, 7).

Aiza no ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny finoana sy ny ahiahy?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifolo dia nampianatra ireo fahamarinana fanampiny momba ny fomba tsara fanatanjahana ny finoana sy andresena ny ahiahy. Mba hihainoana ny ampahany amin’ireo fahamarinana fanampiny ireo dia, jereo ny horonantsary “Tompo ô, Mino aho” manomboka avy amin’ny minitra faha 5:57 ka hatramin’ny minitra faha 10:28.

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa azo hanombohana ny lesona

Vavaka sy fifadian-kanina

Ny fomba anankiray hafa hamporisihana ireo mpianatra hampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy dia hita ao amin’ny Marka 9:28–29 . Nanamafy ny Mpamonjy ao amin’ny andininy faha 29 fa ny Mpianany dia tsy tokony handroaka devoly noho ny tsy fahampian’ny finoan’izy ireo. Hevero ny manasa ireo mpianatra mba hianatra ireto andinin-tsoratra masina ireto eo am-pitadiavana izay foto-kevitra mifanaraka amin’ity manaraka ity: Afaka mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny vavaka sy fifadian-kanina. Azon’ireo mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ny antony hanomezan’ny Tompo fitahiana vokatr’ireo vavaka sy fifadian-kanina zay ataontsika. Ny fanambarana mahakasika ny vavaka sy ny fanaovana fifadian-kanina izay hita ao amin’ny fizarana amin’ny “Fanamarihana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ihany koa dia azo ampiasaina mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity.

Hamoaka printy