Seminera
#Matio 18; Lioka 10


#Matio 18; Lioka 10

Topimaso

Nampianatra i Jesoa Kristy fa Izy sy ny Raintsika any An-danitra dia tia sy miahy ny olona rehetra. Nampianatra fanoharana roa Izy, izay afaka manampy antsika hahatakatra ny fitiavan’Izy ireo sy hianatra hitondra ny hafa tahaka izay ho nataon’Izy ireo. Ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo dia mampahatsiahy antsika hamindra fo amin’ny hafa, tsy misy hafa amin’ny amindran’ Andriamanitra fo amintsika. Ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy kosa dia afaka manampy antsika hanaraka ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy amin’ny tokony hitiavantsika ireo mpiara-belona amintsika. Nampianatra an’i Marta sy i Maria ihany koa Izy mikasika ny maha zava-dehibe ny fametrahantsika Azy ho ivon’ny fiainantsika.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manolotra hevitra ho an’ireo mpampianatra momba izay mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 18:11–14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia be famindram-po ary maniry fatratra ny hamonjy ireo fanahy very rehetra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Entano ireo mpianatra ho vonona hizara tantara ao amin’ny Soratra Masina izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra ireo very ara-panahy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hanombohana ny lesona izay hatao dia hevero ny hampiasana fitaovana fanadihadiana an-jotra mba hanentanana ireo mpianatra hamaly ilay fanontaniana momba ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manoloana ireo izay nanota.

Matio 18:21–35

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanahaka kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny ezaka izay ataon’izy ireo amin’ny famelana ny heloky ny hafa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Nilaza ny Tompo ao amin’ny fifehezana fotopampianarana hoe: “takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10). Entano ireo mpianatra hisaintsaina ny antony andidian’ i Jesoa Kristy antsika mba hifamela heloka. Mety hanampy ihany koa ny fanasana ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11 ary hisaintsaina ny hafatra izay tian’ny Tompo hampitaina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Horonantsary:Our Path of Duty” (11:10; amin’ny teny Malagasy, jereo manomboka amin’ny mari-potoana 2:16 ka hatramin’ny 3:25)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hanombohana ny lesona dia, hevero ny hampisehoana ity soratra masina manaraka ity mba hosaintsainin’ny mpianatra: “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10). Rehefa nahazo fotoana nisaintsainana tsara ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara ny antony mahatonga io didy io ho fitahiana eo amin’ny fiainantsika. Asaivo ihany koa izy ireo hizara ny antony mahasarotra ny fitandremana izany indraindray.

Lioka 10:25–37

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy momba ny fitiavana ny mpiara-belona.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Lioka 10:30–35 , ka hitady ny toerana izay ahitana an’i Jesoa Kristy ao amin’ity fanoharana ity. Entano ihany koa izy ireo hitady ny toerana izay misy azy ireo ao amin’io fanoharana io.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Mandritra ny ampahany amin’ity lesona ity izay hifanakalozan’ireo mpianatra hevitra momba ireo fanontaniana izay mifandray amin’ny fitiavana ny mpiara-belona amin’ny toe-javatra samihafa, dia diniho ny hampiasana salles de discussion. Ampandraiketo toe-javatra iray amin’ireo voatanisa ao amin’ny lesona ny vondrona tsirairay, ary omeo fotoana izy ireo hifanakalozana hevitra momba ireo fanontaniana telo rehefa mieritreritra ny toe-javatra izay nomena azy ireo.

Lioka 10:38–42

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra ireo safidy sy sahanasa izay manampy azy ireo hanao an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao lisitra ireo zavatra nataon’izy ireo ny andro mialohan’ity lesona ity ary hitondra izany lisitra izany any an-dakilasy.

  • Fitaovana ilaina amin’ny lesona: Boaty iray sy vato samihafa habe maromaro mihoatra noho izay azo ampidirina ao anatiny.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 6Tanjon’ny lesona: Omeo fahafahana ireo mpianatra hanatevina ny fahatakaran’izy ireo sy hanazava ireo fahamarinana mikasika ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fanamarihana: Azo ampianarina ho solon’ity lesona ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tompon’andraikitra eo amin’ny vondrom-paritra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny seminera.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamantatra fahaiza-manao na paikady momba ny fandalinana soratra masina mety tsara amin’izy ireo ary hisaintsaina ny antony ilan’izy ireo io fahaiza-manao na paikady io.

  • Taratasy zaraina: Miomàna hampiseho ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fehezanteny manan-danja izay mifandraika amin’izany, na omeo taratasy zaraina ahitana izany ireo mpianatra.

  • Fitaovana ilaina: Amarino fa manana fitaovana hanoratana sy diary fandalinana soratra masina na taratasy kely avokoa ireo mpianatra ho ampiasaina amin’ny sahanasa mandritra ny lesona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Afaka mamorona pejy nomerika “andalana anampy andalana” ireo mpianatra, na fanehoana hita maso an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azon’ireo mpianatra atao avy eo ny mizara ny efijerin’izy ireo mba hampisehoana sy hanazavana ny zavatra noforoniny amin’ny iray kilasy.

Hamoaka printy