Seminera
Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 6


Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 6

Takaro ary hazavao

Sary
A group of teenagers sit in a classroom learning together while a young woman reads from the scriptures, the other youth follow along. The teacher can be seen standing to the side.

Anisan’ny tanjona amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ny hahafahanao manazava izany amin’ny fomba fiteninao manokana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanatevina ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na mihoatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hitady ireo fahaiza-manao momba ny fianarana soratra masina na ny paikady mety ho tsara amin’izy ireo ary hisaintsaina ny antony ilan’izy ireo io fahaiza-manao na paikady io.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ho solon’ity lesona ity dia mety ho ilaina ny mampianatra lesona iray momban’ny fifehezana fotopampifandaharana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana hisian’ny seminera.

Fahatakarana ny soratra masina

Mialohan’ny hanombohana ny fifanakalozan-kevitra dia, entano ireo mpianatra hanokana iray na roa minitra hilalao kilalao tsotra iray, toy ny jeu de points na pierre papier ciseaux, miaraka amin’ilay olona eo akaikiny. Rehefa vita ilay kilalao dia, anontanio ireo paikady izay nampiasain’izy ireoary ny antony maha zava-dehibe ny fampiasana paikady rehefa manao kilalao. Avy eo dia hazavao fa misy ihany koa paikady izay azontsika ampiasaina mba hanampiana antsika hahatakatra tsara kokoa ny soratra masina.

Entano ireo mpianatra hizara hevi-baovao tamin’ilay sahanasa fanomanana ny mpianatra izay naroso. Hevero ny hitanisana eny amin’ny solaitrabe ireo valin-teny aroson’izy ireo.

  • Inona avy ireo paikady sasantsasany izay efa nampiasainao na azonao ampiasaina mba hahatakarana tsara kokoa ny soratra masina?

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny manokana fotoana mba hahatakarana bebe kokoa ny fampianaran’ Andriamanitra izay hita ao amin’ny soratra masina?

Mandritra ity lesona ity dia, dia hanana fahafahana hampiasa paikady tsotra iray ianao handalinana ny fahatakaranao ny iray na mihoatra amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Hanana fahafahana ihany koa ianao hanazavana amin’ny olona hafa ny fahamarinana avy tao amin’ny andinin-tsoratra masina iray izay nosafidinao.

Ity manaraka ity ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy tamin’ny tapany voalohan’ny Testamenta Vaovao.

Asehoy ity taratasy mirakitra lesona ho zaraina manaraka ity mba ho azon’ireo mpianatra jerena mandritra ny lesona..

Andinin-tsoratra masina

Fehezanteny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Ary hoy Jesoa taminy, “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona tehanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36–39

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa no tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Halalino ny fahatakaranao

Ity paikady manaraka ity dia afaka manampy anao hanatevina ny fahatakaranao ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Ny gazetiboky Ho zatovo mahery! dia matetika ahitana sahanasa fandalinana soratra masina antsoina hoe “Andalana anampy Andalana,” izay ahitana fanazavana na famaritana teny na andian-teny manan-danja vitsivitsy avy amin’ny andinin-tsoratra masina iray nohazavaina na nofaritana. Raha hijery ohatra iray amin’ny sahanasa momban’ny “Andalana anampy Andalana” dia, jereo ny “Aza matahotra,” Ho zatovo mahery!, feb. 2021, 32.

Mamoròna pejy “Andalana anampy Andalana” anao manokana ho an’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny tapany voalohan’ny Testamenta Vaovao. Hevero ny hampiasana fitaovana fanaovana asa kanto mba hanampiana anao hamorona io pejy io ho manintona ny maso. Ampiasao ireto torolalana manaraka ireto mba hanampy anao amin’ny famoronana ny pejinao:

  1. Soraty amin’ny taratasy kely mbola tsy misy soratra ny teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidinao.

  2. Misafidiana teny na andian-teny dimy farafahakeliny avy amin’io andinin-tsoratra masina io izay tianao hifantohana.

  3. Mitadiava famaritana, fanazavana, ohatra, andinin-tsoratra masina mifanaraka amin’izany, na fanambarana izay nataon’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ireo teny na andian-teny izay nosafidinao ireo. Tanisao eo amin’ilay taratasy ireo.

  4. Mampidira andinin-tsoratra iray farafahakeliny ao amin’ny pejy izay noforoninao izay manazava ny zavatra azon’ity andinin-tsoratra masina ity anampiana anao mba hahatakatra tsara kokoa momba an’i Jesoa Kristy, na ny Fiangonany, na ny asa nanirahana Azy mba hanavotra antsika.

Raha ampy ny fotoana dia, avereno ity sahanasa ity miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa avy ao amin’ny lisitra.

Zarao ny zavatra izay noforoninao

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra izay noforonin’izy ireo amin’ny namany na amin’ny vondrona kely ary hanazava ny zavatra izay nianarany momba ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidiny hifantohana. Ireo mpianatra izay maniry ny hanao izany dia afaka mizara ny zavatra izay noforoniny amin’ny iray kilasy.

Hamoaka printy