Seminera
Lioka 10:38–42


Lioka 10:38–42

Mametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika

Christ seated in the home of Mary and Martha. Mary kneels at Christ’s feet, her hands clasped in her lap. Martha stands at Mary’s side. Martha is holding a mixing bowl and spoon in her hands. She is looking at Christ. A stone arched doorway is in the background.

Rehefa nampianatra tao an-tranon’i Marta i Jesoa dia, nanararaotra Izy mba hampianatra ny maha zava-dehibe ny fanaovana ny fampianarany ho laharampahamehana eo amin’ny fiainantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hianatra hamaritra ireo safidy sy sahanasa izay hanampy anao hanao an’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany ho ivon’ny fiainanao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanao lisitra ireo sahanasa izay nataon’izy ireo ny andro mialoha an’ity lesona ity ary hitondra izany lisitra izany ao andakilasy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ireo laharampahamehana

Hevero ny mitondra boaty sy vato amin’ny habehany samy hafa. Hamarino tsara fa hitondra vato betsaka mihoatra noho izay mety ho tafiditra ao anatin’ilay boaty izay nentinao ianao. Asaony mpianatra iray mba hanandrana hametraka vato betsaka araka izay azon’izy ireo atao ao anatin’ilay boaty. Apetraho ity fanontaniana manaraka ity: “Raha maneho ireo sahanasa izay azontsika atao mandritra ny tontolo andro iray ireo vato ireo dia, inona eo amin’ny fiainantsika no azo ampitahaina amin’ny tanjona kendrena amin’ity lesona ity?”

Betsaka ny fanapahan-kevitra izay iraisintsika isan’andro momba ny fomba izay ampiasantsika ny fotoanantsika.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny ankamaroantsika dia miandry zavatra maro avy amintsika mihoatra noho izay mety ho azontsika atao. … Miatrika safidy maro tokoa isika amin’ny zavatra izay handaniantsika ny fotoanantsika sy ireo loharanom-pahalalana hafa.

(Dallin H. Oaks, “Bon, mieux, encore mieux,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 104)

Rehefa nahavita ilay sahanasa fanomanana izay natolotra ireo mpianatra dia, entano izy ireo mba hijery ireo lisitra izay nataon’izy ireo.

Saintsaino hoe iza amin’ireto teny nambara manaraka ireto no manoritra ny tenanao kokoa (azonao atao ny misafidy mihoatra ny iray).

  1. Manokana fotoana ho an’ireo sahanasa ara-panahy sy ara-nofo aho.

  2. Maniry ny hanaraka ny Mpamonjy aho saingy matetika no mahatsiaro tena ho tena sahirana amin’ireo asa hafa.

  3. Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ny fiainako.

  4. Tsy mahaliana ahy ny manokanana fotoana mba hanatonana an’i Jesoa Kristy.

Mandritra ity lesona dia, hianatra momba ilay tantara ao amin’ny soratra masina izay mampianatra ny maha zava-dehibe ny fametrahana an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika isika. Henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina izay afaka hanampy anao hahatakatra ny fomba hametrahana an’i Jesoa Kristy ho laharam-pahamehana ambony indrindra eo amin’ny fiainanao.

Mampianatra an’i Maria sy i Marta ny Mpamonjy

Rehefa nankany Betania ny Mpamonjy dia, nitsidika ny tokantranon’ilay vehivavy iray izay antsoina hoe Marta Izy, izay mpianatra mahatoky sy feno fanoloran-tena tokoa.

Vakio ny Lioka 10:38–42 , ary mifantoha tsara amin’ny zavatra izay ianaranao avy amin’ny ohatra sy ireo tenin’ny Mpamonjy. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe sahirana dia midika hoe feno tebiteby na mitondra enta-mavesatra.

  • Inona no ampianarin’io tantara io anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny faniriany ho antsika?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahamety ny safidy izay nataon’i Maria tamin’io teo-java-niseho io?

Fahamarinana anankiray izay azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe: ireo safidy izay mitondra antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy diatokony hataontsika ho laharampahamehana ambony indrindra eo amin’ny fiainantsika.

  • Nahoana araka ny hevitrao no mahatonga ny Ray any An-danitra maniry ny hametraka ny zanany Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika?

Na dia afaka nanampy ny hafa aza i Maria dia, mbola nisafidy hatrany izy ny handray lesona avy tamin’ny fampianarana izay nataon’i Jesoa Kristy, ary tena izany mihitsy no zava-dehibe indrindra izay tokony nataony tamin’io fotoana io (jereo Lioka 10:42).

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nanazava ny fomba izay ahafahantsika rehetra miatrika ireo safidy mitovy amin’izany:

Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Koa satria tsara ny zavatra anakiray dia tsy ampy atao ho antony hanaovana azy anefa izany. Ny isan’ireo zavatra tsara azontsika atao dia tena betsaka lavitra noho ny fotoana misy hanatanterahantsika azy ireo. Misy zavatra sasantsasany tsara kokoa noho izay tsara, ary ireo zavatra ireo no tokony hifantohan’ny saintsika voalohany eo amin’ny fiainantsika.

(Dallin H. Oaks, “Bon, mieux, encore mieux,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 104)

Hevero ny manao tabilao misy tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ireto lohateny ireto Tsy dia manan-danja sy Manan-danja kokoa.Rehefa avy eo dia soraty ireo valinteny izay omen’ireo mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo ambanin’ilay tsanganana mifanaraka amin’izany.

  • Inona avy ireo zavatra tsy dia manan-danja eo amin’ny fiainanao ka mety misarika anao hanalavitra an’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo safidy izay azonao atao mba hahafahanao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ny zavatra mety hanampy anao handray ilay safidy manan-danja indrindra ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainanao?

Raha toa ka nampiasaina tamin’ny lesona ilay sahanasa momba ny vato dia, azo atao ny manentana ireo mpianatra mba hanoratra ireo sahanasa sasany izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe eo ambonin’ireo vato ireo. Azon’izy ireo atao ny manoratra ireo sahanasa izay mampanakaiky azy ireo kokoa an’i Jesoa Kristy eo ambonin’ireo vato lehibe indrindra ary ireo sahanasa tsy dia manan-danja kosa eo ambonin’ireo vato salantsalany na kely. Rehefa avy eo dia afaka mametraka ireo vato lehibe indrindra ao anatin’ilay boaty ireo mpianatra, ary tohizana amin’ireo vato kely indrindra izany mandrapaha-feno tanteraka ilay boaty.

  • Inona avy ireo fitahiana efa azonao tamin’ny ezaka izay nataonao amin’ny fametrahana an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainanao?

Manaova drafitra

Raha sendra misy mpianatra sasany efa namorona ny lisitr’ireo sahanasa izay hataony isan’andro amin’ny fanomanana ny kilasy dia, ampifanaraho amin’izany ireto torolalana ireto.

Manaova lisitra ho an’ireo sahanasa izay ataonao isan’andro, ary fantaro ireo sahanasa hampanatona anao kokoa an’ny Mpamonjy. Saintsaino ireo zavatra izay mety mbola azonao ampiana na anesorana miainga amin’ireo zavatra izay nianaranao sy tsapanao androany. Manaova drafitra manokana momba ny zavatra izay hataonao mba hahafahanao hametraka ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainanao.

Hevero ny manentana ireo mazoto mba hizara ny drafitra izay nataon’izy ireo. Mitadiava fomba hanehoana fankasitrahana ireo mpianatra amin’ny zavatra izay nataon’izy ireo mba hifantohany amin’ny Mpamonjy. Mizarà fijoroana ho vavolombelona mahakasika ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fametrahana ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ataon’i Satana mba hanakanana antsika amin’ny fampiasana am-pahendrena ny fotoana izay ananantsika?

Ny Filoha Steven W. Owen, Filohan’ny zatovolahy maneran-tany teo aloha dia, nanambara hoe:

2:3
Brother Stephen W. Owen Young Men General President. Official Portrait 2018.

Hiezaka ny handresy lahatra anareo ilay fahavalo fa ny sakafo ara-panahy dia tsy ilaina na lazainy amin-kafetsena kokoa fa hoe afaka miandry izany. Izy no lehiben’ny fandrebirebena sy ny fanemorana. Hisarika ny sainareo amin’ny zavatra izay toa maika kanefa raha ny marina dia tsy manan-danja akory. Hataony izay hahatonga anareo ho “maro ahina sy maro herehina” ka hahatonga anareo hanao an-tsirambina ilay “anjara [izay] tsara” [ Lioka 10:41–42 ].

(Steven W. Owen, “Aoka hanam-pinoana fa tsy ho kely finoana,” Liahona, nôv. 2019, 13)

Hoy ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

2:3
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Misy zavatra maro mahafinaritra, mampientam-po ve ny manao azy na misy olana marobe izay manery anao ve ka manasarotra ny fifantohana amin’ny zavatra tena manan-danja? Rehefa mibosesika ireo zavatr’izao tontolo izao dia, matetika loatra no lasa laharam-pahamehana ambony indrindra ireo zavatra ratsy. Hany ka mora foana ny manadino ilay tanjona fototry ny fiainana. Manana fitaovana mahery vaika ampiasainy hanoherana ireo olona tsara i Satana. Ny fisarihana ny saina hieritreritra zavatra hafa izany. Ataony izay hananan’ireo olona tsara ireo “zava-tsoa” amin’izay dia lasa tsy misy toerana ho an’ireo zavatra manan-danja intsony. Efa tratran’izany fandrika izany ve tsy tamim-panahiniana ve ianao?

(Richard G. Scott, “First Things First,” Ensign, May 2001, 7)

Inona avy ireo loza sasantsasany ateraky ny fitsaratsarana ny safidin’ny hafa?

Ny Filoha Bonnie D. Parkin, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany teo aloha dia nanambara hoe:

13:0
Former official portrait of Bonnie D. Parkin, general president of the Relief Society, 2002. Released at April 2007 general conference.

Tao anatin’ny fangatahan’i Marta fanampiana dia nisy fitsarana tsy nolazaina kanefa nazava: “Izaho no marina; diso izy.”

Mifampitsaratsara ve isika? Mifanakiana amin’ny safidin’ny tsirairay ve isika, ka mihevitra fa mahalala bebe kokoa, kanefa raha marina dia tsy mahatakatra na iray aza amin’ireo toe-javatra izay iainan’ny hafa akory aza isika na ny fitariham-panahin’ny tsirairay? … Ny fitsarana tahaka izany … dia mandroba ilay anjara tsarantsika, dia ilay fitiavana madion’i Kristy.

Tsy mahita io anjara tsara io ihany koa isika raha toa ka mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa. Tsara kokoa ny volony, bota kokoa ny tongotro, manan-talenta kokoa ireo zanany, na mamokatra kokoa ny zaridainany—ry rahavavy, fantatrareo ilay hira. Tena tsy azontsika atao mihitsy izany. Tsy azontsika atao ny mamela ny tenantsika hahatsapa ho tsy mahay amin’ny fifantohana amin’ny tsy isika fa tsy amin’ilay hoe iza isika!

(Bonnie D. Parkin, “Le choix de la charité, la bonne part,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 105)

Ahoana no ahafahako misafidy amin’ireo safidy roa izay samy tsy dia ratsy?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara hoe:

Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Rehefa eritreretintsika ireo safidy samihafa dia, tokony hotsaroantsika fa tsy ampy hoe tsara fotsiny ny zavatra iray. Tsara kokoa ireo safidy hafa, kanefa mbola misy ihany koa ireo hafa izay tsara indrindra. …

Hevero ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika amin’ireo safidy izay ataontsika amin’ny fijerena fahitalavitra, filalaovana jeux vidéo, fampiasana ny aterineto na ny famakiana boky na ireo gazetiboky. Mazava ho azy fa tsara ny mijery ireo fialam-boly mahafinaritra na fanovozana ireo fampahalalana izay mahaliana. Fa tsy ny zavatra rehetra toy izany nefa no mendrika ny fotoana omentsika mba hahazoana izany. Tsara kokoa ireo zavatra sasantsasany, ary tena tsara indrindra ny hafa. …

… Mila mamela ireo zavatra tsara sasany isika mba hisafidianana zavatra hafa izay tsara kokoa na izay tsara indrindra noho izy ireo mampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy manamafy orina ny fianakaviantsika.

(Dallin H. Oaks, “Bon, mieux, encore mieux,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 104–5, 107)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fitadiavana fahadisoana amin’ny safidy izay ataon’ny hafa

Nanitsy an’i Marta ny Mpamonjy rehefa nahita fahadisoana tamin’ny zavatra izay nataon’i Maria izy. Hevero ny manampy ireo mpianatra mba hahatakatra fa tsy tokony hanery ny hafa isika amin’ny fomba fijerintsika momba ny fanarahana ny Tompo (jereo ny “Inona avy ireo loza ateraky ny fitsaratsarana ny safidin’ny hafa?” ao amin’ny fizarana misy ny “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”).

Ity sahanasa ity dia azo ampidirina amin’ny fametrahana ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Efa avy nahazo fanakianana ve ianao noho ny safidy izay nataonao? Azon’olona roa atao ve ny misafidy sahanasa samihafa izay samy eken’ny Tompo?