Matio 18:11–14
Ny fangoraham-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy
Nampianatra i Jesoa Kristy fa Izy sy ny Ray any An-danitra dia tia sy miahy ny olona rehetra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa fa be fangoraham-po sy maniry ny hamonjy ny fanahy very rehetra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy
-
Iza amin’ireto fehezanteny manaraka ireto araka ny eritreritrao no tena mamaritra ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo izay nanota?
-
Mahakivy Azy Ireo ny mamela heloka ny mpanota, saingy hataon’ Izy Ireo izany raha mibebaka marina isika.
-
Tian’Izy Ireo ny hibebahantsika mba hahafahan’Izy Ireo mamela ny helontsika, nefa faly amin’izay safidintsika Izy Ireo.
-
Mahatsapa fifaliana lehibe amin’ny famelana ny heloky ny mpanota izay mibebaka Izy Ireo.
-
Ahoana no mety fiantraikan’ny fahatakaran’ny olona iray ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny safidiny?
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia diniho ny zavatra ianaranao momba ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fiantraikan’izany fahalalana izany eo amin’ny fiainanao.Taorian’ny nampianarany ny mpianany fa fahotana lehibe ny manafintohina na mandratra ny zanak’ Andriamanitra, dia naneho ny faniriany feno famindram-po hamonjy “izay efa very sy hiantso ny mpanota ho amin’ny fibebahana” ny Mpamonjy ( Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 18:11).
Vakio ny Matio 18:11–14 , ka tadiavo ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba ireo izay very ara-panahy.
-
Inona no teny na andian-teny avy amin’ireo andininy ireo izay manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo fomba samihafa mahatonga ny olona ho very ara-panahy?
Iray amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe Be fangoraham-po sy maniry ny hamonjy ireo izay very ara-panahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Nanazava ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Nandritra ny taonjato maro dia, noraisin’ny olona ho toy ny antso ho antsika io fanoharana momba [ny ondry very] io mba hamerenana ireo ondry very sy hitady ireo izay very. Raha azo antoka fa mitombina sy tsara tokoa izany dia manontany tena aho raha toa ka mbola mihoatra izay ny tena izy.
Azo heverina ve fa ny tanjon’i Jesoa izay manan-danja indrindra dia ny nampianatra mikasika ny asan’ny Mpiandry Tsara?
Azo heverina ve fa nijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany nania Izy? …
Tsy manan-danja izay fomba nahalasa very anao—na izany noho ny safidy ratsy nataonao na noho ireo toe-javatra nisy izay tsy voafehinao. …
Satria tiany ianao dia ho hitany. Ataony eo an-tsorony amim-pifaliana ianao. Ary rehefa mitondra anao mody Izy dia hilaza amin’ny rehetra hoe: “Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very” [ Lioka 15:6 ].
(Dieter F. Uchtdorf, “Ataony eo an-tsorony ianao dia entiny mody,” Liahona, mey 2016, 102)
-
Nahoana araka ny eritreritrao no tian’i Jesoa Kristy hahalala ny fangoraham-pon’Izy sy ny Raintsika any An-danitra isika?
-
Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny toetran’Izy Ireo be fangoraham-po manampy anao amin’ny toe-javatra iainanao ankehitriny?
Porofon’ny toetra be fangoraham-po ananan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy
Fomba iray afaka hanamafisantsika ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny fitsipiky ny filazantsara ny fitadiavana ohatra amin’ny tena fiainana izay maneho ny fahamarinan’izany. Rehefa mahita porofon’ny fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainan’ny hafa ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy Masina hahatsapa fanantenana sy fahatokisana fa hitahy ny fiainanao koa ireo fitsipika ireo. Ireto sosokevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hahita ohatra tena misy amin’ny fahamarinana fa be fangoraham-po sy maniry ny hamonjy ireo izay very ara-panahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Tadiavo ao amin’ny soratra masina ny fitantarana izay mampiseho fa mamela heloka sy be fangoraham-po ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Raha mila fanampiana ianao dia diniho ny fandalinana ny iray na izy roa amin’ireto tantara ao amin’ny soratra masina ireto: Jaona 8:1–11 ; Almà 36:6–21 .
-
Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo ianaranao avy amin’ireo ohatra nosafidinao ireo?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny Mpamonjy naneho fangoraham-po sy nitady ireo izay very?
Ny fitadiavana ohatra amin’ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainanao manokana sy amin’ny fiainan’ny olona fantatrao dia mety ho fomba mahery vaika iray manampy anao hahatsapa fa marina izy ireo.
Raha tsy mizara antsipiriany na anarana manokana ianao dia fariparito ny momba ny olona iray izay fantatrao fa ny fiainany dia manaporofo fa be fangoraham-po ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary mitady ireo izay very amin’izao androntsika izao Izy Ireo.Saintsaino ny fomba anampian’ireto ohatra ireto amin’ny fanamafisana orina ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy be fangoraham-po. Eritrereto ny antony maha zava-dehibe ny fahafantaranao izany momba Azy Ireo.
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Iza no maneho ilay ondry nania ao amin’ny Matio 18:12–13 ?
Nanazava i Isaia hoe: “Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry; samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra” ( Isaia 53:6 ; nampiana fanamafisana). Noho izany, ilay ondry very izay mila ny famonjen’ny Mpiandry ondry Tsara dia maneho antsika tsirairay avy.
Inona no tsapan’ny Ray any An-danitra momba ireo izay mikasa ny hanaraka Azy nefa lavo hatrany?
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, tao amin’ny Fiadidiana Voalohany teo aloha, dia nanampy tamin’ny famaliana io fanontaniana io. Azonao atao ny mijery ny horonantsary “Fomba efatra iantsoana antsika”, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 3:07 ka hatramin’ny 4:49.
Samy efa nahita zaza miana-mandeha isika rehetra. Mandroso kely izy aloha dia mivembena. Ary mianjera. Moa ve itezerantsika izany andrana izany? Mazava ho azy fa tsia. Ray toy ny ahoana no hanasazy zaza iray noho ny fianjerany? Amporisihana izy, sy itehafana ary deraina, satria isaky ny mandingana kely indray mandeha ilay zaza dia miha mitovy amin’ireo ray aman-dreniny.
Ankehitriny ry rahalahy isany, raha ampitahaina amin’ny fahatanterahan’ Andriamanitra isika dia tsy mihoatra lavitra noho ny zazakely miambakavaka sy tsy mahatoky tena. Saingy tian’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana isika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa, ary izany koa ry rahalahy malala isany, no tokony ho tanjontsika mandrakizay koa. Takatr’ Andriamanitra tsara raha hoe tsy ao anatin’ny indray mipi-maso isika no tonga amin’izany fa amin’ny alalan’ny dingana iray isaky ny mandeha.
Izaho tsy mino Andriamanitra iray izay mametraka lalàna sy didy mba hiandrasana kendry tohana antsika fotsiny hoe ho lavo mba hahafahana manasazy antsika avy eo. Ny inoako dia Ray any An-danitra iray izay tia sy feno fiahiana ary mifaly amin’ny ezaka rehetra izay ataontsika hivoarana sy hahatongavana ho tahaka Azy. Na dia rehefa solafaka aza isika, dia mitaona antsika Izy mba tsy ho kivy—tsy hilavo lefona na hitsoaka adidy na oviana na oviana—fa ny hahazo hery, sy hanam-pinoana ary hanandrana hatrany.
(Dieter F. Uchtdorf, “Fomba efatra iantsoana antsika,” Liahona, mey 2013, 58)
Satria be fitiavana Andriamanitra, tena mila miezaka mitandrina ny didiny ve isika mba hovonjena?
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:
Ny sasany dia toa manome lanja ny fitiavan’ Andriamanitra satria manantena izy ireo fa lehibe ny fitiavany ary tsy misy fepetra ka hamela azy ireo amin’ny famindram-po amin’ny fankatoavana ny lalàny. …
Raha mahatakatra ny fampianaran’i Jesoa ny olona iray dia tsy tokony hihevitra izy fa ny Raintsika any An-danitra be fitiavana na ny Zanakalahiny masina dia mino hoe naka ny toeran’ny Didin’Izy Ireo ny fitiavan’Izy Ireo. …
Nampianatra i Jesoa hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra” ( Matio 7:21).
(Dallin H. Oaks, “L’amour et la loi,” Liahona, nôv. 2009, 26, 28)
Sahanasa fianarana fanampiny
Matio 18:1 . “Iza moa no lehibe indrindra ao amin ny fanjakan’ny lanitra?”
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana etsy ambony ary asao ny mpianatra hieritreritra fomba maro samihafa hamaliana an’io fanontaniana io. Avy eo dia asao izy ireo haka sary an-tsaina ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 18:2 alohan’ny hamaliany am-bava ity fanontaniana ity. Anontanio ny mpianatra izay zavatra azony ianarana avy amin’ny valintenin’ny Mpamonjy tsy amin’ny teny momba ilay fanontaniana.
Asao ny mpianatra hamaky ny Matio 18:3–4 ary hifanakalo hevitra momba ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay ananan’ny ankizy. Inona no matetika hitantsika amin’ny zaza ka afaka mampatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy? Amin’ny fomba ahoana no manampy antsika hiomana tsara kokoa hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra ny fahatongavantsika ho toy ny zaza? Asao ireo mpianatra hampifandray ny Matio 18:1–4 amin’ny Môzià 3:19 ary hifanakalo hevitra momba ny zavatra ampian’ity andininy ity amin’ny fahatakaran’izy ireo.
Asao izy ireo hiasa amim-bavaka mba hampivelatra ny toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitany tamin’ny alàlan’ny ohatry ny zaza.