Matio 18:21–35
Fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo
Ho valin’ny fanontaniana napetrak’i Petera momba ny famelana heloka dia nampianatra ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo i Jesoa Kristy. Afaka manampy anao ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa ity lesona ity rehefa miezaka mamela ny hafa ianao.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
“Hamela ahy ve ianao?”
Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy vehivavy iray antsoina hoe Corrie ten Boom izay nijaly nandritra ny volana maro tao amin’ny toby fitanana nazia tao Ravensbrück, Alemana. Maty tao i Betsie rahavaviny. Taorian’ny ady dia niresaka tamin’ny vondron’olona momba ny famelan’ Andriamanitra heloka i Corrie. Ny Eveka Keith B. McMullin, tao amin’ny Episkôpà Mpiahy teo aloha dia nitantara ny zava-nitranga taorian’ny lahatenin’io vehivavy io. Rehefa mamaky ianao dia eritrereto ireo fihetsika mety nosafidian’i Corrie atao.
Nanatona azy ny lehilahy iray. Tadidiny fa iray tamin’ireo mpiambina tena ratsy fanahy indrindra tao am-ponja io. “Nanonona ny hoe Ravensbrück ianao tao amin’ny lahateninao,” hoy izy. “Mpiambina tao aho. … Fa taorian’izay, … dia lasa Kristianina aho.” Nanazava izy fa nikatsaka ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra izy noho ireo zavatra mahatsiravina nataony. Nanolotra ny tanana izy ary nanontany hoe: “Hamela ahy ve ianao?” [Corrie ten Boom, Tramp for the Lord (1974), 56].
(Keith B. McMullin, “Le chemin de notre devoir,” Ensign na Liahona, mey 2010, 13)
-
Inona no eritreritra mety tonga tao an-tsain’i Corrie tamin’izay fotoana izay?
-
Nahoana no tena sarotra ny mamela ny hafa?
Vakio ny Matio 18:21–22 mba hahitana ny fomba namalian’i Jesoa ny fanontaniana napetrak’ i Petera momba ny famelana heloka.
-
Ahoana no hanazavanao ny zavatra nampianarin’i Jesoa an’i Petera?
-
Araka ny eritreritrao, nahoana no mandidy antsika mba ho tonga olona mpamela heloka ny Tompo?
-
Inona no fanontaniana hanananao momba ny didin’ny Mpamonjy amin’ny famelantsika heloka ny hafa?
Saintsaino ny fahatsapanao momba ny famelana heloka. Misy ve olona manahirana anao ny mamela heloka azy? Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hitahiana ny fiainanao raha afaka mamela ireo izay nanafintohina anao ianao. Diniho ihany koa ny mitantara ny fahasamihafana eo amin’ny fiainanao raha tsy niezaka namela heloka ny hafa ianao.Rehefa mandalina ilay fanoharana izay nozarain’ny Tompo tamin’i Petera ianao dia tadiavo ny fomba hanamafisan’ny finiavan’ny Tompo hamela heloka antsika ny fahafahanao mamela heloka ny hafa.
Fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo
Vakio ny Matio 18:23–27 , ka tadiavo ny fomba nitondran’ilay mpanjaka ao amin’ilay fanoharana ilay olona nitrosa taminy. Zava-dehibe ny fahalalana fa talenta 10.000 ilay trosa tsy voaloa. Raha tamin’ny andron’i Jesoa dia mety maherin’ny 250.000 taona no nilain’ity lehilahy mpiasa mahantra ity vao mahazo izany vola be izany izy (jereo ny Jay A. Parry sy Donald W. Parry, Understanding the parables of Jesus Christ [2006], 95).
-
Nahoana araka ny eritreritrao no nampiasain’ i Jesoa Kristy ny resaka trosa tsy voaloa hampianarana an’io fanoharana io?
Vakio ny tohin’ny fanoharana ao amin’ny Matio 18:28–35 , ka tadiavo ny fomba tokony hifampitondrantsika sy ny anton’izany. Manampy ny fahalalana fa manodidina ny “karama telo volana ho an’ny olona mahantra miasa iray ny denaria 100“ ( andininy faha 28).
-
Inona no azontsika ianarana momba ny famelan-keloka avy amin’ity fanoharana ity?
-
Nahoana no zava-dehibe ny fahatakarana ny haben’ny famindram-po omen’ny Mpamonjy antsika?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ity fanoharana ity ny hoe: afaka manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy isika amin’ny famelana ny heloky ny hafa tahaka ny namelany ny helotsika.
Nanamafy ny maha zava-dehibe ny famelana ny heloky ny hafa amin’ny fotoampitantanana misy antsika ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11 , ary tadiavo ny fampianaran’ny Tompo momba ny famelan-keloka.
-
Miainga amin’ny zavatra nianaranao androany, nahoana araka ny eritreritrao no mitaky ny hamelantsika ny heloky ny olon-drehetra ny Tompo?
Afaka manampy antsika hamela ny heloky ny hafa i Jesoa Kristy
Indraindray mety ho sarotra ny mamela heloka ny hafa. Saingy noho ny fanampian’ny Mpamonjy dia azo tanterahana ny zavatra rehetra.
Rehefa mamaky ny fehin’ny tantaran’ny Eveka McMullin momba an’i Corrie miatrika ny mpiambina ny fonja nisy azy taloha ianao dia tadiavo ny fomba nanomezan’ny Mpamonjy azy tanjaka hamela heloka.
“Toa tsy segondra vitsivitsy no nitsanganany teo—niaraka tamin’ny tanany izay natolony—fa ho ahy dia toa naharitra ora maro izany raha nitolona tamin’ny zavatra sarotra indrindra izay ho ataoko amin’ny fiainako aho.
“… Ny hafatra manao hoe mamela heloka Andriamanitra dia ahitana … fepetra iray: dia ny hamelantsika ireo izay nandratra antsika. …
“… ‘Ampio aho!’ Hoy aho nivavaka mangina. ‘Afaka maninjitra ny tanako aho. Vitako raha izany. Ianao no hanome ny fahatsapana.’
“… Tamin’ny fomba mangatsiaka sy henjana no nandraisako ilay tanana nitsotra taty tamiko. Rehefa nanao izany aho dia nisy zavatra mahagaga nitranga. Nisy fahatsapana mahery nanomboka tany amin’ny soroko, nitsoriaka nidina ny tanako ka niditra tamin-kery tao amin’ny tananay izay nifandray. Ary dia toa nameno tanteraka ny vatako iray manontolo izany fahatsapana mahamay izany ka nitondra ranomaso teo amin’ny masoko.
“‘Mamela anao aho, rahalahy!’ Hoy aho nitomany. ‘Amin’ny foko manontolo.’
“Nifandray tanana nandritra ny fotoana ela izahay, dia ilay mpiambina taloha sy ilay voafonja taloha. Tsy mbola nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra mahery toy izany aho, toy ny nahalalako izany tamin’izany fotoana izany” [Corrie ten Boom, Tramp for the Lord (1974), 54–55].
(Keith B. McMullin, “Le chemin de notre devoir,” Ensign na Liahona, mey 2010, 13)
-
Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Corrie ka afaka manampy anao hamela heloka rehefa sarotra izany?
-
Inona no nianaranao avy amin’ny fiainanao manokana, sy ny fiainan’ny hafa, na ny soratra masina momba ny famelana heloka ny hafa rehefa sarotra izany?
Ny zavatra iray izay afaka manampy antsika rehefa mandalina ny soratra masina dia ny mianatra avy amin’izany ary avy eo mikatsaka ny fampitomboana ireo toetran’i Jesoa Kristy. Ny Matio 18:21–35 dia iray amin’ireo andinin-tsoratra masina marobe izay mampiseho ny toetran’ny Mpamonjy tia mamela heloka sy ny fahamarinan’ Andriamanitra rehefa misafidy ny tsy hamela heloka isika. Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hahatonga anao ho olona mpamela heloka kokoa toa an’i Jesoa Kristy. Ahoana no hanasanao ny Mpamonjy hanampy anao?
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Matio 18:24 . Ohatrinona ny talenta 10.000?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo manam-pahaizana mikasika ny sandam-bola resahina eto—ary miala tsiny aho amin‘ny fampiasana ny volantsika mahazatra.—saingy mba hanamora ny kajy dia, raha ataontsika hoe Ariary 100 amin‘izao fotoana ohatra ilay denaria 100 tsy foy, ilay talenta 10.000 izay nafoy kosa dia hanakaiky ny iray miliara Ariary na mihoatra!
Raha trosan’ny tena manokana izany dia tena vola be tena tsy takatry ny saina. (Amin’ny fomba ahoana moa no handaniana izany vola izany!) Fa ho an’ny tanjon’ity fanoharana ity dia natao tsy ho takatry ny saina izany, natao ho mihoatra lavitra ny fahafahantsika manakatra izany, mba tsy hilazana hoe tsy voaloantsika. Izany no izy satria tsy hoe tantaran’ny mpanompo anankiroa nifanditra tao amin’ny Testamenta Vaovao izany. Izany dia tantara momba antsika, ao anatin’ny fianakaviamben’ny olombelona rehetra izay lavo, mpitrosa, mpandika lalàna, ary gadra. Isika tsirairay ireo dia mpitrosa ary ny didy dia sazy an-tranomaizina ho antsika tsirairay avy. Ary dia hijanona any isika rehetra raha tsy noho ny fahasoavan’ny Mpanjaka iray izay manafaka antsika satria tia antsika tsotra izao Izy ary “entanin’ny fangorahana antsika” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:4 ].
(Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 41)
Moa ve midika ny fahatsapako fanaintainana noho izay natao tamiko fa tsy mbola namela heloka olona aho?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Manan-danja kosa anefa ho an’ny sasany aminareo izay miaina ao anatin’ny fahoriambe ny manamarika ny zavatra tsy nolazain’i [Jesoa Kristy]. Tsynilaza Izy hoe: “Tsy mahazo mahatsapa fahoriana lalina na alahelo lalina avy amin’ireo zavatra niainana tena mandratra izay nihatra taminareo noho ny zavatra nataon’ny hafa ianareo.”
(Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 79)
Ny Loholona David E. Sorensen ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fahamarinana manan-danja iray momba ny didy mba hamelana heloka.
Tiako hazavaina kely fa: tsy midika fandeferana amin‘ny ratsy velively ny famelana ny fahotana. … Na dia tsy maintsy mamela ny heloky ny mpiara-belona izay mandratra antsika aza isika, dia tsy maintsy mbola hiasa mafy ihany mba hisorohana ny faharatrana tsy hiverina intsony.
(David E. Sorensen, “Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, mey 2003, 12)
Ahoana no ahafahan’ny famelana heloka ny hafa hanafaka antsika?
Inona no tian’ny Mpamonjy lazaina rehefa niteny tamin’i Petera Izy mba hamela ny heloky ny hafa “hatramin’ ny impito amby fito-polo”? ( Matio 18:22)
Nanazava ny Loholona Lynn G. Robbins fony izy tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hoe:
Nilaza indrindrandrindra tamin’i Petera ny Mpamonjy—mba tsy hanisy fetra ny famelana heloka. …
Mazava tsara fa tsy hoe nametraka fetra farany ambony ho 490 akory ny Mpamonjy. Fa izany dia ho azo ampitahaina amin’ny filazana fa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia voafetra ho in-490, ary eo amin’ny faha-491 dia hiditra an-tsehatra ny olona iray avy any an-danitra ka hiteny hoe: “Tena miala tsiny aho fa tsy manan-kery intsony ny karatry ny fibebahanao. Manomboka eto dia miady irery ianao.”
Ny Tompo dia nampiasa ny kajin’ny im-pitopolo im-pito ho toy ny sarin-teny hilazana ny Sorompanavotany tsisy fetra, ny fitiavany tsisy fetra, ary ny fahasoavany tsisy fetra. “Eny, ary isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko” [ Môzià 26:30 ; nampiana fanamafisana].
(Lynn G. Robbins, “Hatramin’ny fitopolo im-pito,” Liahona, mey 2018, 23)