Seminera
Efesiana 1


Efesiana 1

“Hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”

Sary
Joseph Smith Zanany mandohalika ao amin’ilay Ala Kely Masina mandritra ny Fahitana Voalohany. Nisy tara-pahazavana nidina nanazava an’i Joseph.

Moa ve ianao efa nieritreritra hoe ho nanao ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy nisy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny? Ao anatin’ny epistiliny ho an’ireo Efesiana, dia nampianatra i Paoly fa hisy Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hitranga alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hamantatra ireo fitahiana misy satria naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny filazantsarany amin’ny andro farany.

Mampiasa ny tenin’ireo mpaminany maoderina mba hanakarana fotopampianarana. Asao ireo mpianatra hikaroka ny tenin’ireo mpaminany maoderina amin’izao andro izao hahatakarana tsara kokoa ny fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy hahitana ireo fomba hampiharana ilay fotopampianarana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fandalinana ny fampianarana nataon’ireo mpaminany maoderina dia afaka manasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amin’ny mpianatra momba ireo fahamarinana ara-potopampianarana sy hanampy ireo mpianatra hahatsapa fifandraisana bebe kokoa amin’ireo mpaminany ankehitriny.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao lisitra ireo fomba nahatsapan’izy ireo fa nisy fiantraikany teo amin’ny fiainany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Entano izy ireo mba hitondra ny lisitra izay nataony ao an-dakilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Mampatanjaka ireo vao niova fo

Hevero ny hizara ireo mpianatra ho tsiroaroa na anaty vondrona kely mba hifanakalo hevitra momba ity toe-javatra manaraka ity.

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana izay vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ianao.

  • Inona no mety ho eritreritrao sy ny ahiahinao momba azy ireo?

  • Inona no zavatra azonao atao mba hanampiana ny namanao hitombo amin’ny fahalalany ny filazantsara sy hijanona ho mahatoky hatrany amin’ny fanekempihavanany?

Raha toa ka misy mpianatra ao an-dakilasy izay natao batisa vao haingana na efa avy niaina zavatra hafa mifandraika amin’io rafi-tantara io, dia asao izy ireo mba hizara ny sasany amin’ireo ahiahiny sy ny zavatra izay nanampy azy ireo tamin’izany.

Dia zarao na fintino avy eo ity fehezan-kevitra manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny epistilin’i Paoly ho an’ireo Efesiana.

Tao amin’ny taratasiny ho an’ireo Efesiana, ny Apôstôly Paoly dia niresaka tamin’ireo Olomasina izay tany Efesosy sy ireo faritra manodidina. Ny tanjony dia ny hampatanjaka ireo izay efa mpikamban’ny Fiangonana ary hanampy ireo izay niova fo vao haingana mba hitombo amin’ny fahalalana ara-panahy sy hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavana izay nataon’izy ireo. Ny sasany amin’ireo fotopampianarana izay nampianariny ato amin’ity taratasy ity dia ahitana ny fanendrena mialoha (jereo ny Efesiana 1:4–6); ny herin’ny famehezan’ny Fanahy Masina (jereo ny Efesiana 1:13–14); ny maha zava-dehibe ny mpaminany sy ny apôstôly (jereo ny Efesiana 2:19–22); ny hevitry ny hoe Fiangonana iray marina sy miray hina (jereo ny Efesiana 4:1–7); ary ireo anjara fanompoana sy antso ary andraikitra samihafa ao anatin’ny rafitry ny Fiangonana (jereo ny Efesiana 4:11–14).

Fotopampianarana anankiray hafa izay nampianarin’i Paoly mba hampatanjahana ny mpikambana tamin’ny androny ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampahery ireo Olomasina tamin’ny andron’i Paoly ny fianarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany?

Rehefa mandalina ity lesona mikasika ny zavatra izay nampianarin’i Paoly sy ireo hafa momba ny Famerenana amin’ny laoniny ity ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’io fotopampianarana io manamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana

Ny fotoampitantanana dia fotoana anankiray izay anambaran’ny Tompo ny fahamarinany sy ny fahefan’ny fisoronana ary ireo ôrdônansy ho an’ny olona eto an-tany. Maro ny fotoampitantanan’ny filazantsara nandritra ny tantaran’izao tontolo izao.

Ao amin’ny epistilin’i Paoly ho an’ireo Efesiana, dia naminany momba ny fotoampitantanana anankiray manokana i Paoly. Vakio ny Efesiana 1:10, ary tadiavo ny fotoampitantanana manokana izay novinanian’i Paoly sy ireo zavatra izay hitranga mandritra izany fotoana izany.

Mety hanampy ny manokana fotoana hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ireo teny sy andian-teny manan-danja avy ao amin’ny Efesiana 1:10 . Azo atao izany amin’ny alalan’ny fijerena azy ireo ao amin’ny fizarana “Andalana anampy andalana” ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! izay nivoaka tamin’ny septambra 2023. Ny sahanasa “Efesiana 1:10: Hangonin’ Andriamanitra -ho iray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra-” izay hita ao amin’ny rindran-damina 2–8 ôktôbra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 dia mety ho loharanom-pahalalana mahasoa hafa.

Safidy iray hafa azo atao koa ny mangataka ireo mpianatra hizara ny teny na andian-teny ao amin’ny Efesiana 1:10 izay tena ilain’izy ireo fanampiana bebe kokoa ny fahatakarana izany. Azo tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo. Avy eo dia azo atao ny manasa ireo mpianatra hijery raha toa ka afaka mahita valiny amin’ny alalan’ny fampiasana ny loharanom-pahalalana toy ny fanamarinana eny ambanin’ny pejy ao amin’ny soratra masina na ny application Bibliotheque de l’Evangile izy ireo.

  • Inona no fotoana hoavy izay tian’i Paoly ambara ao amin’ny Efesiana 1:10 ?

  • Inona no zavatra izay naminanian’i Paoly fa hitranga mandritra ny “fotoampitantanana amin’ny fahafenoan’ny fotoana”?

Miaina ao anatin’ny fahafenoan’ny fotoana

Tamin’ny fotoampitantanana teo aloha, dia nanambara fahamarinana, soratra masina, fanekempihavanana ary hery maro samihafa tamin’ireo mpaminaniny ny Tompo. Fahamarinana anankiray izay ianarantsika ao amin’ny Efesiana 1:10 ny hoe mandritra ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana dia haverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra avy tamin’ireo fotoampitantanana teo taloha.

Manaova sary mitovy amin’ity manaraka ity eny amin’ny solaitrabe.

Alaivo sary an-tsaina hoe ny renirano tsirairay ao amin’ity sary manaraka ity dia maneho fotoampitantanan’ny filazantsara avokoa.

Sary
Sarina renirano mikoriana mankany amin’ny farihy iray.
  • Ahoana no fomba mety ahafahana mampitaha ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana amin’ny vatan-drano iray misy renirano mikoriana mankao aminy?

Ny Loholona B.H. Roberts (1857–1933) tao amin’ny Fitopololahy dia nijoro ho vavolombelona momba ny zavatra izay hitranga ao anatin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana.

Sary
Sary ara-tantara mainty sy fotsy an’i B. H. Roberts.

Ity no fotoampitantanana ny fahafenoan’ny fotoana, ary hitantsika mihazakazaka mankao aminy, toy ny sakeli-drano mahery mikoriana mankany an-dranomasina, ireo fotoampitantanana rehetra teo taloha, ka mampifandray antsika amin’izy ireny, mampifandray azy ireny amintsika; ary hitantsika fa tsy nanana afa-tsy ny tanjona lehibe anankiray ihany Andriamanitra raha jerena hatrany am-piandohana, dia ny famonjena ny zanany izany. Ary tonga izao ny andro farany, ny fotoampitantanana farany, rehefa tsy maintsy hanafotra ny tany ny fahamarinana sy ny fahazavana ary ny fahitsiana.

(B. H. Roberts, in Conference Report, Oct. 1904, 73)

  • Inona avy ireo fahamarinana, soratra masina, fanekempihavanana, ary hery avy amin’ireo fotoampitantanana teo aloha izay naverina tamin’ny laoniny na navoaka tamin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana?

Asao ireo mpianatra hanatona eny amin’ny solaitrabe ary hanome anarana ireo renirano ao amin’ilay sary amin’ny fahamarinana, soratra masina, fanekempihavanana, ary hery avy amin’ny fotoampitantanana teo aloha izay naverina tamin’ny laoniny na navoaka tamin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana. (Ireo anarana azo apetraka dia mety ahitana ny herin’ny famehezana, ireo ôrdônansin’ny famonjena, ny Bokin’i Môrmôna, sy ny sisa. Afaka manao sarina renirano fanampiny ny mpianatra raha ilaina.)

Ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manan-tantara natao tamin’ny volana aprily 2020 izay nankalazana ny faha-200 taonan’ny niandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany, ny Filoha Russell M. Nelson dia nampahafantatra “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona.” (ChurchofJesusChrist.org). Makà minitra vitsivitsy hamakiana izany fanambarana izany, ary eritrereto ireo fomba nitahiana ny fiainanao noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Mety hanampy ny manomana dika mitovy amin’ilay fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ho an’ireo mpianatra izay tsy afaka mahazo izany avy amin’ny fitaovana nomerika.

  • Inona avy ireo zavatra izay nanaitra anao tao amin’ilay fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny?

  • Inona no zavatra mety hozarainao amin’ny mpikamban’ny Fiangonana anankiray izay tsy mahazo antoka raha toa ka mino ny Famerenana amin’ny laoniny izy ireo na koa tsy mahatsapa fa manan-danja aminy izany?

Makà fotoana fohy handinihana ireo fomba rehetra izay nitahian’i Jesoa Kristy ny fiainanao tamin’ny alalan’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Raha nahavita ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra mialoha ny fotoam-pianarana ireo mpianatra, dia asao izy ireo hijery ilay lisitra izay nataony sy hieritreritra ny zavatra izay azony hanampiana izany taorian’ny nandalinany ny Efesiana 1 .

  • Inona avy ireo lafiny manokana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay tena ankasitrahanao manokana? Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao?

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra izay tian’ny Tompo hataonao mba handraisanao anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana mba hanampiana amin’ny fanangonana ny hafa ho eo Aminy?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny?

Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–1844):

Sary
Sary tapaka an’ny Mpaminany Joseph Smith, Zanany, mihodina amin’ny ilany ny lohan’i Joseph Zanany, mitodika telo ampahefany, ny tanana havanana eo amin’ny valahany ary ny tanany havia mitazona taratasy. Manao akanjo volontsôkôlà matroka no anehoana azy miaraka amin’ny lobaka fotsy sy kravato.

Navela ho antsika [amin’ny andro farany] ny hahita, ny handray anjara ary ny hanampy amin’ny fanodinana ny voninahitry ny Andro Farany, -ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana, izay hanangonan’ Andriamanitra ny zava-drehetra any an-danitra, sy ny zava-drehetra ety an-tany, ho iray ihany- [jereo ny Efesiana 1:10 ]. … [Izy ity] dia asa izay nosaintsainin’ Andriamanitra sy ny anjely tamim-pifaliana ho an’ny taranaka fara mandimby; izay nampiredareda ny fanahin’ireo patriarika sy mpaminany fahiny; asa iray izay voatendry hitondra ny fandringanana ny herin’ny maizina, ny fanavaozana ny tany, ny voninahitr’ Andriamanitra ary ny famonjena ny fianakavian’olombelona.”

(Joseph Smith, Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 513–15)

Inona no atao hoe fotoampitantanana?

Manazava momba ny fotoampitantanan’ny filazantsara sy ny antony mampiavaka ity fotoampitantanana farany ity ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Inona marina no atao hoe Famerenana amin’ny laoniny?

Fanazavana ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny eo amin’ny fiainako?

Tapany 2: Mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainany ireo zatovo. Nalaina avy tamin’ny lahateny iray nataon’ny Loholona Craig C. Christensen tamin’ny ôktôbra 2016.

Zatovolahy sy zatovovavy mizara fa tena misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro ireo tranga niseho nanodidina ny Famerenana amin’ny laoniny.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2019, ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara ireo fanontaniana momba ny dinidinika hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, izay ahitana ilay fanontaniana hoe “Manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ve ianao?” (jereo ny “Teny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 121).

Saintsaino ny antony hampidirana io fanontaniana io ho anisan’ny fepetra takiana mba hidirana ao an-tranon’ny Tompo. Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana, sy ny finoana, ary ny fandraisana anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny misy fiantraikany amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Inona no dikan’ny hoe mbola mitranga ny Famerenana amin’ny laoniny?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niresaka momba ny toetra mitohy ananan’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Indraindray isika mihevitra ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny ho toy ny efa vita, sy efa nitranga tany aloha—Nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith, nahazo ireo fanalahidin’ny fisoronana izy, najoro ny Fiangonana. Kanefa raha ny marina dia zavatra mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny, ary miaina ao anatiny mihitsy isika amin’izao fotoana izao. Izany dia ahitana ny “zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra, izay hambarany ankehitriny,” ary ny “zavatra lehibe sy manan-danja maro” izay “mbola hambarany” (Fanekem-pinoana 1:9). Ry rahalahy isany, ny fandrosoana mampientanentana amin’izao andro izao dia tafiditra ao anatin’ilay fotoana fiomanana efa nambara fahiny elabe, izay hiafara amin’ilay Fiaviana Fanindroan’i Jesoa Kristy Mpamonjy amim-boninahitra lehibe.

(Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian-tory ve ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny laoniny?Liahona, mey 2014, 59)

Sahanasa fianarana fanampiny

Midika inona aminao ny Famerenana amin’ny laoniny?

Ho fomba iray hafa azo hanombohana ny lesona, dia hevero ny hangataka ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay andrandrainy amin’ny hoavy ary hanazava ny anton’izany. Azo atao ihany koa ny mangataka amin’ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay heveriny fa mety andrandrain’ny hafa momba ny hoavy.

Dia azo atao avy eo ny mizara ity teny manaraka izay nataon’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Sary tapaka ôfisialy an’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (tamin’ny jona 2016)

Araka ny lamina masina, ireo mpaminan’ Andriamanitra fahiny, rehefa nentanin’ny Fanahy Masina, dia naminany ny amin’ny Famerenana amin’ny laoniny sy izay hitranga amin’ny androntsika, dia ny fotoampitantanana farany sy ny fahafenoan’ny fotoam-pahasoavana izany. Ilay asa mihitsy no “nandoro ny fanahin’ny” mpahita tany am-boalohany[Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 515]. Nandritra ny vanim-potoana rehetra izy ireo dia nilazalaza mialoha, nanonofy, namisavisa, ary naminany ny hoavin’ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany, izay nantsoin’i Isaia hoe “zava-mahagaga sy mahatalanjona” [ Isaia 29:14 ].

(Ronald A. Rasband, “Fahatanterahan’ny Faminaniana,” Liahona, mey 2020, 75)

Rehefa avy nizara io teny nambara io dia asao ireo mpianatra mba hizara ny antony nahatonga ireo mpaminany taloha niandrandra ny androntsika tamin’ny fientanentanana toy izany. Azo atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny momba ny fiainana mandritra ny fotoana izay namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany.

Asao ireo mpianatra hitady fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahatsapa fankasitrahana bebe kokoa ho an’ Andriamanitra noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany amin’ny andro farany rehefa mandalina ny Efesiana 1 izy ireo.

Hamoaka printy