Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 1:10


Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 1:10

Ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra

Sary
Painting of the first vision by Walter Rane. The Father and Son appear to Joseph Smith in the sacred grove.

Nandritra ny fandalinanao ny Efesiana 1, dia nianatra momba ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny ianao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahaizanao mifehy ireo fampianarana ao amin’ny Efesiana 1:10 amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy fanazavana ny fotopampianarana, ary fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena izy.

Fitadidiana ny tanjon’ny fifehezana fotopampianarana. Nanazava ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo fa ny fifehezana fotopampianarana dia “hifantoka amin’ny fanorenana sy fanamafisan’orina ny finoan’ireo mpianatsika an’i Jesoa Kristy sy amin’ny fampatanjahana azy ireo amin’nyfampitomboina ny fahaizana miaina sy fampiharana ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Raha maneho an-tsary ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany izy ireo, dia hianatra ny fomba fanaovana asa amim-pinoana an’i Kristy mba hahazoana fahalalana ara-panahy sy hahatakarana ny filazantsarany. Ary hanana fahafahana hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianaran’i Kristy sy ireo fitsipiky ny filazantsara izy ireo , amin’ireo fanontaniana sy fanamby izay henony sy hitany isan’andro eo anivon’ny mpiara-mianatra aminy sy ao amin’ny tamba-jotran-tserasera” (M. Russell Ballard, “The Opportunities and Responsibilities of CES Teachers in the 21st Century” [Natao ho an’ireo Mpanabe ara-pivavahana CES, Febroary. 26, 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara fahamarinana momba ny famerenana amin’ny laoniny anakiroa farafahakeliny izay tsapany fa tokony ho fantatra sy ho takatry ny rehetra.

Sahanasa fianarana azo atao

ty lesona momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “Efesiana 1,” izay lesona mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Efesiana 1:10 . Raha toa ka ilaina ny fanemorana ity lesona momba ny fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa, dia ataovy azo antoka fa lesona mifanaraka amin’ilay sahan-kevitra ihany no hampianarina mandritra izany herinandro izany.

Hazavao ary tadidio

Alaivo sary an-tsaina ohatra tsy tonga namonjy seminera ny mpiara-mianatra maromaro tamin’ny andro izay nandalinana ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny Efesiana 1 . Ny mpampianatrao seminera dia mangataka anao mba hanokana minitra vitsivitsy hamintinana ireo fampianarana izay manan-danja indrindra tsapanao fa tokony ho fantatra sy ho tadidin’ny mpianatra rehetra momba ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny sy ireo fampianarana avy ao amin’ny Efesiana 1:10 .

Mba hamaliana izany, dia azon’ireo mpianatra atao ny manao sarin’ilay zavatra izay nataony tamin’ny fiomanan’ny mpianatra ho an’ity lesona ity. Henoy tsara ny valintenin’ireo mpianatra, ary tombatombano ny fahatakaran’izy ireo. Raha ilaina, dia avereno jerena ny andinin-tsoratra masina sy ny fitsipika tao amin’ny lesona izay natao teo aloha.

  • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja momba ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izay hozarainao? Nahoana?

  • Ahoana ny fomba hanazavanao ireo fampianarana ao amin’ny Efesiana 1:10 amin’ny teninao manokana?

  • Inona ny antony mahatonga ny fahatakarana ny famerenana amin’ny laoniny ho misy fiantraikany amin’ny fahatakarana sy fahatsapan’ny olona anankiray ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hahafahany manao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Efesiana 1:10 sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay miaraka aminy. Ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ity manaraka ity.

Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina na amin’ny fitaovana nomerika, ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Efesiana 1:10 amin’ny alalan’ny fizarana azy ho efatra araka izay aseho eto ambany:

  • Amin’ny vanim-potoampitantanan’ny fahafenoana

  • Hanangonana ho iray

  • Ny zavatra rehetra ao amin’ny Kristy

  • Efesiana 1:10

Takony ny andalana 2–4, ary avereno ao an-tsainao ny andalana 1 mandra-pahatadidinao izany tsara. Mifindrà amin’ny andalana faharoa indray, ary avereno ilay dingana. Ataovy toy izany ihany koa ny andalana 3 sy 4. Rehefa mahatsapa ho matoky tena tanteraka ianao fa efa tadidy avokoa ireo andalana efatra ireo, dia soraty tsy an-kijery ao anaty diary fandalinanao izy rehetra. Avereno indray izany dingana izany raha toa ka ilaina mandra-pahafahanao manoratra ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny andinin-tsoratra masina tsy misy diso.

Ny sahanasa izay natao teo aloha dia azo ampifanarahina amin’ny alalan’ny fampisehoana ireo fizarana efatra ary omeo fizarana iray avy ireo vondron’ny mpianatra. Manondroa vondrona anankiray rehefa avy eo, ary asao ireo mpianatra mba hamerina mafy ny fizaràna izay nataon’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy. Avereno hatrany izany ho an’ny vondrona rehetra. Tondroy imbetsaka ireo vondrona samihafa mba hanampiana ireo mpianatra hanao fanazaran-tena miteny sy mandre ireo andian-teny ireo. Rehefa avy eo dia asaivo manao fanazaran-tena ny iray kilasy mba hamerina ilay andian-teny iray manontolo sy miaraka. Avereno imbetsaka izany araka izay ilain’ireo mpianatra mba hitadidina ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay miaraka aminy.

Fampiharana hanazaran-tena

Avereno jerena ny fehezan-kevitra faha 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana(2022). Misafidiana anankiray amin’ireo fitsipika telon’ny mahazo fahalalana ara-panahy, ary mamoròna sary na fanehoana na fampisehoana an-tsary tsotra mba hampahatsiahivana anao ity fitsipika ity sy ny foto-kevitra izay miaraka aminy. Ohatra, ho an’ny fitsipika “mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,” azonao atao ny manao sary toy izao manaraka izao:

Sary
Glasses with a set of binoculars and a telescope.

Mba hahazoana antoka fa ampy tsara ny fotoana hanaovana ity fampiharana hanazaran-tena manaraka ity, dia omeo fe-potoana roa ka hatramin’ny efatra minitra ireo mpianatra mba hamoronana fampisehoana an-tsary tsotra ny iray amin’ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Rehefa vitan’izy reo izany, dia manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny sariny sy hanazava ny fomba hanehoan’ilay zavatra izay noforoniny ny fitsipika nosafidiny.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana anao hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy sy ilay fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny Efesiana 1:10 fa mandritra ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-potoana, dia hangonina miaraka ao amin’i Kristy avokoa ny zava-drehetra. Rehefa avy eo dia ampiasao ity rafi-tantara ity, na mamorona anankiray ho anao manokana, mba hamaliana ny fanontaniana manaraka.

Nisy namanao anakiray natao batisa niaraka tamin’ny fianakaviany ary natoky tena izy tamin’io fotoana io fa nanaraka ny ohatra izay nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany. Saingy ny taona farany lasa teo hatramin’ny nahavitany batisa, dia natetika izy no nalain’ireo namany hafa fanahy mba handika ny didy. Nanomboka nanontany tena izy raha tena Fiangonan’i Kristy marina tokoa ity ary mendrika ny mbola hijanonana hatoky hatrany ny filazantsara izy.

Na dia maro aza ny fahamarinana izay afaka manampy ny namanao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-potoana hampatanjaka sy hamporisika hatrany izy.

Raha tokony hangataka ireo mpianatra mba hamaly indray mandeha fotsiny ireto fanontaniana manaraka ireto ianao, dia hevero ny hanampy karazany samihafa mba hanampiana ireo mpianatra hiaina zavatra tsy hay hadinoina. Ohatra, azo asaina miara-miasa mandeha tsiroaroa na anaty vondrona kely ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny milalao an-tsehatra ilay rafi-tantara amin’ny alalan’ny fampiasana ny valinteny izay naroson’izy ireo tamin’ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Safidy anankiray hafa azo atao, omena anankiray fotsiny amin’ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ireo izay miara-miasa mandeha tsiroaroa na anaty vondrona kely mba hamaly sy haneho ny zavatra izay nieritreretin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo dingana izay azonao hamporisihana ny namanao hanao zavatra amim-pinoana?

  • Ahoana ny fomba mety hanampian’ny manao asa amim-pinoana ny namanao amin’ireo fanontaniana sy ahiahiny?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona ny zavatra fantatrao momba ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny famerenana amin’ny laoniny?

  • Ahoana ny fomba mety ahafahan’ny fifikirana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy anao sy ny namanao ao anatin’io toe-javatra io?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Ahoana ny fomba mety ahafahan’ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny Efesiana 1:10 manampy amin’io toe-javatra io?

  • Raha ohatra ka manana fotoana fanampiny ianao alohan’ny hamaliana ny namanao, dia inona ny zavatra izay mety hojerenao na hianaranao? Inona avy ireo loharanom-pahalalana izay azonao anasana ny namanao hoalalinina ho azy samirery? Nahoana?

Rehefa avy nomena fotoana hisaintsainana sy hamaliana ireo fanontaniana izay napetraka teo ambony ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hizara ny rafi-tantara izay nampiasainy sy hifanakalo hevitra momba ny valinteny izay naroson’izy ireo.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny Efesiana 1:10 ho an’ny lesona manaraka, dia hevero ny hampiasa ilay sahanasa fanaovana tsianjery efatra izay nampidirina tany am-piandohan’ity lesona ity.

Hamoaka printy