Seminera
Efesiana


Efesiana

Topimaso ankapobeny

Ao amin’ny taratasiny ho an’ireo Efesiana, dia nanoratra ho an’ny Jentilisa mpikambana tao amin’ny Fiangonana (jereo ny Efesiana 2:11) izay vao niova fo vao haingana angamba (jereo ny Efesiana 1:15) i Paoly. Nampianatra fitsipika isan-karazany momba ny famonjena izy, anisan’izany ny fomba izay nampiraisain’ny Mpamonjy antsika, ny maha zava-dehibe ny mpaminany sy ny Apôstôly, ny fanaovana modely ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy, ary ny fanoherana ny herin’ny ratsy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay ho an’ireo mpampianatra:

Efesiana 2–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hianatra ny fomba hahitana ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina izay afaka manampy azy ireo eo amin’ny fiainany sy hitondra azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra handalina soratra masina eo anelanelan’izao fampianarana izao sy ny fampianarana manaraka, ary mhitady ireo fahamarinana izay ampianarin’izany soratra masina izany. Asao izy ireo mba saintsainina ireo fomba ahafahan’izy ireo mamantatra ireo fahamarinana ireo.

  • Horonan-tsary:Flecks of Gold” (3:16; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 2:26).

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy nanao ny peta-drindriny ireo mpianatra, dia asao izy ireo mba hanindry ny bokotra fijerena sary mba hahafahan’izy ireo mahita ireo mpiara-mianatra aminy rehetra. Asao ny mpianatra rehetra mba hampiseho ny peta-drindrina nataony hahafahan’iray kilasy manontolo mahita izany. Mangataha mpianatra anankiray mba hisafidy peta-drindrindra izay mba mahaliana azy, ary avy eo dia asao ilay mpianatra nanao ilay peta-drindrindra mba hanazava izany. Rehefa manazava ilay mpianatra, dia mety hanampy ireo mpianatra hafa ihany koa raha manindry ny bokotra fijerina ny mpandray anjara fitenenana izy ireo mba hahafahany mahita tsara ilay peta-drindrindra. Avy eo dia asao ilay mpianatra izay vao avy nizara mba hisafidy peta-drindrindra hafa izay toa mahaliana azy ireo ary asao ilay mpianatra nanao ilay peta-drindrindra mba hizara indray. Averimbereno arak’izay ilaina izany.

Efesiana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra sy hikatsaka ireo fitahiana misy satria i Jesoa Kristy no mitarika ny Fiangonany ankehitriny amin’ny alalan’ny mpaminany sy ny Apôstôly.       

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ilay fanontaniana manao hoe “Mety nanao ahoana tokoa ny fiainako raha toa ka tsy nisy mpaminany sy apôstôly izay nantsoin’i Jesoa Kristy mba hitarika ny Fiangonany?”

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Afaka mampiasa application na programa efa hita ao amin’ny findainy na ny solosainy ireo mpianatra mba hamoronana ny fanehoana ny Efesiana 2:19–21 amin’ny fomba nomerika. Avy eo dia afaka mizara ny efijeriny izy ireo mba hampisehoana sy hanazavana ny zavatra izay noforoniny ary hizarana ny zavatra afaka manampy azy ireo hahatakatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany.

Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 2:19–20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hampitomboana ny fifehezan’ireo mpianatra ny fampianarana ao amin’ny Efesiana 2 rehefa mitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Efesiana 2:19–20 izy ireo, sy manazava fotopampianarana, ary mampihatra izany fotopampianarana izany sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hilaza amin’ireo mpianatra ny rafi-tantara fampiharana avy amin’ity lesona ity ary asao mba hisaintsaina ny fomba hahafahany mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiany ny namany.

  • Votoatin-kevitra aseho: Ny tabilao ao amin’ny fanazaran-tena fampiharana, na omeo taratasy misy fanontaniana avy tamin’ny tabilao voasoratra eo ny mpianatra.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hanampiana ireo mpianatra hanazava ny Efesiana 2:19–20 , dia araho ny dingana A sy B ao amin’ny lesona. Raha tokony hanoratra valiny ao amin’ny dingana D ireo mpianatra, dia zarao ho vondrona kely ao anatin’ny zana-bondrona ary omeo fanontaniana manokana ny vondrona tsirairay amin’ny dingana D. Asao ny vondrona tsirairay mba hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba izay mety hamalian’izy ireo ilay fanontaniana sy hanomanana lalao an-tsehatra ho an’ilay rafi-tantara mba haseho amin’ny iray kilasy. Amporisiho ireo vondrona mba hampiditra ny mpianatra tsirairay ao anatin’ilay filalaovana an-tsehatra.

Efesiana 5:21–33; 6:1–4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy mba hanatsarana ny fomba fifandraisany amin’ny hafa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ireo olona ao amin’ny fianakaviany ary hamantatra ny zavatra izay tian’ny tsirairay amin’izy ireo avy.

  • Votoatin-kevitra haseho: Sarin’ny Mpamonjy izay mampiseho Azy mitondra ny fianakaviany am-pitiavana sy am-panajana.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hanampiana ireo mpianatra hamita ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra, dia azo asaina izy ireo mba hitondra olona avy amin’ny fianakaviana ho tonga amin’ny antso izay atao amin’ny alalan’ny visio-conférence na hampiseho ny sarin’ilay fianakaviany mandritra ny antso ka hizara zavatra iray izay mahafinaritra azy momba an’io olona ao amin’ny fianakaviany io.

Efesiana 6:10–24

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra izay nomen’ Andriamanitra mba hiarovana azy ireo amin’ny faharatsian’izao tontolo izao, hanombanana ny fiomanany ara-panahy amin’izao fotoana izao ary hanao drafitra izay entina hanatsarana ny fiarovana ara-panahin’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery sy hamita ny sahanasa izay mitondra ny lohateny hoe “Ny fitaovam-piadiana fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra dia hanampy sy hiaro ahy amin’ny ratsy” ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary mba ho tonga vonona hizara ny zavatra nianarany momba ny fitaovam-piadiana fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra (jereo ny “ 2–8 oktobra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny olona masina,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023).

  • Taratasy zaraina: Sarin-dehilahy mitafy fitovam-piadiana fiarovan-tena

  • Horonan-tsary: “The Armor of God” (2:02) or “Put on the Whole Armor of God” (3:10; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana 0:28 ka hatramin’ny 2:24).

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny handefa mialoha ny dika mitovin’ilay taratasy zaraina amin’ny alalan’ny hafatra na mailaka. Raha ohatra ka mahafantatra mpianatra iray ao an-dakilasy izay tia manao sary ianao, dia hevero ny hangataka azy mialoha mba hanao ny sarin’ny fitovam-piadiana fiarovan-tena. Ataovy anatin’ny taratasy zaraina ho an’iray kilasy ilay sary rehefa avy eo. Zavatra hafa azo atao, hevero ny hampiseho ilay taratasy zaraina eo amin’ny efijery. Avy eo, rehefa avy namaky ny Efesiana 6:14–18 ireo mpianatra, asao izy ireo mba hampiasa ny fitaovana firaketana hamantarana ireo fitovam-piadiana fiarovan-tena samy hafa.

Hamoaka printy