Seminera
Efesiana 6:10–24


Efesiana 6:10–24

“Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra”

Sary
A young man dressed in New Testament era armor with a sword and shield.

Ao anatin’ny ady ho an’ny fanahin’ny zanak’olombelona isika. Nanome fitaomam-panahy an’i Paoly ny Ray any An-danitra mba hampianatra ny fomba ahafahantsika mandresy amin’ny fanafihana ataon’i Satana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ireo zavatra izay nomen’ Andriamanitra mba hiarovana anao amin’ny faharatsian’izao tontolo izao, sy mba hanombatombanana ny fiomanana ara-panahy izay ataonao amin’izao fotoana izao, ary mba hanaovanao drafitra hanatsarana ny fiarovana ara-panahinao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery sy hamita ny sahanasa izay mitondra ny lohateny hoe “Ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra dia hanampy sy hiaro ahy amin’ny ratsy” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary mba ho tonga ho vonona hizara ny zavatra izay nianarany momba ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra (“Oktobra 2–8. Efesiana: ‘Ho fanatanterahana ny olona masina,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023).

Sahanasa fianarana azo atao

Mahery setra amin’ny tetika izay ataony i Satana

  • Inona avy araka ny hevitrao ireo fahasamihafana lehibe eo amin’ny zavatra izay niainanao amin’ny maha zatovo anao sy ny zavatra izay niainan’ny ray aman-dreninao fony izy ireo tamin’ny taonanao?

Vakio ity fanambarana izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary mitadiava fahasamihafana anankiray izay asongadiny ao:

Sary
Official portrait of Elder Robert D. Hales of the Quorum of the Twelve Apostles, 2003

Ny rainareo sy ny raibenareo dia tsy mbola niatrika mihitsy ireo fakam-panahy izay atrehanareo matetika. Miaina amin’ny andro farany ianareo izao. Raha te hanana olana ny rainareo, dia nila nanao ezaka lehibe izy vao tonga tamin’izany. Tsy toy izany intsony amin’izao! Ankehitriny dia ny fakam-panahy no mitady anareo! Mba tsarovy izany! I Satana dia milofo mitady anareo, ary “mamitsaka eo am-baravarana ny ota” [ Mosesy 5:23 ]. Ahoana ny fomba handresenao ny hafetseny izay tena mahery vaika?

(Robert D. Hales, “Mitsangana sy miorena eo amin’ny toerana masina,” Ensign na Liahona, Mey 2013, 48–49)

  • Inona avy ireo fomba ahitan’ny fakam-panahy antsika ankehitriny fa tsy hoe isika no mila mitady izany?

Hevero ny haneho ireto torolalana sy fanontaniana manaraka ireto eo amin’ny toerana izay ahafahan’ireo mpianatra mahita izany. Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina amim-pahanginana ny valintenin’izy ireo.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto, na soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny hevitrao.

  • Inona avy ireo fomba ezahan’i Satana atao mba hakana fanahy anao manokana?

  • Inona ny zavatra ataonao ahafahanao mitady ny fanampian’ny Tompo hanohitra ireo fakam-panahy izay ataon’i Satana? Inona ny zavatra tsara vitanao? Inona ny zavatra izay mbola tokony ilàna fanatsarana?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny fomba tsara izay ahafahanao mikatsaka sy mandray bebe kokoa ny fiarovan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao manoloana ny fanafihan’i Satana.

Ny fiarovan’ny Tompo

Vakio ny Efesiana 6:10–13 , ary tadiavo ny zavatra izay nolazain’i Paoly fa niadivan’ireo Olomasina tamin’ny androny.

  • Inona no fitoviana hitanao eo amin’ny zavatra izay niadivan’ireo Olomasina tany Efesosy tamin’ny androny sy ny zavatra izay iadivantsika ankehitriny?

  • Inona ny antony mahatonga ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy maniry antsika mba ho voaro amin’ny ratsy? Inona ny zavatra ampianarin’io faniriana io antsika momba Azy ireo?

  • Inona ireo zavatra izay nasain’i Paoly nataon’ireo Efesiana mba hahafahan’izy irao manohitra ny faharatsiana?

Ao amin’ny Efesiana 6:10–13 , dia mianatra isika fa raha mitafy ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra rehetra isika, dia ho afaka hanohitra ny ratsy.

Ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra dia fanoharana na tandindon’ny fiarovana izay atolotry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho antsika. Amin’ireo ady izay atrehantsika, ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra dia natao manokana ho anao sy ireo loza eo amin’ny fiainanao. Mba hanampiana anao hahatakatra io fiarovana masina io dia mety ho te hanao ity sary manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao ianao. Soraty eo amin’ny kisary ireo valinteninao amin’ity sahanasa manaraka ity:

Omeo ireo mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity. Na afaka mamerina mamorona ilay taratasy zaraina ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny soratra masina ireo mpianatra. Asehoy ireo fanontaniana izay hovalian’ny mpianatra ho an’ny fitaovam-piadiana tsirairay.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Vakio ny Efesiana 6:14–18 mba hamantarana ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny kisary nataonao ny zavatra izay asehon’ny fitaovam-piadiana tsirairay. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny “kiraro vy” ( Efesianina 6:15) dia entina ilazana fanaovana fiarovan-tena handrakofana ny tongotra.

Ho solon’ilay horonan-tsary izay naroso teo ambony dia hevero ny haneho ny horonan-tsary ao amin’ny lahateny izay nataon’i Loholona Hales “Mitsangàna sy miorena eo amin’ny toerana masina” manomboka eo amin’ny maripotoana faha 0:40 ka hatramin’ny 2:37, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hevero ny hizara ireo mpianatra anatina vondrona maromaro. Omeo fitaovam-piadiana anankiray avy ny vondrona tsirairay. Raha vitsy ny mpianatra dia tokony azo omena fitaovana mihoatra ny anankiray ny vondrona tsirairay.

  1. Inona no hevitra ara-panahy nampifandraisin’i Paoly tamin’io fitaovam-piadiana io?

  2. Inona no fanehoana ara-panahy asehon’ny faritra amin’ny vatana izay voaron’ilay fitaovam-piadiana?

  3. Ahoana ny fomba hitafiantsika ity fitaovam-piadin’ny Tompo ity mba hiarovany amin’ny ratsy?

Mba hatao modely ho an’ireo mpianatra amin’ny fomba famenoana ilay taratasy zaraina, dia hevero ny hamita ireo dingan’ny fampiasana ity ohatra manaraka ity amin’ny fitaovam-piadiana anankiray. Manasà mpianatra anankiray hamaky mafy ny Efesiana 6:14 . Miadiva hevitra miaraka amin’ny iray kilasy momba izay mety ho valin’ny fanontaniana tsirairay. Afaka mamaly ny fanontaniana faha 2 sy faha 3 amin’ny fomba maro isan-karazany ireo mpianatra. .

Ho an’ny “valahana misikina fahamarinana” ( Efesiana 6:14), dia mety ho valin’ireo fanontaniana etsy ambony ireto manaraka ireto: (1) fahamarinana; (2) maneho ny tsy tokony hanaovantsika firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana na ny fahadiovantsika ara-pitondrantena izany; ary ny (3) afaka mianatra fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy ny drafi-pamonjeny izay afaka manosika antsika hijanona ho madio ara-pitondrantena.

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara, dia manasà solontena anankiray avy isaky ny vondrona tsirairay mba hanao tatitra momba ny fitaovam-piadiana izay nomena azy ireo. Rehefa manao tatitra ny vondrona tsirairay, dia entano mba mandray an-tsoratra ireo zavatra izay hitan’ny vondrona amin’ny taratasy zarainy ireo mpianatra. Anontanio ireo mpianatra raha toa ka manana fanontaniana na manana hevi-baovao izay azony avy tamin’ny fampianarana izay nataon’i Paoly momba ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra.

Tafio avokoa ny fiadiana fiarovan-tenan’ny Mpamonjy rehetra

I Paoly sy ny Mpamonjy dia nanantitrantitra momba ny fitafiana ny fiadian’ Andriamanitra rehetra (jereo ny Efesiana 6:11, 13 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15).

  • Inona ireo loza izay hitanao rehefa tsy mitafy afa-tsy ampahany amin’ny fitaovam-piadin’ny Tompo? Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho voaro tanteraka ianao?

  • Inona ny zavatra izay hataonao isan’andro mba hahafahana mitafy bebe kokoa ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra rehetra mba hiarovana amin’ireo fakam-panahy izay atrehanao?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fitodihana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy hahazoana fanampiana raha maneho fitiavana sy ny fahatokiana Azy ireo ianao?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hiaro antsika amin’ny fakam-panahy ary lazao amim-pahatokiana fa afaka mahazo izany hery sy fiarovana avy amin’iIzy ireo ny mpianatra rehefa manaraka tsara ny bitsika izay azony.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no dikan’ireo faritra eo amin’ny vatana izay vaoaron’ny fitaovam-piadin’ny Mpamonjy?

Nilaza ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) hoe:

Sary
Head and shoulders portrait of LDS Church President Harold B. Lee.

Manana ireo faritra efatry ny vatana izay nolazain’ny Apôstôly Paoly fa mora tratran’ny herin’ny maizina avokoa isika. Ny valahana, izay tandindon’ny hasin’ny tena, na ny fahadiova-mpitondrantena. Ny fo izay tandindon’ny fitondrantsika ny tenantsika. Ny tongotsika, no vina sy ny tanjontsika eo amin’ny fiainana ary farany ny loha sy ny eritreritsika.

(Harold B. Lee, Feet Shod with the Preparation of the Gospel of Peace, Brigham Young University Speeches of the Year [Nôv. 9, 1955], 2)

Inona ny zavatra azoko atao mba hitafiana ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra rehetra?

Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Last official portrait of Elder Neal A. Maxwell, 1992.

Ny fanesorana ny maha olombelona araka ny nofo dia mahatonga ny fitafiana ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra rehetra, izay nety tsy dia antonona tanteraka teo aloha! (jereo ny Efesiana 6:11, 13).

(Neal A. Maxwell, “Plow in Hope,” Ensign, Mey 2001, 60)

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Tiako ny mieritreritra ity fitaovam-piadiana ara-panahy ity ho toy ny akanjo vita amin’ny rojo mifampitohy fa tsy toy ny vongam-by mafy iray manarona ny vatana. Ny akanjo vita amin’ny rojo mifampitohy dia mirakitra singam-bỳ madinika maromaro mifamatotra mba hahafahan’ny mpitondra azy mihetsika tsaratsara kokoa nefa voaro hatrany. Miteny izany aho satria noho ny traikefako no hilazako fa tsy misy ny zavatra lehibe sy goavana iray monja izay azo atao mba hiarovana ny tenantsika ara-panahy. Ny tena hery ara-panahy dia miorina ao anatin’ireny fihetsika kely maromaro voarary ao anatin’ny rafitra fiarovan-tena ara-panahy izay miaro amin’ny ratsy rehetra.

(M. Russell Ballard, “Be strong in the Lord,” Ensign, Jolay 2004, 8)

Ahoana ny fomba ifandraisan’ny fitafian’ny tempoly amin’ny fitaovam-piadin’ Andriamanitra?

Ny Loholona Carlos E. Asay (1926–99) tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nanazava fa:

Sary
Portrait of Carlos E. Asay

Misy fitaovam-piadiana iray hafa anefa izay mendrika ny hojerentsika. Io no akanjo anatiny manokana izay fantatra amin’ny hoe ny garmentan’ny tempoly, na ny garmentan’ny fisoronana masina, anaovan’ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nahazo ny fanafiana masina ho azy ireo. Ity garmenta ity, izay anaovana andro aman’alina, dia manana tanjona telo lehibe: fampahatsiahivana ireo fanekempihavanana masina izay natao tamin’ny Tompo tao amin’ny tranony masina, sy firakotra fiarovana ho an’ny vatana, ary tandindon’ny fahamaontinana eo amin’ny fitafy sy ny fiainana izay tokony mampiavaka ny fiainan’ny mpanara-dia manetry tena an’i Kristy rehetra.

(Carlos E. Asay, “The Temple Garment: ‘An Outward Expression of an Inward Commitment,’” Ensign, Aogositra. 1997, 20)

Sahanasa fianarana fanampiny

Lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana

Ireto ambany ireto ireo fomba hafa ahafahana manomboka ny lesona:

  1. Hevero ny hitondra fitaovana fiarovana ampiasaina amin’ny lalao ara-panatanjahantena na hetsika hafa ary lazao ny fomba fiarovan-tenan’ireo mpandray anjara amin’izany.

  2. Mampisehoa sarin-javamaniry maromaro (toy ny zavamaniry misy tsilo) na biby (toy ny biby misy tandroka, hoho, nify, na fiarovan-tena), ary lazao ny fomba iarovan’izy ireny ny tenany.

I Jesoa Kristy ilay fitaovam-piadiana fiarovan-tena

Azo asaina mandalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra mba hianarany bebe kokoa momba ireo fitaovam-piadiana fiarovan-tena izay hita ao amin’ny Efesiana 6:14–17 sy ny fomba anehoan’ny faritra tsirairay an’i Jesoa Kristy:

Rehefa vitan’ireo mpianatra izany dia entano izy ireo mba hizara ny hevi-baovao izay azony momba ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy miaro azy ireo amin’ireo loza ara-panahy izay atrehany.

Hamoaka printy