Seminera
Filipiana; Kolosiana


Filipiana; Kolosiana

Topimaso ankapobeny

Nandritra ny nigadrany tany Roma dia nanoratra epistily ho an’ny Olomasina tany Filipy sy Kolosia i Paoly ary nampianatra azy ireo hitodika any amin’i Jesoa Kristy mba hahazoana hery. Nampianatra izy fa i Kristy no loharanon’ny fiadanana sy fifaliana, ary nanamafy ny zavatra azon’ny Olomasina atao mba hahatsapana fifaliana sy “ny fiadanan’Andriamanitra” (Filipiana 4:7). Nampahatsiahiviny ihany koa izy ireo mba “haharitra amin’ny finoana lalim-paka sy miorina tsara” (Kolosiana 1:23) ary “hamaka sy miorina mafy” (Kolosiana 2:7) ao amin’i Kristy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Filipiana sy Kolosiana

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahafantatra fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo hery izy ireo hiatrika ireo fanambin’izy ireo.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ny mpianatra hanao tsianjery ny Filipiana 4:13 .

  • Votoatin-javatra haseho: Ireo torolalana ho an’ny mpianatra amin’ny famitana ny lesona dimy minitra (anisan’izany ireo ohatra)

  • Soso-kevitra amin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ireo mpianatra mba hamono ny fandefasana feo sy ny fandefasana sary eo am-panomanany ny leson’izy ireo. Aorian’ny fotoana voatondro dia asao izy ireo hamelona ny fandefasana feo sy ny fandefasana sary ary ataovy ao anatina salles de conférence ireo mpianatra.mpianatra. Asao ny mpianatra iray na roa izay mazoto hampianatra ny lesony amin’ny vondrona kely kokoa.

Filipiana 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fahafoizan-tena mba hahafantarana an’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Raha azo atao dia asao ny mpianatra mba hanangona tantara avy amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany na razambeny izay nanao fahafoizan-tena mba hanarahana an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo mba ho vonona hizara ireo zavatra niainany amin’ny iray kilasy.

Filipiana 4

Tanjon’ny lesona: Mba hikatsaka ny hamantatra ny fomba ahafahan’izy ireo mahazo fifaliana sy fiadanana mitombo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainany manokana ny mpianatra.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanontany namana na olona vitsivitsy ao amin’ny fianakaviana momba ny fomba hitondran’i Jesoa Kristy fiadanana sy fifaliana ho azy ireo eo amin’ny fiainany.

  • Votoatin-javatra haseho: Sarin’i Paoly sy ny mety ho olana sy ny sakana amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Azonao atao ny mamela ireo mpianatra hampiasa ilay fitaovana tabilao fotsy mba hanehoany ny zavatra mandalo ao an-tsainy eo amin’ny efijery rehefa mitanisa fomba hahitana fifaliana sy fiadanana mitombo amin’ny alalan’i Kristy izy ireo.

Kolosiana 1–2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra ireo hery izay manohintohina ny finoany sy ny fomba ahafahan’izy ireo miorim-paka kokoa ao amin’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanao na haka sary ny karazana hazo fihinam-boa tiany indrindra ary hitondra ilay sary ao am-pianarana. Angataho izy ireo hieritreritra lesona ara-panahy azontsika ianarana avy amin’ny hazo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa sary anankiray na ny fitapvana solaitrabe fotsy ary asao ireo mpianatra mba hanampy amin’ny fanaovana sary hazo matanjaka anankiray miorim-paka ao amin’i Kristy ary asio marika izany mandritra ny lesona.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 21

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hanao fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sasantsasany amin’ny toe-javatra isan-karazany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manokana avy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nanampy azy ireo ary mba ho vonona ny hizara amin’ny iray kilasy ny fomba nanampian’izany azy ireo.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Sombin-taratasy anankiray sy fitaovam-panoratana iray ho an’ny mpianatra tsirairay

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Azo atao anaty salles de conférence ny mpianatra mba hiresaka momba ny dingana 1 hatramin’ny 4 ao amin’ny sahanasa fanoratana fifehezana fotopampianarana. Mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hiara-hiasa amin’ny mpiara-mianatra samihafa, dia ataovy ao anatina salles de conférence izy ireo isaky ny fanontaniana tsirairay.

Hamoaka printy