Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 21


Famerenana fifehezana fotopampianarana 21

Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Tanora mijery soratra masina.

Anisan’ny tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy ny mba hahafahanao manazava izany amin’ny teninao manokana ary hampihatra izany eo amin’ny fiainanao. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny toe-javatra samihafa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manokana avy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nanampy azy ireo ary mba ho vonona ny hizara amin’ny iray kilasy ny fomba nanampian’izany azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Famerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Asao ny mpianatra hifanadina na hampiasa fomba hafa hamerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Afaka mampiasa ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) na ny application Doctrinal Mastery ny mpianatra mba hamerenana ireo andinin-tsoratra masina. Azo ampiasaina ho solon’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa.

Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto. Hevero ny fomba hampiharana eo amin’ny fiainanao ny fotopampianarana ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay.

Hebreo 12:9 : Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahy.”

Jakoba 1:5–6 : “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18 : “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6 : “Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty.”

Apokalypsy 20:12 : “Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Ampiharo ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Manome izao torohevitra manaraka izao ny kiboky Jeunes, soyez forts: “Ianaro isan’andro ny soratra masina ary ampiharo eo amin’ny fiainanao ny zavatra novakinao. Ny soratra masina dia loharano mahery vaika ahazoana fanambarana manokana sy fitarihana ary hery tsy tapaka ho an’ny fijoroana ho vavolombelona anananao” ([2011], 42).

  • Inona avy ireo karazan-javatra ataonao ka manampy anao hampihatra ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao?

Afaka misaintsaina ny fiomanany ho amin’ny fotoam-pianarana ny mpianatra rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay nanampy anao teo amin’ny fiainanao? Ahoana ny fomba nanampian’izany anao?

Ity fanazarana manaraka ity dia hanampy anao hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany eo amin’ny fiainanao manokana. Rehefa mamita ilay fanazarana ianao dia mivonòna handray fanambarana ho an’ny tena manokana. Ny Fanahy Masina dia mety hitaona anao hieritreritra na hihevitra mikasika ny fomba ahafahanao mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao manokana. Miomàna hanoratra izay fitaomam-panahy rehetra azonao.

Omeo taratasy kely ny mpianatra tsirairay ary asao izy ireo hamita ny dingana voalohany etsy ambany. Avy eo dia asao ny mpianatra hampita ny taratasiny amin’ny mpianatra iray hafa, izay hamita ny dingana faharoa. Tohizo ny fampitana ny taratasy amin’ny mpianatra samihafa amin’ny dingana fahatelo sy fahefatra. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamita ity sahanasa ity amin’ny fitaovana nomerika miaraka amin’ny application fandefasan-kafatra.

Alohan’ny hanombohan’ny mpianatra dia mety hahazo tombony avy amin’ny ohatra iray toy izao manaraka izao izy ireo: 1. Manontany tena ny mpianatra iray raha toa ka fantatry ny Ray any An-danitra hoe iza izy ireo. 2. Mety hanampy ny Hebreo 12:9 noho izy io mampianatra fa Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika. 3. Afaka mizara traikefa ny mpianatra iray momba ny fahatsapany fa mihevitra momba azy ireo Andriamanitra. 4. Rehefa kivy aho dia tsaroako fa zanak’ Andriamanitra aho.

Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny fikarohana rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy dia hevero ny hanome ohatra vitsivitsy azon’izy ireo ampiasaina.

  1. Mamarita rafi-tantara anankiray maneho toe-javatra tena misy na mametraha fanontaniana anankiray izay mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro ato amin’ity lesona ity (Hebreo 12:9 ; Jakoba 1:5–6 ; Jakoba 2:17–18 ; 1 Petera 4:6 ; Apokalypsy 20:12).

  2. Mitadiava andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary hazavao ny fomba ahafahan’izany manampy anao hamaly ilay rafi-tantara na fanontaniana.

  3. Mizarà traikefa iray izay mifandray amin’ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Mety ho traikefa manokana izany, na zavatra niainan’ny olona iray fantatrao, na zavatra niainana voarakitra ao amin’ny soratra masina.

  4. Zarao ny fomba ahafahanao mampihatra ilay fotopampianarana eo amin’ny fiainanao na ny zavatra anampian’izany anao hahatakatra momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy.

Rehefa nahavita ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky amin’ny iray kilasy ny valinteny izay misoratra eo amin’ilay taratasiny. Afaka mizara ny zavatra nianarany avy amin’ny fihainoana ny fomba fijerin’ny mpianatra hafa avy eo ny mpianatra. Raha misy fotoana dia afaka mamerina ilay fampiharana amin’ny fampiasana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa ny mpianatra.

  • Inona no azonao atao amin’ity herinandro ity mba hampiharanao ny soratra masina eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’izany manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?

Amporisiho ny mpianatra hamaky ny soratra masina isan’andro ary hampihatra ny zavatra nianarany eo amin’ny fiainany manokana. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana azo avy amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro.

Hamoaka printy