Seminera
Kolosiana 1–2


Kolosiana 1–2

“Mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy”

Sary
Sary mampiseho ireo fakan’ny hazo iray izay maniry ao anatin’ny toetr’andro mandrivotra.

Tahaka ny ahafahan’ny herin’ny natiora manongotra na manimba ny hazo iray, dia misy koa ny hery mikasa hanongotra antsika tsirairay avy amin’ny fototra ara-panahy ananantsika ao amin’i Jesosy Kristy (jereo ny Helamàna 5:12). Nanoratra ny epistiliny ho an’ny Kolosiana i Paoly satria voatohintohin’ny fampianarana sy fombafomba diso ny finoan’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo hery izay manohintohina ny finoanao sy ireo fomba ahafahanao miorina tsara kokoa ao amin’i Jesoa Kristy.

Mampiasa zavatra azo tsapain-tanana sy sary. Ny zavatra azo tsapain-tanana sy ny sary dia afaka manampy ny mpianatra haka sary an-tsaina ny olona, ireo toerana, ireo trangan-javatra, sy ireo zavatra ary ireo tandindona ao amin’ny soratra masina. Fomba iray hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ny manasa azy ireo hanao sary ireo zavatra voalaza ao amin’ny soratra masina.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao na haka sary ny karazana hazo fihinam-boa tiany indrindra ary hitondra ilay sary ao am-pianarana. Angataho izy ireo hieritreritra lesona ara-panahy azontsika ianarana avy amin’ny hazo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ahoana no maha-toy ilay hazo anao?

Manasà ankizy iray izay vonona hanao sarina hazo iray eny amin’ny solaitrabe. Ampiasao ny valin-tenin’ny mpianatra ao amin’ity sahanasa manaraka ity mba hamenoana ilay sary eny amin’ny solaitrabe. Asao ihany koa ny mpianatra hampiditra ao anatin’izany ny sariny manokana na ny sary nataony avy ao amin’ny sahanasa fanomanana ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra mba hanampy hevitra hatrany mandritra ny lesona.

Ataovy sary ny hazo fihinam-boa tianao indrindra. Hanampy zavatra fanampiny ao amin’ilay sary ianao mandritra ny lesona.

Eritrereto hoe ahoana no maha-toy io hazo io anao. Ohatra, eritrereto ireo hery izay mikasa hanongotra na hanimba ny finoanao an’i Kristy. Eritrereto ny antony ilanao fanampiana mba hiorina mafy hanoherana ireo hery ireo ka hahazoana ireo voan’ny filazantsara.

Nampiasa ny tandindon’ny hazo iray i Paoly hanampiana ireo Olomasina tao Kolosia mba hahitan’izy ireo tsara kokoa ny maha-zava-dehibe ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy. Nampiasainy koa izany mba hanatanjahana azy ireo nanoloana ny fampianarana sy fombafomba diso izay nanohintohina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Katsaho ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina hahatakarana bebe kokoa ny tenin’i Paoly ary miezaha mampihatra izany.

Ny voan’ny hazo

Eritrereto ny voa avy amin’ilay hazo izay nataonao sary ary ny antony itiavanao azy.

Vakio ny Kolosiana 1:10–22. Tadiavo ireo “voa” (na fitahiana) izay nofaritan’i Paoly, ary eritrereto ny antony hanirianao ireo voa ireo. Manaova sarina voankazo eo amin’ny hazonao ary mariho eo amin’izany ny fampianaran’i Paoly.

  • Inona no voa na fitahiana nofaritan’i Paoly?

Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany ary avy eo dia asao ireo mpianatra izay vonona hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratany.

  • Iza amin’ireo voa ireo no anananao amin’izao fotoana izao?

  • Iza amin’ireo no tianao hananana? Nahoana?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ity fehezan-teny manaraka ity, ary soraty eo amin’ny toerana banga voalohany ny valin-teninao amin’ilay fanontaniana teo aloha: Raha te _______________ aho, dia mila ________________.

Vakio ny Kolosiana 1:23, ka tadiavo izay nolazain’i Paoly momba ny zavatra takina amintsika mba hahazoana ireo voa ireo. Fenoy amin’ny zavatra hitanao ny toerana banga faharoa.

Ity misy fomba iray hamenoana io fahamarinana io: Raha te hahazo tanjaka sy fanavotana ary fiadanana amin’ny alalan’i Kristy aho, dia mila maharitra amin’ny finoana ka mafy orina sady tafatoetra. Ny hoe mafy orina sy tafatoetra koa dia azo adika hoe mijoro sy mitoetra tsara na “[miorina] mafy sy tsy [azo] hozongozonina” (Môzià 5:15).

  • Toy ny ahoana izany ny hoe “maharitra amin’ny finoana ka mafy orina sady tafatoetra” izany”? ( Kolosiana 1:23).

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay mamporisika anao haharitra amin’ny finoana ka mafy orina sady tafatoetra ao Aminy?

  • Inona no fahamarinana fanampiny momba Azy hitanao tao amin’ireo andininy ireo izay mampitombo ny fahatokisan-tenanao na ny fanirianao hiorina mafy sy ho tafatoetra ao Aminy?

Vakio ny Kolosiana 2:6–7, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fakan’ny hazontsika. Asio marika araka izay lazainy ny tany manodidina ilay hazonao.

  • Taiza i Paoly no nampianatra fa mila miorim-paka isika?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mamaka” ao amin’i Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana no hoe manampy antsika ho mafy orina sady tafatoetra ny mamaka ny tenantsika ao amin’i Jesoa Kristy? Toy ny ahoana izany?

Eritrereto ny olona iray fantatrao izay maneho tsara ny hoe maha-mafy orina sy mitoetra tsara ary miorim-paka ao amin’i Kristy.

Raha toa ka mandray soa avy amin’ny ohatra iray ny mpianatra dia zarao ny iray na izy roa amin’ireto ohatra manaraka ireto.

Ireto manaraka ireto dia ohatra roa momba ny olona mamaka ao amin’i Kristy. I Steven J. Lund, filohan’ny Zatovolahy maneran-tany dia nizara ohatra iray momba ilay zanany lahy narary mafy nefa nanohy nanatanteraka tamim-pahatokiana ireo andraikiny ao amin’ny fisoronana. Raha azo atao dia jereo ny “Mahita fifaliana ao amin’i Kristy” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:09 ka hatramin’ny 3:57 mba hihainoana izany tantara izany.

Ny Rahalahy M. Joseph Brough, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany dia nizara tantara momba ilay zatovovavy zanany izay niatrika tamim-pahatokiana ireo fanamby mahakasika ny fifindrana monina tany amina toerana vaovao iray sy ny fisafidianana hanao asa fitoriana. Raha azo atao dia jereo ny “Andrandrao ny lohanao ary miravoravoa” manomboka eo amin’ny mari-potoana 5:48 ka hatramin’ny 7:48 mba hihainoana izany tantara izany.

Asao ny mpianatra hizara ny eritreriny momba ireo olona izay noeritreretiny. Ataovy hazavain’izy ireo miaraka tsiroaroa na amin’ny vondrona kely ny sary ataony amin’ity sahanasa manaraka ity.

Manaova sarina faka lalina sy matanjaka ho an’ny hazonao. Mariho eo amin’ny sasany amin’ireo faka ireo toetra ananan’ireo olona ireo na ireo fihetsika ataony izay tsapanao fa mampifandray azy ireo amin’i Jesoa Kristy amin’ny fomba mafy orina.

Avereno jerena ny Kolosiana 1:23; 2:6–7. Vakio avy eo ny Kolosiana 2:8, 12 sy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Mario eo amin’ny fakan’ny hazonao ireo fomba fanampiny ahafahantsika mifandray amin’ny Mpamonjy amin’ny fomba mafy orina kokoa.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Mila mikatsaka ny hiorim-paka tsara sy hiova fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika (jereo ny Kolosiana 2:6–7). Tratrantsika izany fiovam-po izany amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina, amin’ny alalan’ny fanompoana, amin’ny alalan’ny fandraisana tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo mba hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Tsy maintsy mikatsaka izany fiovam-po mahery vaika izany koa isika (jereo ny Almà 5:12–14) izay manolo ireo fanirian-dratsy sy ny fitiavan-tena amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faniriana hanompo Azy sy ny zanany.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, mey 2015, 35)

Asao ny mpianatra mba hizara ireo “faka” hitany. Raha ilaina izany, dia ifanakalozy hevitra ny sasantsasany na izy rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao ho nifandray bebe kokoa amin’ny Mpamonjy rehefa nanaraka ny ohatra nasehon’ireo izay mafy orina sady tafatoetra ao amin’i Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara toy ny batisa (jereo ny Kolosiana 2:12) mampifandray anao amin’ny fomba mafy orina kokoa amin’i Kristy?

  • Ho hanao ahoana ny fiainanao raha toa ka mafy orina sady tafatoetra tsara kokoa ao amin’i Kristy ianao?

Maro ny olona no mety hisafidy ny fomba hampitomboana ny fakany ao amin’i Kristy, saingy ny fomba ataon’izy ireo hanarahana ireo safidy ireo dia tsy mitondra vokatra manan-danja. Ohatra, mety mamaky ny soratra masina isan’andro ny olona iray kanefa tsy maka fotoana hamantarana sy hisaintsainana ary hampiharana ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina.Saintsaino ny fomba hanatanterahanao hatramin’ny farany ny safidinao ary raha toa ka mila manao fanovana ianao.

Mandresy ireo hery manongotra faka

Tahaka ny ahafahan’ny herin’ny natiora manongotra na manimba ny hazo iray, dia misy koa ny hery mikasa hanongotra antsika amin’ny fototra ara-panahy ananantsika ao amin’i Jesoa Kristy.

Asio sarina rivotra na tafiotra izay mety hanongotra ny hazonao manodidina ilay hazonao. Asio soratra ireo rivotra sy tafiotra ireo ka milaza ireo hery izay mety hanongotra anao ara-panahy tsy ho mafy orina sy tafatoetra ao amin’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mamaky ny Kolosiana 2:4, 8 mba hahitana ny sasany amin’ireo hery manongotra izay natrehan’ireo Olomasina tao Kolosia.

  • Ahoana no ahafahan’ireo faka hitanao androany manampy anao handray ny herin’ny Mpamonjy mba hijoro ho matanjaka hanohitra ireo hery izay hitanao?

Tadiavo ny fomba ahafahan’ny maha-mafy orina sy tafatoetra ao amin’i Kristy manampy anao.

Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny zavatra tsara ataonao sy ny zavatra azonao atao tsara kokoa hahatongavana ho mafy orina sy tafatoetra tsara kokoa ao amin’i Jesoa Kristy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao, ary manolora tena hanatanteraka izany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana isika no mila mamaka ao amin’i Kristy?

Nanazava ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Neal A. Maxwell, 1992.

Ny zava-mitranga sy ny toe-javatra amin’ny andro farany dia mahatonga antsika mpikamban’ny Fiangonana ho mafy orina, miorim-paka, miorina ary tafatoetra kokoa (jereo ny Kolosiana 1:23; 2:7; 2 Petera 1:12). Raha tsy tafatoetra tsara dia ho mafy ny fisafotofotoana. Raha tafatoetra isika, dia tsy ho “[voahilangilana sy ho voatambolimbolin’ny]” [Efesiana 4:14] honohono, na ny fotopampianarana sandoka, na ny fitondrantena sy ny fomba fisainan’izao tontolo izao.

Na izany aza, dia tsy ho tafatoetra amin’ny fanaovana izay nandidian’i Jesoa isika raha tsy tafatoetra ao Aminy aloha isika. … Ny andraikitsika, noho izany, dia ny “hihavanan[tsika] amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, fa tsy amin’ny sitrapon’ny … nofo” (2 Nefia 10:24).

(Neal A. Maxwell, “Overcome … Even As I Also Overcame,” Ensign na Liahona mey 1987, 70)

Azonao atao koa ny mijery ny “Mahita fialofana amin’ireo tafiotry ny fiainana” manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 3:49 mba hahitana ny Loholona Ricardo P. Giménez manolotra fahatakarana fanampiny.

Kolosiana 2:13–15. Inona no nampianarin’i Paoly ny Olomasina tao Kolosia momba ny tandindon’ny Fanomboana ny Mpamonjy?

Nampahatsiahy ireo Olomasina tao Kolosia i Paoly fa namela azy ireo Andriamanitra (jereo ny (Kolosiana 1:14, 20, 22). Ny sariohatra izay nampiasain’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 2:14–15 dia manamafy ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotan’i Kristy mamela ny fahotantsika. Fanaon’ny Romana tamin’ny andron’i Paoly ny manoratra amin’ny takelaka ny heloka bevava nataon’ny olona voaheloka. Rehefa nohomboana ilay mpanao ratsy dia nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana koa ilay takelaka mba ho hitan’ny mpandalo rehetra (jereo ny Jaona 19:19–22). Nampiasa io sary io i Paoly ao amin’ny andininy 13–15 mba hampianarana ny Kolosiana fa voavela heloka izy ireo. Toy ny hoe napetraka teo amin’ny takelaka ary nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana ny lisitry ny fiampangana sy heloka ara-panahy rehetra an’ireo Olomasina Kolosiana. Nofafana na nesorina ireo tamin’ny alalan’ny Fanomboana an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana fanampiny

Kolosiana 3:12–24. Toetra tahaka ny an’i Kristy

Asao ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo tantara tiany indrindra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Angataho izy ireo hamantatra ireo toetra nasehon’ny Mpamonjy tao amin’ireo tantara ireo. Avy eo dia asao izy ireo hieritreritra olona fantany izay fakan-tahaka amin’ireo toetra ireo. Angataho izy ireo hizara ny antony hankafizany ny miaraka amin’ireo olona ireo. Asao ny mpianatra handalina ny Kolosiana 3:12–24, ka hitady toetra tahaka ny an’i Kristy. Mety hahita fomba ahafahany mamboly ireo toetra ireo ihany koa izy ireo. Asao ireo mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hisafidy toetra iray izay tian’izy ireo hiasana mandritra ny iray na roa volana manaraka. Avy eo izy ireo dia afaka mamorona drafitra mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mikatsaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hampivelarana izany toetra izany.

Hamoaka printy