Seminera
Filipiana 3


Filipiana 3

“[Efa niaritra] ny fatiantoka ny zavatra rehetra [aho] … mba hahazoako an’i Kristy”

Sary
Fanehoana an-tsary voalohany: Sarin’i Kristy mifono fitiavana lalina, ireo maso mitopy eny amin’ilay mpamaky. Fanehoana an-tsary faharoa: ireo kintana sy ny vondron-kintana

Inona no zavatra tianao hafoy mba hanarahanao an’i Jesoa Kristy sy hahatonga anao ho mpianany? Ny Apôstôly Paoly dia nahafoy zavatra betsaka tokoa rehefa nisafidy ny hanaraka ny Mpamonjy, anisan’izany ny maha-Fariseo fanta-daza azy teo amin’ny fiarahamonina Jiosy (jereo ny Filipiana 3:5). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahafoizan-tena mba hahafantarana an’i Jesoa Kristy.

Mamela ny hisian’ny fahanginana. Mitaky fotoana ny famaliana fanontaniana tsara. Omeo fotoana hisaintsainana ireo fanontaniana ny mpianatra. Raha toa ka tsy mamaly fanontaniana eo no ho eo ny mpianatra, dia ialao ny fakam-panahy hamarana haingana ny fahanginana amin’ny alalan’ny famaliana ilay fanontaniana. Ny fotoana izay lanin’ny mpianatra hisaintsainana ireo fanontaniana dia mety hitarika ho amin’ny fitaomam-panahy sy hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona.

Fanomanana ny mpianatra: Raha azo atao dia asao ny mpianatra mba hanangona tantara avy amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany na razambeny izay nanao fahafoizan-tena mba hanarahana an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo mba ho vonona hizara ireo zavatra niainany amin’ny iray kilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no zavatra izay mety homenao?

Hevero ny hampiasa ity tantara manaraka ity mba hanombohana ny fotoam-pianarana, na ampiasao ireo tantara izay efa nomanin’ny mpianatra hozaraina.

Vakio na jereo ity tantara manaraka notantarain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity mikasika ny zatovolahy iray izay nizara tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ireo fahafoizan-tena nivononany mba hatao mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Nandritra ny fihaonambe iray, taona maro lasa izay, no nandrenesantsika mikasika ny tovolahy iray izay nandray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny rehefa nianatra taty Etazonia. Rehefa niomana ny hiverina any amin’ny tanindrazany ity lehilahy ity dia nanontanian’ny Filoha Gordon B. Hinckley ny mikasika izay hitranga aminy rehefa hiverina hody izy ka efa lasa Kristianina. “Ho diso fanantenana tanteraka amiko ny fianakaviako,” hoy ny navalin’ilay tovolahy. “Mety ho roahin’izy ireo aho ary ho raisiny ho toy ny efa maty. Raha ny mikasika ny hoaviko sy ny asako dia mety hikatona amiko daholo ny varavarana rehetra.”“Moa ve ianao vonona ny hahafoy zavatra goavana toy izany noho ny filazantsara?” Hoy ny Filoha Hinckley nanontany.

(Dallin H. Oaks, “Ny sorona,” Liahona, mey 2012, 21)

  • Inona araka ny hevitrao no navalin’ilay zatovolahy? Nahoana?

Omeo fotoana ampy ny mpianatra mba hamaliany ny fanontaniana manaraka. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hisaintsaina mangina sy hanoratra ny valin-teniny alohan’ny hizarana izany amin’ny iray kilasy.

  • Inona no mety hanosika ny olona iray hahafoy zavatra betsaka mba hanarahana an’i Jesoa Kristy?

Rehefa mandalina ny Filipiana 3, ianao dia diniho ny zavatra izay efa nafoinao ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fomba nitahiana anao noho ny fanaovana izany. Etsy andaniny, foto-kevitra mety tsy dia mahazatra anao ny fanaovana fahafoizan-tena mba hanakaikezana bebe kokoa ny Mpamonjy. Na inona na inona zavatra iainanao, dia maniry mafy ny hanampy anao handroso ny Mpamonjy. Rehefa mandeha ny lesona, dia jereo tsara ireo hevitra na fahatsapana izay avy amin’ny Fanahy Masina ka mety hanampy anao hahatakatra ny anjara toeran’ny fahafoizan-tena eo amin’ny fiainanao.

Mendrika ny hanaovana ny fahafoizan-tena rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Tsarovy fa talohan’ny niovan’i Paoly fo ho an’i Jesoa Kristy, teny an-dalana ho any Damaskosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9), dia Fariseo izy, olona ambony ara-pivavahana sy ara-piarahamonina teo amin’ny Jiosy (jereo ny Filipiana 3:5). Noho izy nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy nandany ny fiainany tamin’ny fitoriana ny filazantsara, dia niaina fanenjehana mafy, fahoriana, fijaliana ara-batana ary adin-tsaina i Paoly (jereo ny 2 Korintiana 11:23–28). Vakintsika ao amin’ny Filipiana 3:7–17 ny fihetseham-pon’i Paoly tamin’ny nahafoizany ny fiainany taloha mba hanarahana an’i Jesosy Kristy sy ireo fitahiana azony vokatr’izany.

Mety hila fanampiana ny mpianatra amin’ny fahatakarana ny sasany amin’ireo teny ao amin’ilay andian-tsoratra masina. Hevero ny hanoratra ireto famaritana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe na manaova vonona hanampy ireo mpianatra rehefa mandalina izy ireo.

Vakio ny Filipiana 3:7–14, ka tadiavo ny zavatra tian’i Paoly hafoy mba hahafantarana sy hanarahana an’i Jesoa Kristy. Marihina fa ny teny hoe mifanaraka ao amin’ny andininy 10 dia midika hoe azo ekena, ny teny hoe “manaraka” ao amin’ny andininy 12 dia midika hoe mandroso, ary ny teny hoe mihazona ao amin’ny andininy 12 dia midika hoe mahazo.

Hevero ny hizara ireo mpianatra ho tsiroaroa na anaty vondrona kely rehefa manao ity sahanasa manaraka ity. Jereo tsara ireo mpianatra izay mety mila fanampiana amin’ny fanoratana ireo andinin-tsoratra masina amin’ny teniny manokana.

Misafidiana andinin-tsoratra masina na andian-teny roa avy ao amin’ny Filipiana 3:7–14 ary soraty amin’ny teninao manokana ny hafatr’i Paoly. Ohatra, fomba iray hamerenana ny hafatra ao amin’ny Filipiana 3:7 ny hoe “Izay zava-dehibe tamiko taloha, dia tsy misy dikany amiko intsony ankehitriny noho ny amin’i Jesosy Kristy.” Rehefa vitanao izany, dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fitahiana azon’i Paoly noho izy nahafoy tena ho an’ny Tompo?

  • Inona avy ireo fitahiana sasany izay mbola ezahiny mafy ho azo amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena izay nataony?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny ohatry ny fahafoizan-tena izay nasehon’i Paoly?

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Paoly ny hoe raha mahafoy izay rehetra takina amintsika isika mba hanarahana an’i Jesoa Kristy sy handrosoana amim-pinoana, dia afaka ny hahafantatra Azy sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Hevero ny hanoratra ity fitsipika ity ao anatin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao.

Makà fotoana kely mba hisaintsainanao ny mety hifandraisan’io fitsipika io aminao.

  • Inona no eritreritra na fanontaniana na fahatsapana anananao?

Asao ireo mpianatra izay vonona mba hamaly ny fanontaniana teo aloha. Raha toa ka tsy nanana fahafahana hizara ny tantaran’ireo olona ao amin’ny fianakaviany na razambeny izay nahafoy tena ho an’ny filazantsara ireo mpianatra tany am-piandohan’ny lesona, dia hevero ny hanasa azy ireo hanao izany izao.

Raha toa ka mandray soa avy amin’ny fianarana mikasika ireo ohatra fanampiny momba ny fahafoizan-tena ireo mpianatra, dia hevero ny hampiasa ireo hevitra eo ambanin’ny “Ohatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna” sy ny “Tsy misy nenina” ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ny lesona. Hevero ihany koa ny hizara zavatra niainanao manokana sy fijoroana ho vavolombelona.

Fahafoizan-tena ataon’ny tena manokana

Tsarovy ilay fanontaniana napetraky ny Filoha Hinckley tany am-piandohan’ny lesona mikasika ny fahavononan’ilay zatovolahy hahafoy zavatra tena betsaka ho an’ny filazantsara. Vakio ny ambin’ilay tantara nozarain’ny Filoha Dallin H. Oaks.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Tamin-dranomaso no namalian’ilay zatovolahy hoe: “Moa tsy marina ve izy ity, sa tsy izany?” Rehefa nekena izany dia namaly izy hoe: “Ka inona no zava-dehibe ankoatr’izany?” Izany no toe-tsaina amam-panahy vonona hanao sorona ananan’ny mpikambana vaovao maro eo anivontsika.

(Dallin H. Oaks, “Ny sorona,” Liahona, mey 2012, 21)

  • Inona ny zavatra nanaitra anao momba ity zatovolahy ity?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana ary ny Sorompanavotana izay nataony no ohatra faratampony amin’ny fahafoizan-tena?

  • Inona no eritreritra na fahatsapana anananao rehefa misaintsaina ny zavatra nafoin’i Jesoa Kristy ho anao ianao?

Alohan’ny hanaovan’ny mpianatra ity sahanasa manaraka ity dia mety hanampy ny manasa azy ireo handinika izay fahafoizan-tena mety hangatahana hataony tsy ho ela ary hifampizara ohatra. Afaka mitanisa ireo fahafoizan-tena isan-karazany izay ataon’ny tanora mba hanarahana an’i Jesoa Kristy eny amin’ny solaitrabe ihany koa ny mpianatra.

Eritrereto ny dimy taona manaraka amin’ny fiainanao ary manorata taratasy ho an’ny tenanao ho avy. Ampidiro ao amin’ny taratasinao ireto antsipiriany manaraka ireto:

  1. Ireo zavatra mety ilainao hatao sorona ao anatin’ny dimy taona ho avy mba hahafantarana bebe kokoa ny Tompo sy hiomanana amin’ny fiainana mandrakizay.

  2. Ireo sakana mety hatrehinao rehefa manao fahafoizan-tena sy “miezaka hanatratra … ny loka” ianao (Filipiana 3:14).

  3. Ny zavatra nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fahafoizan-tena sy ireo fitahiana izay mety ho tonga vokatr’izany.

  4. Ahoana no ahafahan’ny fahafoizan-tena hanampy anao mba hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Filipiana 3:14. Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe “Miezaka hanatratra ny marika aho”?

Ny Loholona Edward Dube ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Edward Dube. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Ny hoe miezaka hanatratra ny marika dia manohy amim-pahatokiana eo amin’ilay “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay” [2 Nefia 31:18] miaraka amin’ny Mpamonjy antsika sy ny Raintsika any An-danitra. I Paoly dia nahita fa ireo fahoriany dia “tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika” [Romana 8:18; jereo ihany koa ny 2 Korintiana 1:3–7]. Ny taratasin’i Paoly ho an’ny Filipiana, izay nosoratany tamin’izy voafatotra tany am-ponja, dia taratasy mifono fifaliana sy firavoravoana sesehena ary fankaherezana lehibe ho antsika rehetra, indrindra fa amin’izao fotoan-tsarotry ny fiahiahiana ny amin’ny hoavy izao. …

Mahaliana tokoa fa mamporisika antsika hibosesika handroso i Paoly no miantso antsika koa mba hanadino ny lasa—ireo tahotra tamin’ny lasa, ny zavatra nifantohana tamin’ny lasa, ny tsy fahombiazana tamin’ny lasa, ary ireo alahelo tamin’ny lasa.

(Edward Dube, “Miezaka hanatratra ny marika,” Liahona, mey 2021, 90, 91)

Ahoana no ahafantarako ny fahafoizan-tena izay tokony hataoko mba hanakaikezana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa ny fotoana tsara indrindra handinihana amim-panajana ny fahafoizan-tena azontsika atao ho an’ny Tompo dia mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Larry R. Lawrence. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Mandritra izany fotoam-panajana lalina izany, rehefa mitodika mankany an-danitra ny eritreritsika, dia afaka milaza amin-katsaram-panahy amintsika izay tokony hataontsika manaraka ny Tompo. Nahazo hafatra maro avy tamin’ny Fanahy tahaka anareo koa aho nandritra ny taona maro izay nampiseho ahy ny fomba ahafahako mivoatra. …

Mety hiteny aminareo ny Fanahy hoe mila mamela ny heloky ny olona iray ianareo. Na mety hahazo hafatra mba hanivana bebe kokoa ireo horonan-tsary jerenareo na ny mozika henoinareo ianareo. Mety hibitsika aminareo ny Fanahy mba ho marin-toetra kokoa ianareo amin’ny fandraharahana ataonareo na hanome betsaka kokoa ianareo amin’ny fanatitry ny fifadian-kaniana ataonareo. Tsy misy fiafarany ireo zavatra azo atao.

(Larry R. Lawrence, “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?Liahona, nôv. 2015, 34–35)

Inona avy ireo fahafoizan-tena vitsivitsy izay ataon’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanarahana ny Mpamonjy?

Ny Filoha Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nitanisa fahafoizan-tena maro izay nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny. Azonao vakina ilay lahateniny hoe “Ny soronaLiahona mey 2012, 19–22, na jereo ny horonan-tsary “Ny sorona” (16:30), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

Sahanasa fianarana fanampiny

Filipiana 2:6–11

Rehefa avy mamaly ny fanontaniana mikasika ny nahatonga ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana ary ny Sorompanavotana izay nataony ho ohatra faratampony amin’ny fahafoizan-tena ny mpianatra, dia diniho ny Filipiana 2:6–11 ary asao ireo mpianatra hitady ny zavatra nafoin’ny Mpamonjy ary ny zavatra nitahian’ny Ray any an-danitra Azy vokatr’izany.

Ohatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna

Ohatra iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay maneho ny fitsipiky ny fahafoizan-tena ny nandehanan’ny fianakavian’i Lehia tany amin’ny tany nampanantenaina. Tsarovy fa i Lamàna sy i Lemoela dia nimonomonona ary tsy nanana finoana ny torolalan’ny Tompo handao ny tany lovany (jereo ny 1 Nefia 2:11–13). Mety ho nampametra-panontaniana an’i Nefia ihany koa ny momba ny didy ny handaozana an’i Jerosalema, saingy nanohy nanao sorona tamin’ny alalan’ny “[fitalahoana] tamin’ny Tompo” izy (jereo ny 1 Nefia 2:16).

Vakio ny 1 Nefia 2:16–20 ary ataovy lisitra na mariho ireo fahasoavana noraisin’i Nefia noho ny fankatoavany sy fahafoizan-tena nataony.

Afaka mandray soa avy amin’ny fianarana momba ny rain’ny Mpanjaka Lamônia sy ny fahavononany hamoy ny fahotany rehetra mba hahafantarana ny Tompo ihany koa ny mpianatra (jereo ny Almà 22:15–23).

“Tsy misy nenina”

Resaho miaraka amin’ny mpianatra ny fahafoizan-tena izay nataon’ilay lehilahy sy ny fahasoavana izay azony vokatr’izany. Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ohatra maoderina hafa momba ny fahafoizan-tena izay natrehan’izy ireo. 

Hamoaka printy